Lesona 7: Ny fanekena natao tamin'ny Abrahama

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 15-19:29; Rom. 4:3,4,9,22; Gal. 4:21-31; Rom 4:11; Rom. 9:9; Amo. 4:11.
    Tsianjery: "Ary hoy Abrama: Jehôvah Tompo ô, inona no homenao ahy? Fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy." – Gen. 15:2.

    Ao amin'ny Gen. 15 no ahitantsika ilay fotoan-dehibe izay nanamafisan'Andriamanitra ny fanekeny tamin'i Abrahama. Io fanekena natao tamin'i Abrahama io no fanekena faharoa, taorian'ny fanekena natao tamin'i Noa.

    Toy ny tamin'i Noa dia mahafaoka firenena maro ihany koa ny fanekena natao tamin'i Abrahama; amin'ny farany mantsy dia ho isan'ilay fanekena mandrakizay izay atolotra ny taranak'olombelona manontolo ny fanekena natao tamin'i Abrahama (Gen. 17:7; Heb. 13:20).

    Feno tahotra sy fihomehezana io ampahany amin'ny fiainan' i Abrahama io. Natahotra i Abrama (Gen. 15:1), sy i Saraha (Gen. 18:15), ary i Hagara (Gen. 21:17). Nihomehy i Abrama (Gen. 17:17), i Saraha (Gen. 18:12), ary koa i Isimaela (Gen. 21:9). Feno fihetseham-pon'olombelona be fangorahana sy fitiavana ireo toko ireo. Naniry fatratra ny hamonjena ireo Sodomita ratsy fanahy i Abrama; feno fiheverana an'i Saraha sy i Hagara ary i Lota izy; noraisiny tsara ihany koa ireo vahiny telo lahy (Gen. 18:6).

    Tao anatin'izany tontolon-kevitra izany no nanovana ny anaran'i Abrama, izay manambara fahamendrehana sy haja, ho Abrahama izay midika hoe "rain'ny firenena maro" (Gen. 17:5). Araka izany, hitantsika mihamazava kokoa eto ny toetr'ilay drafitra tian'Andriamanitra hotanterahina amin'ny alalan'ny fanekena nataony tamin'i Abrahama, izay mahafaoka izao tontolo izao.

    Vakio ny Gen. 15:1-21 sy ny Rôm. 4:3,4,9,22. Ahoana no nanehoan'i Abrahama ny atao hoe: miaina amim-pinoana? Inona ny hevitr'ilay fanatitra; nasain'Andriamanitra nataon'i Abrahama?

    Rehefa niahiahy ny amin'izay ho mpandova azy i Abrahama (Gen. 15:1-3) dia izao no navalin'Andriamanitra azy voalohany: "izay haterakao, dia izy no handova anao" — Gen. 15:4. Nampiasa io fitenenana hoe "izay haterakao" io ihany koa ny mpaminany Natana mba hilazana ny amin' ilay taranaka Mesia mpanjaka ho avy (2 sam. 7:12). Nahazo toky indray i Abrama ka "nino an 'i Jehôvah" (Gen. 15:6); takany mantsy fa tsy miankina amin'ny fahamarinan'ny tenany ny fahatanterahan'ny teny fikasan'Andriamanitra fa amin'ny fahamarinan'Andriamanitra ihany (Gen. 15:6, ampitahao amin'ny Rôm. 4:5,6). Miavaka tokoa izany finoany izany, indrindra teo anivon'ny kolontsaina tamin'izany andro izany. Teo amin'ny fivavahana egiptianina fahiny, ny fanombanana olona anankiray dia nifototra tamin'ny fampitahana ny asam-. pahamarinan'izany olona izany amin 'ny fahamarinan'ilay andriamani-bavy Maat, izay naneho ny fahamarinan'Andriamanitra. Izany hoe tsy maintsy ataonao izay haha-mendrika anao hahazo "famonjena".

