Vaovao Madagasikara

    Lesona 9: Fiainam-piderana

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Fil. 4:4-7; Jos. 5:13-15; 6:1-20; Sal. 145; Asa. 16:16-34; 2 Tant. 20:1-30.
    Tsianjery: "Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia."- Fil. 4:4.

    Mora mandrakariva ny mihoby an' i Jehôvah rehefa mahatsapa fifaliana isika. Tsy mora kosa izany rehefa ratsy ny fizotry ny toe-javatra, rehefa ao anatin'ny toe-javatra ratsy indrindra azon'ny saina eritreretina isika, rehefa mahamay ny fizahan-toetra manjo antsika. Amin'izay indrindra anefa no tena ilantsika ny midera an'Andriamanitra satria ny fiderana no fitaovana hanampy antsika hihazona ny finoana.

    Afaka manova ny toe-javatra maizina indrindra eo amin'ny fiainantsika ny fiderana; mety tsy ny zava-misy manodidina antsika no ovany fa isika sy ireo manodidina antsika, mba hahatonga antsika hahay hiatrika ny fihaikana. Finoana miasa ny fiderana. Mety tsy handeha ho azy amintsika mandrakariva izany, saingy rehefa raisintsika ho ampaham-piainana izany dia hanana hery manova fo sy mambabo.

    Indray mitopy maso: Inona no atao hoe fiderana? Ahoana no hahatonga ny fiderana ho fiadiana ara-panahy mahery vaika ao anatin'ny toe-java-tsarotra? Ahoana no anovan'ny fiderana antsika sy ny toe-javatra manodidina antsika?

    Voaheloka ho faty i Fyodor Dostoyevski, mpanoratra rosianina malaza iray, saingy novana tamin'ny fotoana farany ny didim-pitsarana azy. Nanjary nandany taona maromaro tany am-ponja izy. Izao no nosoratany rehefa niresaka mikasika ny fanandramany tany am-ponja izy: "Minoa hatramin'ny farany, na dia mivily lalana avokoa aza ny olona rehetra ary ianao irery ihany no sisa mahatoky; atero ny fanatitrao na izany aza ary midera an'Andriamanitra ao amin'ny maha-irery anao." Hitantsika sahady ao amin'ireo lesona ireo ny fomba niaretan'i Paoly ny fanoherana sy ny fanenjehana tsy mampino. Indro ao amin'ny fonja romanina iray izy izao. Tsy kivy anefa izy. Tamin'ny zotom-po fatratra aza no nanoratany mba hampaherezana ireo mpino tao Filipia!

    Vakio ny Fil. 4:4-7. Araka ny hevitrao, ahoana no nahafahan'i Paoly nanoratra hafatra tahaka izany na dia tao am-ponja aza izy? Inona ny tsiambaratelo, ao amin'io andalan-teny io, mba hahazoana ny "fiadanan'Andriamanitra"?

    Zavatra iray ny mifaly rehefa mizotra araka ny tokony ho izy avokoa ny zava-drehetra. Saingy eto i Paoly dia mampirisika antsika mba hifaly mandrakariva. Mety ho hafahafa ny mandre izany. Raha raisintsika ara-bakiteny izay nosoratan'i Paoly dia hevi-dehibe roa no tian'izany hambara. Voalohany, raha asaina mifaly mandrakariva isika dia midika izany fa tokony hifaly isika na dia toa tsy misy antony loatra tokony hifaliana aza ny toe-javatra atrehintsika. Faharoa, raha asaina mifaly mandrakariva isika dia midika izany fa hianatra ny hifaly isika amin'ny fotoana tsy aniriantsika hanaovana izany akory. Miantso antsika hidera an'Andriamanitra i Paoly na dia toa tsy mandeha ho azy amintsika mandrakariva aza izany. Mety tsy araka ny tokony ho izy aza izany. Araka izay ho hitantsika anefa, amin'ny fotoana toa iheverana fa tsy tokony hifaliana indrindra no asaina mifaly isika. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia izao: asan'ny finoana ny fiderana. Tsy miankina amin'ny toe-javatra atrehintsika ny finoana fa amin'ny fahamarinana momba an'Andriamanitra, tahaka izany koa, tsy zavatra ataontsika noho ny fahatsapantsika fifaliana ny fiderana fa noho ny amin'ny fahamarinana momba ny toetran'Andriamanitra sy izay efa nampanantenainy ho antsika. Ary mahagaga tokoa fa ny finoana toy izany no manomboka mandrafitra ny fisainantsika sy ny fihetsehampontsika ary ny toe-javatra iainantsika.

