Lesona 8: Mahita izay tsy hita

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Rôm. 8:28-39; Jao. 14:1-14; Efes. 1:18-23; Isa. 40:27-31.
    Tsianjery: "Finoana no nandaozany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy." - Heb . 11:27.

    Somary sarotra mandrakariva ny famaritana ny atao hoe finoana ao amin'ny Baiboly. "Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita:" — Heb. 11:1. Ahoana no ahazoantsika antoka ny amin'izay zavatra tsy hita? Izany indrindra anefa no ambaran'i Mosesy amintsika ao amin'ny tsianjerintsika, "fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy."

    Ary mainka mampananosarotra kokoa aza ny mahafantatra fa antsoina isika mba hahita "Izay tsy hita", tsy amin'ny fotoana mahafinaritra ihany fa indrindra koa rehefa tsy misy mandeha amin'ny laoniny ny zavatra rehetra. Mila finoana isika noho izany, dia finoana tahaka ny an'i Kristy, izay tsy maintsy aorina mifanaraka amin'ny fahamarinana momba an'Andriamanitra sy ny fanjakany. Ny fahatsaran' ilay Raintsika, ny fahefana ao amin'ny anaran'i Jesôsy, ny herin'ny fitsanganana amin'ny maty, ny fangorahan'Andriamanitra — ireo dia fahamarinana manan-danja izay hanampy antsika hahajoro tsara rehefa ao anatin'ny fitsapana ka mety halaim-panahy hiahiahy ny amin'ny zavatra rehetra.

    Indray mitopy maso: Inona avy ireo fahamarinana momba an'Andriamanitra izay afaka hanohana antsika na dia ao anatin'ny toe-javatra sarotra indrindra aza?

    "Raha tena tia ahy marina Andriamanitra dia ho nanao _______________________   ho ahy Izy!" Impiry impiry no efa nieloelo tao an-dohantsika izany fisainana izany. Mandinika ny toerana misy antsika isika, dia avy eo manontany tena raha tia antsika tokoa Andriamanitra; raha tia antsika marina mantsy Izy dia tsy ho toy izao ny zava-misy. 

    Misy antony roa izay matetika mahatonga antsika hisalasala ny amin'ny fahatsaran'Andriamanitra. Voalohany, rehefa miredareda ao am-po sy ao an-tsaintsika ny faniriana zavatra iray izay heverintsika ho tsara, dia toa hafahafa amintsika raha zavatra hafa no mety hirin' Andriamanitra ho antsika. Faharoa, mety hiahiahy ny amin'ny fahatsaran'Andriamanitra isika satria tsy mifanaraka amin'izay inoantsika ny fanandramana iainantsika. Rehefa tsara amintsika ny fahitana, na ny fahatsapana, na ny fandrenesana, na ny tsiron'ny zavatra iray, dia tsy maintsy ho tsara izany ilay zavatra. Noho izany dia sorena amin'Andriamanitra isika rehefa tsy azontsika ilay izy.

    Eto ny finoana no miditra an-tsehatra. Rehefa alaim-panahy tsy hatoky an'Andriamanitra sy ny fahatsarany iny indrindra isika no miditra ny finoana. 

    Mazava tokoa ny fanazavana omen'ny Rôm. 8:28-39 momba ny fahatsaran'Andriamanitra amintsika. lnona ao amin'io andininy io no afaka miaro ny saintsika tsy hisalasala ny amin'ny fahatsaran'Andriamanitra?

    Misy hevi-dehibe mitombina tokoa ao amin'ny Rôm. 8:32, izay manampy antsika indrindra tsy ho rendrika ao anatin'ny toe-java-mitranga. "Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?" Ahoana no mbola hieritreretantsika fa naniraka an'i Jesôsy ho faty ho antsika Andriamanitra, kanefa avy eo nivadika ho ratsy fanahy sy mahihitra?

    Midika izany fa ilay fahamarinana momba ny fahalalahan-tanan'Andriamanitra, izay naseho tao amin'ny fahafatesan'i Kristy, dia azo lazaina ho misy akony mahery lavitra ao an-tsaintsika noho ireo fisalasalana rehetra mety hateraky ny fitsapana ao anatintsika.

