Vaovao Madagasikara

    Lesona 7: Fanantenana tsy mety rava

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Hab. 1:1-4; Jôba 38; 39; 40; 41; Isa. 41:8-14; Jer. 29:1-10; Heb. 12:1-13. 

    Tsianjery: "Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika." - Rôm. 5:5.

    Mora ery ny miresaka sy mihira momba ny fanantenana rehefa ao am-piangonana sy hodidinin'ny olona feno tsiky ianao. Rehefa ao anatin'ny memy kosa dia tsy mora mandrakariva ny manantena. Rehefa teren'ny toe-javatra maro samihafa manodidina isika dia manomboka mametra-panontaniana ny amin'ny zavatra rehetra, indrindra ny amin'ny fahendren'Andriamanitra.

    Tantarain'i C. S. Lewis ao amin'ny anankiray amin'ireo bokiny ny amin'ny liona tsy tena izy anankiray. Nisy olona iray naniry ny hahita izany liona izany ka nanontany raha toa ka atahorana hampidi-doza ilay liona. Nolazaina tamin'ilay olona fa atahorana ihany izy saingy "tsara fanahy." Na dia tsy takatsika mandrakariva aza ny momba an'Andriamanitra sy ny zavatra ataony izay toa tsy ampoizina dia tsy midika izany fa manohitra antsika Izy. Midika izany fa tsy mbola fantatsika amin'ny fahafenoany ny momba Azy. Foto-kevitra itolomantsika mafy ny fiheverana fa tsy maintsy mahatakatra ny momba an'Andriamanitra sy mahalala mialoha izay hataony isika raha te hanana fiadanana sy toky ary fanantenana. Araka ny fihevitsika dia tokony "tsy atahorana" Izy. Mitondra fahadisoam-panantenana ho antsika anefa izany eritreritra izany.

    Indray mitopy maso: Manampy antsika hifikitra amin'ny fanantenana rehefa ao anatin'ny memy ny fahatakarantsika momba ny toetran'Andriamanitra. Amin'ny fomba ahoana?

    Rehefa tojo fahoriana isika dia mora tokoa ny mihevitra fa izay mitranga amintsika ihany no zava-dehibe. Misy sary lehibe kokoa noho ny "izaho" fotsiny anefa (jereo ny Apôk. 12:7; Rom. 8:22).

    Vakio ny Hab. 1:1-4. Inona no atrehin'i Habakoka eto?

    Mety miandrandra angamba ianao fa hilaza zavatra toy izao Andriamanitra: "Mampalahelo tokoa izany ry Habakoka; ho avy faingana Aho izao hanampy anao." Nifanohitra tamin'izany anefa ny valintenin'Andriamanitra. Nambarany tamin'i Habakoka fa hiharatsy kokoa aza ny toe-javatra. Vakio ny Hab. 1:5-11.

    Nentin'nyAsirianina ho babo ny Isiraely. Nilaza marimarina anefa Andriamanitra fa ho ratsy lavitra noho izany no hiseho: Hobaboin'ny Babilanianina ny vahoakan'i Joda. Mbola nitaraina indray i Habakoka ao amin'ny and. 12-17, ary miandry izay holazain'Andriamanitra.

    Mitondra fanantenana ny fampidirana nataon'Andriamanitra mahakasika ny teny fikasana ny amin'ny handravana an'i Babilona ao amin'ny Hab. 2:2,3. Amininy fomba ahoana?

    Teny fikasana ny amin'ny handravana an'i Babilona ny Hab. 2. Namerina ny andalan-teny tao amin'ny Hab. 2:3 ny
    Heb. 10:37. Asehony fa ny Mesia io teny fikasana izay ho tanteraka amin'ny hoavy io. Tahaka ny maha-azo antoka ny teny fikasana ny amin'ny fandravana an'i Babilona no ahafahantsika mahazo antoka koa ny amin'ny faharavan'i "Babylona lehibe"- Apok. 18:2.

