Vakio ny "Getsemane", toko 74 sy "Kalvary", toko 78 ao amin'ny IFM. " Intelo no namerenany io vavaka io. Intelo ny maha-olombelona no nihemotra teo amin'ny sorona farany indrindra. Nefa izao dia tonga ao an-tsain 'ny Mpanavotra an 'izao tontolo izao ny tantaran 'ny taranak'olombelona. Hitany ireo mpandika lalana tsy maintsy ho faty raha ilaozany samirery. Hitany ny tsy fahazoan'ny olona manampy ny tenany. Hitany ny herin 'ny fahotana. Mitranga eo anoloany ny loza sy ny fitarainan 'izao tontolo izao tandindomin 'ny fahafatesana. Natrehiny ny anjara miandry izao tontolo izao ka tapaka ny heviny. Hamonjy ny olona Izy na ho toy inona na ho toy inona vidin'izany Aminy. Ekeny ny batisan'ny ra, mba hahazo ny fiainana mandrakizay amin'ny alalany ny olona an-tapitrisany eo am-bavahoana. Nilaozany ny lapan 'ny lanitra, fray feno fahadiovana, fahasambarana ary voninahitra, mba hamonjy ilay ondry very iray, ilay izao tontolo izao iray lavo tamin'ny fandikan-dalana. Ary tsy hiamboho izany asa nanirahana Azy izany Izy. Izy no fanati-panavotana ho an'ny taranaka izay ninia nanota. Fileferana ihany sisa no nientana teo amin'ny fivavahany: Raha tsy azo esorina ity kapoaka ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia hatao anie ny sitraponao '." - IFM, t, 744.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1. Manampy antsika eo amin'ny fahoriana mahazo antsika fly fahalalana fa Andriamanitra mihitsy tao amin'i Kristy no niaritra fahoriana mafy noho izay mety ho niaretantsika na hiaretantsika. Amin'ny fomba ahoana? Tokony hidika Inona amintsika ny fijalian'i Kristy ho antsika? Inona ny fampaherezana azontsika avy amin'izany fahamarinana mahatalanjona izany? Eo am-pieritreretana ny valinteninao, dia ataovy ao an-tsaina izao fanambarana manaraka nataon'i Ellen G. White izao: "Ny fijaliana rehetra, izay vokatry ny fahotana, dia nampidinina tao an-tratran'llay Zanak'Andriamanitra tsy nanana ota." - SIM, b. 3, t. 129.
2. lverenonareo iray kilasy dinihina ireo fahorian'i Kristy nojerena tao amin'ny lesona tamin'ity herinandro ity. Inona avy ireo memy natrehin'i Kristy? Amin'ny lafiny inona no itovian'izy ireo amin'ny antsika; amin'ny lafinyinona kosa no maha-samy hafa azy? Inona ny lesona azontsika ianarana avy amin'ny fomba niatrehany ireny fihaikana ireny ka afaka hanampy antsika rehefa ao anatin'ny memy isika?
3. Inona ny sasany amin'ireo teny fikasana tianao indrindra ao amin'ny Baiboly, izay azonao amikirana ao anatin'ny alahelo sy ny fahoriana? Soraty izy ireny, takio ho an'ny tenanao izany, ary zarao amin'ny mpiara-mianatra ao amin'ny kilasy.
4. Manorata paragrafy iray ho famintinana, izay manasongadina ny hevi-dehibe vitsivitsy azonao avy tao amin'ny lesona nandritra ity telovolana ity. Inona ireo fanontaniana nahitanao valiny? Inona ny olana tsy mbola voavaha? Fomba ahoana no hahafahantsika mifanampy mba hamahana ireny olana mbola mahasang.anehana sy manahiran-tsaina antsika ireny?