    Ahoana no mety hahatonga ny fahamarinana iray (tsara Andriamanitra) hisy akony mahery vaika kokoa eo aminao mihoatra noho ny fisalasalanao? Manokana fotoana hisaintsainana ny amin'ny fahamarinana fa natolotr'Andriamanitra ho faty teo amin'ny toerantsika i Jesôsy, ary izany fahalalahan-tanany tsy mampino izany dia tsy mitsahatra fa mbola miseho amin'ny fomba maro samihafa ankehitriny. lnona ny akon'izany eo amin'ny finoanao?

    "Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako ianareo, dia hataoko izany." - Jao. 14:14.

    Tsy haharitra ela intsony ny fiarahan'i Jesôsy sy ny mpianany. Handeha hiakatra ho any an-danitra ilay mpanohana sy mpampahery azy ireo ka nanomboka sahiran-tsaina sy niraviravy tanana ny mpianatra. Kanefa na dia tsy afaka ny hahita maso Azy mivantana intsony aza izy ireo dia nanome teny fikasana mahatalanjona ho azy i Jesôsy .

    Vakio ny Jao. 14:1-14.Araka ny andininy 13 sy 14 dia manome toky i Jesôsy fa "na inona na inona" angatahintsika amin'ny anarany dia hataony izany. Izany no antony hamaranantsika mandrakariva ny vavaka ataontsika amin'ny hoe: "amin'ny anaran'i Jesôsy , amena."

    Rehefa miteny izany isika, inona no eritreretintsika ho hevitr'izany? Inona no tian'i Jesôsy ambara rehefa mampirisika antsika hivavaka toy izany Izy? Inona avy no hitantsika ao amin'ireo andininy ireo ka manampy antsika hahatakatra ny tiany holazaina? Rehefa mangataka "amin'ny anaran'i Jesôsy " isika dia mahazo matoky fa miasa ho antsika amin'ny fomba rehetra ny lanitra manontolo. Mety tsy ho hitantsika ireo anjely miasa manodidina antsika. Kanefa irahina amin'ny anaran'i Jesôsy avy eo amin'ny seza fiandrianan'ny lanitra izy ireo hanatanteraka ny fangatahantsika.

    Indraindray, rehefa avy mivavaka amin'ny anaran'i Jesôsy isika, dia manokatra ny masontsika ka manantena fiovana eo amin'ny manodidina antsika — toa ny teo ihany anefa no eo. Saingy izao, mety hiseho amin'ny fomba mampitolagaga ny herin'Andriamanitra, toy ny tamin'Izy nampitony ny tafio-drivotra; ary mety hiasa amim-pahanginana koa, amin'ny fomba izay tsy voamarika akory, toy ilay herin'Andriamanitra nanohana an'i Jesôsy tao Getsemane. Mety tsy hisy zava-mahatalanjona hiseho tampoka; tsy midika anefa izany fa tsy miasa ho antsika Andriamanitra.

    Vakio indray ny Jao. 14:1-14. Eo am-pamakianao izany dia alaivo sary an-tsaina i Jesôsy miresaka mivantana sy mifanatri-tava aminao. Inona ny fanantenana sy ny fampaherezana azonao raisina avy amin'ireo teny fikasana ireo? Apetraho amin'ny tenanao koa izao fanontaniana izao:"Inona eo amin'ny fiainako no mety ho sakana tsy hahatanterahan'ireo teny fikasana ireo amiko? Inona avy ireo tanjona tokony hokendreko ao am-po mba hahatanteraka izany?

    Mitondra vahaolana ho an'ny tsy fahefan'ny olombelona na inona na inona ny fitsanganana amin'ny maty. Rehefa misaintsaina ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty isika, dia mazana no mihevitra fa ny fahafatesan'i Jesôsy no tranga mampihavana antsika ara-dalana amin'Andriamanitra. Ary mazava loatra fa marina izany.

