Vaovao Madagasikara

    Lesona 11: Miandry ao anatin'ny memy

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Rôm. 15:4,5; Rôm. 5:3-5; 1 Sam. 26; Sal. 37:1-11.
    Tsianjery: "Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia (...) fahari-po" - Gal. 5:22.

    Sabata hariva 

    Nanao andrana tamin'ny zaza efa-taona sy ny "marshmallow" (vatomamy vahiny toy ny spaonjy) ny mpahay siansa maromaro. Nilaza ny iray tamin'izy ireo fa mahazo "marshmallow" iray ny ankizy tsirairay. Raha mahandry kosa ny ankizy ka tsy mihinana ny anjarany mandra-piverin'ilay mpahay siansa avy amin'ny raharahany dia homena roa izy. Nisy tamin'ireo ankizy nambosibosika ny "marshmallow" raha vao lasa ilay mpahay siansa; ny sasany kosa niandry. Noraisina an-tsoratra ny fahasamihafana teo amin'izy ireo.

    Rehefa izany dia nanara-maso ny fivoaran'ireo zaza hatramin'ny taona maha-zatovo azy ireo mpahay siansa ireo. Ny ankizy izay niandry mandra-piverin'ilay mpahay siansa dia nahavita fianarana tsara no sady natoky tena bebe kokoa noho ireo izay nambosibosika avy hatrany ny anjarany. Hita tamin'izany fa ny faharetana dia naneho taratra zavatra iray lehibe kokoa amin'ny toetran'olombelona. Tsy mahagaga, araka izany, raha milaza amintsika mba hanolokolo izany ny Tompo.

    Amin'ity herinandro ity isika dia hijery izay mety ho ao ambadiky ny sasantsasany amin'ireo fizahan-toetra mahamay, dia ny memin'ny fiandrasana izany.

    Indray mitopy maso: Nahoana isika no tsy maintsy miandry ela indraindray vao mahazo zavatra iray? Inona ny lesona azontsika sintonina mikasika ny faharetana raha ao anatin'ny enemy isika?

     

    Vakio ny Rôm. 15:4,5. Inona ny hafatra ho antsika ao amin'ireo andalan-teny  ireo?

    ----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
    -----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

    Matetika isika no tsy mahandry rehefa misy zavatra tena irintsika na koa nampanantenaina antsika kanefa tsy mbola azontsika. Tsy afa-po isika raha tsy azontsika izay nirintsika fatratra. Ary satria mahalana no ahazoantsika izay irintsika amin'ny fotoana ikatsahantsika izany, dia midika izany fa matetika isika no lavo amin'ny fahatezerana sy ny tsy faharetana. Rehefa mihatra amintsika izany dia sarotra ny hanana fiadanam-po sy fitokiana amin' Andriamanitra.

    Maharary ny fiandrasana araka ny maha-fiandrasana azy. Ny iray amin'ireo teny hilazana ny hoe "miantombena tsara"- Sal. 37:7 dia avy amin'ny teny hebreo izay azo adika hoe "miari-pery mafy", "mangovitra", "maratra", "malahelo". Tsy mora ny mianatra ny faharetana. Izany matetika no hevi-dehibe fonosin'ny hoe "ao anaty memy".

    Vakio ny Sal. 27:14; Sal. 37:7 ary ny Rôm. 5:3-5. Inona no ambaran'ireo andininy ireo amintsika? Mitondra mankaiza ny faharetana?

    --------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

    --------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

    Raha mbola eo am-piandrasana isika dia afaka mifantoka amin'ny  ray amin'ireto: amin'ny zavatra izay andrasantsika na amin'ilay mihazona ireo zavatra ireo eo an-tanany. Tsy ny faharetan'ny fotoana tsy maintsy iandrasantsika loatra no manova zavatra rehefa miandry isika fa ny toetrantsika eo am-piandrasana. Raha matoky ny Tompo isika, raha mametraka ny fiainantsika eo am-pelatanany, ary raha mampilefitra ny sitrapontsika eo Aminy dia ho azontsika antoka fa hataony izay tsara indrindra ho antsika amin'ny fotoana mety indrindra na sarotra inoana toy ny ahoana aza izany.

