Vaovao Madagasikara

    Lesona 6: Amin'ny herin'Ilay miasa mahery ato anatiko

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 16:5-15; 1Kôr. 1:28,29; 1 Pet. 1:13; Mat. 5:29; Gen. 32. 

    Tsianjery: "Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiasan'ny herin'Ilay miasa mahery ao anatiko." - Kol. 1:29.

    Niara-nipetraka mba hidinidinika ao anatin'ny fandaharana iray miseho amin'ny fahitalavitra ny lehilahy sy ny vehivavy iray. Samy nandalo fanandramana momba ny namoizany ny zanany avy izy ireo. Roapolo taona lasa izay no nisy namono ny zanakalahin'ilay ramatoa, ary tsy afaka fa nitombo aza ny fahatezerany sy ny ngidim-pony hatramin'io fotoana io. Ilay lehilahy kosa dia hafa mihitsy. Irony mpampihorohoro irony no namono ny zanany vavy taona vitsivitsy lasa izay. Ny famelany ny helok'ireo mpamono olona ireo sy ny fomba namadihan' Andriamanitra ny ratram-pony no noresahiny. Na mafy toy Inona aza ny alahelon'ity lehilahy ity, ny fiainany dia nanjary fanehoana ny fomba itondran'Andriamanitra ny fanasitranana ao anatin'ireo fotoana manjombona indrindra eo amin'ny fiainantsika.

    Nahoana no samy hafa tanteraka toy izany ny fihetsik'ireo olona roa ireo? Fomba ahoana no isian'ny fiovana ara-panahy eo amin'ny fiainan'ny Kristianina iray, izay mahatonga azy hitombo ho amin'ny fahamatorana rehefa mandalo amin'ny memy fa tsy resy na ravan'izany?

    Indray mitopy maso: Inona ny anjara tanan'ny safidy sy ny sitrapontsika ao amin'ilay ady atao amin'ny tena sy ny fahotana? Ahoana no tsy hahalatsaka antsika amin'ny fahadisoana amin'ny famelantsika ny fihetseham-pontsika hifehy ny fanapahan-kevitra raisintsika? Nahoana isika no mila maharitra hatramin'ny farany ka tsy milavo lefona ao anatin'ny fitsapana mahamay?

    Efa nivavaka toy izao ve ianao: "Andriamanitra ô, mba ovay ho olona tsara re aho raha sitrakao!", kanefa toa tsy hitanao loatra izay fiovana? Ahoana no mahatonga ny hoe: afaka mangataka ny hery lehiben'Andriamanitra hiasa ao anatintsika isika mba hanova antsika, kanefa toa ny omaly tsy miova ihany ny fiainantsika? Fantatsika fa tsy hita lany ny haren'Andriamanitra, izay iriny fatratra omena antsika maimaimpoana. Tiantsika tokoa ny hanararaotra izany rehetra izany, kanefa toa tsy miova mifanaraka amin'izay atolotr'Andriamanitra antsika akory ny fiainantsika.

    Nahoana? Mampatahotra kanefa tsotra ny valiny: na dia manana hery tsy misy fetra hanovana antsika aza ny Fanahy Masina, dia mety ho isika mihitsy no mametra izay azon'Andriamanitra atao ho antsika amin'ny alalan'ny safidintsika.

    Vakio ny Jao. 16:5-15. "Fanahin'ny fahamarinana" no iantsoan'i Jesôsy ny Fanahy Masina ao amin'io andalan-tSoratra Masina io (Jao. 16:13). Midika inona izany ny amin'izay ataon'ny Fanahy Masina ho antsika?