    Inona ny fahamarinana momba an'Andriamanitra resahin'i Paoly ao amin'ny andalan-teny dinihintsika androany - fahamarinana izay nahatonga azy hifaly na dia tao am-ponja aza? Tanisao fohifohy izay fantatrao fa fahamarinana mikasika an'Andriamanitra. Diniho tsirairay izay voatanisa ka midera an'Andriamanitra ny amin'izy ireo tsirairay avy. Ahoana no anovan'izany ny fahatsapanao sy ny fomba fijerinao ny toe-javatra manjo anao?

    Misy fomba fiteny anglisy iray manao hoe: "voaloko ao anatin'ny zoron-trano" (izay midika hoe "namorona toe-java-tsarotra izay sarotra ahitam-bahaolana). Alaivo sary an-tsaina ange hoe mandoko ny gorodon'ny efitrano iray ianao kanefa eo vao fantatrao fa tafajanona teo an-joron-trano ianao ary tsy afa-miala eo raha tsy hoe angaha mandeha eo ambonin'ny loko mbola mando! Tsy maintsy mijanona eo ianao mandra-pahamainan'ny loko! Indraindray ny finoantsika dia toa mitondra antsika eo amin'ny toe-javatra iray tsy ahitam-bahaolana. Tojo toe-javatra iray isika, ka tahaka ilay loko mbola mando teo amin'ny gorodona dia "mangeja" antsika koa ny finoantsika. Jerentsika ilay toe-javatra misy antsika. Izany dia mahatonga antsika mandà an'Andriamanitra sy ny finoana ary ny zavatra rehetra efa ninoantsika, na isika teren'ny finoantsika hino izay zavatra toa tsy mampino. Nentin'Andriamanitra teo amin'ny toe-java-tsarotra toa tsy ahitam-bahaolana ny Isiraelita. Rehefa avy nirenireny 40 taona tany an'efitra ireo vahoakan'Andriamanitra dia tsy tany maitso mavana feno fiadanana sy tsy misy na inona na inona no nitondran'i Jehôvah azy ireo. Nentiny ho eo amin'ny iray amin'ireo tanana mafy orina indrindra teo amin'ny faritra nisy azy izy ireo. Rehefa izay dia nasaina nandeha nanodidina an'i Jeriko tamim-pahanginana nandritra ny henemana izy ireo. Tamin'ny andro fahafito dia nasain'Andriamanitra nanakora izy ary izany fihobiana amin'ny feo mahery izany, izay narahin'ny trompetra no nitondra fandresena ho azy.

    Vakio ny Jos. 5:13--6:20. Inona no ezahin'Andriamanitra ampianarina ny Isiraelita?

    Tsy ny fitabatabana tamin'ny feo avo tsy akory no nahatonga fihovitrovitra izay nampitriatriatra sy nampirodana ny manda. Rehefa nilaza tamin'ny Isiraelita mba "hanakora mafy" i Jehôvah, dia ilay karazana fanandratana feo avo nosoratan' i Davida ao amin'ny Sal. 66 no tiana hambara: "Mihobia ho an'Andriamanitra,  ry tany rehetra; mankalaza ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy." - and. 1 , 2. Fiderana izany fanakorana mafy izany! Taorian'ny henemana izay nijeren' izy ireo ilay manda lehibe dia tsy maintsy ho nihevitra izy fa tsy ho vitany ny hampirodana izany samirery. Ahoana no anampian'io foto-kevitra io antsika hahatakatra ny hevitr'izay voalaza ao amin'ny Heb. 11:30?

