Lesona 4: Jesosy, Rahalahy mahatoky

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Lev. 25:25-27; Heb. 2:14-16; Heb. 11:24-26; 1 Kôr. 15:50; Heb. 5:8,9; Heb. 12:1-4.
    Tsianjery: "Koa satria manana nofo aman-dra ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly." - Heb. 2:14.

    Miresaka momba an'i Jesôsy amin'ny maha-Zanak'Andriamanitra, Mpanapaka ny anjely Azy ny Heb. 1; koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra" - Heb. 1:3. Ao amin'ny Heb. 2, dia i Jesôsy no ilay Zanak'olona, Izay natao ambany kely noho ny anjely sy nandray ny toetra maha-olombelona malemy, ka niharam-pahafatesana aza (Heb. 2:7).

    Hoy Andriamanitra momba an'i Jesôsy ao amin'ny Heb. 1:5: "Zanako Hianao". Ao amin'ny Heb. 2:12 kosa dia ataon'i Jessy hoe: "rahalahiko" ny zanak'olombelona.

    Jehôvah Andriamanitra, Mpahary, Mpamelona, ary Mpanjaka i Jesôsy ao amin'ny Heb. 1. Ao amin'ny Heb. 2 indray Izy dia olombelona mpisoronabe, mpamindra fo sy mahatoky.

    Raha fintinina dia i Jesôsy, ilay Rahalahy mahatoky sy mpamindra fo no ilay Zanak'Andriamanitra koa, izay fanehoana faratampony Ilay Andriamanitra Mpahary sy mandrakizay (Heb. 1:1-4).

    Vakio ny Lev. 25:25-27, 47-49. Iza no afaka manavotra ny olona iray izay very fananana na tonga andevo noho ny fahantrana? 

    Ambaran'ny lalan'i Mosesy fa rehefa mahantra loatra ny olona iray ka tsy maintsy mivarotra ny fananany - na ny tenany mihitsy aza - mba tsy ho faty, dia haverina aminy indray izany fananany izany isaky ny dimampolo taona, rehefa tonga ny taona Jobily. Ny taona Jobily dia taona sabata lehibe izay amotsorana ny trosa, ahazoana indray ny fananana, ary anambarana fanafahana amin'ny babo.

    Ela ihany anefa ny fiandrasana io dimampolo taona io. Izany no mahatonga ny lalàn'i Mosesy hanambara fa azon'ny havany akaiky indrindra atao ny mandoa izay vola tokony haloa, ka araka izany dia manavotra ilay havany mialoha ny fotoana izy.

    Io havana akaiky indrindra io koa, rehefa misy ny vonoan'olona, no manao izay hisian'ny fitsarana marina. Izy no mpamaly ra afaka manenjika ilay nahafaty ny havany ka manasazy azy (Nom. 35:9-15).

    Vakio ny Heb. 2:14-16. Ahoana ny filazan'io andininy io ny momba an'i Jesôsy sy isika?

    Ambaran'io andalan-tSoratra Masina io fa andevon'ny devoly isika, ary i Jesôsy kosa no Mpanavotra antsika. Rehefa nanota i Adama dia lavo teo ambanin'ny fifehezan'i Satana ny olombelona. Tsy manana hery hanoherana ny fahotana isika noho izany (Rôm. 7:14-24). Ratsy noho izany aza, voaheloka ho faty noho ny fandikan-dalàna isika, ary tsy mahaloa ny onitra hahafahantsika miala amin'izany (Rôm. 6:23). Toa tsy misy fanantenana ny amintsika raha izany.

    Naka ny toetra maha-olombelona antsika anefa i Jesôsy  ka tonga nofo aman-dra tahaka antsika. Izy no nanjary havantsika akaiky izay nanavotra antsika. Tsy nahamenatra Azy ny niantso antsika hoe "rahalahy" (Heb. 2:11).

