Lesona 10: Fahalemem-panahy ao anatin'ny fitsapana

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Ezek. 24:15-27, Eks. 32:1-14; Mat. 5:43-48; 1 Pet. 2:18-25; Sal. 62:1-8.
    Tsianjery: "Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany." - Mat. 5:5.

    Sahabata nariva
    Tsy dia fandrentsika matetika ny teny hoe "malemy fanahy" raha tsy hoe angaha eo am-pamakiana ny tantaran'i Mosesy na eo am-pandinihana ny Toriteny nataon'i Jesôsy teo an-tendrombohitra isika. Tsy sarotra rahateo ny mahazo an-tsaina ny anton' izany. Toy izao no amaritana ny malemy fanahy: "miaritra amim-paharetana ny ratsy atao amin'ny tena sady tsy manao lolompo". Tsy mahagaga raha tsy mandre izany matetika isika; tsy toetra ankasitrahana loatra eo amin'ny kolontsaina misy antsika izany. Indraindray adikan'ny Baiboly hoe "manetry tena" io teny io. Ary na ny fanetren-tena koa aza dia toetra tsy dia tian'ny ankamaroan'ny kolontsaina.

    Kanefa ny fahalemem-panahy, izay fiaretana amim-paharetana ny ratsy atao amin'ny tena sady tsy manao lolompo, dia anisan'ny toetra manokana mampiavaka an'i Jesôsy sy ny mpianany. Tsy hatreo ihany anefa fa mety ho fitaovam-piadiana mahery vaika eo an-tanan'ireo izay ao anatin'ny fijaliana sy ny fahoriana koa ny fahalemem-panahy. Raha ny marina dia ny memy no toerana lehibe hianarantsika ny fahalemem-panahy, satria noho ny fahalemem-panahintsika, eo amin'ny toerana izay maha-torotoro antsika, dia afaka ny hijoro ho vavolombelona amin-kery ho an'Andriamanitra isika.

    Indray mitopy maso: Inona no ifandraisan'ny fahoriana sy ny fahalemem-panahy? Ahoana no mety hahatonga antsika ho vavolombelona eo anatrehan'ny hafa ao anatin'ny halemem-panahy sy ny fahoriantsika? Ahoana no mahatonga ny fahalemem-panahy ho hery lehibe ho an'ny Kristianina fa tsy fahalemena?

    Nilaza i Oswald Chambers fa isika dia natao ho tonga "mofo torotoro sy divay raraka" ho an'ny hafa. Inona, araka ny hevitrao, no tiany hambara? Misy ohatra maro manerana ny Baiboly izay mampiseho olona "torotoro" mba ho fanompoana ny hafa. Nantsoina hiaritra fimonomononana sy tsikera tsy misy farany i Mosesy raha teo am-pitarihana ny vahoaka ho any amin'ilay Tany nampanantenaina. Nantsoina hanao dia izay nahitany ny famadihan'ny olona akaiky azy sy ny fampidirana azy am-ponja i Josefa, raha nentina hanao asa fanompoana tany Egipta. Ao amin'ny tsirairay amin'ireo ohatra ireo dia navelan'Andriamanitra hiseho ny toe-javatra mba hahatonga ny fiainan'ny olony ho sehatra isehoan'ny fahasoavany sy ny fiahiany, tsy ho azy ireo ihany fa ho soa ho an'ny hafa koa. Mety hampiasa antsika tahaka izany koa Andriamanitra. Mora ny mahatsapa fahatezerana na ratram-po amin'ny toe-javatra toy izany. Kanefa araka ny nomarihintsika omaly, ny fahalemem-panahy dia fahafahana miaritra ny zavatra toy izany "amim-paharetana sady tsy manao lolompo".

    Vakio ny Ezek. 24:15-27. Inona no mitranga eto? Nahoana i Ezekiela no nampandalovina memy toy izany?