    Rehefa hanao zava-baovao eo amin'ny fiainantsika Andriamanitra dia mety hoentiny eo amin'ny Jeriko anankiray isika satria tiany ny hannpianatra antsika fa tsy avy amin'ny herintsika na ny fahaizantsika no hiavian'ny hery handresena. Avy eny ivelan'ny tenantsika ny zavatra rehetra ilaintsika. Araka izany, na inona na inona eo anoloantsika, na toa tsy hay resena aza ny fijery izany, ny anjarantsika dia ny midera an'Andriamanitra Ilay loharanon'ny zavatra rehetra ilaintsika. Izany no finoana arahina asa.

    Mety tsy handeha ho azy ao amintsika ny hidera an'Andriamanitra na dia amin'ny toe-javatra mahafaly aza. Mainka moa fa amin'ny toe-javatra hitantsika fa tsy tsara? Izany anefa no asaina ataontsika. Ny fiderana dia zavatra tsy maintsy ataontsika mandra-pahatonga izany ho rivo-piainantsika fa tsy asa atao amin'ny fotoana miavaka fotsiny. Tsy tokony ho asa voafaritra fotsiny àry izany ny fiderana fa fomba fiaina manokana mihitsy.

    Vakio ny Sal. 145. Inona avy ireo antony nideran'i Davida an'Andriamanitra? Amin'ny fomba ahoana no tokony hanononanao koa ireo teny ao amin'ny Salamo ireo?

    --------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

    --------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
    Nanoratra boky mitondra ny lohateny hoe The practice of praise i Charles Haddon Spurgeon, mpitoriteny britanika malaza iray. Miorina amin'ny and. 7 ao amin'ny Salamo dinihina androany izany. Ao amin'io andininy fohy io dia misarika ny saintsika amin'ireto lafin-javatra telo lehibe ireto ingahy Spurgeon, izay afaka hanampy antsika hampitombo ny fiderana eo amin'ny fiainantsika.

    1. Velona ny fiderana rehefa mijery ny manodidina antsika isika.

    Raha tsy mijery ny manodidina antsika isika mba hahita ny fahalehibiazan'Andriamanitra dia tsy hahita antony tokony hiderantsika Azy. Inona no hitanao fa mendri-piderana eo amin'ny zavaboary, tahaka ny hakanton'ny asan-tanan'Andriamanitra? Inona no hitanao fa mendri-piderana eo amin'ny tontolo ara-panahy, tahaka ny finoana mitombo eo amin'ny kristianina tanora iray?

    2. Velona ny fiderana rehefa tsaroantsika izay efa hitantsika. Raha tiantsika ny hiaina ao anatin'ny tontolon'ny fiderana dia tokony hotsiahivintsika ny anton'izany. Fomba ahoana no hahatsiarovantsika ireo zava-dehibe mikasika an'Andriamanitra (toy ny fanaovana fombam-pivavahana na tandindona vaovao izay mampahatsiahy antsika ny fahatsarany) mba ho voahazona ao an-tsaintsika ny fahatsarany sy ny fahamarinana mikasika Azy?

    3. Velona ny fiderana rehefa miresaka momba izany isika. Ny fiderana dia tsy zavatra ataontsika ao an-dohantsika ao. Natao hivoaka avy eo imolotsika izany mba ho ren'ireo manodidina antsika. Inona avy ireo antony hanononana fiderana ho an'Andriamanitra? Inona no ho vokatry ny fiderana toy izany, ary eo amin'iza?

    Mandraisa penina sy taratasy ka manokàna fotoana handinihana ireo foto-kevitra telo lehibe ireo. Inona no azonao atao mba hahatonga ny fiderana ho fahazarana eo amin'ny fiainanao?

    Ao amin'ny bokin'ny Asan'ny Apostoly dia nisy vokany lehibe teo amin'ireo izay nandre azy ny fiderana.

    Vakio ny Asa. 16:16-34. Natao tao am-ponja i Paoly sy i Silasy rehefa avy nofaizina sy nokapohina mafy. Tsy nisy na iza na iza nanosotra diloilo ny feriny sy ny lamosiny feno ratra. Nangirifiry azy mafy ny vatany, nohidiana tanaty boloky hazo ny tongony, ary tao amin'ny faritra maizina indrindra tao am-ponja no nametrahana azy ireo. Rehefa nipetraka hihaino azy ireo anefa ireo gadra hafa dia nanomboka nivavaka sy nihira i Paoly sy i Silasy.

