- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 3: Ao amin'ny memy miaraka amin'i Kristy
- Lesona 2: Fizahan-toetra maro samihafa
Fahoriana avy amin'ny Satana
"Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany " - I Pet. 5:8.
Vakio io andininy voalaza etsy ambony io. lnona ny hafatra ho antsika eto? Anontanio ny tenanao hoe «Raisiko am-po ve ireo teny ireo?» lnona ireo zavatra ataonao eo amin'ny fiainanao izay maneho fa manan-danja aminao izany? Efa nahita liona noana ve ianao? Mahazendana tokoa izany satria fantatra fa mety hisambotra sy hihinana saika izay rehetra tiany izy amin'izany. Nolazain'i Petera fa manao tahaka izany koa i Satana. Raha mandinika ny manodidina antsika isika, dia hahita ny vokatry ny faniriany hamono. Hita hatraiza hatraiza ny fahafatesana, ny fahoriana, ny faharatsiana ary ny fanimbana ny fitondran-tena sy ireo soatoavina. Tsy afa-miala isika fa tsy maintsy mahita ny asan'i Satana.
lnona ny toky omen'Andriamanitra ho an'ireo izay mijaly? 1 Pet. 5:10.
Ho fiatrehana ny famelezan'i Satana ny finoana Kristianina no nanoratan'i Petera ireo teny ireo. Araka ny efa hitantsika dia miasa amin'ny fomba maro samihafa i Satana. Ary na dia ilaintsika aza ny mahatsapa ny maha-zava-misy marina ny fahavalontsika sy ny heriny, dia tsy tokony ho kivy velively isika, satria tokony hotsaroantsika mandrakariva fa nandresy an'i Satana i Jesôsy; fahavalo efa resy izy. Ary raha mbola mifandray hatrany sy mifikitra amim-pinoana amin'i Jesôsy isika, dia tsy ho resiny velively koa. Noho ny hazo fijaliana dia tonga fandresentsika ny fandresen'i Kristy.
Saino ny amin'ireo fomba hafa entin'i Satana hampahoriana antsika. Voatery miaina eto amin'ity tany feno fahotana izay misy an'i Satana mandravarava ity isika; ahoana no hanampian'ny 1 Pet. 5:8-11 antsika hiatrika ny fahoriana aterak'izany?