    Etsy andanin'izany anefa, rehefa tonga olombelona sy nanavotra antsika Izy dia nanambara ny maha-Andriamanitra Azy koa. Ao amin'ny TT, ny tena mpanavotra marina ny Isiraely, ny havany akaiky indrindra, dia i Jehôvah (jereo ohatra ny Sal. 19:14; Isa. 41:14; Isa. 43:14; Isa. 44:22; Jer. 31:11; Hôs. 13:14).

    Ahoana no ahafahanao manao fanandramana lalina kokoa mba hahatsapanao ny maha-akaiky anao indrindra an'i Kristy? Nahoana no zava-dehibe ho an'ny finoanao tokoa izany fanandramana izany?

    Izao no voalaza ao amin'ny Heb. 2:11: "izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe `rahalahy"'. Na iray amin'Andriamanitra aza i Jesôsy dia nanaiky antsika ho anisan'ny ankohonany. Mifanipaka amin'ny fanaratsiana (Heb. 10:33) nanjo ny mpamaky ny bokin'ny Hebreo teo amin'ny fiarahamonina nisy azy ireo io firaisam-po asehon'i Jesôsy io.

    Vakio ny Heb. 11:24-26. Maneho izay nataon'i Jesôsy ho antsika ny fanapahan-kevitr'i Mosesy; amin'ny fomba ahoana?

    Azonao an-tsaina ve ny hevitr'izany hoe "zanaky ny zanakavavin'i Farao" ho Mosesy? Olona nanana fahefana lehibe tao anatin'ny fanjakana matanjaka tamin'izany andro izany izy. Nahazo ny fanofanana ambony indrindra momba ny fahaizan-dalàna sy ara-miaramila izy ka tonga olo-manan-kaja. "Nahery tamin'ny teniny sy ny asany" i Mosesy, hoy i Stefana (Asa. 7:22). "Nankamamian'ny tafika egyptiana izy", hoy koa i Ellen G. White, ary "tapa-kevitra (...) fa hifidy ny zafikeliny natsangany ho mpandova ny fanjakany" i Farao (jereo ny PM, t. 243). Nilaozan'i Mosesy avokoa anefa izany tombontsoa rehetra izany rehefa nifidy ny ho anisan'ny Isiraelita izy, dia firenena babo tsy nahita fianarana sady tsy manan-kery.

    Vakio ny Mat. 10:32,33; 2 Tim. 1:8,12 sy ny Heb. 13:12-15. Inona no angatahin'Andriamanitra amintsika?

    Io no anisan'ny olan'ireo mpamaky ny bokin'ny Hebreo. Rehefa avy niaritra fanenjehana sy fandavana izy ireo, dia nanomboka nahatsiaro ho menatra ny amin'i Jesôsy ny ankamaroany.

    Notandindomin-doza "hanao Azy ho fahamenarana" aza ny sasany tamin'ny alalan'ny fihetsiny, kanefa tokony ho nanome voninahitra Azy (Heb. 6:6). Noho izany dia miantso ny mpamaky mandrakariva i Paoly mba "hihazonantsika mafy ny fanekena ny fanantenana" (Heb. 4:14, Heb. 10:23).

    Tian'Andriamanitra hanaiky Jesôsy ho Andriamanitra sy rahalahy isika. I Jesôsy no nandoa ny trosantsika, amin'ny maha-Mpanavotra antsika Azy. Ary nasehony antsika ny fomba fiaina tokony harahintsika, amin'ny maha-rahalahintsika Azy, mba "hitovy endrika amin'ny Zanany" isika, ary "mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro lzy. - Rôm. 8:29.

    Saino ny fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisin'i Jesôsy mba  hanakaikezana antsika toy ny "iray tampo" Aminy. Nahoana no lehibe lavitra noho ny an'i Mosesy ny fietren'i Jesôsy, ary inona no ambaran'izany amintsika mikasika ny fitiavan'i Jesôsy antsika?