    Sahiran-tsaina teo anatrehan'ny faharatsiana lehibe manodidiana azy sy ny toe-javatra ratsy lavitra noho izany hiseho hoavy (araka ny teny nataon'Andriamanitra) i Habakoka. Eo indrindra anefa no ahitantsika ny toerantsika eo amin'ny tantaran'ny famonjena. Manodidina antsika ny faharatsiana lehibe, kanefa ambaran'ny Baiboly mialoha fa ratsy lavitra noho izany no mbola hiseho. Ny tsiambaratelon'ny fahaveloman'i Habakoka dia ny nitondrana azy hijery ny toe-javatra iray manontolo. Izany no mahatonga azy afaka nanao vavaka fiderana tsy mampino noho ny amin'izay hataon'Andriamanitra amin'ny hoavy, ao amin'ny toko faha-3.

    Vakio ny Hab. 3:16-19. Inona no ambaran'i Habakoka fa anton'ny fanantenany? Inona ny fanantenan'ny vahoakan'Andriamanitra eo am-piandrasana ny fisehoan'ireo toe-javatra ara-paminaniana farany? Ahoana no iainanao manokana izany fanantenana izany?

    Izao no nosoratan'i Oswald Chambers: "Efa mba nanontany an'Andriamanitra ny amin'izay hataony ve ianao? Tsy hilaza izany aminao na oviana na oviana Izy. Tsy hilaza aminao izay hataony Andriamanitra fa ny maha-Izy Azy no asehony anao." - My Utmost for His Highest (Uhrichsville, OH: Barbour & Company, Inc., 1963), 2 Janoary.

    Araka ny hevitrao, inona no tian'i Chambers hambara amin'izany foto-kevitra izany?

    Araka ny fantatsika, ny bokin'i Jôba dia manomboka amin'ny loza mahatsiravina sady mahonena nihatra taminy. Very avokoa ny fananany rehetra afa-tsy ny ainy sy ny vadiny izay nanoso-kevitra azy hahafoy an'Andriamanitra "ka ho faty!" - Joba 2:9. Ny voalaza manaraka izany dia ny resaka nifanaovan'i Joba sy ireo sakaizany izay niezaka ny hamaofivaofy ny antony nahatonga izany rehetra izany. Nangina Andriamanitra nandritra izany fifanakalozan-kevitra rehetra izany.

    Tampoka teo anefa dia niteny Izy ao amin'ny Joba 38, nanao hoe: "Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?" - and. 2. Tsy nisy fiatoana ireo fanontaniana mampitolagaga napetrak'Andriamanitra tamin'i Joba. Sokafy ny Baibolinao ka jereo ao amin'ny toko 38 sy 39 izany.

    Izao no navalin'i Jôba taorian'ny fanontaniana farany napetraka taminy: "Indro, tsinontsinona, aho ka Inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao. Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho." - Joba 40:4,5. Tsy mbola tapitra anefa ny tian'Andriamanitra hambara. Mbola nametraka fanontaniana "Iehibe" nifanesy indray Izy.

    Vakio ireo valinteny farany nataon'i Jôba ao amin'ny Jôba 42:1-6. Inona no tian'Andriamanitra holazaina an' i Jôba, ary inona ny fiantraikan'izany teo aminy?

    Tsy namaly ny fanontanian'ireo sakaizan'i Joba hoe "nahoana" mihitsy Andriamanitra saingy nasehony miharihary ny fahalehibiazany tsy manam-paharoa araka izay hita eo amin'ny asa famoronana mahatalanjona nataony. Azo antoka fa tsy nila valinteny intsony i Jôba taorian'izany. Takon'ny sary goavana maneho ny fahalehibiazan'Andriamanitra ny fikatsahana fanazavana.

    Fifanoheran-kevitra mahavariana no asehon' io tantara io: ny fanantenana sy ny faherezana dia mety hipololotra avy amin'ny fahatsapana fa kely dia kely ny fahalalantsika. Fironana ao anatintsika ny fiezahana hahazo toky avy amin'ny fahalalana ny zavatra rehetra, hany ka very fanantenana isika rehefa tsy afaka ny hahalala. Asongadin'Andriamanitra anefa ny tsy fahalalantsika indraindray mba hampiaiky antsika fa tsy misy fanantenana azo antoka ho an'ny olombelona afa-tsy ao amin'Izay lehibe lavitra noho isika.