    Kanefa misy lafin-javatra manokana hafa momba ny famonjena entin'ny fitsanganana amin'ny maty. Zava-dehibe tokoa ny fitsanganana amin'ny maty satria maneho izany fa hantsangana amin'ny maty koa isika indray andro any, kanefa tsy hatreo ihany. Ny fitsanganana amin'ny maty no nametraka an'i Jesôsy ho eo an-tanana ankavanan'ny Ray, dia eo amin'ny toeran'ny hery sy ny fahefana. Izany herin'ny fitsanganana amin'ny maty izany no hery tian'Andriamanitra omena antsika koa ankehitriny

    Miresaka momba ny herin'Andriamanitra i Paoly ao amin'ny Efes. 1:18-23. Inona no ambaran'ireo andininy ireo amintsika momba ny herin'ny fitsanganana amin'ny maty? Inona ny fanantenana sy teny fikasana ho anao, hitanao ao amin'ireo andininy ireo?

    Mivavaka ho an'ny Efesianina i Paoly mba hahatakaran'izy ireo hevitra vitsivitsy izay tsy ho takany velively raha tsy miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra: (1) Misy fanovana sy hoavy mandrakizay azo antenaina izay efa niantsoan'i Jesôsy antsika; (2) ny hahatakarantsika ny amin'ilay hery naseho ho antsika.

    Ezahin'i Paoly hazavaina avy eo fa mahagaga tokoa io hery io. Ilay hery nananganana an'i Jesôsy tamin'ny maty ihany no omena antsika koa ankehitriny, tsy ilay namoaka Azy tao am-pasana sy namerina ny ainy ihany, fa ilay nametraka Azy teo amin'ny toeram-pahefana, eo an-tanana ankavanan'ny Ray koa. Tsy nijanona teo anefa i Paoly. Tsy hery toy ny hery rehetra no nomen'ny fitsanganana amin'ny maty an'i Jesôsy fa hery hoenti-manapaka sy manome izay rehetra mety hilain'ny vahoakany — mandritra ny mandrakizay!

    Lafiny inona avy eo amin'ny fiainanao no ilanao ny herin'llay Jesôsy nitsangana tamin'ny maty? Ataovy lisitra izany, ary rehefa vitanao dia mivavaha mba hiasa amin'ireo lafim-piainana rehetra ireo izany hery izany. Inona ihany koa ny ezaka sy ny safidy azonao atao mba hahatonga io hery io hiasa amin-kalalahana kokoa eo amin'ny fiainanao?

    Misy peta-drindrina ataon'ny olona sasany ao an-tranony izay mivaky toy izao: "Atao inona moa ny vavaka raha mbola azonao atao ny misahiran-tsaina?" Mahatsikaiky antsika izany satria fantatsika tsara fa matetika tokoa no be fanahiana isika fa tsy mba manatona an'Andriamanitra mametraka Aminy ny tebitebin-tsaintsika.

    Nisy olona anankiray nilaza hoe: rehefa feno fatopatotra ny fiainanao dia ento eo amin'Andriamanitra ary avelao Izy hamaha ny vona rehetra. Maniry fatratra ny hanao izany ho antsika Andriamanitra. Mahagaga anefa fa vitantsika ny mifikitra hatrany amin'ireo olantsika mandra-pahavery hevitra tanteraka antsika. Nahoana isika no miandry ho very fanantenana vao manatona an'Andriamanitra?

    Vakio ny 1 Pet. 5:7. Teny avy ao amin'ny Sal. 55:22 no indramin'i Petera. Inona ny hafatra fototra ho antsika eto? Jereo koa ny Mat. 6:25-33.

    Tsotra tokoa io andalan-teny ao amin'ny 1 Pet. 5:7 io. Tsy misy tsiambaratelo miafina ao anatiny; mahitsy ny fanambarany. Ny hoe "apetraho" dia midika tokoa hoe "apetraho", avelao, atolory, mba tsy hisy fifampikasohana aminao intsony izay nahatonga alahelo sy ahiahy tao aminao. Mazava loatra fa tsy atsipintsika eny rehetra eny fotsiny ny enta-mavesatsika. Tsy manjavona fotsiny amin'izao ny ahiahintsika. Apetraka eo amin' ilay Raintsika izany, Izay manome toky fa hamaha ny olana. Izany no ambaran'i Jesôsy amintsika ao amin'ny Matio. Ny olana dia tsy hoe sarotra ny manao izany, fa toa mora loatra aza, toa kanto loatra ka tsy mampino.