    Na dia azon'ny Fanahy Masina atao aza ny mampahafantatra antsika ny fahamarinana momba ny fahotantsika, dia tsy azony atao kosa ny manery antsika hibebaka. Azony aseho antsika koa ny fahamarinana lehibe indrindra momba an'Andriamanitra, saingy tsy afaka manery antsika hino na hankato izany Izy. Raha nanery antsika Andriamanitra, na key monja aza, dia ho very ny fahalalahantsika misafidy, ary hanendrikendrika an'Andriamanitra ho mpandrokidroky ny saintsika sy ny fontsika i Satana, ka ho afaka hilaza izy fa Andriamanitra dia manambaka ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe. Rehefa nitranga ny ady lehibe tany an-danitra dia tsy mba nanery an'i Satana na ireo anjeliny Andriamanitra mba hino Azy ho tsara sy marina; tsy nanery azy ireo hibebaka Izy. Tao amin'ny saha Edena, izay nisian'ny olana lehibe toy izany koa, dia nambaran'Andriamanitra mazava tsara ny fahamarinana momba itay hazo teo afovoan'ny saha, saingy tsy nanakana an'i Eva sy i Adama tsy hampiasa ny fahafaha-misafidy tao aminy izany, mba hankato na tsia. Tsy misy hafa amin'izany koa no ataon'Andriamanitra amintsika ankehitriny. Koa asehon'ny Fanahy Masina amintsika ny fahamarinana momba an'Andriamanitra sy ny fahotana, dia hoy Izy: "Inona no ataonao ankehitriny fa efa nambarako taminao izany zavatra izany?"

    Toy izany koa rehefa ao anatin'ny memy isika. Indraindray mitranga ny fitsapana mahamay rehefa tsy mankato na tsy mibebaka amin'ny fahotantsika my indrindra isika. Mba hahafahan'ilay Raintsika miditra an-tsehatra ao anatin'ny toe-javatra toy izany dia tsy maintsy manao safidy hanokatra ny varavaran'ny fibebahana sy ny fankatoavana isika mba hahafahan'ny herin'Andriamanitra miditra sy manova antsika.

    Momba ny inona no nandresen'ny "Fanahin'ny fahamarinana" anao lahatra vao tsy ela izay? Mihaino tsara ny feony ve ianao? Zava-dehibe noho izany, inona ireo safidy ataonao noho ny fanananao fahalalahana?

    Inona ny zava-dehibe indrindra vitanao? Inoana fa tsy hoe vao nitsangana avy tao am-pandrianao ianao dia vita ho azy tamin'izao izany. Raha tiantsika ny hahatontosa zava-manan-danja eo amin'ny fiainantsika, dia mitaky fotoana sy fiezahana izany. Sahala amin'izany koa ny fanarahantsika an'i Kristy.

    Vakio ny Kol. 1:28,29. Na dia miresaka ny amin'Andriamanitra izay miasa ao anatiny aza i Paoly, ahoana no anehoany fa ilaina koa ny ezaka ataon'ny olombelona? Jereo koa ny Deo. 4:4, Lio. 13:24, 1 Kôr. 9:25, Heb. 12:4.

    Mahaliana tokoa ny fomba anehoan'ny Kol. 1:29 ny fahitan' i Paoly ny fifandraisany amin'Andriamanitra ao anatin'ity asa ity. Milaza izy fa mikely aina fatratra, kanefa amin'ny herin'Andriamanitra.

    Ny teny nadika hoe "mikely aina" dia midika hoe "misasatra", "miasa mandra-pahareraka tanteraka". Io teny io dia nampiasaina manokana iresahana ny amin'ireo atleta manao fanazaran-tena. Amin'ny fiteny sasany, ny teny nadika hoe "miezaka fatratra", izay manaraka azy, dia mety hidika koa hoe "miasa saina mafy". Koa sarina atleta manao izay fomba rehetra handresena no hitantsika eta Saingy ampian'i Paoly fanamarihana izany fa tsy miezaka amin'ny alalan'izay rehetra ananany izy fa amin'izay rehetra omen'Andriamanitra azy. Koa tsotra ny tsoa-kevitra raisintsika eto momba ny asa fanompoan'i Paoly asa tanterahina amin'ny ezaka sy fifehezan-tena lehibe ataon'ny tena manokana izany, kanefa atao amin'ny herin'Andriamanitra. Araka izany fifandraisana izany indrindra no mitranga rehefa mikatsaka ny hanana ny toetran' i Kristy ao anatintsika isika.

    Ilaina tokoa ny mitadidy izany satria isika dia miaina ao anatin'ny tontolo izay mitaky bebe kokoa hatrany kanefa amin'ny ezaka izay mihena hatrany. Tafatsofoka ao amin'ny fivavahana kristianina ihany koa io fisainana io. Manome toky ny evanjelisitra sasany fa raha mino fotsiny ianao dia hirotsaka aminao miaraka amin'ny heriny mahatalanjona ny Fanahy Masina, ary hanao zava-mahagaga maro. Mampidi-doza anefa izany fahamarinana tapany izany satria mety hahatonga ny olona hihevitra fa ny hany ilaina dia ny mipetraka amim-pilaminana eo amin'ny sezantsika, miandry ny hirotsahan'ny herin'Andriamanitra!

