Lesona 1: Ny fizahan-toetra avy amin’Ilay Mpiandry ondry

    Hovakiana mandritry ny herinandro : Sal. 23 ; Rôm. 12: 18-21.

    Tsianjery : "Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy." Sal. 23:3.

    Nasaina nanao ny sarin’Andriamanitra ny ankizy vitsivitsy. Samy nanao sary nahitana fo tao anatiny ny tsirairay avy tamin’izy ireo, tsy nisy an-kanavaka. Rehefa nanontaniana ny anton’izany dia niray feo izy ireo nanambara fa Andriamanitra dia fitiavana. Tsotra tokoa izany valinteny izany.

    Mora ny manana fiheverana tsara momba an’Andriamanitra sy ny fikasany rehefa mizotra tsara ny zavatra rehetra. Saingy matetika no miova ny fijerintsika an’Andriamanitra rehefa mihalehibe isika ary mihasarotra koa ny fiainana. Mazava loatra anefa fa tsy miova Andriamanitra, isika no miova (Heb. 13:8, Jak. 1:17).

    Noho ny fomba fiainan’ireo olona tamin’ny andron’ny TT (mpiandry ondry), dia nampiasa ny sary an’ohatra momba ny mpiandry ondry ny Sal. 23 mba hamaritana ny fomba fikarakaran’Andriamanitra antsika. Tandindona nentina nanondro an’Andriamanitra ny mpiandry ondry — ao amin’ny TT sy ny TV. Sary mahafinaritra izany ary tsy miova. Andeha hohadihadiantsika ny fahatakaran’ireo mpanoratra samy hafan’ny Baiboly ny asa sy ny toetran’ilay Mpiandry ondry ao amin’ny Baiboly mialoha ny hijerentsika ny Sal. 23.

    Inona ny lesona nianaranao momba ny Mpiandry ondry avy amin’ireto nandininy manaraka ireo?

    Isa. 40:11  .................................................................................................................................................................

    Jer. 23:3,4 .................................................................................................................................................................

    Ezek. 34:12 ................................................................................................................................................................

    Jao. 10:14-16 .............................................................................................................................................................

    1 Pet.2:25 .................................................................................................................................................................

    Jereo indray ny Sal. 23. Inona no ataon'ilay Mpiandry ondry ho fikarakarany ny ondriny?

    Sal. 23:2 ..................................................................................................................................................................

    Sal. 23:3 ..................................................................................................................................................................

    Sal. 23:4 ..................................................................................................................................................................

    Sal. 23:5 ..................................................................................................................................................................

    Sal. 23:6 ..................................................................................................................................................................

    Manao ahoana ny lanjan'ny fahafantaranao fa misy Olona mikarakara anao tahaka izany? Ahoana no ampiasanao io sary an’ohatra io hampaherezanao olona iray izay manana sary nohamaizinina momba an’Andriamanitra noho ny tolona natrehiny manokana, na inona na inona izany?

    “Mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy" - Sal. 23:3.

    Alaivo sary an-tsaina hoe eo anoloanao ny “lalan’ny fahamarinana” - Sal. 23:3; hitanao avy lavitra izany. Tsy tazanao ny faran’ny lalana saingy fantatrao fa ny fonenan’Andriamanitra izay hodianao no any amin’ny fiafaran’ny dia. Hitanao ve izay hitarihan’izany lalana izany anao rehefa mifantoka bebe kokoa amin’izay manodidina anao ianao? Mety ho hitanao mazava tsara ny faritra sasany eny an-dalana saingy takon’ny sakana lehibe na mampidi-doza kosa ny hafa. Misy fotoana takona ao ambadiky ny havoana izany lalana izany. Mora andehanana ny faritra sasany amin’izany lalana izany fa ny hafa kosa sarotra ny mandeha eo aminy. Tahaka izany indrindra no nitranga rehefa niala avy tany Egipta hihazo ny Tany Nampanantenaina ny Isiraely, ary tahaka izany koa ny hamaritana ilay lalana ao amin’ity Salamo ity.

