Vaovao Madagasikara

    Lesona 5: Fitsapana mahamay

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 22; Hos. 2:1-12; Jôba 1:6-22; 2:1-10; 2 Kôr. 11:23-29; Isa. 43:1-7.

    Tsianjery: "Nefa sitrak'i Jehôvah ny hanorotoro sy hampangirifiry azy; rehefa manolotra fanati-panonerana izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro ary ny sitrapon'i Jehôvah dia hambinina eo an-tanany." - Isa. 53:10.

    Izao no nosoratan' i C. S. Lewis, mpanoratra kristianina malaza iray, rehefa maty ny vadiny: "Tsy hoe tandindomin-doza tsy hino an'Andriamanitra intsony aho (araka ny fiheverako). Ny tena loza dia hanjary hino zava-mahatsiravina momba Azy aho. Ny fehin-kevitra mampanahy ahy dia tsy ny hoe: "hay tsy misy Andriamanitra!" fa ny hoe: "hay ve tahaka izany ny toetran'Andriamanitra!" - A Grief Observed, U. 6,7. 

    Rehefa maharary tokoa ny toe-javatra dia manjary mancla tanteraka an'Andriamanitra ny olona sasany. Ho an'ny hafa tahaka an'i Lewis indray dia misy ny fironana hanova ny fomba fijery mikasika an'Andriamanitra ka manjary maka sary an-tsaina kazaran-javatra ratsy momba Azy izy. Ny fanontaniana dia izao: hafanana toy ny ahoana no mety hahatonga izany? Hafanan'ny memy toy ny ahoana moa no tian'Andriamanitra handalovan'ny vahoakany mba hahatanteraka ny fikasany faratampony ny amin'ny hamolavolana antsika "hitovy endrika amin'ny Zanany" - Rom. 8:29? 

    Indray mitopy maso: Araka ny hevitrao, nahoana Andriamanitra no vonona hisetra ny mety ho tsy fahatakaran'ireo olona iriny hahalala Azy sy ho tia Azy? Hatraiza, araka ny hevitrao, ny fahavononan'Andriamanitra hisetra ny tsy fahatakaranao ny momba Azy mba hahafahany mamolavola anao hanana ny "endriky ny Zanany"?

    Vakio ny Gen. 22.

    Tsy nampoizina ary tsy nisy fanazavana ny antson'Andriamanitra niantefa tamin'i Abrahama mba hanolorany ny zanany ho fanatitra odorana. Azonao sary an-tsaina ve izay mety ho tsapan'i Abrahama tamin'izany? Hevitra mahatafintohina tokoa izany hoe Andriamanitra masina no mangataka anao hanolotra ny zanaka naterakao ho fanatitra. Na dia nieritreritra aza i Abrahama fa tsy azo ekena izany, ahoana kosa ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra ny amin'izay handova azy? Raha tsy misy ny zanany dia tsy hisy intsony izany teny fikasana izany.

    Nahoana Andriamanitra no nangataka an'i Abrahama hanao izany fanatitra izany? Raha mahalala ny zava-drehetra Andriamanitra, dia inona izany no liany hasongadina?

    Tsy kisendrasendra tsy akory ny fangatahan'Andriamanitra sy ny fotoana nanaovany izany. Marina fa nokajikajina izany mba hampisy tebitebin-tsaina be araka izay azo atao, satria "Andriamanitra nitahiry ho amin'ny farany ny fitsapana mivaivay indrindra ho an'i Abrahama mandra-pahatonga ny fotoana izay nampahavesatra ny taonan'ny fahanterana taminy, ary efa nitady fitsaharana izy"- PP, t. 147. Moa ve Andriamanitra tsy mihevitra no nanao izany fizahan-toetra izany? Tsy izany velively fa "ireo andro manjombona feno tebiteby sy horohoro izay nolalovany, dia nanampy azy hahatakatra, - dia araka izay tsapan'ny tenany ny halehiben'ny fahoriana izay niaretan'Andriamanitra ho fanavotana ny olombelona."- PM, t. 137.

