Vaovao Madagasikara

    Lesona 4: Ny endriky ny mpanefy volamena

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 5:16; 1 Kôr. 4:9; Efes. 3:10; Jôba. 23:1-10; Mat. 25:1-12; Dan. 12:1-10; Efes. 4:11-16. 

    Tsianjery: "Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy." - 2 Kôr. 3:18. 

    Nitondra ankizy maromaro ho any amin'ny mpanefy volamena araka ny fomba nentim-paharazana any Inde i Amy Carmichael. Nisy taila milempona iray teo afovoan'ny afon-tsaribao. Nahitana sira, voamadilo, ary vovo-biriky nifangaro teo amin'ilay taila. Nametrahana volamena tao amin'io fangaro io. Mihamadio ilay volamena arakaraka ny andevonan'ny afo ilay fangaro. Alain'ilay mpanefy volamena amin'ny tandra ny volamena, ary raha tsy mbola madio tsara izany, dia averiny eo amin'ny afo miaraka amin'ny fangaro vaovao indray. Kanefa isaky ny averina eo ambonin'ny afo izany dia 'nampitomboina ny hafanana. "Ahoana no ahafantaranao fa madio amin'izay ilay volamena?" hoy ireo ankizy nanontany, "rehefa hitako ao ny endriko" hoy izy namaly. - Amy Carmichael, Learning of God (Fort Washington, PA: Christian Literature Crusade, 1989), t. 5Q. 

    Te hanadio antsika Andriamanitra; iriny ny handrendrika antsika tahaka ny volamena, ka hanova antsika ho araka ny endriny. Tanjona mahavariana izany, ary mainka toa mahagaga kokoa aza fa tsy mety hitombo ao anatintsika ny toetra tahaka ny an'i Kristy raha tsy mandalo ireo memin'ny fiainana isika. 

    Indray mitopy maso: Inona no anjara toeran'ny fahoriana ao anatin'ny fanadiovana? Ahoana no hatakarantsika izany rehetra izany ao anatin'ny tontolo-kevitr'ilay ady lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy?

    "Satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro lzy." - Rom. 8:29. 

    Nataon'Andriamanitra ho araka ny endriny isika tany am-boalohany (Gen. 1:27); nihasimba anefa izany endrika izany noho ny fahotana.

    Amin'ny fomba ahoana no ahitantsika io fahasimban'ny endrik'Andriamanitra eo amin'ny olombelona io? 

    Miharihary izany: efa nosimban'ny fahotana avokoa isika rehetra (Rom. 3:10-19). Na izany aza, fanirian'Andriamanitra ny hamerina antsika amin'ilay tokony ho endritsika tany am-boalohany. Izany indrindra no ambaran'ilay andinin-tSoratra Masintsika anio. Manambara ny planin'Andriamanitra izany fa izay rehetra mampilefitra ny fiainany hofehezin'ny Fanahy Masina dia "hitovy endrika amin'ny Zanany" - Rom. 8:29. 

    Misy fahamarinana hafa koa anefa. "Ny endrik'Andriamanitra indrindra dia tokony hifindra amin'ny taranak'olombelona. Voafaoka ao amin'ny fahatanterahan'ny toetra amam-panahin'ny vahoakany ny voninahitr'Andriamanitra sy ny voninahitr' i Kristy." - IFM, t.725. 

    Ahoana ny fahatakaranao izay lazain'i Ellen G. White amintsika ao amin'io indran-teny eo ambony io? Jereo koa ny Joba 1; Mat. 5:16; 1 Kôr. 4:9; Efes. 3:10.

    Amin'ny maha-Kristianina, dia tsy tokony hohadinointsika velively fa eo anivon'ny tranga lehibe eo amin'ny tantaran'izao rehetra izao isika. Ilay fifanandrinana lehibe eo amin'i Kristy sy i Satana dia miseho manodidina antsika. Miseho amin'ny endriny maro sy amin'ny fomba maro ilay ady. Ary na dia maro aza no miafina, dia azontsika an-tsaina fa mandray anjara ao anatin'izany tantara izany isika ary azontsika atao ny manome voninahitra an'i Kristy amin'ny alalan'ny fiainantsika, amin'ny maha-mpanara-dia an' i Kristy antsika. 