    Jereo ao amin’ny Salamo. 23 ireo toerana hitan’i Davida nolalovan’ireo ondry rehefa nanaraka ny lalan’ny fahamarinana ho any an-tranon'i Jehôvah izy ireo.

    Nahoana no nantsoina hoe “lalan’ny fahamarinana” na “lala-marina” izany lalana izany? Ireto misy antony efatra manan-danja mahakasika izany. Voalohany, lala-marina izany satria mitarika ho any amin’izay tokony hitodiana — ny fonenan’ilay Mpiandry ondry. Faharoa, mihazona antsika hifanaraka amin’ny olona tokony harahintsika izany -ny Mpiandry ondry. Fahatelo, lala-marina izany satria manofana antsika ho tonga tahaka ilay Mpiandry ondry. Fahefatra, maneho amintsika ny tena fijoroana ho vavolombelona marina izany — Manome voninahitra an’Andriamanitra isika rehefa tonga amin’ izay tokony ho toetsika marina. Lala-“marina” na lalan’ny “fahamarinana” ireo na mora na sarotra ny fandehanana eo aminy.

    Zava-dehibe ny fahatsapana fa rehefa mitarika antsika Andriamanitra dia tsy hoe manatitra antsika any amin’izay tokony hitodiantsika fotsiny. Mihoatra lavitra noho ny fitarihan-dalana sy fiarovana no ataony. Tahaka ireo ohatra maro manerana ny Baiboly izay nitarihan’Andriamanitra ny olony na tamin’ny nitarihany an’i Abrahama tamin’ny alalan’ny teny fikasany na ny nitarihany ny Isiraely tamin’ny alalan’ny andri-afo sy andri-rahona, ny fitarihan’Andriamanitra dia fanazarana ny olony ho amin’ny fahamarinana mandrakariva.

    Manao ahoana ny fahatsapanao fa ny fahamarinana no laharam-pahamehan’ilay Mpiandry ondry ho an’ny fiainanao? Ahoana no anovan’ny fitsapana ny fiainanao mba hanehoanao bebe kokoa ny toetran’i Kristy?

    "Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehôvah andro lava aho." - Sal. 23:6.

    Matetika isika no alaim-panahy hino fa nafoy rehefa eo amin'ny lohasaha na voahodidin'ny fahavalo. Tsy tsapantsika mandrakariva hoe manao zavatra Andriamanitra; mieritreritra isika fa raha nanampy Izy dia tsy ho tojo izany toe-javatra izany isika. Tsy toy izany anefa ny fomba fijerin' i Davida.

    Inona ireo zavatra roa azon'i Davida antoka izay nambarany ao amin'ny Sal. 23:6 na dia teo aza ny fitsapana? (Jereo ihany koa ny Efes. 1:4; 2 Pet. 1:10; Heb. 11:13-15).

    Ny dikan-teny sasany dia milaza fa fahasoavana sy fitiavana tsy mety levona (fanoloran-tenan'Andriamanitra araka ny fanekeny) no "hanaraka" ahy amin'ny andro rehetra hiainako. Mafonja kokoa anefa ilay matoanteny amin'ny fiteny fototra, ary tokony hovakina hoe: fahasoavana sy fitiavana tsy mety levona no "hanenjika" ahy amin'ny andro rehetra hiainako. (raha ny marina, koa ny matoanteny hebreo ampiasaina ao amin'ny andalan-teny tahaka ny Gen. 14:14, Jos.10:19, ary ny 1 Sam. 25:29, izay tena maneho mazava ny hevitra hoe "manenjika").

    Inona ny sary tonga ao an-tsainao rehefa maka sary an-tsaina ny fahasoavana sy ny fitiavana tsy mety levona izay "manenjika" anao ianao? Araka ny hevitrao, inona no tian'i Davida holazaina amintsika mikasika an'Andriamanitra amin'ny filazalazany ny fiahiany antsika tahaka izany?