    Ahoana no efa niainanao izany fiezahana fatratra resahin'i Paoly izany? Inona avy no napetrak'Andriamanitra ao am-ponao, izay itolomanao mafy? Ahoana no hahaizanao milefitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra?

    Anisan' ny fahavalo lehibe indrindran'ny sitrapontsika ny fihetseham-pontsika. Feno sary sy mozika mihamitombo hatrany ny kolontsaina misy antsika, izay mahasarika avy hatrany ireo vavahadin-tsaintsika sy manaitra ny fihetseham-pontsika — ny hatezerana, ny tahotra, na ny filana — na dia tsy tsapantsika akory aza izany. Impiry moa isika no misaintsaina toy izao: "Inona re no tiako hohanina rahariva e?", "Inona no tiako hatao anio?", "Mahafa-po ahy ve ny fividianako ity?". Toy izany no manjary idiran'ny fihetseham-pontsika lalina amin'ny fanapahan-kevitsika. Tsy voatery ho ratsy ny fihetseham-po, saingy raha ny fihetseham-poko momba ny zavatra iray dia tsy hahalalako loatra izay marina sy izay tsara indrindra. Eny tokoa, mety handainga amintsika ny fihetseham-pontsika ("Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra" Jer. 17:9), ary afaka mandiso ny endriky ny tena zava-misy marina, ka mahatonga antsika hanao safidy ratsy, sy mampiditra antsika ao amin'ny memy izay isika ihany no mamboatra azy.

    Inona avy ireo ohatra ao amin'ny Baiboly izay ahitanao olona manao safidy mifototra amin'ny fihetseham-pony to tsy amin'ny fenin'Andriamanitra? Inona ny vokatr'izany? Jereo ohatra ny Gen. 3:6; 2 Sam. 11:2-4; Gal. 2:11,12.

    Vakio 1 Pet. 1:13. Inona no mampanahy an'i Petera, ary inona marina no tena tiany hataontsika?

    Takatr'i Petera fa ny saina no mitondra ny tena, izay eo ambanin'ny fifehezantsika. Inona no miseho rehefa tsy ny saina no mitondra? Ny fihetseham-po izay mameno antsika indray no mifehy antsika. Alaivo sary an-tsaina ianao mizotra amin'ny lalana ety mankany an-tranon'Ilay Mpiandry. Mahita sampan-dalana maro ianao eny am-pandehanana, izay mitondra ho amin'ny toerana samy hafa. Ny sasany amin'ireo dia mankany amin'ny toerana izay tsy tiantsika aleha. Ny hafa kosa toa manintona antsika, manaitra ny fihetseham-po sy ny filana ary ny faniriantsika. Raha mifidy ny anankiray amin'izy ireo anefa isika dia miala amin'ny lala-marina, ary tafiditra ao amin'izay tena sarotra ialana tokoa.

    Inona ny fanapahan-kevitra tsy maintsy raisinao ankehitriny? Anontanio amim-pahatsorana ny tenanao hoe: "Ahoana no ahafantarako raha mifototra amin'ny fihetseham-poko na ny faniriako ny safidy ataoko fa tsy amin'ny Tenin'Andriamanitra?"

    "Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao; ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo. " — Mat. 5:29.

    Saintsaino io tenin'i Jesôsy io. Henjana ve ny fahitanao ny teniny? Raha eny, nahoana?

    Ilaina ny mandray fepetra henjana, tsy hoe satria nataon'Andriamanitra izay hahasarotra ny fiainana kristianiria, fa satria nanalavitra loatra ny drafitr'Andriamanitra ho antsika isika sy ny kolontsaintsika. Matetika rehefa mifoha amin'ny torimasony ny olona dia manontany tena hoe: "Ahoana no nanalavirako an'Andriamanitra toy izao?" Tsy miova ny valiny: mandeha tsikelikely, dingana iray miampy dingana iray.