    Taorian'ny horohoron-tany, rehefa hitan'ny mpiambina ny fonja fa tsy nisy nandositra na i Paoly na i Silasy na ireo voafonja hafa dia "niankohoka teo anatrehan'i Paoly sy Silasy [izy]. Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, Inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?" - Asa. 16:29,30.

    Nahoana io toe-javatra io no nitarika ilay mpiambina ny fonja hifantoka amin'ny filan'ny tenany famonjena? Araka ny hevitrao. Inona ny anjara asan'ny vavaka sy ny hira nataon'i Paoly sy i Silasy teo amin'ny tsy fandosiran'ireo gadra hafa, ary koa teo amin'ny fiovam-pon'io lehilahy io sy ny ankohonany iray manontolo?

    -----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

    -----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

    Mahatalanjona ny mieritreritra fa afaka mitondra fanovana mandrakizay ho an'ny fiafaran'ireo manodidina antsika ny fiderana ataontsika. Raha toa ka nimonomonona sy nitaraina toy izay fanaon'ny voafonja i Paoly sy i Silasy tao amin'ny haizina, dia heverinao ve fa hisy ho voavonjy tamin'io alina io?

    Tsy fantatsika izay nitranga tamin'ilay mpiambina ny fonja sy ny ankohonany taty aoriana, saingy azonao alaina sary an-tsaina ve izy ireo mamaky ireo teny nosoratan'i Paoly taty aoriana, avy tao amin'ny fonja iray hafa tao Roma: "Fa hianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny Aminy, dia manana izany ady izany hianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny." - Fil. 1:29,30. Raha tena namaky izany tokoa izy ka nandinika ny fahorian'i Paoly izay nitondra fifaliana ho azy dia azo antoka fa tsy maintsy ho nitondra hira tao am-pony sy fihaikana vaovao izany mba hitoerany ho mahatoky na inona na inona vidin'izany.

    Iza no heverinao fa ho voataona ho an'Andriamanitra noho ny hira fiderana avy ao am-ponao? Manaova ezaka mba hivelatra sy ho feno fihetsehampo kokoa eo amin'ny fideranao an'Andriamanitra eo amin'ireo manodidina anao. Tsy fantatrao izay vokatra mahasoa hoentin'izany.

    Vakio indray ny 2 Tant. 20:1-30. Inona ny fitsipika ara-panahy hitanao ao ka azonao ampiharina eo amin'ny fiarahanao mandeha amin'Andriamanitra, indrindra amin'ny fotoan'ny fizahan-toetra sy ny harerahan-tsaina?

    Vakio ny 2 Tant. 20:1-30. Araka ny hitan'i Josafata, dia fiadiana mahery vaika ny fiderana. Rehefa reny fa tonga hanohitra azy ny "olona betsaka", dia tsy nanapa-kevitra avy hatrany hampiasa ny tafika aloha izy fa "nanatrika tsara hitady an 'i Jehôvah"- .and. 3.

    Rehefa tonga tao Jerosalema hifady hanina ny vahoakan'i Joda dia niaiky ny zava-misy marina teo aminy izy ka nilaza hoe: "fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain 'ny masonay." - 2 Tant. 20:12.

    Rehefa mahita "olona betsaka" tamy manatona. ianao, inona ny fihetsika mandeha ho azy eo aminao? Avy amin'ny valintenin'i Josafata ao amin'ny and. 3-12, inona no azonao ianarana mikasika izay tokony hatao eo anatrehan'ny fanoherana mahery vaika?
    Rehefa tonga tamin'i Jahaziela ny Fanahin'i Jehôvah dia tamim-pahasahiana no nanambarany hoe: "Tsy hianareo anefa no hiady amin'ity; mijanona tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehôvah no momba anareo." - 2 Tant. 20:17. Taorian'izay dia niankohoka tarnin'Andriamanitra izy ireo ary nanao hira fiderana ho Azy "tamin 'ny feo mahery indrindra" - and. 19. Na dia hiady ho azy aza Andriamanitra dia tsy maintsy mbola niakatra hiatrika ny fahavalo izy.