    Fitsapana fotsiny izany izany fa tsy nikendry na oviana na oviana ny hamonoan' i Abrahama ny zanany Andriamanitra. Manasongadina zava-manan-danj a momba ny fomba fiasan'Andriamanitra amin'ny fotoana sasany izany. Misy fotoana isika angatahiny hanao zavatra izay tsy nokasainy hotanterahintsika na oviana na oviana. Mety asainy mandeha any amin'ny toerana izay tsy nokasainy hitodiantsika na oviana na oviana isika. Tsy voatery ny fiafarana no zava-dehibe amin'Andriamanitra fa ny lesona sintonintsika rehefa volavolaina amin'ny alalan'izany dingana izany isika.

    Azo heverina fa nieritreritra momba ny fanandramana niainan'i Abrahama i Jesôsy rehefa nilaza tamin'ny Jiosy hoe, "Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly ." - Rôm. 8:56. Azo heverina hoe tsy tao an-tsain'i Abrahama izany hevitra izany ka ho nisaina izy fa avy tamin'i Satana ilay torolalana. Ny fahafantarana ny feon'Andriamanitra no tsiambaratelo nahafahany nijoro sy nianatra tamin'ny alalan'ireny dingana rehetra ireny. 

    Ahoana no ahafantaranao ny feon'Andriamanitra? Ahoana no ahafantaranao fa miteny aminao Andriamanitra? Inona ireo fomba ampitany ny sitrapony aminao?

    Misy lesona manan-danja ampianarina antsika ao amin'ny tantaran'i Hôsea. Niavaka ny toe-javatra niainany. Nisintaka i Gômera vadiny ary nitoe-jaza tamin'ny lehilahy hafa. Nantsoin'Andriamanitra hampody ny vadiny sy haneho fitiavana feno aminy indray anefa i Hôsea na dia nijangajanga aza ravehivavy. Natao ho fanoharana momba an'Andriamanitra sy ny Isiraely io tantara io. Niala tamin' Andriamanitra sy nijangajanga ara-panahy tamin'ny andriamanitra hafa ireo Isiraelita, kanefa mbola tia azy ireo Andriamanitra ary naniry ny haneho taminy ny fitiavany. Jereo ange ny fomba fiasan'Andriamanitra! 

    Vakio ny Hôs. 2:3-14. Inona ny fomba fiasa nambaran'Andriamanitra fa hampiasainy hamerenana ny Isiraely ho eo Aminy? Mety ho nanao ahoana fahatsapana ireny fanandramana reny? 

    Hôs. 2:3,4 ____________________________________________________________________________________________

    Hôs. 2:7-9 ____________________________________________________________________________________________

    Hôs. 2:10,11 __________________________________________________________________________________________

    Hôs. 2:12 ____________________________________________________________________________________________

    Maneho olana roa lehibe momba ny fomba iainantsika ny famerenan' Andriamanitra antsika ho amin'ny fibebahana io tantara io. Voalohany, mety tsy ho fantatsika fa miasa Andriamanitra. Rehefa nandalo zava-tsarotra sy narary tahaka izany ny Isiraely dia azo heverina fa sarotra tamin'izy ireo ny hahafantatra fa miasa ho amin'ny famonjena azy ny Andriamaniny. Rehefa voasakan'ny tsilo maranitra ny lalantsika na voafefy isika ka tsy mahita izay lalan-kaleha (Hôs. 2:8) - moa ve Andriamanitra izany miasa izany? Rehefa tsy eo ireo zavatra tena ilaintsika na koa mahatsiaro ho afa-baraka isika (Hôs. 2:11,12) - moa ve eo anivon'izany rehetra izany Ilay Raintsika? Ny marina dia izao, na inona na inona tsapantsika, Andriamanitra dia miasa mandrakariva mba hitarika antsika ho amin'ny fibebahana noho ny haben'ny fitiavany antsika. Faharoa, mety ho diso ny fahatakarantsika rehefa miasa Andriamanitra. Mety fantatsika fa miasa Izy saingy tsy tiantsika izay ataony. Rehefa malahelo na koa mahatsiaro ho afa-baraka isika dia mora amintsika ny manome tsiny an'Andriamanitra ho lozabe izay tsy miditra an-tsehatra na tsy mihevitra ny momba antsika. Kanefa Andriamanitra dia miasa mandrakariva mba hanavao antsika amin'ny alalan'ny fanekem-pitiavany. 