    Na toy ny ahoana ny halalin'ny lohasaha na ny fikirizan'ny fahavalo dia tsy isalasalana ny maha-azo antoka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fitiavany tsy mety levona ary koa ny fitarihany antsika mandra-pahatonga any amin'ilay fitodiana. Raha nampahery an'i Jesosy teo Kalvary ny fisaintsainana izany dia tokony hahery koa isika.

    Misy fotoana izay mampametra-panontaniana maro ireo olon-tiantsika. Tahaka an'i Davida, ny fomba tsara indrindra hamaliana ireny zava-manahiran-tsaina ireny matetika dia tsy ny fanomezana famaritana ara-teolojia momba izay azon'Andriamanitra atao. Tsy izany fa asehony antsika ao amin'ny Sal. 23:6 ny fanamafisan-keviny sy ny fizarany faharesen-dahatra manokana ary ny fahamarinana momba Ilay Andriamanitsika.

    Inona ny porofo avy amin'ny fahalalanao manokana an'Andriamanitra izay maneho ny maha-azo antoka fa manaraka ao aoriantsika nyfahasoavany sy ny fitiavany tsy mety levona? Inona ny porofo azonao ampiana avy ao amin'ny Baiboly? Ahoana no hizaranao izany amin'ireo izay mety hisalasala ny amin'ny maha-azo antoka ny fikarakaran'Andriamanitra antsika? Ahoana no maha-ohatra lehibe ny hazo fijaliana amin'izany "fanenjehana" izany?

    Vakio ny "Missionaries in the home" ao amin'ny TFC b. 4, t. 143; "Ilay Mpiandry ondry tsara indrindra" ao amin'ny IFM, tt. 513-520.

    "Handalo fotoan 'ny fahaverezan-kevitra mab, sy sedra ao amin'ny fiainam-pivavahany ireo izay hahazo fandresena amin'ny farany; nefa tsy tokony hanary toky izy ireo, fa taranja ao amin'ny sekolin'i Kristy izany, ary tena ilaina hanadiovana izay tsy ilaina rehetra. Hiaritra amin-kery ny fanafihanny fahavalo ny mpanompon 'Andriamanitra, dia ireofihantsiana mandratra, ary tsy maintsy mandresy ny sakana izay apetrak'i Satana eo amin'ny lalany. (...)

    Kanefa tsy lavo an-dalana ianao raha toa ka manohy mijery any ambony, fa tsy ny fahorianao; hahita an 'i Jesôsy manolotra ny tanany hanampy anao ianao raha atolotrao Azy amin'ny fahatokiana tsotra ny tananao ary avelanao fry hitarika anao. Rehefa matoky ianao dia ho feno finoana. (...)

    Ao amin'i Kristy no hahitanao fanampiana hanananao toetra matanjaka, mirindra, tsara. Tsy hahavita na inona na inona amin'ny fahazavana mamirapiratra avy amin'ny toetra toy izany i Satana. Nomen 'Andriamanitra antsika ny fanomezany tsara indrindra, dia ny Zananilahy tokana, hanandratra, hanome hasina, ary hanomana antsika honina ao amin'ny fanjakany amin'ny fanomezana antsika ny fahatanterahan 'ny toetrany." - HT, tt. 34,35.

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
    1. Hatraiza no nahatsapanao fa ny "toe-javatra manahiran-tsaina sy ny fitsapana" tonga eo amin'ny fiainanao dia mety ho isan'ny "taranja ao amin'ny sekolin'i Kristy"?

    2. Ny fanampiana sy ny fampiononana ary ny fampaherezana ataontsika ho an'ireo izay mandeha ao amin'ny lohasaha dia anisan' ny fomba entin'ilay Mpiandry hanampiana ny olona hamakivaky ny fotoan-tsarotra; amin'ny fomba ahoana? Inona no zavatra azonao atao amin'ny maha-fiangonana anao mba hampiasan'ny Tompo anao hanampy ireo sahirana?