    Dia nisy fomba fisoronana nasain 'Andriamanitra notanterahin'i Abrama. Raha ny marina dia manondro ny fahafatesan'i Kristy noho ny fahotantsika ilay sorona. Fahasoavana no amonjena ny olombelona, dia ny fahamarinan'Andriamanitra omena azy ireo, izay aseho ara-tandindona amin'ny alalan'ny sorona. Nisy hafatra manokana ho an'i Abrama anefa nentin'io fombafomba nasaina notandremany io. Ireo vorona mpihaza nidina teo amin'ny fatin'ireo biby natao fanatitra (Gen. 15:9-11) dia midika fa hiaritra fahandevozana mandritra ny "efa-jato taona" (Gen. 15:13), na taranaka efatra (Gen. 15:16), ny taranak Abrama, ary amin'ny taranaka fahefatra dia "hiverina aty) izy" (Gen. 15:16). Manaitra ilay tranga farany niseho nandritra ilay fanaovana fanatitra: "indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan 'ireo zavatra voasasaka ireo." — Gen. 15:17. Midika ho fanolorantenan'Andriamanitra hanatanteraka ny teny fikasan'ny fanekeny io zava-mahatalanjona io, fa homeny ny taranak' i Abrama tokoa ilay tany (Gen. 15:18). Ny faritry ny Tany nampanantenaina "hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata" —Gen. 15:18, dia mampahatsiahy antsika ny saha Edena (ampitahao amin'ny Gen. 2:13,14). Mihoatra lavitra noho ny resaka fifindrana sy firenena ho an'ny Isiraely io faminaniana io noho izany. Hita soritra any amin'ny faran'ilay faminaniana, rehefa haka ny tany Kanana ny taranak'i Abrahama, ny famonjena ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany, ka hiverenan'izy ireo ao amin'ny saha Edena.

    Ahoana no ianarantsika mifantoka amin'ny hoe: i Kristy sy ny fahamarinany irery ihany no azontsika anantenana ny famonjena? Inona no mitranga rehefa miezaka manisa ireo asa tsara vitantsika isika?

    Vakio ny Gen. 16:1-16. Midika inona ilay fanapahan-kevitr'i Abrahama hiaraka amin'i Hagara na teo aza ny teny fikasana efa nomen'Andriamanitra azy? Amin'ny tomba ahoana no anehoan'ireo vehivavy roa ireo karazana finoana anankiroa (Gal. 4:21-31)?

    Rehefa nisalasala i Abrama (Gen. 15:2) dia nanome toky azy mazava tsara Andriamanitra fa hiteraka zazalahy izy. Mbola tsy nanan-janaka ihany anefa izy 10 taona taorian'izany. Toa very ny finoany na dia taorian'ilay faminaniana lehibe farany nataon'andriamanitra aza; tsy nino intsony izy fa mbola mety hanan-janaka amin'i Saray. Rehefa nahatsiaro ho kivy i Saray dia nanapa-kevitra ka nampirisika an'i Abrama hanaraka ny fomba fanao tamin'izany andro izany, tany Proche-Orient fahiny, dia ny haka vehivavy hatao "kibo indramina". I Hagara andevovavin'i Saray no notendrena ho amin'izany. Nahomby tokoa ilay izy. Toa mandaitra kokoa ny paikadin'ny olombelona noho ny finoana ny teny fikasan'Andriamanitra. Mampahatsiahy ny tantaran' i Adama sy i Eva tao amin'ny saha Edena ny fitantarana ny fifanciraisan'i Saray sy i Abrama. Misy lohahevitra maromaro iombonan'ireo tantara roa ireo (maka fanapahan-kevitra i Saray, tahaka an'i Eva; i Abrama kosa milefitra, toa an'i Adama), ary koa matoanteny sy fehezan-teny itoviany ("nihaino ny feon'ny vadinao"/"neken'i Abrama ny tenin' i Saray"; "nanotazany nomeny"/"nalain'i Saray nomeny"). Ireo fitoviana ireo dia maneho ny tsy fankasitrahan'Andriamanitra izany fitondran-tena izany.

