Mety efa mahazatra antsika fa raha mbola eto amin'ity izao tontolo izao ity isika dia tsy maintsy miaritra fahoriana. Efa izay no anjarantsika amin'ny maha-voary lavon'ny fahotana antsika. Tsy misy teny ao amin'ny Baiboly mampanantena antsika zavatra hafa noho izany. Ny mifanohitra amin'izany aza no voalaza ao (...). Manan-kambara amintsika mikasika izao foto-dresaka izao ve ireto andininy manaraka ireto? Asa. 14:22; Fil. 1:29; 2 Tim. 3:12.
Kanefa eo anivon'ny fahoriantsika dia misy zavatra anankiroa tokony ho mby ao an-tsaintsika.
Voalohany, mafy noho izay mety efa niaretantsika na mbola hiaretantsika ny fijaliana niaretan'i Kristy Tompontsika. "Nitondra ny aretintsika (...) Izy sady nivesatra ny fahoriantsika"- Isa. 53:4, teo amin'ny hazo fijaliana; ny hany fantatsika tsirairay dia izao: ho antsika rehetra no nijaliany. Tonga "ota hamonjy antsika" Ilay tsy nanana ota (2 Kor. 5:21), nijaly tamin'ny fomba izay tsy azontsika voary mpanota atomboka saintsainina akory. Faharoa manaraka izany anefa, rehefa miaritra fahoriana isika dia tokony hotsaroantsika ireo vokatry ny fahorian'i Kristy, izay tsy - inona fa ny zavatra efa nampanantenaina antsika tamin'ny alalan'izay nataon'i Kristy ho antsika.
Vakio ny Jao. 10:28; Rôm. 6:23; Tit. 1:2 ary ny 1 Jao. 2:25. Inona no ampanantenaina antsika?
Na inona na toa inona fahoriantsika ety, noho ny amin'i Jesôsy , noho ny nitondrany tao amin'ny tenany ny famaizana noho ny otantsika, noho ny antoka lehibe omen'ny Filazantsara izay ahafahantsika ankehitriny mijoro ho tsy manan-tsiny ao amin'i Jesôsy amin'ny alalan'ny finoana - dia manana ny teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay isika. Manana ny teny fikasana isika izay mampanantena fa noho ny amin'izay nataon'i Kristy, noho ny fahatanterahan'ny fiainany tonga lafatra sy ny sorona lavorary nataony, ny fiainantsika izay feno fahoriana sy fahadisoam-panantenana ary famoizana ety dia tsy inona fa fotoana miserana toy ny tselatra ihany, poa toy izay dia lasa, raha mitaha amin'ny mandrakizay izay miandry antsika, mandrakizay any amin'ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao izay tsy misy ota sy fahoriana ary fahafatesana. Izany rehetra izany dia ampanantenaina antsika ary atao azo antoka ho antsika noho ny amin'i Kristy irery ihany sy noho ny amin'ny memy nidirany mba hahitany, indray andro any izay ho tonga tsy ho ela, "ny fisasaran'ny fanahiny ka ho afa-po" Izy (Isa. 53:11).