    Vakio ny Hôs. 2:16-25. Inona no ambaran'io andalan-teny io momba an'Andriamanitra? Angataho ny Fanahy Masina mba haneho aminao raha efa nisy fotoana niodinanao tamin'Andriamanitra teo amin'ny seha-piainanao. Raha resy lahatra ianao fa efa nanao izany, nahoana no miandry fitsapana? Inona no manakana anao tsy hanolotra ny zava-drehetra ho an'ny Tompo ankehitriny? 

    Vakio ny Joba 1:6-22; 2:1-10. Inona no nahatonga ny fahorian'i Jôba? Misy zavatra mahatalanjona eto. Tonga mba hihaona amin'Andriamanitra ireo anjely ary tonga teo koa i Satana. Nanontany izay niavian'i Satana Andriamanitra, ary namaly izy fa "avy nizahazaha teny amin'ny tany (...) ka nivezivezy teny" - Jôba 1:7. Dia nametraka izao fanontaniana izao taminy Andriamanitra: "Efa nandinika an'i Jôba mpanompoko va hianao?" - Jôba 1:8. Tsy ilay fanontaniana no mahagaga fa Ilay nanontany izany. Tsy i Satana no manondro an'i Jôba ho lohahevitra hodinihina fa Andriamanitra. Mahafantatra mazava tsara izay hitranga Andriamanitra ka nisarika ny fijerin'i Satana ho amin'i Jôba. I Jôba kosa tety an-tany dia tsy nahalala mihitsy ny ho fivaivain'ny fitsapana hahazo azy. Ary na dia mazava tsara aza fa i Satana no anton'ny fahorian'i Jôba fa tsy Andriamanitra, dia mazava koa fa Andriamanitra no nanome fahazoan-dalana mazava an'i Satana mba handrava ny fananan'i Jôba sy handringana ireo zanany ary hanimba ny fahasalamany. Raha navelan'Andriamanitra hampahorina i Jôba, inona moa ny fahasamihafana entin'izany na Andriamanitra na i Satana no mampihatra ilay fahoriana? Ahoana no maha-marina sy masina an'Andriamanitra raha toa ka mamela an'i Satana hampahory an'i Jôba tahaka izany Izy? Moa ve izany toe-javatra izany manokana sa efa fomba fiasa raikitra ampiasain'Andriamanitra amintsika ankehitriny koa aza? 

    Inona no navalin'i Jôba ilay fizahan-toetra ao amin'ny Joba 1 :20,21? 

    Mety ho amin'ny fomba anankiroa no iatrehana ny fahoriana tahaka izany. Na isika tezitra sy feno fangidiam-po ka hiodina amin'ilay Andriamanitra heverintsika ho lozabe na tsy misy mihitsy aza, na vao mainka isika hifikitra Aminy bebe kokoa. Nitoetra teo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra i Jôba ary niankohoka taminy raha niatrika izany loza izany. 