    Misy zava-mitranga aminao ve amin'izao fotoana izao izay tsy takatrao ny antony? Raha izany, mifantoha amin'ny toetran'Andriamanitra. Ahoana no ahafahan'izany mitondra ny fanantenana ilainao mba haharetanao eo am-piatrehana ny toe-javatra tsy takatry ny saina amin'izao fotoana izao?

    Miandrandra fanantenana ny olona rehetra. Aiza anefa no ahitana izany? Ho an'ny olona sasany, ny fanantenana dia hitany eny amin'ny tsikin'ny sakaiza iray. Ho an'ny hafa, ny fahampiana ara-bola sy ny tokantrano milamina no ahazoany fanantenana. Aiza no itadiavanao fanantenana sy herim-po matetika?

    Manoratra ho an' ireo olona very fanantenana tany amin'ny tany naha-babo azy i Jeremia ao amin'ny bokiny. "Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay, sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona" - Sal. 137:1. Na dia trotraky ny alahelo aza ny fon'izy ireo dia nampahafantarin'i Jeremia azy ny tsy tokony hahavery fanantenana azy.

    lnona avy ireo antony tokony hananana fanantenana izay voalaza ao amin'ny Jer. 29:1-10?

    _______________________________________________________________________________________________________

    _______________________________________________________________________________________________________

    Misy loharanom-panantenana telo lehibe tsara hasongadina ao amin' io andalan-teny io.

    Voalohany, milaza amin'ny vahoakany Andriamanitra fa tsy tokony ho very fanantenana izy ireo satria tsy kisendrasendra na faharatsiana tonga tsy nampoizina no anton'ny zava-manjo azy. Andriamanitra mihitsy mantsy no nilaza fa nanolotra "ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona" - Jer. 29:4. Na dia toa nanodidina azy ireo aza ny ratsy dia tsy nahafoy azy velively Andriamanitra.

    Faharoa, milaza amin'ny olony Andriamanitra fa tsy tokony ho very fanantenana izy ireo satria--afaka miasa Izy na dia ao anatin'ny toe-java-tsarotra mahazo azy ireo ankehitriny aza. "Ary katsaho izay hiadanan'ny tanana izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin Jehôvah  ho azy,- fa raha miadana izy, dia mbahiadana koa hianareo." - and. 7.

    Fahatelo, milaza amin'ny olony Andriamanitra fa tsy tokony ho very fanantenana izy ireo satria hofaranany amin'ny fotoana voatendriny ny famaboana azy. "Fa izao no lazain 'i Jehôvah: rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity tany ity hianareo." - and. 10.

    Taorian'ny nanazavan'Andriamanitra fa Izy no efa niahy ny olony tamin'ny lasa sy miahy azy ankehitriny ary mbola hiahy azy amin'ny hoavy dia nasehony tamin'ny fomba kanto ny fiheverany azy ireo amim-pitiavana (jereo ny and. 11-14).

    Vakio ny Jer. 29:11-14 ka soloy ny anaranao ny teny hoe "anareo", toy ny hoe ho anao manokana no nanaovan'Andriamanitra ireo teny fikasana ireo. Ampiharo aminao ireo teny fikasana ireo na manao ahoana ady mety atrehinao amin'izao fotoana izao na manao ahoana.

    Vakio ny Heb. 12:5-13. Inona ny hafatra ho antsika eto ary ahoana no mampifanaraka izany amin'izay efa nianarantsika tamin'ity telo-volana ity?

    ________________________________________________________________________________________________________

    ________________________________________________________________________________________________________

    Soritsoritan'i Paoly ao amin'ny Heb. 12:5-13 ny fizahan-toetra ao amin'ny tontolon-kevitry ny titsipi-pifehezana. Ao amin'ny dikanteny NIV dia efa ho impolo ny teny hoe, fitsipi-pifehezana no miverina. Eo amin'ny tontolo grika indray, io teny io no teny fototry ny teny hoe "fanabeazana". Araka izany, ny fahatakarana ny "fitsipi-pifehezana" dia fahatakarana ny fomba anabeazan'Andriamanitra antsika ao amin'ny sekolin'ny finoana, izay efa noresahin'i Paoly teo aloha ao amin'ny Heb. 11.

