Vaovao Madagasikara

    Actualités mondiales

    Lesona 1: Fikomiana ao anatin'ny tontolo tonga lafatra

    Hodinihana mandritry ny herinandro :  1 Jao. 4:8,16; 1 Jao. 4:7-16; Ezra. 28:12-19; Estera 14:12-15: Apôk. 12

    Tsianjery : Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.

    Mpandinika maro no niezaka nanazava ny niavian'ny ratsy. Ny sasany nilaza fa efa nisy hatramizay ny ratsy satria, araka ny fomba fijerin' izy ireo, dia tsy misy azo hamantarana ny tsara raha tsy oharina amin'ny ratsy. Ny hafa indray mino fa tonga lafatra no namoronana izao tontolo izao saingy nisy faharatsiana nipoitra. Ao amin'ny angano Grika ohatra dia nanomboka ny faharatsiana rehefa nanokatra vatakely iray voahisy tombokase i Pandora, liana te hahafanta-javatra, ka avy tao no nivoahan' ny ratsy rehetra ho eto amin' izao tontolo izao (Na izany aza, tsy manazava ny tena niavian'ny ratsy, izay lazaina fa niafina tao anatin’ilay vatakely, io angano io).

    Ny Baiboly kosa dia mampianatra fa Andriamanitra Tsitoha (1 Tant.29 :10,11) sy tanteraka (Mat. 5:48) Ilay Andriamanitsika be fitiavana. Tsy maintsy ho tanteraka tahaka Azy ny zavatra rehetra ataony (Deo. 32:4), anisan'izany ny fomba namoronany ny tontolo misy antsika. Tamin'ny fomba ahoana ary no nipoiran'ny faharatsiana sy ny fahotana tao anatin'ny tontolo tonga lafatra? Voalaza ao amin'ny Gen. 3 fa ny fahalavoan'i Adama sy Eva no nahatonga ny fahotana, ny faharatsiana, ary ny fahafatesana teto an-tany.

    Mampametra-panontaniana hafa anefa izany valinteny izany. Na talohan'ny fahalavoana aza, dia efa nisy ny ratsy, izay niseho tamin'ny alalan'ilay "menarana" namitaka an'i Eva (Gen. 3:1-5). Noho izany dia mila miverina any alohan'ny fahalavoana aza isika, mba hahitana ny loharano nipoiran'ny ratsy izay manjaka tokoa eo amin'ny fiainantsika ankehitriny ary mahatonga izany ho be fahoriana.

    Amin’ny toerana misy azy ankehitriny dia mitondra hafatra manjavozavo izay mampifangaro ny tsara sy ny ratsy ny zavaboary. Mamoa vonin-draozy tsara tarehy sy manitra kanefa misy tsilo manindrona sy maharary koa ny alan-draozy. Mety hampiaiky volana antsika ny hakanton’ny “toucan” (karazam-borona), kanefa avy eo mandiso fanantenana antsika ny fanafihany ny akanim-borona hafa sy ny fihinanany ireo zana-borona marefo. Na ny olombelona aza, izay mety ho tsara fanahy amin’ny fotoana iray, dia mety ho ratsy toetra, feno fankahalana, na misetrasetra mihitsy aza avy eo. Tsy mahagaga raha nanontany ny tompon’ny tanimbary ny mpanompo, ao amin’ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary, hoe: "Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? Koa avy taiza kosa ny tsimparifary?" – Mat. 13:27. Ary hoy ilay tompony taminy, "Fahavalo no nanao izany" – Mat. 13:28. Tahaka izany koa, namorona tontolo tonga lafatra Andriamanitra. saingy nolotoin’ny fahavalo tamin’ireo voa mifono zava-miafin'ny fahotana izany.

    Vakio ny 1 Jao. 4:8,16. Raha azo antoka fa "Andriamanitra dia fitiavana", inona no ambaran'izany amintsika mikasika ny toetry ny asa famoronana nataony?