    Vakio ny Mat. 5:29,30. Ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fahotana ara-piraisana ara-nofo no itenenan'i Jesôsy eto. Na izany aza dia azo ampiharina amin'ny fahotana hafa koa ny foto-kevitra asongadina eto. Raha ny marina aza dia mahakasika ny fitomboantsika ao amin'i Kristy ankapobeny izany.

    Inona ny hevi-dehibe ambaran'i Jesôsy amintsika amin'ny alalan' ireo teny ireo? Antsoina handratra ny tenantsika ara-bakiteny ve Isika?

    Tsy miantso antsika hanimba ny vatantsika i Jesôsy , tsy izany velively! Miantso antsika hifehy ny saintsika koa Izy, noho izany dia ny tenantsika koa, na inona na inona mety ho sandan'izany. Mariho fa tsy milaza tsy akory io andininy io fa tokony hivavaka isika dia hesorin'Andriamanitra avy hatrany amintsika ireo fironan-dratsy eo amin'ny fiainantsika. Indraindray, noho ny fahasoavany, dia mety hataon'Andriamanitra ho antsika izany, saingy matetika Izy no miantso antsika handray fanapahan-kevitra hentitra hahafoy zavatra iray, na hanomboka asa iray, izay mety tsy ho tiantsika velively. Memy manao ahoana re izany! Arakaraka ny anaovantsika safidy tsara matetitetika no mahatonga antsika hatanjaka kokoa, ary ny herin'ny fakam-panahy eo amin'ny fiainantsika hihamalefaka kokoa.

    Indraindray mampiasa memy Andriamanitra hisarihana ny fahalianan-tsika rehefa be loatra ireo tabataba manodidina antsika izay manelingelina ny fifantohantsika. Ao amin'ny memy no ahatsapantsika hoe hatraiza no nihatahantsika lavitra an'Andriamanitra. Mety ho antso ataon'Andriamanitra amintsika ny memy mba hahatonga antsika handray fanapahan-kevitra hentitra hiverina amin'ilay drafitry ny Raintsika ho antsika.

    Vakio ilay tantaran'i Jakôba nitolona tamin'Andriamanitra (Gen. 32). Inona no ambaran'io tantara io amintsika momba ny faharetana na dia ao anatin'ny hakiviana tanteraka aza? (Tsarovy ny tontolon-kevitra nisehoan'io toe-javatra niainan'i Jakôba io mialoha ny hamalianao ny fanontaniana.)

    Azontsika atao ny mahafantatra ny marina sy mifidy an-tsitrapo ny hanao ny mety; kanefa rehefa tratry ny fanerena isika, dia mety ho sarotra tokoa ny mifikitra amin'Andriamanitra sy ny teny fikasany. Izao no antony: malemy sady saro-tahotra isika. Noho izany, anisan'ny hery lehibe ananan'ny Kristianina ny faharetana, ny fitozoana hatrany, na dia eo aza ny faniriana hilavo lefona.

    I Jakôba no anankiray amin'ireo ohatra lehibe indrindra maneho faharetana ao amin'ny Baiboly. Taona maro tany aloha no namitahan'i Jakôba an'i Esao rahalahiny sy ny rainy mba hahazoany ny fizokiana (Gen. 27), ary nanomboka teo no nandosirany noho ny tahotra an'i Esao izay mifofo ny ainy. Na teo aza ireo teny fikasana mahafinaritra nomena azy momba ny fitantanan'Andriamanitra sy ny fitahiany, tamin'ny alalan'ilay nofy nahitany tohatra lehibe mahatratra ny lanitra (Gen. 28), dia mbola natahotra ihany izy. Nilainy mafy ny hahazo toky avy amin'Andriamanitra fa nekena izy ary mbola mitombina hatrany ireo teny fikasana natao taminy taona maro lasa izay. Raha mbola nitolona tamin'ilay olona izy, izay tsy iza fa i Jesôsy, dia nivika ny foto-peny. Tsy afaka niady intsony izy nanomboka teo satria ho lehibe loatra ny fanaintainana. Koa tsy nisy azony natao afa-tsy ny nifahatra. Nifahatra tamin'i Jesôsy i Jakoba tao anatin'ny fanaintainany mafy mandra-pahazoany ny toky fa hotahiny izy. Dia hoy i Jesôsy taminy: "Avelao aho handeha, fa efa ho mazavaratsy ny andro." - Gen. 32:26.