    Hoy Andriamanitra ao amin'ny Ezek. 24:24: "Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo." Avy amin'ny ohatr'i Ezekiela no haharesy lahatra ny vahoaka Isiraely ny amin'ny fahamarinana momba an'Andriamanitra, fa Izy no Jehovah Tompo — ho fantatr'izy ireo izany fahamarinana izany rehefa tanteraka eo amin'ny fiainany ilay faminaniana nasehon'ny fiainan'i Ezekiela, ka andramany ny fahoriana nanjo azy. Iza no mahalala ny hamaroan'ireo olona izay hahita an'i "Jehovah Tompo" koa amin'ny alalantsika sy ny fahoriana entintsika?

    Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy "hanorotoro" antsika rehetra ny fiainana. Inona ny fanandramana efa niainanao ka nahatsapanao izany hoe torotoro izany? Inona ny lesona noraisinao tamin'izany? Ahoana no ahafahan'ny Tompo mampiasa ny fanahinao torotoro hanampiana ny hafa?

    Vakio ny Eks. 32:1-14. Inona ny anjara asa hitantsika ataon'i Mosesy eto?

    Rehefa nanomboka nivavaka tamin'ilay ombilahy kely volamena ny vahoaka dia nanapa-kevitra Andriamanitra fa handringana azy ireo ka hahatonga an'i Mosesy ho firenena lehibe, fa efa tafahoatra ny faharatsiany. Tsy nanaiky izany hevitr'Andriamanitra izany i Mosesy fa nitalaho taminy kosa mba hamindra fo amin'ny vahoakany; dia nilefitra Andriamanitra. Misy hevitra manan-danja roa mivohitra ao amin'ny Eks. 32:1-14. Voalohany, ny filazan'Andriamanitra fa handringana ireo mpikomy Izy ka hitahy an'i Mosesy kosa, dia fizahan-toetra azy. Izao fotsiny no tian'Andriamanitra hasehon'i Mosesy: hatraiza ny fangorahany ity vahoaka maditra mahavery fanantenana ity. Ary dia nahay niatrika izany fitsapana izany i Mosesy. Toa an'i Jesôsy dia nitalaho famindrampo ho an'ny mpanota izy. Zava-mahaliana tokoa no ambaran'izany: indraindray mety hamela antsika hisetra fanoherana Andriamanitra; mety havelany handalo ao amin'ny memy isika mba ho hitany, ho hitantsika, ary ho hitan'izao tontolo rehetra izao ny haben'ny fangorahantsika ireo izay nania.

    Inona avy ireo antony naroson'i Mosesy tamin'ny nangatahany an'Andriamanitra tsy handringana ny Isiraely?

    Faharoa, maneho io andalan-teny io fa ny fanoherana sy ny tsy fankatoavana dia fiantsoana haneho famindrampo sy fahasoavana. Amin'ny fotoana izay tsy mahamendrika ny olona indrindra no ilany fahasoavana. Kanefa rehefa tsy mendrika iny indrindra ny olona no tsy mazoto indrindra koa isika haneho izany fahasoavana izany. Kanefa rehefa nitsikera an' i Mosesy i Miriama anabaviny dia niangavy mafy ny Tompo izy mba hanasitranana azy amin'ny habokana (Nom. 12). Rehefa tezitra tamin'i Kora sy ny namany Andriamanitra ka nikasa handringana azy rehetra, dia niankohoka i Mosesy nitalaho mba hamonjena ny ain'izy ireo. Ny ampitso, rehefa nimonomonona tamin'i Mosesy ny Isiraely noho ny nahafatesan' ireo mpikomy ireo, ka nikasa handringana ireo koa Andriamanitra, dia niankohoka i Mosesy ary nilaza tamin'i Arona mba hanao fanavotana faingana ho azy rehetra (Nom. 16). Tao amin'ny fahalemem-panahiny sy ny fiheverany ny hafa, tao anatin'ny fitsapana mahamay nahazo azy, dia nikatsaka famindrampo ho an'ireo izay tsy mendrika izany velively i Mosesy.

    Saino ny amin'ireo olona manodidina anao izay heverinao fa tena tsy mendrika ny hamindrana fo. Ahoana no mety hahafahanao manambara ny fahasoavan'Andriamanitra amin'izy ireo amin'ny alalan'ny fahalemem-panahinao sy ny fiheveranao azy amim-panetren-tena?