    Alaivo sary an-tsaina hoe eo an-tsehatra filalaovana ao anatin'ny kianjabe iray ianao. Mipetraka eo andaniny ireo anjely mahatokin'Andriamanitra; etsy ankilany kosa ireo izay lavo niaraka tamin'i Losifera. Raha aseho eo amin'izany kianja izany ny fiainanao nandritra ny 24 ora farany, iza amin'ireo antoko roa ireo no hihorakora-pifaliana indrindra? Inona no ambaran'ny valinteninao momba ny tenanao? 

    Zavatra iray ny miady; zavatra iray hafa ny tsy fahitana ireo fahefana mirotsaka an-tsehatra amin'izany ady izany. Izany no atrehin'ny Kristianina, amin'ny lafiny iray. Fantatsika fa eny ho eny ireo fahefana ireo; tsapantsika izany eo amin'ny fiainatsika, kanefa tsy maintsy mandroso amim-pinoana isika, ka matoky Azy "Izay tsy hita" - Heb. 11:27. 

    Vakio ny Jôba 23:1-10. Inona no fototry ny fahorian'i Jôba? Inona no tsy hitany? Inona ihany koa anefa no nekeny tamim-pinoana na dia teo aza ireo fitsapana rehetra nanjo azy? 

    Natoky ny Tompo i Joba, na dia tao anatin'ny fisedrana mampivarahontsana aza. Tapa-kevitra ny hiaritra izy na dia mafy aza ny nanjo azy. Ary ny volamena no anisan'ny zavatra iray nanampy azy haharitra. Tsy ny medaly volamena tsy akory, fa nijery ny hoavy izy ary fantany fa raha mifikitra amin'Andriamanitra izy, dia hanjary ho tsara kokoa noho ny teo — hivoaka toy ny volamena izy. Hatraiza no fantatr'i Jôba momba izay zava-nitranga tao ambadik'izany rehetra izany? Tsy nambara tamintsika izany. Na maro toy inona aza ireo zavatra niafina taminy, dia niaretany ihany ny afon'ny fandrendrehana. 

    Matahotra afo ve ianao? Mampitebiteby anao ve ny hafanana ateraky ny toe-javatra mitranga? Angamba tsy hay hazavaina toy ny an'i Jôba ny hafanana avy amin'Andriamanitra. Angamba fahasarotana eo amin'ny asa vaovao na ny fipetahana amin'ny trano vaovao izany. Mety ho famoretana any am-piasana na herisetra ao amin'ny ankohonana aza izany. Angamba koa aretina na fatiantoka ara-bola. Hain' Andriamanitra ny mampiasa ireny fitsapana ireny hanamboarana anao ho tsara kokoa sy hanadiovana anao, ary hahatonga ny endriny ho hita eo amin'ny toetranao, na saro-takarina aza izany. 

    Toa nampahery an'i Jôba ny fieritreretana fa ho hita ho toy ny volamena izy rehefa voasedra; zavatra azony nandrandraina sy nanampy azy hiatrika ny olany izany. Fijoroana ho vavolombelona lehibe manambara ny toetrany sahady izany fa, tao anatin'ny fahoriany sy ny fijaliana rehetra, dia nahatsapa ny maha-zava-misy ilay fanadiovana natao taminy izy. Ary koa, na be aza ny tsy takatry ny sainy, dia fantany fa hanamboatra azy ho tsara kokoa ireo fitsapana ireo. 

    Raha ny fanandramanao manokana, amin'ny fomba ahoana no anaovan'ny fitsapana fanadiovana sy fanatsarana? Inona koa ireo fomba hafa mety hanatsara sy hanadio anao ankoatra ny fitsapana? 