    Antony maro samihafa no mahatonga ny tebiteby. Mety ho avy amin'ny fandodonan'ny asa izany, mety ho tsikera tsy nampoizina. Angamba koa tsapanao ho tsy ilaina na tsy tiana ianao, na misy olana ara-pahasalamana, ara-bola. Mety fahatsapana ny tsy fahamendrehana eo anatrehan'Andriamanitra koa izany, na fiheverana fa tsy voavela ny helotsika.

    Na inona anefa izany antony izany na inona, dia anisan'ny mahatonga antsika hifikitra amin'ireo olantsika ny fiheverantsika fa tsy misy mahay mamaha tsara izany olana izany ankoatra antsika. Ny antony tsy tokony hampanahy antsika dia izao: Andriamanitra no miahy antsika. Kanefa mbola miahy antsika ihany ve Andriamanitra ka hiditra an-tsehatra rehefa mananontanona ny fisaraham-panambadiana, na koa mahatsapa tena ho tsy mahay manao na inona na inona isika?

    Inona ireo zavatra manahiran-tsaina anao ankehitriny? Na dia tena mampitaintaina marina sy manelingelina tokoa aza izany, misy zavatra sarotra loatra ve ka tsy hain'ny Tompo atao? Ity angamba no tena olantsika lehibe indrindra: na dia inoantsika aza fa fantatr'Andriamanitra ny momba izany ary hainy ny mamaha azy, dia tsy mino isika fa hamaha izany olana izany amin'ny fomba antenaintsika hamahana izany Andriamanitra. Diniho tsara ny amin'izany ary anontanio ny tenanao raha mitranga eo amin'ny fiainanao tokoa izany.

    Mahasorena tokoa ny fahatsapana fa tsy misy olona miraika ny amin'izay manjo antsika. Kanefa mety hahaketraka tokoa ny fiheverana fa tsy mahafantatra na tsy mihevitra antsika akory Andriamanitra.

    Ho an' ireo vahoakan'i Joda babo tao Babilona dia toa tsy nihevitra ny momba azy ireo Andriamanitra. Mbola babo hatrany izy ireo, mbola mahatsiaro ho nilaozan'Andriamanitra vokatry ny fahotany. Nanao teny fampaherezana ho azy ireo anefa i Isaia. Andalan-teny kanto tokoa ny Isa. 40, izay iresahany amim-pitiavana amin'ny vahoaka momba ilay Andriamaniny: "Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana sy ampianahany." - and. 11. Rehefa ela ny ela anefa dia nieritreritra toy izao ireo babo ireo: Aiza ianao Tompo fa tsy hitanay ny porofon'ny fanatrehanao na ny fiahianao anay hatrany!

    Vakio ny Isa. 40:27-31. Ahoana no anoritsoritan'i Isaia an'Andriamanitra eto? Amin'ny fomba ahoana no amalian'io fanoritsoritana an'Andriamanitra  io ny tsy finoan'izy ireo manao hoe: "Miafina tsy hitan'i Jehôvah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitra ny rariny tokony ho ahy?" - and. 27.

    Misy antokon' olona hafa koa ao amin'ny bokin'i Estera izay mety ho nihevitra fa tsy hitan'Andriamanitra ny lalany. Tsy voatonona mihitsy Andriamanitra na indray mandeha aza ao amin'io boky io. Tantara manan-danja lehibe anefa no voarakitra ao, dia ny nidiran'Andriamanitra an-tsehatra namonjy ny vahoakany rehefa notandidomin-doza izy ireo noho ny lalàna tsy azo novana navoaka ho fandringanana azy. Tsy ny tranga efa lasa ihany no soritsoritan'ity tantara ity fa maneho ara-tandindona ny fotoana ho avy koa izany, dia rehefa hoenjehina  indray ny vahoakan'Andriamanitra ka havoaka koa ny lalàna ho fandringanana azy (Apok. 13:15). Mety ho azonao an-tsaina ve  fa ho mora tokoa ny hilaza amin'izay fotoana izay hoe: "Nandao ny olony tokoa Andriamanitra raha izao zavatra mampivarahontsana izao no mitranga"? Tsy misy tokony hatahorantsika anefa. Ilay Andriamanitra namonjy ny olom-boafidiny tamin'ny andron'i Estera ihany no hamonjy azy ireo indray ao anatin'ny fotoan-tsarotra farany. 