    Inona ny zavatra tena andrasanao fatratra? Ahoana no hianaranao hamela ny zavatra rehetra handeha araka ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fotoana voatendriny? Mivavaha mba hanananao toe-tsaina feno fanoloran-tena sy fandavan-tena ho an'ny Tompo.

    Vakio ny Rôm. 5:6 sy ny Gal. 4:4. Inona no ambaran'ireo andalan-teny ireo mikasika ny fotoana voatendrin'Andriamanitra?

    Ambaran'i Paoly amintsika ao amin'ireo andininy ireo fa tonga tamin'ny fotoana mety indrindra i Jesôsy mba hanolotra ny ainy ho antsika. Tsy nambaran'i Paoly anefa ny antony maha-fotoana mety izany. Mora ny mamaky ireo andalan-teny ireo sady manontany tena hoe: nahoana moa i Jesôsy no niandry an'arivon-taona vao tonga teto an-tany mba hamaha ny olan'ny fahotana - moa ve izao tontolo izao tsy efa nahafantatra taloha elabe mialoha izany fa ratsy tokoa ny fahotana? Mety manontany isika hoe: nahoana i Jesôsy no miandry ela vao miverina fanindroany? Na koa hoe: nahoana ny Tompo no maharitra ela vao mamaly ny vavaka ataoko?

    Saino ohatra ny amin'ny faminaniana momba ny 70 herinandro ao amin'ny Dan. 9:24-27, dia ny faminaniana izay manondro an'i Jesôsy ho Mesia (avereno jerena izany raha ilainao). Naharitra hafiriana io fe-potoana io? Inona no ambaran'izany aminao ny amin'ny fianarana miandry ny zavatra rehetra araka ny fotoana voatendrin'Andriamanitra, na dia toa maharitra ela loatra aza izany araka ny fihevitsika?

    Maro ireo antony ara-panahy manan-danja izay mahatonga antsika hiaina ny fanandraman'ny fiandrasana. Voalohany, ny fiandrasana dia mety hitarika indray ny fisainantsika hihataka amin'ny "zavatra samihafa" ka hifantoka amin'Andriamanitra. Faharoa, mamela antsika hanamboatra sary mazava kokoa ny amin'ny antony manosika antsika hanao zavatra sy ny faniriantsika izany. Fahatelo, manorina fiaretam-pery ny fiandrasana - faharetana ara-panahy izany. Fahefatra, ny fiandrasana dia mamoha varavarana hampitomboana ny hery ara-panahy toy ny finoana sy ny fitokiana. Fahadimy, rehefa miandry isika dia mamela an'Andriamanitra hametraka ny ampahan-tsary rehetra amin'ny piozila hahafahana mahita ny sary lehibe feno. Fahenina, mety tsy ho fantatsika na oviana na oviana ny antony ampiandrasana antsika, noho izany dia mianatra mivelona amin'ny finoana isika. Afaka mieritreritra ny amin'ny antony hafa tokony hananana faharetana ve isika?

    Inona ny ohatra hafa ao amin'ny Baiboly ahitanao an'Andriamanitra manao zavatra iray amin'ny fotoany, izay afaka manampy anao hatoky fa hataony aminao koa izay tokony ho anao amin'ny fotoany? (Eritrereto, ohatra, ny amin'i Abrahama sy Saraha ary ny teny fikasana ny amin'ny hahazoany zanaka). Eo anatrehan'izay, anontanio ny tenanao hoe: "inona ny zavatra ataoko izay mety mampitarazoka ny valim-bavaka tokony efa ho nivaly fotoana ela izay?"

    Ny fanosorana an'i Davida zatovo ho mpanjaka no hitantsika ao amin'ny 1 Sam. 16:1-13. Kanefa izany dia lalan-davitra, avy amin'ny sahan'i Jese rainy mandra-pahatonga teo amin'ny seza fiandrianan'i Jerosalema. Tsy isalasalana fa nisy fotoana nahatsapany fa tao anatin'ny memy izy.