    Indray mandeha dia nisy olona iray hoe: "Ny hoe tia ny fahavalontsika tsy midika fa natao ho tia ilay fotaka nandevenana ny voahangy isika; tsy izany fa ny voahangy ao anatin'ny tany no tiantsika. (...) Tsy noho isika mahate-ho tia no itiavan'Andriamanitra antsika, saingy tonga mahate-hotia isika satria tia antsika Izy".

    Rehefa mijery ny "fahavalonao" ny fahavalonao ianao, inona no hitanao avy hatrany , ilay voahangy sa ny fotaka manodidina azy?

    Vakio ny Mat. 5:43-48. Miantso antsika ho tia ny fahavalontsika sy hivavaka ho azy ireo Andriamanitra. Inona ny ohatra avy amin'ny zavaboary omen'i Jesosy antsika eto izay manampy antsika hahatakatra ny antony tokony hitiavantsika ny fahavalontsika? Inona no tiany hampianarina antsika?

    Miresaka momba ny Rainy any an-danitra i Jesôsy ao amin'ny Mat. 5:45 mba avana ny fomba tokony hitondrantsika zay nandratra antsika, izay mety ho andalo antsika tao amin'ny memy vay indrindra. Ambaran'i Jesôsy fa -otsaka ny fitahian'ny ranonorana ny marina sy ny tsy marina ny Rainy; Koa raha Andriamanitra aza mandrotsaka ranon'orana ho an'ny tsy marina, ahoana no tokony hataontsika amin'izy ireny koa? Tsy milaza tsy akory i Jesôsy fa hanana fitiavana mamy sy mafana mandrakariva ho an' izay rehetra manisy ratsy antsika isika, na dia mety hitranga tokoa aza izany. Izao no fotony: tsy amin'ny fihetseham-pontsika loatra no natao hitiavantsika ireo fahavalontsika, fa amin'ny asa manokana ataontsika ho azy, izay manambara fikarakarana sy fiheverana.

    Faranan'i Jesôsy amin'ity andininy ity, izay matetika miteraka adihevitra maro io andalan-teny io: "Koa amin' izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan 'ny Rainareo Izay any an-danitra. " — Mat. 5:48. Mazava tsara anefa ny hevitr' izany ao anatin' ilay tontolon-keviny: ireo izay to ho tanteraka tahaka an'Andriamanitra dia tsy maintsy maneho fitiavana ny fahavalony tahaka ny anehoan'Andriamanitra fitiavana ny fahavalony koa. Eo imason'Andriamanitra, ny atao hoe tanteraka dia ny tia izay manohitra azy; ary ny fanaovana izany dia mitaky fahalemem-panahy sy fahamoram-po izay Andriamanitra irery no afaka manome izany.

    Eo am-pifantohana amin'ilay famaritana ny atao hoe fahalemem-panahy (fiaretana amim-paharetana ny ratsy atao amin'ny tena sady tsy manao lolompo, dia tanisao ireo fanovana tsy maintsy ataonao mba hahatonga ny Tompo hanome anao ilay fahalemem-panahy sy fahamoram-po izay hanampy anao hahay hitondra tena araka ny tokony ho izy manoloana ny "fahavalo".

    I Jesôsy no ohatra mahery vaika indrindra maneho ny fahalemem-panahy ao anatin'ny memy. Rehefa niteny Izy hoe: "Mankanesa aty amiko, (...) mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po aho" — Mat 11:29, dia mety tsy ho takatsika ny tiany holazaina.

    Vakio ny 1 Pet 2:18-25. Manome torohevitra mahazendana i Petera eto ho an'ny mpanompo. Soritsoritany ny fihetsik'i Jesôsy nanoloana ny tsy rariny sy ny fampijaliana natao taminy, ary ambaran'i Petera fa "namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany" Izy (1 Pet. 2:21). Inona ireo foto-kevitra momba ny fahalemem-panahy sy fanetren-tena ao anatin'ny memy azontsika ianarana eto avy amin'ny ohatra nasehon'i Jesôsy?