    Tao Jerosalema i Jesôsy, efa nanakaiky Ilay ora hahafatesany. Araka ny filazantsaran'i Matio, ny ora nampianarany farany mialoha ny Paska dia nolaniny tamin'ny fitantarana fanoharana tamin'ny mpianany, anisan'izany ny momba ireo virjina 10 ary ny amin'ireo ondry sy osy. Mifandray amin'ny fomba tokony ivelomantsika eo am-piandrasana ny fiavian'i Jesôsy ireo tantara ireo. Araka izany, tsy mbola lehibe lavitra noho ny amin'izao androntsika izao ny lanjan'ireo, miaraka amin'ny famantarana ny fiverenan'i Jesôsy tsy ho ela izay efa hita eny rehetra eny. 

    Ao amin'ny fanoharana momba ny virjina 10 (Mat. 25:1-12) dia maro ireo mpandinika no milaza fa tandidon'ny Fanahy Masina ilay diloilo. Tsy manda izany i Ellen G. White, saingy milaza koa izy fa maneho ny toetra izany, izay tsy azon'iza na iza alaina ho antsika. 

    Vakio ny fanoharana. Amin'ny fomba ahoana no iovan'ny hevitry ny tantara, arakaraka ny andraisanao ilay diloilo ho tandindon'ny Fanahy Masina na ho toetra anaty? Na maneho ny Fanahy Masina ny diloilo na maneho ny toetra kristianina, inona ny akon'izany eo aminao? 

    Fanahy Masina: 

    Toetra:

    Vakio ny fanoharana momba ny ondry sy osy ao amin'ny Mat. 25:31-46. Inona ireo mason-tsivana nampiasaina hanavahana ny ondry sy ny osy? 

    Mariho fa araka ny asany sy ny toetrany no anavahan'ny mpanjaka ny ondry sy ny osy. Na tsy nampianatra momba ny famonjena amin'ny alalan'ny asa aza i Jesosy eto, dia hitantsika kosa ny maha-zava-dehibe ny famolavolana toetra ao amin'ny drafi-pamonjena, ary ireo izay voavonjin'i Kristy marina dia haneho taratra io famonjena io eo amin'ny fiainany sy ny toetrany. 

    Misy fitenenana manao hoe: "Ny toetra dia izay asehon'ny olona iray rehefa ao amin'ny maizina izy". Karazan'olona manao ahoana ianao rehefa tsy misy mahita? Inona no ambaran'izany valin-teny izany aminao momba ny fiovana tokony hataonao? 

    Hitantsika omaly ny maha-zava-dehibe ny toetra ho an'izay miandry ny fiavian'i Kristy fanindroany. Hodinihintsika manokana anio ny lanjan'ny toetra ho an'izay velona amin'ny fotoana iaviany fanindroany. 

    Vakio ny Dan. 12:1-10. lnona ny tontolon-kevitra misy io andininy io? Fotoana manao ahoana eo amin'ny tantaran'ny tany no resahina eto? Zava-dehibe noho izany, inona no azontsika ambara avy amin'ireo andininy ireo mikasika ny toetran'ny vahoakan'Andriamanitra velona mandritra ireo fotoana ireo? lnona ireo toetra mampiavaka azy ireo, raha mitaha amin'ny ratsy fanahy? Jereo koa ny Apok. 22:11.

    Nambara tamin'i Daniela fa mialoha kelin'ny fiavian'i Jesôsy, dia hisy andro mahory izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay teo amin'ny tantara. Ny Dan. 12:3,Dan. 12:1-10 dia manoritsoritra ny toetran'ny marina sy ny ratsy fanahy mandritra io fotoana io. Mariho fa "ny ratsy fanahy (...) mbola hanao ratsy ihany" - Dan. 12:10, fa ny olo-marina kosa, hamirapiratra (and. 3), ary azo lazaina fa izany dia noho izy ireo "nodiovina sy nofotsiana ary nozahan-toetra" - Dan. 12:10 mandritra io andro fahoriana io "izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany" - Dan. 12:1. Ankoatra izany, tsy hahafantatra ny ratsy fanahy, fa ny olo-marina izay «hendry» kosa no hahafantatra. 