    Nentin'ny apôstôly Paoly nanazava ny momba ny asa sy ny fahasoavana io tantara io (Gal. 4:23-26). Ao amin'ireo tantara anankiroa dia mitovy ny vokany: ny fahafaham-po vetivety ateraky ny asan'ny olombelona ivelan'ny sitrapon'Andriamanitra dia mitarika ho amin'ny olana ho avy. Mariho fa tsy teo Andriamanitra nandritra ilay fotoana manontolo nakan'izy ireo ny fanapahan-keviny. Miresaka momba an'Andriamanitra i Saray saingy tsy miresaka Aminy mihitsy, ary Andriamanitra koa tsy miresaka amie' izy ireo. Manaitra io tsy fanatrehan'Andriamanitra io, indrindra aorian'ilay toko teo aloha izay ahitana mazava ny fanatrehany. Avy eo dia niseho tamin' i Hagara Andriamanitra, saingy taorian'ny nandaozany ny tranon'i Abrama. Izany fisehoana tsy nampoizina izany dia manambara fa na dia manao Azy ho tsy misy aza ny olombelona eo am-panaovana ny asany, dia eo mandrakariva Anciriamanitra. Ilay hoe "Anjelin'i Jehôvah" (Gen. 16:7) dia matetika anarana ilazana an'i Jehôvah, YHWH, (jereo ny Gen. 18:1,13,22). Andriamanitra indray no manapa-kevitra eto ka manambara amin'i Hagara fa hiteraka zazalahy izy, ary Isimaela no anarany, izay midika hoe mihaino Andriamanitra (Gen. 16:11). Toa maneso ny fiafaran'ny tantara amin'ny "fihainoana" (shama), izay mampahatsiahy ilay fihainoana tany am-boalohany, rehefa "nihaino (shama) an'i Saray i Abrama." - Gen. 16:2 (DIEM).

    Nahoana no mora amintsika tokoa ny manao fahadisoana tahaka ny ataon'i Abrahama eto?

    Vakio ny Gen. 17:1-19 sy ny Rôm. 4:11. Inona ny hevitra ara-panahy sy ara-paminaniana fonosin'ny famorana?

    Voasembantsembana ny fizotry ny dian'i Abrama ara-panahy miaraka amin'Andriamanitra noho ny tsy fahampian'ny finoany, araka ny hita tao amin'ilay tantara teo (Gen. 16). Nangina Andriamanitra nandritra izany fotoana izany. Niresaka tamin'i Abrahama indray Andriamanitra; eto no iresahan'Andriamanitra aminy voalohany taorian'ny nisalasalany. Nifandray tamin'i Abrama indray Andriamanitra ary nampahatsiahy azy ny amin'ilay andro nanaovany fanekena taminy (Gen. 15:18). Nomen'Andriamanitra an'i Abrama izao ny famantarana izany fanekena izany. Mpandinika maro no niady hevitra mikasika ny hevitry ny famorana. Kanefa, satria misy fandatsahan-dra ao anatin'ny fanaovana famorana (jereo ny Eks. 4:25), dia azo raisina ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fanaovana sorona izany, izay midika fa nisaina ho marina izy (ampitahao amin'ny Rôm. 4:11).

    Zava-dehibe ihany koa ny namaritana io fanekena io - izay ny famorana no famantarana azy — amin'ny teny izay manondro ilay faminaniana voalohany indrindra momba ny Mesia (ampitahao amin'ny Gen. 3:15 ny Gen. 17:7). Io fitoviana io dia maneho fa mihoatra lavitra noho ny fahaterahan'ny olona iray ara-nofo no voakasik'ilay teny fikasan'Andriamanitra ho an'i Abrama; mirakitra teny fikasana ara-panahy izay hamonjena ny olona rehetra eto ambonin'ny tany izany. Ary ilay "fanekena mandrakizay" nampanantenaina dia miresaka ny amin'ny asan'ilay taranaka, ny Mesia, dia ny sorona nataon'i Kristy izay manome antoka ny fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra mitaky izany teny fikasana izany amim-pinoana, araka izay rehetra takin'ny finoana (ampitahao amin'ny Rôm. 6:23 sy Tit. 1:2). Mahaliana fa tao anatin'ny fanovana ny anaran'i Abrama sy Saray io teny fikasana momba ny hoavy mandrakizay io. Ny ankehitrinin'izy ireo monja no nambaran'ny anarany hoe Abrama sy Saray; ny hevitry ny hoe Abrama dia: "raim-pianakaviana ambony", ary ny Saray dia hoe: "andriambaviko" (andriambavin' Abrama). Manambara ny hoavy ny nanovana ny anaran'izy ireo: ny "Abrahama" dia midika hoe: "rain'ny firenena maro", ary ny "Saraha" kosa dia midika hoe "andriambavy" (an'ny olona rehetra). Mifanindran-dalana amin' izany, sady misy fanesoana ihany, ny anarana hoe "Isaka" ("hihomehy izy") dia fampahatsiahivana ilay fihomehezan' i Abrahama (io no voalohany voarakitra ao amin'ny Soratra Masina, Gen. 17:17; jereo ny ao amin'ny DIEM); fihomehezana noho ny fisalasalana izany, na angamba noho ny fahatairana. Na ahoana na ahoana, na natoky izay nampanantenain'ny Tompo azy mazava aza i Abrahama, dia sarotra taminy ny niaina izany tamim-pinoana sy fitokiana.