    Mampalahelo tokoa ny mahita olona manao ny tsy rariny amin'ny olona iray hafa. Ary vao mainka aza mampahory indrindra rehefa isika no iharan'izany. Satria ao anatintsika ny fitiavana ny rariny, rehefa misy toe-javatra tsy ara-drariny mitranga dia mandeha ho azy amintsika ny "mamerina ny zavatra amin'ny laoniny", sady mihevitra isika fa araka ny rariny sy ny hitsiny ny fahatezerantsika.
    Tsy mora ny miaina toy izany. Mety tsy ho vita mihitsy aza izany raha tsy ekentsika ity fahamarinana manan-danja ity: ao anatin'ny toe-javatra tsy ara-drariny rehetra dia mila mino isika fa ny Raintsika no mifehy izany, ary hiditra an-tsehatra hanampy antsika Izy amin'ny fotoana hitany fa mety. Midika koa izany fa tokony hekentsika fa tsy voatery ho afa-miala mandrakariva isika fa mety hiharan'ny tsy rariny ihany, toa an'i Jesôsy. Saingy tsy tokony hohadinointsika fa ny Raintsika any an-danitra no mifehy ny zavatra rehetra. Ny torohevitr'i Petera, izay niainga avy amin'ny fiainan'i Jesôsy, dia manaitra satria toa ny fanginana manoloana ny fampijaliana tsy ara-drariny no maneho amin'ny fomba mahery vaika kokoa ny voninahitr'Andriamanitra noho ny fananarana olona. Rehefa nanadihady an'i Jesôsy i Kaiafa sy i Pilato, dia azon'i Jesôsy natao ny nilaza zavatra maro ho fanarenana ny toe-javatra sy ho fanamarinana ny tenany, saingy tsy nanao izany Izy. Nanambara ny fahalemem-panahiny ny fanginany.

    Ahoana no efa niatrehanao toe-javatra izay nanaovana ny tsy rariny taminao? Ahoana no hahazoanao mampihatra amin'ny fomba tsaratsara kokoa eo amin'ny fiainanao ireo foto-kevitra hitantsika androany? 

    Matetika tokoa ny olona be rehareha sy mpiavonavona indrindra ary mpieboebo no mihevitra ny tenany ho ambany raha ny marina. Mety tsy ho tsapany akory fa ny avonavony sy ny fieboeboany, ny tsy fanehoany halemem-panahy sy fanetren-tena, dia fanafenana ny zavatra izay tsy ampy ao aminy. Ny ilain'izy ireo dia izay ilaintsika rehetra koa: ny fahatsapana fiarovana, tombam-bidy, ary fankasitrahana, indrindra ao anatin'ny fotoan-tsarotra sy fahoriana. Avy amin'ny Tompo irery ihany no mety hahazoantsika izany. Raha fintinina, ny fahalemem-panahy sy ny fanetren-tena, izay tsy midika ho fahosana velively, no manambara amin-kery indrindra fa miorina mafy eo ambonin'ny Vatolampy ny fanahy iray.

    Vakio ny Sal. 62:1-8. Inona no mety ho tontolon-kevitr'io Salamo io? Inona no hazavain'i Davida eto? Inona avy ireo foto-kevitra ara-panahy azonao ianarana avy amin'izany? Zava-dehibe noho izany, ahoana no hahaizanao mampihatra ireo foto-kevitra ireo eo amin'ny fiainanao? "