    Ambaran'ny bokin'ny Hebreo fa tonga olombelona i Jesôsy mba hahafahany misolo tena antsika sy mba ho faty ho antsika (Heb. 2:9, 14-16; Heb. 10:5-10). Izany indrindra no fototra iorenan'ny drafi-pamonjena sy hany ananantsika fanantenana ny fiainana mandrakizay.

    Vakio ny Mat. 16:17; Gal.1:16; 1 Kôr. 15:50 sy ny Efes. 6:12. Tsy fahatanterahana manao ahoana eo amin'ny maha-olombelona no tian'ireo andininy ireo ambara amin'ny hoe: "nofo aman-dra"?

    Manasongadina ny maha-marefo sy osa ny olombelona ilay fomba fiteny hoe "nofo aman-dra" (Efes. 6:12); tsy ampy fahatakarana ny olombelona (Mat. 16:17, Gal. 1:16), ary andairam-pahafatesana (1 Kôr. 15:50). Araka ny bokin'ny Hebreo dia natao tahaka ny rahalahin'ny olombelona "amin'ny zavatra rehetra" Izy (Heb. 2:17). lo fomba fiteny io dia maneho fa tonga olombelona tamin'ny fahafenoany i Jes6sy. Tsy "nitovy endrika" tamin'ny olombelona fotsiny i Jesôsy na "mody nanao ho olombelona", fa tena olombelona Izy; tena iray tamintsika Izy.

    Milaza koa anefa ny bokin'ny Hebreo fa tsy mba nanota tahaka antsika i Jesôsy (Heb. 4:15). Manaraka izany, i Jesôsy dia olona "masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota" - Heb. 7:26. Efa nanota avokoa isika rehetra, ary samy manana fironana ho amin'ny ratsy. Efa hatrao anatintsika lalina ao no andevon'ny ota isika. "Nofo, namidy ho andevon'ny ota" isika (Rom. 7:14; jereo koa ny Rom. 7:15-20). Na ny asa tsara ataontsika aza dia voapentin'ny fireharehana sy antony hafa feno fahotana. Ny toetran'i Jesôsy kosa dia tsy mba voaloton'ny fahotana. Tsy maintsy ho izany no izy. Raha toa ka "nofo, namidy ho andevon'ny ota" tahaka antsika Izy, dia ho nila Mpamonjy ihany koa. Saingy tonga amin'ny maha-Mpamonjy Azy i Jesôsy , ary nanolotra ny Tenany ho fanatitra "tsy misy kilema" ho an'Andriamanitra noho ny amintsika (Heb. 7:26-28, Heb. 9:14).

    Ary dia noravan'i Jesôsy ny fahefan' ny devoly tamin'ny nahafatesany ho antsika, amin'ny maha-fanatitra tsy misy kilema Azy, ka nanjary voavela heloka sy nampihavanina tamin'Andriamanitra isika (Heb. 2:14-17). Noresen'i Jesôsy koa ny herin'ny fahotana tamin'ny nanomezany antsika fahafahana miaina amim-pahamarinana, rehefa notanterahiny ny teny fikasany tao anatin'ny fanekena vaovao fa hosoratany ao am-pontsika ny lalàna (Heb. 8:10). Araka izany dia nandresy ny fahavalo i Jesôsy ary nanafaka antsika tokoa, hany ka afaka manompo an'Andriamanitra velona isika ankehitriny (Heb. 9:14). Ny fandringanana an'i Satana kosa dia hotanterahina amin'ny andro fitsarana farany (Apôk. 20:1-3, 10).

    Raha efa azontsika antoka ny fandresena amin'ny alalan'i Jesôsy , nahoana no mbola manana ady atao amin'ny fahotana ny maro amintsika? lnona ny olantsika? Ary zava-dehibe noho izany aza, ahoana no ahafahantsika manomboka miaina araka ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy?

    Vakio ny Heb. 2:10,17,18 sy ny Heb. 5:8,9. Inona ny asan'ny fahoriana teo amin'ny fiainan'i Jesôsy? 