    Efa novakintsika ny fomba nanoritsoritan'i Isaia an'Andriamanitra tamin'ireo babo. Ahoana kosa no hanoritsoritanao Azy amin'ny olona izay mahatsapa fa toa tsy hita Andriamanitra fa nandao azy? Ahoana no hampianaranao azy ireo hijery amin'ny masom-pinoana fa tsy hiankina amin'izay hitany miseho manodidina azy amin'ny mason'olombelona?

    Vakio ny "Tamin'ny andron'i Estera mpanjakavavy", ao amin'ny MM, toko 49.

    "Tsy efa niteny ve Andriamanitra fa hanome ny Fanahy Masina ho an' izay rehetra mangataka Aminy? Ary moa ve tsy tena misy marina sy tena mpitari-dalana tokoa io Fanahy Masina io? Toa matahotra ny handray an'Andriamanitra amin'ny teniny ny olona sasany, toy ny hoe sahisahy foana izy raha manao izany. Mivavaka izy ireo mba hampianaran'Andriamanitra antsika, kanefa matahotra ny hino ny teny fikasany izy, sy ny hino fa Izy marina no nampianatra antsika. Raha manatona amim-panetren-tena ny Raintsika isika, vonona sady maniry fatratra ny hampianarina, nahoana isika no misalasala ny amin'ny fanatanterahan'Andriamanitra ny teny fikasany? Tsy tokony hiroaroa saina ny Aminy isika na kely aza ka hanjary hanala baraka Azy. Rehefa nikatsaka hahalala ny sitrapony ianao, ny anjaranao dia ny mino fa hoentina sy hotarihina ary hotahina ianao ho amin'ny fanatanterahana ny sitrapony. Mety tsy hatoky ny tenantsika isika sao diso fandray ny fampianarany; kanefa ataovy antom-bavaka izany ary matokia Azy hatramin'ny farany, fa hitarika anao ny Fanahiny Masina mba hahatakaranao araka ny tokony ho izy ny drafiny sy ny fitondrany. " — MR, b. 6, t. 225.

    "Mihamatanjaka ny finoana rehefa miady amin'ny fisalasalana sy ny fitaoman-dratsy. Ny traikefa azo avy amin'izany fitsapana izany dia manana tombam-bidy lehibe lavitra noho ny firavaka sarobidy indrindra." — TFC, b. 3, t. 555.

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

    1. Resaho ao amin'ny kilasy ny amin'ireo zavatra izay inoantsika kanefa tsy hitantsika, zavatra izay fantatsika tsara fa manam-pisiana kanefa tsy tazan'ny masontsika. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra ny hevitry ny hoe: "mahita izay tsy hita"?

    2 Ifanakalozy hevitra ny amin'ilay fanontaniana farany ao amin'ny lesona Alarobia. Impiry no efa nandalo fanandramana toy izany isika? Inona no azontsika atao mba hahatonga antsika hatoky fa ny hevitr'Andriamanitra no tsara indrindra, na dia tsy araka izay antenaintsika aza izany?

    3 Raha "mihamatanjaka ny finoana rehefa miady amin'ny fisalasalana sy ny fitaoman-dratsy", ka zavatra tena lafo vidy izay "manana tombam-bidy lehibe lavitra noho ny firavaka sarobidy indrindra" no vokany, Inona no tokony ho fiantraikan'izany eo amin'ny fomba fijerinao ny ady toy izany?

    4 Ny ankamaroantsika dia efa nahita olona, eny Kristianina toa antsika aza, izay nandalo toe-java-tsarotra ka nampivarahontsana ny vokany, farafahakeliny amin'ny fomba fijerintsika. Ny ratsy izay efa nampoizintsika indrindra no nitranga na dia teo aza ny vavaka sy ny ezaka rehetra efa natao. Ahoana no fahazoantsika izany araka ny lesona nianarantsika?

    Please publish modules in offcanvas position.