    Ahitana endri-piankohofana telo izay mety hanampy antsika raha sendra fahorian-tsaina ao amin'ny Jôba 1:20,21. Voalohany, nanaiky ny tsy fahafahany manao na inona na inona i Jôba ary niaiky izy fa tsy manan-jo na amin'inona na inona: "Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'i neny, ary mitanjaka no hiverenako any" - Jôba 1:21 Faharoa, niaiky i Jôba fa mbola mifehy ny zavatra rehetra Andriamanitra: "Jehôvah no nanome, ary Jehôvah no nanaisotra"- Jôba 1:21. Ary ny fahatelo, namarana ny teniny i Jôba ka mbola nanamafy ny finoany fa marina Andriamanitra; "isaorana anie ny anaran'i Jehôvah" - Jôba  1:21. 

    Mandeha mamakivaky memy ve ianao? Araho ireo dingana nandehanan'i Jôba. Ahoana no hanampian'izany anao koa? 

    "(...) novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny anay aza: eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa amin'Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany."- 2 Kôr. 1:8,9.

    Niaritra ny mafy mihoatra noho ny ankabeazan'ny olona rehetra i Paoly amin'ny maha-apôstôly nofidin'Andriamanitra azy. Tsy nilofika anefa izy fa vao mainka aza nitombo tamin'ny fiderana an'Andriamanitra. Vakio ny lisitr'ireo zava-tsarotra efa nolalovany ao amin'ny 2 Kôr. 11:23-29. Vakio indray ny 2 Kôr. 1:3-11. 

    Milaza i Paoly ao amin'ny 2 Kôr. 1:4 fa ny antony andraisana ny fangorahana sy ny fampiononana avy amin'Andriamanitra dia ny "hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay". Hatraiza no ahafahana milaza fa antso ho amin'ny fanompoana ny fahoriana? Ahoana no hahatonga antsika hihevitra bebe kokoa ny amin'izay mety mampitombina izany?

    Maniry ny hiasa amin'ireo ory amin'ny alalantsika Andriamanitra. Midika izany fa azo heverina ny hamelany antsika hiaritra fahoriana tahaka izany koa mialoha ny hampiasany antsika. Rehefa izay dia hampahery ny hafa isika, tsy avy amin'ny tsangan-kevitra fa avy amin'ny fanandramana niainantsika manokana mikasika ny fangorahan'Andriamanitra sy ny fampiononana avy Aminy. Fitsipika avy amin'ny fiainan' i Jesôsy  izany (Jereo ny Heb. 4:15). 

    Tsy nataon'i Paoly mba hangorahantsika azy tsy akory ny filazalazany mazava momba ireo toe-java-tsarotra niainany. Natao ho antsika izy ireny mba hahafantarantsika fa na dia ao anatin'ny lalina aza isika dia mbola afaka miditra an-tsehatra ny Raintsika mba hitondra ny fangorahany sy ny fampiononany. Mety handreraka ny fontsika ny fiainana, mety hovonoina koa aza isika, kanefa aoka isika tsy hatahotra satria mampianatra antsika hiantehitra Aminy Andriamanitra. Azontsika atao ny matoky Azy satria "manangana ny maty" Ilay Andriamanitsika (2 Kôr. 1:9).

    Rehefa nanohy nifantoka tamin'ny fitoriana ny filazantsara i Paoly dia fantany fa mbola hamonjy azy hatrany Andriamanitra amin'ny hoavy. Zavatra telo izay nomarihiny ao amin'ny 2 Kôr. 1:10,11 no nanampy azy hijoro tsara. Voalohany amin'izany ireo porofo voarakitra momba izay nataon'Andriamanitra: "Ary Izy no nahafaka anay tamin'izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka anay ihany"- 2 Kôr. 1:10a. Faharoa, ny finiavan' i Paoly hampifantoka ny sainy amin'Andriamanitra: "Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa" - 2 Kôr. 1:10b. Fahatelo, ny vavaka fanelanelanana tsy tapaka nataon'ny olona masina: "hianareo koa miara-miasa ho anay amin'ny fivavahanareo mba hisaoran'ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin'ny nataon'ny maro." - 2 Kôr. 1:11. 