    Ahoana no hianarantsika mitahiry ny finoantsika na dia amin'ny fotoana izay maha-sarotra izany aza, tahaka an'i Abrahama eto? Nahoana no zava-dehibe ny mifikitra amin'ny finoana na dia ao anatin'ny fotoam-pisalasalana aza?

    Ilay tranga farany momba ny famorana dia nahakasika ny rehetra: tsy i Ismaela ihany fa izay lehilahy rehetra tao an-tranon'i Abrahama no noforana (Gen. 17:23-27). Miverina inefatra ilay teny hoe kol ra "rehetra". Tao anatin'izany tontolon-kevitra tsy manavaka izany no nisehoan'Andriamanitra tamin'i Abrahama ho fanamafisana ny teny fikasany momba ny hanomezany azy zanakalahy, dia i "Isaka" izany.

    Vakio ny Gen. 18:1-15 sy ny Rôm 9:9. Inona ny lesona momba ny fampiantranoam-bahiny azontsiko tsoahina avy amin'ny tomba nandraisan'i Abrahama ireo vahiny tonga teo aminy?

    Tsy voalaza mazava raha fantatr'i Abraharna ireo vahiny ireo na tsia (Heb. 13:2), na dia toa maneho aza ny fihetsiny fa Andriamanitra mihitsy no teo aminy. "Nipetraka teo ambaravaran'ny lainy izy, raha nafana ny andro" — Gen. 18:1; ary satria tsy dia misy vahiny mandalo loatra any an-tany efitra, dia azo inoana fa naniry hihaona amin' izy ireny i Abrahama. Nihazakazaka nitsena ireo lehilaly ireo i Abrahama (Gen. 18:2), na dia efa 99 taona aza. Adonai no niantsoan' i Abrahama ny anankiray tamin'ireo vahiny ireo, na "Tompo" (Gen. 18:3), izay anarana fampiasa ilazana an'Andriamanitra (Gen. 20:4, Eks. 15:17). Niolomay izy nikarakara sakafo ho azy ireo (Gen. 18:6,7). Nijoro teo anilan' izy ireo i Abrahama, vonona ny hanompo raha sendra misy ilain' ireto vahiny ireto (Gen. 18:8). Nanjary ohatra faka tahaka momba ny fampiantranoam-bahiny ny fihetsika nasehon'i Abrahama nanoloana ireto vahiny avy any an-danitra ireto (Heb. 13:2). Nampisy filôzôfian'ny fandraisam-bahiny io fanajana nasehon'i Abrahama io raha ny marina. Ny fihetsika tsara na fahalalam-pomba fotsiny ny fanehoana fanajana sy fikarakarana ny vahiny. Asongadin'ny Baiboly fa adidy ara-pivavahara izany, dia toy ny atao amin'Andriamanitra mihitsy (Ampitahao amin'ny Mat. 25:35-40).

    Tsy araka ny mety hanampoizana azy fa ireo olona noana sy mahantra indray no manondro kokoa an'Andriamanitra fa tsy ireo izay malala-tanana manampy azy ireny. Etsy andanin'izany, ny fidiran'Andriamanitra eo amin'ny sehatra misy ny olombelona dia maneho ny  fahasoavany sy ny fitiavany ny taranak'olombelona. Manambara mialoha an'i Kristy io fisehoan'Andriamanitra io, Izay nandao ny lanitra fonenany ka tonga olombelona mpanompo mba hahazoany mamonjy azy (Fil. 2:7,8). Ity fisehoan'Andriamanitra ity dia porofon'ny maha-azo antoka ny teny fikasany (Gen. 18:10). Hitany (hitan'Andriamanitra) i Saraha, izay niafina "teo ivohon'llay niteny" (Gen. 18:10), ary fantany ny tao an-tsainy lalina (Gen. 18:12). Fantany fa nihomehy i Saraha ary tao anatin'ny teny farany nataon'Andriamanitra ny teny hoe "nihomehy". Ny fisalasalan'i Saraha no nanjary fomba nanatanterahan'Andriamanitra ny teniny.