    Nanoratra momba ireo lehilahy sy vehivavin'ny finoana i Paoly manerana ny Heb. 11 . Ny finoany no nahatonga azy ireo handroso hatrany raha teo am-piatrehana ny karazam-pisedrana rehetra. Mitodika amintsika mpamaky i Paoly raha vao miditra ao amin'ny toko faha-12. Ambarany fa olona maro dia maro tany alohantsika no niaritra toe-java-tsarotra tsy mampino, noho izany dia azontsika atao koa ny miaina fiainam-pinoana sy mamita ny fihazakazahana. Ny fampifantohana ny maso amin'i Jesôsy no tsiambaratelon'izany (and. 2), mba ho Izy no alain-tahaka amin'ny fotoan-tsarotra (and. 3). Toy ny hoe omena solomaso famakian-teny isika rehefa mamaky ny toko faha-12. Hanjavozavo mandrakariva ny fahitantsika sy ny fahatakarantsika ny fahoriana raha tsy misy izany solomaso izany. Rehefa mijery amin'izany solomaso izany kosa isika dia izy no hanitsy ny fanazavana manjavozavo mikasika ny fahoriana izay ampitambesaran'ny kolontsaintsika amintsika. Amin'izay vao hazava tsara ny fahatakarantsika ny amin'ny fizahan-toetra ary ho haintsika koa ny hiatrika izany amim-pahiratan-tsaina.

    Ampiasao ho solomaso ny Heb. 12:1-13. Mifantoha amin'ny and. 5-13 ka valio ireto fanontaniana ireto:

    Avy aiza ny fitsipi-pifehezana?

    ________________________________________________________________________________________________________

    Inona no asetrintsika ny fitsipi-pi fehezana?

    ________________________________________________________________________________________________________

    Inona no zava-kendren'ny fitsipi-pifehezana'?

    ________________________________________________________________________________________________________

    Avereno vakina ny Heb. 12:1-13. Tanisao ireo antony rehetra tokony hananana fanantenana. Ahoana no niainanao ny fanandraman'izany fanantenana izany tamin'ny fotoana "nanabeazana" anao ara-panahy?

    Vakio ny "Sekolin'ny lanitra", toko 35 ao amin'ny boky FK; ny "Fanampiana eo amin'ny fiainana andavanandro", toko 40 ao amin'ny TMF.

    "Eo amin 'ny fiainan'ny olona rehetra, dia misy fotoana tsy ahazoa-manao na inona na inona, sy isehoan'ny fahakiviana tanteraka, ary indraindray aza dia safotry ny alahelo isika, ka toa tsy azontsika atao ny mino fa ny Tompo dia mbola mpanasoa ny zanany ihany; ary misy koa andro izay itambesaran'ny fijaliana amintsika, hany ka aleontsika mifidy ny ho faty toy izay ao ny ho velona. Amin'izay indrindra no ialan'ny fahatokian'ny olona maro amin'Andriamanitra sy ilentehany lalina ao amin'ny fisalasalana sy ny tsy finoana Koa raha lahiny ka haintsika ny mamantatra nv hevitry ny lalana itondran'Andriamanitra antsika amin'izay, dia ho hitantsika ireo anjely miezaka manafaka antsika umin'ny tenantsika, ka hanatanjaka ny tongotsika eo amin'ny fanorenana tsy azo nohozongozonina, mafy lavitra noho ny havoana mandrakizay; ary amin'izay dia hamelombelona nv tenantsika manontolo ny finoana sy ny risi-po vaovao." - MM, t. 130.

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

    1. Ambaran'i Ellen G. White fa Isika "rehetra" no mandalo amln'ny fotoana "tsy ahazoa-manao na Mona na Inona, sy Isehoan'ny fahakiviana tonteraka". Manao ahoana ny fifampitsinjovantsika ao anatin'ny fotoan-tsarotra toy !zany? Ahoana no ianarantsika ho tonga mpltondra fanantenana ho an'ny hafa rehefa mandalo fahadisoam-panantenana mangldy toy Izany 'Ma?