    Voalohany, nantsoina hitendry lokanga ilay zatovo mba hampitony ny sain'i Saoly feno tebiteby (1 Sam. 16). Taty aoriana dia tonga mahery fon'ny Isiraely izy tamin'ny namonoany an'i Goliata (1 Sam. 17). Rehefa izay dia taona maro no nandosirany hamonjy ny ainy. I Saoly sy i Jonatana dia samy nahalala fa voalahatr 'Andriamanitra ho mpanjaka manaraka i Davida (1 Sam. 23:17; 24:20). Tsy nanao na inona na inona anefa i Davida mba hanafainganana izay efa nalahatr'Andriamanitra ho azy. Ny mifanohitra amin'izany aza no toa nataony. Na dia tamin'ny fotoana nanirian'i Saoly ny hahafaty azy sy ny nandrombinany tamin'ny akanjon'i Saoly mpanjaka aza dia nampanenina azy ny nanao zavatra toy izany (1 Sam. 24:5-7). Rehefa niezaka ny hamono azy indray i Saoly dia nolaviny ny hamono an'i Saoly na dia nanana fotoana nahafahana nanao izany aza izy (1 Sam. 26:7-11).

    Vakio ny 1 Sam. 26:1-11. Nahoana i Davida no tsy nety namono an'i Saoly? Inona ny fitsipika ampianarin'izany antsika ny amin'ny fomba hanatontosan'Andriamanitra izay kendreny ho an'ny fiainantsika?

    ----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

    ----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

    Vakio ny 1 Sam. 26:12-25. lnona ny fiantraikan'ny nandavan'i Davida tsy hamono an'i Saoly teo amin'i Saoly. lnona no ampianarin'izany momba ny tombontsoa amin'ny fiandrasany an'Andriamanitra?

    Raha jerena ny lalana rehetra nizoran'i Davida mandra-pahatonga azy teo amin'ny seza fiandrianana dia azontsika atao ny mamintina izany amin'ny fehezanteny fohy: aza atao sinto-mahery izay tsy mbola nomen'Andriamanitra anao. Avy eo an-tanan'Andriamanitra ary amin'ny fotoana voatendriny no fomba tsara indrindra andraisana ny fanomezana avy Amin: Mety hitaky fotoana lava ny fiandrasana izany. Ny tsimo-tsaramaso dia mety hitsiry sy hitombo ara-bakiteny ao anatin'ny ora maromaro, fa ny fanirin'ny hazo terebinta kosa dia mitaky taona maro. Kanefa rehefa avy ny rivo-mahery dia tsy hiongo-paka izany hazo izany.

    Eritrereto to mora foana ho an'i Davida ny manamarina ny famonoana an'i Saoly raha nanao izany izy (efa nilazana rahateo izy fa ho tonga mpanjaka, ary i Saoly dia olona ratsy fanahy). Naneho ny finoana marina an'Andriamanitra anefa ny fihetsik'i Davida. Inona no azonao sintonina avy amin'izany ohatra izany manoloana izay mety andrasanao?

    Nifarana ny fanehoan-kery miezinezina teo an-tendrombohitra Karmela (1 Mpanj. 18). Efa nidina avy any an-danitra ny afo; niaiky ny olona fa Jehovah no tena Andriamanitra marina, ary novonoina avokoa ireo mpaminany sandoka rehetra. Niseho ny maha-marina an'Andriamanitra. Mety mihevitra ianao fa nitombo ny tanja-pinoan'i Elia rehefa nandeha ny fotoana. Tampoka teo anefa dia nandre zavatra nampivarahontsana azy mafy izy ka nangataka ny ho faty.

    Vakio ny tohin'ny tantara ao amin'ny 1 Mpanj. 19:1-9. Somary mampanahy ny teny farany ao amin'io andininy io, dia "tonga taminy ny tenin'i Jehôvah nanao hoe: Manao inona aty hianao, ry Elia?" - and. 9. Mazava loatra fa ny tahotr'i Elia no nampandositra azy ka nahatonga azy ho any amin'ny toerana tsy tokony halehany.