    Saintsaino ny amin'ny hoe "ireo olona noana sy mahantra indray no manondro kokoa an'Andriamanitra fa tsy ireo izay malala-tànana manampy azy ireny". Nahoana no zava-dehibe ny tsy hanadinoantsika izany?

    Vakio ny Gen. 18:16-33;19:1-29. Nahoana ny maha-mpaminany an'i Abrahama no nahatonga azy hahatsiaro ho tompon'andraikitra ny amin'i Lota?

    Vao avy nanamafy ny teny fikasany tamin'i Abrahama Andriamanitra fa hanan-janaka izy. Raha tokony ho nifaly teo anatrehan'izany vaovao tsara izany izy dia tsy izany no nataony fa nifandahatra tamin'Andriamanitra indray ny amin'ny anjara miandry an'i Lota tao Sôdôma. Tsy mpaminany izay nanambaran'Andriamanitra ny sitrapony fotsiny ihany i Abrahama, fa mpaminany manao fanelanelanana ho an'ny ratsy fanahy koa. Ny teny hebreo nadika hoe: "nijanona teo anatrehan'i Jehôvah" (Gen. 18:22) dia fomba fiteny ilazana fa nivavaka izy. Raha ny marina dia niady varotra tamin'Andriamanitra i Abrahama mba hamonjena an'i Sôdôma, izay toerana nonenan'ny zana-drahalahiny. Nanomboka tamin'ny isa 50 ka nidina hatramin'ny 10, noho ny Sôdômita 10 marina tao, dia ho namonjy ny mponin'i Sôdôma rehetra Andriamanitra.

    Mazava loatra fa rehefa vakina ny tantaran'ny zava-nitranga tamin'ny nahatongavan'ireo anjely anankiroa tao an-tranon' i Lota mba hampiomana azy amin'izay zavatra hiseho (Gen. 19:1-10), dia hita fa tena feno fahadalana sy faharatsiana ny mponina. Toerana ratsy tokoa izany, tahaka ny firenena maro nanodidina azy; ary izany no anisan'ny antony nandroahana azy ireo hiala amin'ny tany nony farany (Jereo ny Gen. 15:16).

    " Tonga ny alina farany hahaveloman'ny Sodoma. Efa nihevaheva teo ambonin'ny lohany, handefa ny alo-pahafatesana, ny rahon'ny famaliana. Kely sisa dia hipaika ny ora fandringanana. Na dia efa nanatona aza ny anjely mba handrava ny tanàna, ny vahoaka kosa dia mbola variana nanenjika fahafinaretana sy lalao ihany. Eo amin 'izay niheverany fa misy fiadanana sy famirapiratana no hahatraran'ny fahafatesana azy. Efa nitehin-ko hariva ny andro tamin'izay. Ny tanamasoandro efa hilentika dia nampitombo aoka izany ny hatsaran-tarehin'ny zavaboary. Nanasa ny olona hitsangantsangana ny hatsiatsiaky ny hariva, ka indreny vahoaka marobe tsy nanao na inona na inona, no nivezivezy tetsy sy teroa, nitady fahafinaretana sy lalao." - PM, t. 141.

    Dia noravana ilay tanàna tsara tarehy. Miverina imbetsaka ao amin'io andalan-tSoratra Masina io ny matoanteny hebreo hoe hafakh, "mandrava" (Gen. 19:21, 25, 29), izay mampiavaka ny nanamontsamontsanana an'i Sôdôma (Deo. 29:23; Amô. 4:11). Izany hoe "naverina toy ny fony izy tsy mbola nisy" io firenena io. Naverin'ny Safodrano ho amin'ny fahafoanana ny zavaboary tany am-boalohany, dia tahaka izany koa, ny nandravana an'i Sôdôma dia maneho ny fitsimbadihan'ny namoronana ny Saha Edena (Gen. 13:10). Misy fanehoana mialoha ny amin'ny fandravana hitranga amin'ny andro farany koa ao amin'ny fandravana an' i Sôdôma (Jereo ny Joda 7).