    2. Avereno jerena ao amln'ny kilasy ny mikasika ny fanontanlana farany tamin'ny Talata. Inona ny flovana niseho teo amin'ny fialnanao rehefa nataonao ao an-tsaina mandrakariva fa eo anilanao mandrakariva Andriamanitra? . Vakio mafy eo amln'ny kilasy ireo fizarazarana ao amin'ny Jôba 38--41. Inona ny sarin'Andriamanffra asehon'izany? Inona no nianaranao ka nitondra fanantenana sy faherezana ho anao? Ahoana no mampifanaraka tsara ny Sabata amin'io sary 10? Ahoana no anampian'lzany hihazona eo anoloantsika ny endrika sy ny toetran'Andrlamanitra?

    4. Avy any an-danItra ny fanantenana manova. Midika izany fa azontsika atao ny mivavaka mba hitondrana fanantenana eo amin'ny fiainan'ny hafa. Manokana fotoana hivavahana ho an'ireo izay manana fanantenana mangozohozo mba hohavaozina indray izany fanantenany izany. Ambonin'izany, inona no azonao atao ho an'ny hafa izay miady mafy mba hanana fanantenana?

    5. Raha misy olona fray vonona dia asaivo mitantara ny fotoana nahavery fanantenana sy finoana azy noho ny fahakiviana sy ny fizahan-toetra izy. Inona no nampandroso azy Indray? Inona no azontsika ifampizarana ka mety hanampy rehefa ao anatin'ny fotoam-pisalasalana sy fahakiviana isika?

    "Fa Izaho Jehôvah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, izaho no hamonjy anao." - Isa. 41:13.

    Nisy olona nilaza izao teny izao indray mandeha: "Rehefa iny toa lavitra iny Andriamanitra, dia iza no nanalavitra voalohany?" Rehefa tonga ny olana dia heverintsika fa nahafoy antsika Andriamanitra. Ny marina dia tsy lasa nandeha taiza na taiza Izy tsy akory. Toy ny hoe lavitra dia lavitra ny Jiosy natao sesitany ny fanatrehan'Andriamanitra. Tamin'ny alalan'i Isaia anefa dia nanome toky azy ireo Andriamanitra ny amin'ny fanafahana ho avy. Na dia mbola taona maro aty aoriana aza ny fiverenana any Jerosalema dia tian'Andriamanitra ny hahafantaran'ny vahoakany fa tsy nanalavitra azy ireo Izy ary antony maro no tokony hananan'izy ireo fanantenana.

    Vakio ny Isa. 41:8-14. lnona avy ireo antony tokony hanantenan'ny olona izay miandry fatratra ny fanafahana ho avy? Ahoana no hanampian'izany teny fikasana izany antsika raha eto am-piandrasana ny fifaranan'ny famaboana antsika eto an-tany isika?

    ________________________________________________________________________________________________________

    ________________________________________________________________________________________________________

    Hita ao amin'ny and. 13 ny anankiray amin'ireo sary manan-danja indrindra ao amin'ireo andininy ireo. Milaza Ilay Andriamanitra mpanjakan'izao rehetra izao fa tsy misy tokony hatahoran'ny olony satria Izy no "mitantana ny tananao ankavanana." Zavatra iray ny maka sary an-tsaina an'Andriamanitra mifehy ireo toe-javatra eto an-tany avy eo amin'ny seza fiandrianany lehibe any ambony tsy taka-maso. Zavatra iray hafa koa ny mahatsapa fa akaiky dia akaiky antsika Izy ka afaka mitantana ny tanan'ireo vahoaka malalany.

    Rehefa sahirana isika dia mety ho sarotra ny mahatsiaro fa tena akaiky antsika tokoa Andriamanitra. Manova zavatra kosa ny fahatsiarovantsika fa Izy no Imanoela: "Amintsika Andriamanitra." Rehefa eo amintsika ny fanatrehan'Andriamanitra dia toy izany koa ny fikasany sy ny teny fikasany ary ny heriny mahay manova.

    Manaova fanandramana iray mandritra ny andro vitsivitsy. Miezaha mampahatsiahy ny tenanao araka izay azo atao fa tena akaiky anao tokoa Ilay Andriamanitr'izao tontolo rehetra izao mba hitantana ny tananao ary koa manome toky anao manokana fa hanampy anao. Raiso an-tsoratra ny fomba anovan'izany ny fomba fiainanao. Aoka ianao ho vonona hifanakalo hevitra momba ny fanandramanao ao amin'ny kilasy amin'ny Sabata.

    Please publish modules in offcanvas position.