    Tonga tamin'i Jakoba ny fitahiana satria nifahatra tao anatin'ny fanaintainana izy. Toy izany koa ho antsika. Mety hampivika ny foto-pentsika Andriamanitra, ka hanasa antsika hifikitra Aminy na dia eo aza ny fijaliana. Eny tokoa, avelan'Andriamanitra hitoetra ny fiantraikan'izany — mbola nandringa i Jakôba raha nihaona tamin'ny rahalahiny. Raha jerena ivelany dia fahalemena izany, fa ho an' i Jakôba kosa dia naneho ny heriny izany.

    Inona avy ireo safidy azonao atao eo amin'ny fiainana (eo amin'ny fiarahamonina, ny momba ny vakiteny, ny fahazarana ara-pahasalamana, ny fiainana ara-panahy), izay hanampy anao haharitra bebe kokoa miaraka amin'ny Tompo ao anatin'ny hakiviana sy ny fakam-panahy?

    Vakio "Ilay tolona mamatonalina", ao amin'ny PM, toko 18; "Fanoloran-tena", ao amin'ny DHK, toko 5.

    "Io sitrapo io, izay mamolavola ny lafiny tena manan-danja eo amin'ny toetran'ny olona, no nomena ho eo ambanin'ny fifehezan'i Satana teo amin'ny fahalavoana; ary nanomboka teo dia izy no niasa tao amin'ny olona na ny fikasana na ny fanaovana hanatanteraka ny sitrapony, kanefa ho amin'ny faharavana tanteraka sy ny fahorian'ny olona." — TFC, b. 5, t. 515.

    "Tokony hahatsapa ny fahalemeny sy ny kilemany ny olona izay ta handray ny fanampian'ny any Ambony. Tokony ho vonona hanaiky ny fanavaozana lehibe miasa ao anatiny izy ka hirotsaka amim-kafanam-po sy faharetana amin'ny asa sy ny fivavahana. Amin'ny alalan 'ny finiavana hiova amin'ny fahazaran-dratsy nahazo ny tena no ahazoana ny fandresena. Firifiry akory ny olona tsy mahavita ny tokony ho vitany eo amin'ny asan'Andriamanitra noho izy miandry ny hanomezan'ny any an-danitra azy hery hanatontosany ny asa amin'ny alalan'ny tenany. Aoka izay rehetra ta hanao fototr'asa mahasoa ny asan'Andriamanitra hanaiky handalo fifehezana ara-tsaina sy ara-panahy, amin'ny fahatokiana fa hahazo hery avy amin'Andriamanitra ampy hanohanana ny ezaka ataony izy." — PM, tt. 235,236.

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

    1. Araka ny hevitrao, hatraiza no anekentsika fa tena "nomena ho eo ambanin'ny fifehezan'i Satana teo amin'ny fahalavoana" marina ny sitrapontsika? Eo am-pifantohana amin'ny toetran'i Jesôsy, ahoana no ahatakarantsika tsara kokoa ny maha-lavo antsika sy ny halehiben'ny fahasoavan'Andriamanitra amintsika?

    2. Vakio ny tantaran'i Jesôsy tao Getsemane (Mat. 26:36-42). Inona ireo fihetseham-po sy faniriana tao amin'i Jesôsy izay tsy nitovy tamin'ny sitrapon'Andriamanitra? Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'izany ohatra izany?

    3. Amin'ny maha-mpiara-mianatra ao amin'ny kilasin'ny Sekoly Sabata, inona ao amin'ny kolontsainao no mety hahatonga ny fiarovantsika hirodana ka hanjary ho mora kokoa amin'i Satana ny mamely antsika? Ifanakalozy hevitra izany. Inona no azontsika atao ho fanampiana ireo mambra hafa ao am-piangonana mba hitandrina ny amin'izany laza izany? Inona koa no azontsika atao ho an'ireo izay mahatsiaro ho mila fanampiana?

    4. Mahafantatra olona ao am-piangonana ve ianao, izay efa fotoana ela no tsy naha-teo azy, ka mety ho vonona ny hihemotra izy, na efa nihemotra mihitsy aza? Amin'ny maha-vondrona anareo, inona no azonareo atao ho fampaherezana izany olona izany mba tsy hiala amin'i Jesôsy? Inona avy ireo zavatra tsara azonareo atao ho fanampiana azy?

    Please publish modules in offcanvas position.