    Tokony ho feno finoana sy toky i Elia taorian'izany fidirana an-tsehatra miezinezina nataon'Andriamanitra izany, kanefa dia nandositra hamonjy ny ainy no nataony. lnona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'ity ohatra ratsy ity?

    Maneho zavatra manan-danja lehibe io tantara io: rehefa maimaika isika dia mety ho tonga any amin'ny toerana tsy tokony hisy antsika. Ny tahotra no nahatonga an'i Elia ho kivy ka handositra tany an'efitra sy hanky tsy ho teraka akory. Misy koa ireo toe-javatra hafa izay mahatonga antsika ho maimay ka tsy manaraka ny drafitr'Andriamanitra ho antsika.

    Vakio ireto andalan-teny manaraka ireto. Gen. 16:1-3; Nom. 20:10-12; Mpits. 14:1-3; Mat. 20:20,21; Lio. 9:52-56; Asa. 9:1. lnona no nanosika ireo olona voatanisa ireo ho maimay amin'izay zavatra ivelan'ny sitrapon'Andriamanitra?

    Mora tokoa ny mamela ny zavatra toy ny hambom-po, ny fahatezerana, ny firehetam-po, ny tsy fahampiam-pinoana, sy izay toa heverina ho "zotom-po" ho an' ny Tompo hitondra antsika hihazakazaka any amin'izay tsy tokony hisy antsika akory. Tsy misy olona manana fanefitra ny amin' izany. Ny tsiambaratelo dia ny mikolokolo finoana mitoky amin'ny fahatsarana sy ny famindrampon'Andriamanitra izay fantatsika fa tia antsika sy maniry ny tsara indrindra ho antsika. Tsy tongatonga ho azy anefa izany; mety ho fanomezana ny finoana kanefa ilaintsika koa ny mikolokolo sy mikajy ary miaro fatratra izany fanomezana izany.

    "Ary miravoravoa amin'i Jehôvah hianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao." - Sal. 37:4. 

    Teny fikasana mahafinaritra ny Sal. 37:4. Alao sary an-tsaina hoe azonao ny zavatra nokatsahinao fatratra. Kanefa ny mahazo izay ilain'ny fo dia miankina amin'ny fananana fo izay ravoravo amin'ny Tompo. Inona ary no hevitry ny hoe "miravoravo amin'i Jehôvah"?

    Vakio ny Sal. 37:1-11. Somary mahagaga ny tontolon-kevitry ny and, 4 ao amin'io Salamo io. Manoratra ny amin'ny maha-hodidinin'ny olona manohitra an' Andriamanitra sy manohitra azy i Davida. Rehefa manohitra antsika ny olona dia fihetsika voajanahary eo amintsika ny maneho fahatezerana na manamarin-tena. Hafa noho izany anefa ny torohevitra omen'i Davida.

    Amin'ireto andininy manaraka ireto, inona ny torohevitra omen'i Davida ny vahoakan'Andriamanitra ao anatin'ity toe-javatra ity? Sal. 37:1,5,7,8.

    Vakio indray ny Sal. 37:4. Araka ny tontolon-kevitra misy io andininy vao avy nofakafakainao io, inona ny hevitry ny hoe "miravoravo amin'i Jehôvah"?

    Averimberin'i Davida amin'ny fomba samy hafa ny hoe "matokia an'i Jehôvah".

    Matokia Azy fa hiditra an-tsehatra Izy. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao satria Jehovah no Andriamanitrao, ary miasa ho anao Izy - eny izao ankehitriny izao. Tsy ilainao ny miezaka mandamina ny zavatra rehetra amin'ny herinao manokana. Ny Rainao any an-danitra no efa mandray an-tanana izany.

    Matokia Azy, eny, matokia Azy amin'ny fahafenoana. Ao amin'izany tontolon-kevitra izany no anoratan'i Davida ny amin'ny firavoravoana amin'i Jehôvah. Ny mifaly amin'ny Tompo dia midika fa miaina ao amin'ny fitokiana tanteraka isika. Tsy misy mahelingelina ny fiadanam-pontsika satria eo Andriamanitra ary miasa ho antsika. Azontsika atao ny midera Azy, azontsika atao koa aza ny mitsiky satria tsy misy na iza na iza maharesy Ilay Andriamanitsika! Rehefa mianatra manao izany isika dia ho azontsika tokoa izay irin'ny fontsika satria horaisintsika izay tian'Ilay Raintsika be fitiavana hatolotra, amin'ny fotoana mahasoa indrindra antsika sy ny fanjakany.