    3. Mandehana manodidina ny kilasinao ary asaivo miresaka momba ny fomba "nanenjehan'ny" fahasoavana sy ny famindrampo azy ireo ny tsirairay avy. Inona ny lesona azonao sintonina avy amin'ny fanandraman'ny tsirairay?

    4. Eritrereto ireo ora farany niainan'i Kristy rehefa nanakaiky ny fotoam-pahoriany. Ahoana no ahafahanao milaza ny zavatra niaretan'i Jesosy tamin'ny maha-olombelona Azy, na avy amin'ny Baiboly izany na araka izay nambaran'i Ellen G. White (azonao jerena ny boky IFM)? Inona no azontsika sintonina avy amin'izany ohatra nasehony izany na inona na inona memy fahoriana atrehintsika?

    Niankina tamin’ny varavaran’ny efitra fatoriany i Sophie, nitambotsotra izy ary tafatombina tamin’ny tany. Nirotsaka avy hatrany ny ranomasony, ary taorian’izay dia nifokofoko nitomany izy sady niteny hoe: “Ahoana no nahasahiany nanao izany! Nahoana izy no nanao izany!” Vao avy naharay vaovao izay nandratra ny fony i Sophie. Tovolahy iray noheveriny ho namana sy nohajainy ary nitokiany no nanely tsaho ratsy momba azy mba handotoana azy sy hanimbana ny asa ataony. Noraisiny ny Baiboliny teo ambony fandriana; tampoka teo dia nisokatra teo anoloany ny andalan-teny iray efa mahazatra azy: “Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin ’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy. Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy." – Sal. 23:3,4.

    “Tsy mampino mihitsy izany!” hoy izy nihiaka. Toa tsy azo ialana anefa ilay fahamarinana. Nitarika ny ondriny amin’ny lalan’ny fahamarinana ilay Mpiandry ondry ao amin’ny Salamo, kanefa toy ny mitondra azy ireo hamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana ihany koa izany lalana izany. Azo heverina ve fa ity famitahana maharary nataon’ny namany ity, izay lohasaha mikitroka, dia ampiasain’Andriamanitra mba hitondrana an’i Sophie amin’ny lalan’ny fahamarinana?
     
    Indray mitopy maso: Tamin’ny fotoana manao ahoana no nitomboanao ara-panahy — tamin’ny fotoana mora sa tao anatin’ireo fotoan-tsarotra kokoa?

    "Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko." - Sal. 23:4.

    Hahafinaritra tokoa raha toa ka tsy mamakivaky afa-tsy eo amoron'ny ony mangatsiatsiaka rakotra ahi-maitso ny lalan'ny fahamarinana. Tsy izany anefa ny fomba nilazan'i Davida azy. Eo amin'io lalana io koa no misy ny lohasaha aloky ny fahafatesana — tsy toerana irintsika fatratra hotsidihina izany! Misy fotoana isian'ny ranobe izay manafotra ny lalan-drano sy ny hantsana any Isiraely; tonga tampoka izany ary miteraka fahasahiranan-tsaina lehibe tokoa. Ety dia ety izany faritra izany ary avo dia avo ny rindriny ka tsy tratry ny hazavana. Araka izany, ny "lohasaha aloky ny fahafatesana" dia sary anehoana ny "haizina lalina" na ny "haizina mikitroka".

    Saintsaino ny fotoana efa nandehananao manokana tamin'ny "lohasaha aloky ny fahafatesana". Nanao ahoana izany? Natahotra ve ianao, na dia fantatrao aza fa teo ilay Mpiandry ondry? Inona ny andalan-tenin'ny Baiboly sarobidy indrindra ho anao tamin'izay fotoana izay, nahoana?

    .....................................................................................................................................................................................................................

    .....................................................................................................................................................................................................................

    Araka ny hevitrao, ahoana no nahatongavan'ny andian'ondry teo an-dohasaha? Moa ve nandeha irery izy ireo sa ilay Mpiandry no nitarika azy tamin'izany lalana izany? Hamarino ny valinteninao.