    Vakio "Ny lalàna sy ny fanekena", ao amin'ny PM, tt. 361-365.

    Tokony handrisika antsika hivavaka ho an'ny ratsy fanahy ny fangatahana feno faharetana sy fikirizana nataon'i Abrahama ho an'ny mponin'i Sôdôma (Gen. 18:22-33), na dia toa mpanota tsy misy azo antenaina intsony aza izy ireny. Ankoatra izany, "manova zavatra" tokoa ny hoe: mihaino sy mamaly an'i Abrahama nikiry nangataka Andriamanitra, ary vonona ny hamela heloka noho amin'ny olo-marina "folo" monja; araka ny asongadin'i Gerhard Hasel hoe:

    "Misy fiovana lehibe tokoa, fa raha ny fisainan'ny besinimaro fahiny dia izay tsy manan-tsiny no sazina ao anatin'ny fiarahamonina anankiray meloka. Eto kosa, ny fisian'ny olom-bitsy marina ao anatin'ilay fiarahamonina dia mety hitondra fiarovana ho an'izy rehetra. Fanavaozana goavana no entin'izany Noho ny fahamarinan'i Jehôvah [tsedagah], dia ho namela ny helok'ilay tanàna ratsy fanahy Izy noho ny amin'ireo olom-bitsy sisa marina ireo. Voazava amin'ny fomba mivelatra tokoa io lohahevitra io ao amin'ny fanambaran'Ilay Mpanompon'i Jehôvah izay miasa ho famonjena ny maro '". - Gerhard F. Hasel, The Remnant: Idea From Genesis to P to Isaiah, edisiona faha-3 (Berrien Springs, MI: Andrefdrews University 1980), tt. 150,151.

    "Ny nahatonga an'i Abrahama nitalaho fatratra toy izany, dia noho ny fitiavany ireo fanahy izay ho very. Ny faniriany hamonjy  ny mpanota dia nahery lavitra noho ny fankahalany ny fahotana mahatsiravina vitan'ilay tanàna ratsy fanahy. (..) Voahodidin'ny olona izay mizotra ho amin'ny fandringanana, toy ny olona tany Sodoma fahizay isika. Isan'andro isan'andro, dia mikatona eo amin'ny fiainan'ny olona sasany ny varavaram-pahasoavana; isan'ora isan'ora, dia misy olona izay mameno mitafotafo ny kapoaky ny faharatsiany. Koa aiza izay mba feo hananatra azy ireny handositra ny loza manandindona azy? Aiza izay tanàna hitsotra  hanavotra azy tsy ho tratran'ny fahafatesana? Aiza ireo mpifona amin'Andriamanitra mba hitalaho amin'ny fanetren-tena mafana sy finoana maharitra ho an'ny olom-bery? Ny toe-tsain'ny Mpamonjy no toe-tsaina nanetsika an'i Abrahama. Ny Zanak'Andriamanitra no Mpanalalana lehibe ho an'ny mpanota. Izy izay efa efa nandoa ny avotry ny fanahin'olombelona no mahalala ny hasarobidin'ny fanahin'olona." — PM, tt. 121,1

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

    1. Ny avana sy ny famorana ihany no antsoina hoe "famantarana ny ny fanekena". Inona no mampitovy sy mampiavaka ireo fanekena roa ireo?

    2. Andriamanitra no niantso an'i Abrahama, ary voatonona matetikatika ao amin'ny TV izy ho toy ny ohatra maneho ny atao hoe miaina amim-pinoana; ne; na izany aza anefa dia nisy fotoana nisalasalany ihany. Inona avy no tokony hianara iarantsika na tsia avy amin'ny ohatra nasehony?

    3. Misy olona sasany tsy miombon-kevitra amin'ny hoe hanasazy ireo very Andriamanitra. Milaza izy ireo fa mifanohitra amin'ny maha-fitiavana an'Andriamanitra izany. Ho antsika izay mino fa hosazin'Andriamanitra tokoa ireo very, ahoana no hamaliantsika ny hevitra mifanohitra amin'izany?

    Please publish modules in offcanvas position.