    Inona ny lesona azo tsoahina avy amin'ny tantaran' i Paoly hanampy anao tsy ho latsaka ao anatin'ny fahalahelovana ny tena eo anivon'ireo tolona ataonao manokana? 

    Hatreto, tamin'ity telovolana ity isika dia nandinika ohatra marobe momba ny memy izay ampiasain'Andriamanitra hitondra fanadiovana sy fitoviana amin' i Kristy eo amin'ny fiainantsika. Misy olona mety hijery ireo ohatra ireo anefa ka hanao tsoa-kevitra fa masiaka sy Tompo mila voatsiary Andriamanitra. Azo antoka fa hisy hiteny toy izao: "Fantatray fa maniry ny tsara ho antsika Andriamanitra, kanefa tsy mampiseho fiahiana sy fitiavana akory aza ireo ohatra ireo. Ny mifanohitra amin'izany aza, toy ny mpampahory Andriamanitra. Mametraka tanjona izay mahatonga antsika handalo fotoan-tsarotra Izy ary tsy misy na inona na inona azontsika atao amin'izany." 

    Marina tokoa fa raha mbola miaina eto amin'ity tany feno fahotana ity isika dia zara raha hahatakatra ny antony itrangan'ny toe-javatra. Betsaka tokoa anefa no ho fantatsika rehefa any an-danitra (1 Kôr. 4:5; 1 Kôr. 13:12), saingy ankehitriny aloha dia tsy maintsy miaina amin'ny finoana isika na dia ao anaty tebiteby aza, fa eo Andriamanitra ary miahy antsika na dia tsy tsara mandrakariva aza ny toe-javatra. Voasoritsoritr'i Isaia mazava tsara izany tebiteby izany. 

    Vakio ny Isa. 43:1-7.Ambaran'Andriamanitra ao amin'ny and. 2 fa hamaky rano sy afo ny olony. Fanoharana ny amin'ny loza mafy indrindra izany, kanefa azo heverina ho manondro ny fiampitana ny ranomasina Mena sy ny onin'i Jordana koa, fotoana izay samy nameno tahotra ny fon'izy ireo kanefa nanokatra lalana ho amin'ny fiainam-baovao koa. Mety niandrandra an'Andriamanitra hilaza ianao fa hiaro ny vahoakany amin'ireo loza ireo Izy ary hitondra azy ireo amin'ny lalana mora aleha kokoa. Kanefa tahaka ilay Mpiandry ondry ao amin'ny Sal. 23, dia naleony nilaza fa rehefa tonga ny fotoan-tsarotra dia tsy tokony ho ketraka ny vahoakan'Andriamanitra satria momba azy Izy.

    Avereno jerena ny Isa. 43:1-7. Soraty eo ambany ireo fomba samy hafa izay hanomezan'Andriamanitra toky ny olony momba ny fampiononana mandritra ny fotoan'ny rano sy ny afo. Sarin'Andriamanitra manao ahoana no asehon'izany ao an-tsainao? Inona ny teny fikasana azonao takina?

    Azontsika fintinina amin'ny fomba telo ny zavatra nianarantsika momba ny fisedran'Andriamanitra. Voalohany, ny memy fahoriana avy amin'Andriamanitra dia natao amotehana ny fahotantsika fa tsy isika. Faharoa, ny fitsapana dia tsy natao hampahorina fa hanadiovana antsika, mba hadio tahaka izay nahariana antsika tany am-boalohany isika. Fahatelo, ny fiahian'Andriamanitra antsika amin'ny zava-drehetra dia tsy miova ary feno halemem-panahy — tsy hamela antsika ho irery na oviana na oviana Izy, na inona na inona manjo antsika. 

    Inona no ampianarin'ireto toko sy andininy ireto anao momba ny fihetsika sy ny toetran'Andriamanitra Sal.103:13,14; Mat.28:20; 1 Kôr. 10:13; 1 Pet. 1:7. Ahoana no nanandramanao ny fahamarinan'ireo andalan-teny ireo teo amin'ny fiainanao manokana? 