    Hahafantatra inona? Matematika, siansa, sa tsikera ambony? Hoy ny ohabolana: "Ny fahatahorana an' i Jehôvah no fiandoham-pahalalana" - Ohab. 1:7. Ao anatin'io tontolon-kevitra io dia azo inoana fa hendry ny "hendry" satria manana fahalalana ny amin'ireo tranga hiseho any am-parany sy ny andro fahoriana, araka izay fisehoany. Tsy hanampoka azy ireo izany; noho ny fandinihany ny Tenin'Andriamanitra, dia fantany fa ho avy izany. Ary ny tena zava-dehibe, ny fahalalany dia ampy hanekeny io fotoan-tsarotra io hamotsy sy hanadio azy ireo, fa ny ratsy fanahy kosa, etsy ankilany, dia hiziriziry amin'ny fikomiany ka hanohy ny faharatsiany.

    Ny zava-dehibe tiana ambara dia izao: olona nandalo famotsiana sy fanadiovana no soritsoritana amintsika eto. 

    Na dia tao anatin'ny tontolon-kevitry ny andro farany aza no nandinihantsika ireo andininy ireo, inona ireo foto-kevitra hita eto izay manampy antsika hahatakatra kokoa ny atao hoe fanadiovana sy famotsiana, na dia ho antsika ankehitriny aza? 

    Misy hira iray milaza toy izao:" Vatolampy aho, nosy aho». Efa nahatsapa toy izany koa ve ianao — te ho irery? Mety efa nandre olona niteny toy izao aza ianao: «Eny, ny fiarahako amin'Andriamanitra dia raharahako manokana. Tsy zavatra tokony horesahiko aminao izany.» 

    Vakio ny Efes. 4:11-16. Inona no ambaran'i Paoly eto? Inona ny andraikitra omeny ny fiangonana eto? 

    Rehefa nanoratra ny Efesianina i Paoly dia nosoritsoritany ho toy ny vatana ny fiangonana. I Jesôsy  no lohany, ary ny olony no mandrafitra ny sisa. Ho hitanao ao amin'ny Efes. 4:13 ny tanjona faratampon'ny fiainana ao anatin'ny fiarahamonina toy izany — dia ny fahatrarana "ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy " Ary ho fanatanterahana izany dia mila mifanampy isika! 

    Azo antoka fa mety ho irery tokoa ny Kristianina. Eny tokoa, toy izay nitranga tamin'ireo olona maro nandritra ny taonjato maro, izay nesoina na nenjehina, dia matetika no tsy azo nihodivirana ny fijoroana irery. Vavolombelona mahery vaika ny amin'ny herin'Andriamanitra izany fa ny lehilahy sy ny vehivavy dia tsy nihemotra noho ny faneren'ny manodidina azy. Kanefa, na dia marina aza izany, dia te hanantitrantitra fahamarinana lehibe iray i Paoly: amin'ny farany, rehefa miara-miasa amim-pirahalahiana isika, dia ho fanandramana iainantsika sy ho hita eo amintsika ny fahafenoan'i Kristy.

    Ao amin'ny Efes. 4:11-16, inona no lazain'i Paoly fa tsy maintsy mitranga mialoha ny hisehoan'ny fahafenoan'i Kristy ao amin'ny fiangonantsika?

    Amin'ny lafiny inona no maha-samy hafa ny fijoroana ho vavolombelona ataon'ny fiangonana sy ataon'ny olona anankiray, izay samy manambara ny fahafenoan'i Kristy? lnona ny fiantraikan'izany eo amin'ny tontolon'ilay fitanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy? Jereo ny Efes. 3:10. 

    Mora ny manao tsara fanahy rehefa samirery na miaraka amin'ny vahiny, fa sarotra kokoa ny halemy fanahy amin'ny olona izay fantatrao tsara na tsy tianao. Midika izany fa raha hanehoantsika hatsaram-panahy hatrany ireo olona ireo, dia ho fijoroana ho vavolombelona tsy azo sakanana ny amin'ny fahamarinan'Andriamanitra izany. 