    Hoy ny apôstôly: "Fa miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny fahoriana" (na "Nety tokoa ny nataony [nataon'Andriamanitra] rehefa nataony lavorary [na tanteraka] tamin'ny alalan'ny fahoriana Ilay Mpitarika Lehibe Indrindra [i Jesôsy] - DIEM). Manaitra tokoa izany filazany izany. Efa nambaran'ny apôstôly fa i Jesôsy "no famirapiratan'ny voninahiny (voninahitr'Andriamanitra) sy endriky ny tenany indrindra" Heb. 1:3; tsy nanana ota Izy, tsy misy tsiny, tsy misy loto, ary masina (Heb. 4:15; Heb. 7:26-28; Heb. 9:14; Heb. 10:5-10). Tsy nanana tsy fahatanterahana nilaina horesena i Jesôsy na ara-tsaina na ara-pitondrantena. Tonga lafatra Izy teo amin'ny fisainany sy teo amin'ny nataony. Mbola milaza ihany anefa ny boky eto fa nandalo "asa fanatanterahana" Izy, izay nahatonga Azy ho afaka hamonjy antsika. Natao lavorary na tanteraka i Jesôsy  izany hoe, nomena Azy ny fomba ahazoany manatanteraka ny famonjena antsika.

    1. "Natao tanteraka" tamin`ny alalan'ny fahoriana i Jesôsy mba ho tonga Tompon'ny famonjena antsika (Heb. 2:10). Tsy maintsy nanolo-tena ho faty tea amin'ny hazo fijaliana Izy, ho fanatitra ho an'Andriamanitra, mba hahazoan'Andriamanitra mamonjy antsika amin'ny fomba ara-dalana. I Jesôsy no Ilay fanatitra tsy misy kilema, ary Izy irery ihany. Amin'ny maha-Andriamanitra Azy dia azon'i Jesôsy natao ny nitsara antsika; kanefa noho ny sorona nataony dia afaka namonjy antsika koa Izy.

    2. Nianatra fanarahana tamin'ny alalan'ny fahoriana i Jesôsy (Heb. 5:8). Zavatra roa no ilana dia ny fanarahana na ny fankatoavana. Voalohany, nankasitrahana ny fanatitra nataony noho ny fankatoavany (Heb. 9:14; Heb. 10:5-10). Faharoa, nanjary tonga ohatra ho antsika izy noho ny fahoriana nentiny (Heb. 5:9). "Nianatra" fankatoavana i Jesôsy satria fanandramana mbola tsy niainany izany. Raha Andriamanitra Izy, iza moa no tokony hankatoaviny? Izy ilay Zanaka mandrakizay, iray amin'Andriamanitra, sy nankatoavina amin'ny maha-mpanapaka izao rehetra izao Azy. Araka izany, tsy hoe tsy mpankatò tsy akory i Jesôsy ka nanjary nankatò ; fa Tompon'ny fahefana sy Mpanjaka kosa Izy kanefa nietry, nilefitra sy nankatò.

    3. Ny fiaretany ny fakam-panahy sy ny nandreseny izany no nahatonga azy ho mpisoronabe mpamindra fo sy mahatoky. Tsy ny fahoriana tsy akory no nahatonga an'i Jesôsy ho be famindrampo kokoa. Mifanohitra amin'izany, noho ny famindrampony no netezany ho faty an-tsitrapo teo amin'ny hazo fijaliana ho famonjena antsika (Heb. 10:5-10; ampitahao amin'ny Rôm. 5:7,8). Kanefa tamin' ny alalan'ny fahoriana no tena nanehoana sy nanambarana marina ny fitiavan'l Jesôsy antsika amin'ny maha-rahalahintsika Azy. 

    Niaritra fahoriana i Jesôsy  Ilay tsy nanana ota, Koa azo antoka fa : hiari-pahoriana koa isika amin'ny maha-mpanota antsika.