    Ho tonga fahavalontsika tsy ahoan-tsy ahoana ny olona. Ho diso fandray ny antony manesika ny vahoakan'Andriamanitra izao tontolo izao, eny na ireo rahalahiny aza. Hatao misetra toe-java-tsarotra ireo mpanompon'Andriamanitra. Holazaina avokoa izao antsanga tsy aman'orana rehetra izao hanamarinana ireo izay mandeha amin'ny fitiavan-tena sy ny tsy fahamarinana. (...) Haseho amin'ny fomba diso ny olo-marina, hotafiana ny akanjo maintin'ny tsy fahatokiana izy ireo satria nampananosarotra tsy fidiny ny asany ny toe-java-mitranga. Anaovan'ny maro tondro molotra toy ny olona tsy azo itokiana izy ireo, ary ireo mambran'ny fiangonana no hanao izany. Tsy maintsy manana ny toe-tsain'i Kristy ireo mpanompon'Andriamanitra; aoka tsy hanantena ho afaka amin'ny fanarabiana sy ny fitsaratsarana izy ireo! Olona entin-kafanam-po diso toerana no andraisana azy ireo. Kanefa aoka izy ireo tsy ho kivy. Eo ambanin'ny fitantanan'Andriamanitra ny zavatra rehetra; Izy no mitarika ny asa ho fanomezam-boninahitra ny anarany." — UL, t. 177.

    Mora tohina noho ny fanomezan-tsiny sy ny fanarabiana ataon'ny olona ve ianao sa tsia? Ahoana no hifikiranao amin'ny Tompo sy hahafantaranao tsara ny tombam-bidinao eo am-pian-kinana tanteraka amin'llay tena tia anao ka nahafoy ny ainy noho ny otanao, mba hiarovana anao amin'ny faniratsirana ataon'ny hafa?

    Vakio ny "Tsara noho ny voahangy", ao amin'ny IMF, toko 38; "Ny toriteny teo an-tendrombohitra", ao amin'ny IFM, toko 31; "The Worker and His Qualifications", t. 630, ao amin'ny Evangelism.

    "Ny zava-tsarotra hatrehintsika dia mety hihena betsaka noho ny fahalemem-panahy izay miafina ao amin'i Kristy. Raha manana ny fanetren-tenan'ny Tompontsika isika dia hijoro hisetra ny fanaovana tsinontsinona, ny fanitsiniana, ny fanorisorenana mihatra amintsika isan'andro, ary ho foana ho azy ka tsy hahatonga haizina amin 'ny fanahy ireo toe-javatra ireo. Ny porofo ambony indrindra momba ny fahamendrehana Kristianina dia ny fifehezan-tena. Izay tsy mahay mitana toe-tsaina tony sy mahatoky rehefa iharan'ny herisetra sy ny fahasahiana, dia mandroaka an'Andriamanitra amin'ny zany haneho eo aminy ny fahatanterahan'ny toetra amam-panahin'ny tenany Izy Andriamanitra. Ny fo mietry no hery manome fandresena ny mpanaraka an'i Kristy; io no antoky ny fifandraisany amin'ny lapa any ambony."— IFM, t. 315, ed 1983.

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

    1. Ahoana no mahatonga antsika "hahajoro hisetra" ny ratram-po sy ny fanorisorenana noho ny fanetren-tena? Araka ny hevitrao, inona no tena mampiavaka ny fanetren-tena ka mahatonga antsika hahavita izany?

    2. Ao amin'ny kolontsaina misy anao manokana, manao ahoana ny fijerin'ny olona ny toetra feno fahalemem-panahy sy fanetren-tena? Hajaina ve izany sa tsinontsinoavina, sa manao ahoana? lnona ny karazana fanerena atao aminao ao amin'ny kolontsaina misy anao, ka manohitra ny fikolokoloanao ireo toetra ireo?

    3. Moa ve misy olona maneho ohatra lehibe momba ny fahalemem-panahy sy ny fanetren-tena amin'izao androntsika izao? Raha misy, iza izy ireo? Fomba ahoana no anehoany ireo toetra ireo, ary inona no azonao ianarana avy amin'izy ireo?

    4. Nahoana no matetika tokoa isika no mandray ny fahalemem-panahy sy ny fanetren-tena ho fahosana?

    5. Hitantsika fa nikatsaka an'Andriamanitra i Davida mba ho arony. Ahoana anefa no isehoan'izany fiarovana izany? (zany hoe, amin'ny maha-fiangonana antsika, ahoana no hahatonga antsika ho aro ho an'ireo izay mila izany?

    Please publish modules in offcanvas position.