    Vakio ny «God Promises Us a New Heart of Flesh», ao amin'ny SDG, t. 100; «Mitsena ny Mpampakatra», ao amin'ny HF, 1.t. 357-359; Ny andro fahoriana» ao amin'ny HM, ff. 639-660. 

    "Ny famolavolana toetra no asa lehibe indrindra nankinina tamin'ny olombelona; ary tsy mbola navesa-danja noho ny amin'izao ankehitriny izao ny tokony handinihana lalina ny amin'izany. Tsy mbola natao hiatrika zava-manahirana toy ny miseho amin 'izao andro izao ny taranaka rehetra tany aloha; ny zatovolahy sy ny zatovovavy dia tsy mbola sendra zava-doza lehibe kokoa noho ny amin'izao anio izao." - FK, t. 252.

    "Ao amin'ny fanoharana, ireo virjina adala dia ambara fa mpangataka diloilo kanefa tsy nahazo izay notadiaviny. Izany dia tandindon'ireo izay tsy nanomana ny tenany tamin'ny alalan'ny famolavolana ny toetrany mba hahajoro amin'ny fotoan-tsarotra. Toy ny hoe mankany amin'ny namany izy ireo ka manao hoe: omeo ahy ny toetranao, raha tsy izany dia ho very aho. Tsy azon'ireo hendry atao ny mizara ny diloilony ho an'ny fanilo mitsilopilopin'ireo virjina adala. Tsy azo afindra ny toetra. Tsy azo vidina na amidy izany fa volavolaina sy aorina mandritra ny fiainana. Nomen'Andriamanitra tombontsoa fanararaotra ny tsirairay mba hamolavolany toetra mahatoky sy marina mandritra ny androm-pahasoavana; fa tsy nomeny kosa ny fahafahan'ny olona iray mizara amin'ny hafa ny toetra izay voaoriny tao anatin'ny fotoan-tsarotra, tam in'ny alalan'ireo lesona noraisiny avy amin'ilay Mpampianatra lehibe, mba hananany faharetana ao anatin'ny fitsapana, ary koa finoana, hahazoany mampifindra ireo tendrombohitra tsy azo ihoarana." - YI, 16 Janoary 1896. 

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

    1. lnona no atao hoe "famolavolana toetra" ? Ahoana no hanaovanao izany? Hatraiza ny maha-laharam-pahamehana hita maso ny famolavolana toetra eo amin'ny fiainanao? Ary ao amin'ny fiangonana misy anao?

    2. Niresaka momba ny andraikitra lehibe ananan'ny fiangonana eo amin'ny fiainan'ny Kristianina isika tamin'ny lesona Alakamisy. Manao tsara ny andraikiny amin'ny maha-tenan'i Kristy azy ve ny fiangonana misy anao? Maneho tsara ny Tompo ve ianareo amin'ny maha-vondron'ny mpino anareo? Resaho ny amin'ny fanatsarana azonareo atao amin'ny maha-kilasin' ny Sekoly Sabata anareo.

    3. Nahoana no zava-dehibe ny famolavolana toetra na dia ny finoana an'i Jesôsy irery ihany aza no amonjena antsika? Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy izany. Raha ny fahamarinan'i Kristy sy ny fahatanterahan-toetrany no mamonjy antsika, nahoana no mbola ilaintsika ny mamolavola ny toetrantsika?

    4. Izao no nosoratan'i Hellen Keller, izay sady marenina no jamba hatramin'ny fahazazany: "Tsy afaka mitombo ao anaty fahamorana sy ny filaminana ny toetra. Ny fandalovana amin'ny fitsapana sy ny fahoriana ihany no mampahazo hery ny fanahy, mampahazava ny fahitana, mamelona ny faniriana, ary mahatanteraka ny fahombiazana." 

    5. Miombon-kevitra aminy ve ianao? Ifanakalozy hevitra ny amin'ny fifandraisana misy eo amin'ny toetra sy ny fahoriana ary ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy. 

    Please publish modules in offcanvas position.