    Ahoana no hahafahanao mianatra "miravoravo amin'i Jehôvah"? Manokana fotoana ivavahana mba hikatsahana ny fitarihan'Andriamanitra ka hahatongavan'izany ho tena zava-misy tokoa eo amin'ny fiainanao.

    Vakio "Ny nanosorana an'i Davida ho Mpanjaka", toko 62 ao amin'ny PM.

    "Ny drafitr'Andriamanitra ho antsika dia mety hitaky antsika hiandry fatratra ary mety ho toy ny memy no ahatsapantsika izany. Mandritra izany fotoana izany no ianarantsika ny faharetana rehefa mifantoka amin'Andriamanitra isika ary matoky fa miasa ho antsika Izy. Antony marobe no tokony hiandrasana, kanefa izany rehetra izany dia samy mahakasika ny fahatanterahan'ny drafitr'Andriamanitra ho antsika sy ny fanjakany. Be no ho verintsika raha toa isika mialoha lalana an'Andriamanitra, fa tombontsoa maro kosa no ho azontsika amin'ny fihazonana ny toe-tsain'ny fitokiana sy ny firavoravoana ao Aminy.

    Mandrefy sy mandanja ny fitsapana tsirairay ny Tompo. Tsy voavakiko izay tanjon'Andriamanitra ao anatin'ny fahoriako, kanefa mahalala izay tsara indrindra Izy; ary izaho dia hametraka ny fanahiko sy ny tenako amin'Ilay Mpamorona ahy izay mahatoky. "Fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolatro Azy mandra-pihavin'izay andro izay"- 2 Tim. 1:12. Raha nikolokolo sy nanazatra ny fanahintsika hanana finoana sy fitivana bebe kokoa, faharetana sy fitokiana bebe kokoa amin'ny Raintsika any an-danitra isika, dia fantatro fa hanana fiadanam-po sy fahasambarana bebe kokoa isan'andro raha eo am-pamakivakiana ny fifanandrinana eto amin'ity fiainana ity.

    "Tsy sitraky ny Tompo ny mahita antsika matahotra sy mitebiteby, lavitry ny sandrin'i Jesôsy. Ilaina tokoa ny miandry amim-pahanginana sy ny miambina. Mihevitra isika fa tsy eo amin'ny lalana tokony hizorana raha tsy misy fihetsehampo tsapantsika momba izany. Manohy mitady famantarana ao anaty izay mifandraika amin'ny toe-javatra isika, kanefa tsy ny fihetsehampo no iankinan'izany fa ny finoana." - S1M, b. 2, L. 242.

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

    1. Inona ny hevitry ny hoe "mandrefy sy mandanja" ny fitsapana tsirairay i Jesôsy? Ahoana no anampian'ny fahafantarana izany antsika raha eo am-piandrasana isika?

    2. Angataho hijoro ho vavolombelona ny amin'ny fiandrasana amim-paharetana ny olona ao amin'ny kilasinao. Inona no nampahatahotra azy ireo sy nampifaly azy? Ahoana no niatrehany izany? Inona ny lesona nosintoniny tamin'izany? Inona ny teny fikasana nofikiriny?

    3. Inona no azonao atao amin'ny maha-fiangonana na amin'ny maha-kilasy ho fanampiana ny hafa izay ao anatin'ny memy eo am-piandrasana ny fotoana voatendrin'Andriamanitra hahazoana zavatra iray?

    4. Inona nyanjara asan'ny vavaka eo amin' ny fampitomboana ny faharetana? Misy olona hafa ve azonao entina amim-bavaka mba hampitomboan'ny Fanahy ny faharetana eo amin'ny fiainanlizy ireo?

    Please publish modules in offcanvas position.