    Izao no nosoratan'i Elisabeth Elliot, "Ny zanak'ondry tonga eny amin'ny lohasaha aloky ny fahafatesana dia mety hihevitra ny tenany ho notarihina ho amin'ny lalan-diso. Nilainy anefa ny namakivaky izany haizina izany mba hianarany tsy hatahotra. Mbola miaraka aminy ilay Mpiandry ondry." -Elisabeth Elliot, Quest for love (Grand Rapids, MI: Revell Books, 1996), t. 218.

    Efa nisy fotoana ve nahatsapanao fa "notarihina ho amin'ny lalan diso" ianao ka tonga tany amin'ny lohasaha? Inona no navalinao an'Andriamanitra nandritra io fotoana io? Araka ny hevitrao, nahoana Andriamanitra no vonona hisetra ny mety ho tsy fahatakarantsika rehefa mamela antsika handeha eo amin'ny lohasaha feno haizina?

    "Mamelafra latabatra eo anoloako eo imason'ny fahavaloko hianao; manosotra diloilo ny lohako hianao; ny kapoakako feno dia feno."- Sal. 23:5.

    Tsy maintsy mifanehatra amin'ny fahavalo sasany isika mandritra ny fiainantsika. Ahoana no hiatrehanao azy ireny? Efa nisy fotoana ye ianao taitra amin'ny alina ka mivadibadika sy misaintsaina ny fomba hamalianao ireo niezaka nandratra anao na nanimba ny asanao? Mety ho sarotra ho an'ny Kristianina ny hahalala ny fomba hiatrehana ny fahavalo.

    Karazam-pahavalo manao ahoana no efa hitanao teo amin'ny fiainanao? Inona no navalinao ireo izay niezaka nandratra anao na nandratra ireo olona tianao? Narahinao tsara ye ny tenin'i Kristy ao amin'ny Mat. 5:44, na ny tenin'i Paoly ao amin'ny Rôm. 12:18-21?

    ..................................................................................................................................................................................................

    ..................................................................................................................................................................................................

    Asehon'i Davida antsika ao amin'ny Sal. 23:5 ny fomba iray mahaliana hiatrehana ny fahavalo. Tsy misaina ny amin'ny fanatrehan'izy ireo akory izy fa izay ataon'Andriamanitra ho azy no ifantohany. Ary eo Andriamanitra mamelatra latabatra eo anoloany.

    Tao amin'ny kolontsaina nisy an'i Davida, rehefa misy vahiny manan-kaja tonga ao amin'ny fanasana iray dia manosotra menaka ny lohany ilay mpampiantrano rehefa hiditra ny efitrano fanasana indrindra ilay vahiny; fitambaran'ny menaka oliva sy menaka manitra izany. Ary rehefa izay dia asaina mipetraka eo anoloan'ny sakafo be lavitra noho izay azon'ny olona iray hanina izany vahiny izany.

    Ahoana no anampian'ireo zavatra telo (latabatra, diloilo, kapoaka) ao amin'ny Sal. 23:5 antsika hahatsiaro ny fitantanan'Andriamanitra na dia ao amin'ny lohasaha aza isika?

    ....................................................................................................................................................................................................

    ....................................................................................................................................................................................................

    Nampahatsiahivin'i Paoly antsika fa "isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra"- Efes. 6:12. Ny fahavalontsika dia ireo izay hitantsika maso sy ireo tsy hitantsika. Voahodidin'izy ireo isika na tiantsika na tsy tiantsika. Kanefa rehefa miaraka amin'ilay Mpiandry isika, dia tsy misy fahavalo na dia iray aza, na hita maso izy na tsia, afaka handrombaka izay omeny antsika.

    Eritrereto ny fomba nitondran'ilay Mpiandry anao rehefa voahodidin'ny fahavalo ianao. Inona no hitanao tamin'io fotoana io, izay manampy anao hisaotra na dia ao anatin'ny toe-java-tsarotra toy izany aza?

    Please publish modules in offcanvas position.