    Ahoana no ianarantslka miaritra ny fahoriam-piainana kanefa sady manana fanantenana sy toky avy amin'ny Tompo, Izay efa nampiseho ny fitiavany antsika tamin'ny fomba maro mahatalonjona? 

    Anisan'ny antony anankiray naneken'i Jesôsy ho tonga olombelona sy hiaina teto anivontsika ny mba ho ohatra ho antsika. Izy irery ihany no afaka naneho tamintsika ny fomba fiaina araka ny tokony ho izy eo anatrehan'Andriamanitra. 

    Vakio ny Heb. 12:1-4. Ahoana no tokony ho fihazakazahatsika ao anatin'ilay hazakazaky ny fiainana kristianina raha ny voalazan'ny Apôstôly?

    I Jesôsy no faratampony amin'ilay lisitra voalazan'io andalan-tSoratra Masina io, izay itanisan'ny apôstôly ireo olo-malazan'ny finoana. "Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy" no ilazana an'i Jesôsy ao. Archegos no teny grika nandikana ny hoe "Tompo", izay azo adika koa hoe "mpamaky lay" na "voalohany". I Jesôsy no voalohany, izany hoe mihazakazaka eo alohan'ny mpino Izy. Eny tokoa, "Mpialoha antsika" no ilazana an'i Jesôsy ao amin'ny Heb. 6:20. Ny teny hoe "Mpanefa" dia manambara fa madio indrindra ny finoan'i Jesôsy an'Andriamanitra. Ny tiana ambara eto dia izao: Izy no voalohany nanao ny hazakazatsika tamim-pahombiazana, ary Izy no nahatanteraka ny atao hoe miaina amim-pinoana.

    Izao no voalaza ao amin'ny Heb. 2:13: "Ary koa: Izaho hatoky Azy'. Ary indray koa: Indreto izaho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra Ahy'". Manambara i Jesôsy eto fa hitoky arnin'Andriarnanitra Izy. Miresaka izay voasoratra ao amin'ny Isa. 8:17,18 io andininy io.

    Nandrahona hanafika an'i Jerosalema ny Isiraely Avaratra sy ny Siria (Isa. 7:1,2); tao anatin'izany toe-javatra nampivarahontsana izany no nitenenan'i Isaia ireo teny ireo. Nifanohitra tamin'ny tsy fahampiam-pinoan'i Ahaza mpanjaka ny finoan'i Isaia (2 Mpanj. 16:5-18). Nampahery an'i Ahaza Andriamanitra mba hatoky Azy sy hangataka farnantarana Aminy fa hanafaka azy tokoa Izy (Isa. 7:1-11). Amin'ny maha-taranak'i Davida an'i Ahaza dia efa nanome toky Andriamanitra fa hiaro azy tahaka ny zanany naterany. Izao Andriamanitra dia manasa an'i Ahaza mba hanamafy izany teny fikasana izany amin'ny fangatahana farnantarana. Nanda tsy hangataka famantarana anefa i Ahaza, ary naleony nandefa iraka ho any amin'i Tiglato-pilesera mpanjakan'ny Asiria hilaza hoe: "Mpanomponao sy zanakao aho"- 2 Mpanj. 16:7. Indrisy! Naleon'i Ahaza zanak'i Tiglato-pilesera toy izay zanak'Andriamanitra.

    I Jesôsy kosa dia nitoky tamin'Andriamanitra sy ny teny fikasany fa hataon'Andriamanitra ho fitoeran-tongony ny fahavalony (Heb. 1:13; Heb. 10:12,13). Toy izany koa ny teny fikasan'Andriamanitra ho antsika, ary toa an'i Jesôsy dia mila mino Azy isika (Rôm. 16:20). 

    Ahoana no ianarantsika mitoky amin'Andriamanitra ka maneho izany fitokiana izany eo amin'ny safidy ataontsika isan'andro? lnona ny fanapahan-kevitra ilainao atao, ary ahoana no ahazoanao antoka fa maneho ny fitokianao amin'Andriamanitra izany safidinao izany? 

    Please publish modules in offcanvas position.