    Tsy fiaraha-mamindra ho amin'ny ady toy ny mahazatra anefa izany. Nanendry antoko mpihira i Josafata mba hihira fiderana ho an'i Jehôvah rehefa hivoaka izy ireo. "Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian 'i Jehovah otrika hamely ny taranak Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo."- 2 Tant. 20:22. Araka ny voalazan'ny mpanoratra dia niditra an-tsehatra Andriamanitra tamin'ny fotoana izay nanehoan'izy ireo indrindra ny finoany ny teny fikasana, rehefa nanomboka "nidera [Azy] noho ny voninahitry ny fahamasinany" izy ireo (2 Tant. 20:21, NIV).

    Vakio ny fizarana "Josafata", toko 15 ao amin'ny MM; "Ny nandravana an'i Jeriko", toko 45 ao amin'ny PM.

    "Noho izany aoka hobeazintsika ny fontsika sy ny molotsika hanambara ny fiderana an'Andriamanitra noho ny fitiavany tsy manan-tsahala. Aoka 'hobeazintsika ny fanahintsika ho feno fanantenana ka hitoetra eo amin'ny fahazavana mamirapiratra avy eo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary. Na oviana na oviana dia aoka tsy hohadinointsika fa zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra isika, zanakalahy sy zanakavavin'i Jehôvah Tompon'ny maro. Tombontsoa ho antsika ny mampaharitra fialan-tsasatra tony ao amin'Andriamanitra." - TMF, U. 165,166. "Ary rehefa miankohoka Aminy sy manandratra Azy aho dia tiako ianao raha hanandratra Azy miaraka amiko koa. Derao ny Tompo na dia lavo ao anatin'ny haizina aza ianao.

    Derao Izy na dia ao anatin'ny fakam-panahy aza. Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia, 'hoy ny apostoly. Hitondra alahelo sy haizina eo amin'ny ankohonanao ve izany? Tsia dia tsia, fa tanamasoandro aza no hoentiny. Hangoninao avy eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahitra ireo tara-pahazavana manirakizay ka haparitakao eo amin'ny manodidina anao izy avy eo. Mampirisika anao indrindra aho mba hanao izany asa izany; apariaho eo amin'ny manodidina anao izany aina sy fahazavana izany, tsy eo amin'ny lalanao ihany fa eo amin'ny lalan'ireo izay mifanerasera aminao koa. Aoka ho tanjonao ny mba hanatsaratsara kokoa ireo manodidina anao, ny hanandratra azy ireo sy hisarika ny sainy hibanjina ny lanitra sy ny voninahitra, ary hitarika azy hikatsaka izay maharitra mandrakizay ambonin'ny zavatry ny tany rehetra, dia ilay lova tsy mety maty ary ilay harena tsy mety levona." - TFC, b. 2, tt. 593,594.

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

    1. Inona ny anjara asan'ny fiderana ataon'ny fiangonana eo amin'ny fiainan'ny Kristianina? Manao ahoana ny fiderana mandritra ny fanompoam-pivavahana ataonareo rehefa Sabata? Manandratra ve izany? Mampahery ny mambra ve izany mba hihazona ny fahatokiany ao anatin'ny fizahan-toetra sy ny tebiteby samihafa? Raha tsy izany, inona no azonareo atao?

    2. Inona ny hevitry ny hoe "midera ny Tompo na dia lavo ao anaty haizina aza" na "midera Azy na dia manoloana ny fakam-panahy aza?" Ahoana no hanampian'ny fiderana antsika eo anatrehan'ireo toe-javatra ireo?

    3. Asaivo mijoro ho vavolombelona ny mambra mikasika ny vokafry ny fiderana teo amin'ny fiainany. Inona no azonao ianarana avy amin'ny fanandramaniny hafa?

    4. Maka andalan-teny ao amin'ny Salamo ianareo ao amin'ny kilasy ka manokona fotoana hamakiana izany. Inona no ampianarin'izany anareo mikasika ny fiderana? Inona ny vokatra ateraky ny fiderana eo amin'ny finoanareo?

    Please publish modules in offcanvas position.