Iandrandrana Ny ho Avy
Il n'y a aucun article dans cette catégorie. Si des sous-catégories sont affichées sur cette page, elles peuvent contenir des articles.
Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 2:16,17; Gen. 3:1-7; Sal. 115:17; Jao. 5:28,29; Rôm. 5:12; 2 Kôr. 5:21.
Tsianjery: "Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana; satria efa samy nanota izy rehetra."- Rom. 5:12.
Hodinihina mandritra ny herinandro: Joba 19:25-27; 1 Tim. 6:16; Sal. 49; Sal. 71; Isa. 26:14,19; Dan. 12.
Tsianjery: "Finoana no nanateran' i Abrahama an' i Isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zanani-lahy tokana no naterin 'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana (...) Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty, aza; ary hoatra ny avy tamin'izany no nandraisany azy." - Heb. 11:17,19.
Hodinihina mandritra ny herinandro: Joda 9; Lio. 9:28-36; 1 Mpanj. 17:8-24; Lio. 7:11-17; Mar. 5:35-43; Jao. 11:1-44.
Tsianjery: "Hoy Jesôsy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao?" – Jao. 11:25,26.
Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk. 13:8; Mat. 17:22,23; Mar 9:30-32; Jao. 19:1-30; Rôm. 6:23; 1 Kôr. 1:18-24.
Tsianjery: "Ary tahaka ny nanandratan' i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy." — Jao. 3:14,15.
Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 27:62-66; Jao. 10:17,18; Mat. 27:51-53; Jao. 20:11-29; 1 Kôr. 15:5-8.
Tsianjery: "Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany, dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita." - Apôk. 1:17,18.
Hodinihina mandritra ny herinandro: Kôr. 15:12-19; Jao. 14:1-3; Jao. 6:26-51; 1 Tes. 4:13-18; 1 Kôr. 15:51-55.
Tsianjery: "Ary izao ny fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana." – 1 Jao. 5:11,12.
Hodinihina mandritra ny herinandro: Lio. 16:19-31; Lio. 23:43; Jao. 20:17; Fil. 1:21-24; 1 Pet. 3:13-20; Apôk. 6:9-11.
Tsianjery: "Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary, ireny no manambara Ahy." - Jao. 5:39.
Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 9:42-48; Mal. 4:1; Joda 7; 1 Tim. 2:5; Asa. 2:29, 34, 35; 1 Jao. 5:3-12.
Tsianjery: "Fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara." - 1 Tes. 5:21.
Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 7:21-27; Jao. 11:40-44; 1 Pet. 3:18; 1 Sam. 28:3-25; Efes. 6:10-18.
Tsianjery: "Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin 'ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany." — 2 Kôr. 11:14,15.
Hodinihina mandritra ny herinandro: Lio. 2:52; Mat. 4:23; 1 Kôr. 6:19, 20; Sal. 24:3, 4; Asa. 8:4-24; 1 Jao. 3:1-3.
Tsianjery: "Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesôsy Kristy Tompontsika." - 1 Tes. 5:23.
Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Pet. 3:13; Apôk. 21:3, 22; 1 Jao. 3:2, 3; 1 Pet. 1:22; Isa. 25:8; Apôk. 22:3-5.
Tsianjery: "Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty, fa mahatoky sy marina ireo teny ireo." - Apôk. 21:5.
Hodinihana mandritry ny herinandro : 1 Jao. 4:8,16; 1 Jao. 4:7-16; Ezra. 28:12-19; Estera 14:12-15: Apôk. 12
Tsianjery : Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 1:24-27; Gen. 2:7,19; Mat. 10:28; Mpitt. 12:1-7; 1 Mpanj. 2:10; 1 Mpanj. 22:40.
Tsianjery: Vovo-tany no namoronan'i Jehôvah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy." – Gen. 2:7.
Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 25:31-46; Dan. 7:9-14; 1 Kôr. 6:2,3; 2 Pet. 2:4-6; Mal. 4:1; Apôk. 21:8.
Tsianjery: "Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihaty eo amin'ny fitsaran'i Kristy, mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy." - 2 Kôr. 5:10.