    Vakio "Ny niantsoana an'i Abrahama"-PM 11.105-127, "Praise Ye the Lord"- TFC, b. tt.315-319. 

    "Hatrany hatrany, dia nampandalovin'Andriamanitra tao amin'ny memy fahoriana ny olony. Izany no fomba isarahan'ny loto sy ny tena volamena ao amin'ny toetra kristianina. I Jesôsy , izay manara-maso ny toe-javatra, dia mahalala izay hafanana ilaina mba hahatonga ny tena volamena hamirapiratry ny fitiavany. Amin'ny alalan'ny fitsapana mahery, nefa mahasoa, no anamboaran'Andriamanitra ny mpanompony. Izay rehetra manana talenta tokony hampiasaina hampandrosoana ny asany, dia avelany hiharan-javatra maro, mba hahalala sy hahatsapa ny kilema sy ny fahalemena ananany, mba hiala amin'izany ka hianatra hiantehitra Aminy kosa, izay hany Mpamonjy sy Mpanavotra. Amin'izany no hahatrarany ny zava-nokendreny. Beazina izy ireo, hofanina, toy fehezina sy omanina mba hahatanteraka ny tanjona lehibe izay antony nanomezana hery azy." - PM, t. 110, np. 

    "Raha ao amin'ny fitondran'Andriamanitra isika no antsoina hiaritra ny fitsapana dia andeha hanaiky ny hazo fijaliana sy ny kapoaka mangidy ary aoka hotsaroantsika fa ny tanan'ny Ray no manohoka izany eo amin'ny molotsika. Andeha hitoky Aminy ao amin'ny maizina tahaka ny ao amin'ny mazava. Moa ve isika tsy mino fa homeny antsika ny zavatra rehetra mahasoa antsika? (...) Na dia ao anatin'ny alim-pahoriana aza, ahoana no mbola handavantsika tsy hanandratra ny fo sy ny feontsika tsy hidera sy hankasitraka an'Andriamanitra rehefa mahatsiaro ny fitiavana naseho antsika tamin'ny alalan'ny hazo fijalian'i Kalvary isika?" - TFC, b. 5, t. 316. 

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

    1. Mangataha olona iray ao amin'ny kilasy hitantara ny fisedrana ny finoany, izay na dia tsy mafy loatra tahaka ny an'i Abrahama aza, dia naharary ihany. Inona ny lesona nosintoninao avy tamin'ny fanandramana niainan'io olona io, avy tamin'ny fahombiazany na ny tsy fahombiazany? 

    2. Avereno dinihina ireo 24 ora farany niainan'i Kristy nialoha ny nanomboana Azy. Inona ny toe-javatra mafy indrindra natrehiny? Tamin'ny fomba ahoana no niaretany izany? Inona ny foto-kevitra azontsika raisina avy amin'ny ohatra nomeny ary ahoana no hampiharantsika izany rehefa miatrika ny fitsapana isika? 

    3. Ifanakalozy hevitra ny lohahevitra voaresaka tamin'ity herinandro ity, mikasika ny fomba ahafahantsika miasa ho aniny hafa izay ao anatin'ny fahoriana amin'ny alalan'ny fahoriana niaretantsika. Mety ho marina izany kanefa misy ireo olana sasany mety hosetraintsika amin'izany; inona avy izany?

    4. Izao no nosoratan'i Ellen G. White ery ambony: "Andeha hitoky Aminy ao amin'ny maizina tahaka ny ao amin'ny mazava." Mora tenenina kokoa izany saingy sarotra tanterahina. Ahoana no hifanampiantsika hampitombo ny finoana mba hanaovantsika araka izany? Nahoana no zava-dehibe ny mitoky amin'Andriamanitra ao anatin'ny fotoan-tsarotra? 

    Please publish modules in offcanvas position.