    Hevitra telo farafahakeliny no azo tsoahina avy amin’ny hoe "Andriamanitra dia fitiavana" – 1 Jao. 4:8,16. Voalohany, amin’ny maha-fitiavana ny fitiavana dia tsy mihidy ao amin’ny tenany izy fa tsy maintsy miseho. (Karazam pitiavana inona rahateo no tsy miseho?) Ny fitiavan’ Andriamanitra dia ifampizaran’ireo Persona telo ao amin’Andriamanitra, ary zaraina ety ivelany koa amin’ny alalan’ny fifandraisany amin’ny voariny rehetra. Faharoa, izay rehetra ataon'Andriamanitra dia fanehoany ny fitiavana tsy manam-petra sy tsy miova. Anisan' izany ny famoronana, ny asa fanavotana nataony ary na dia ny fisehoan'ny didim-pitsarany ho famaizana aza. Raha ny marina dia "Efa naseho mazava ny fitiavan’Andriamanitra teo amin'ny fahamarinany ary tsy latsaka izany teo amin'ny famindram-pony. Ny rariny no fototry ny seza fiandrianany, sy vokatry ny fitiavany.” – IFM, t. 822,823. Ary fahatelo, satria Andriamanitra dia fitiavana ary izay rehetra ataony dia maneho ny fitiavany, dia tsy Izy velively no mety ho niandohan'ny ota, izay mifanipaka tanteraka amin'ny toetrany.

    Tena nilain'Andriamanitra anefa ve ny namorona izao rehetra izao? Raha ny fiandrianany no jerena, dia mety hisy hamaly hoe "tsia"; safidiny mantsy no nanapahany hevitra hanao izany. Raha amin'ny fomba fijerin'ny voariny izay tia Azy anefa dia izao: nilain' Andriamanitra ny namorona izao rehetra izao mba hanehoany ny fitiavany. Ary mahagaga tokoa ny namoronany ny karazana zava-manana aina sasany, tahaka ny olombelona, izay tsy hoe mahay mamaly ny fitiavan'Andriamanitra ihany, fa mahay mizara sy maneho fitiavana koa, tsy amin'Andriamanitra ihany, fa amin'ny hafa koa. (Jereo koa Mar. 12:30,31).

    Diniho ny tontolon'ny zavaboary manodidina anao. Ahoana no ahitanao taratra ny fitiavan'Andriamanitra ao, na dia eo aza ny fahasimbana vokatry ny fahotana? Ahoana no hisintonantsika lesona mitondra fanantenana avy amin'ny fanehoan'Andriamanitra ny fitiavany izay hita eo amin'ny voary?

    Vakio ny 1 Jao. 4:7-16. Fepetra iray ahazoana mikolokolo ny fitiavana ny fahafaha-misafidy, inona no ambaran’io andalan-teny io amintsika momba izany?

    Mety ho tsara tarehy ny voninkazo tsy tena izy izay amboarin’ny olombelona, saingy tsy mitombo na mamony toy ny tena izy ireny. Narafitra mba hiteny sy hanao asa maro ny «robot» (milina noforonina hanao ny asan’ny olona), saingy tsy velona na manana fihetseham-po ireny. Raha ny marina, ny fiainana sy ny fahafaha-misafidy dia fepetra tsy azo ihodivirana hahafahan’ny olona mandray sy mikolokolo ary mizara fitiavana. Noho izany, namorona ny anjely (anisan’izany i Losifera) sy ny olombelona ny Raintsika be fitiavana, niaraka tamin’ny fahafahan’ireo manao safidy, anisan’izany ny fahafahany manaraka lalan-diso. Izany hoe, namorona izao rehetra izao Andriamanitra mba ho tontolo tonga lafatra sy mirindra ho an’ny voariny, mba hitombony amin’ny fitiavana sy ny fahendrena.

    Asongadin’ny apôstôly Jaona ao amin’ny 1 Jao. 4:7-16 fa «Andriamanitra dia fitiavana», ary nasehony izany tamin’ny nandefasany ny Zananilahy ho faty noho ny fahotantsika. Noho izany dia tokony haneho fankasitrahana ny fitiavany tsy manam-petra isika amin’ny alalan’ny fifankatiavantsika. Ny fitiavana toy izany, izay avy amin’Andriamanitra, no porofo maharesy lahatra indrindra fa mitoetra ao anatintsika Andriamanitra ary mitoetra ao Aminy isika. Tsy misy heviny io antsohoi amin’ny fifankatiavana io raha tsy miantefa amin’ny voary manana fahafaha-misafidy hikolokolo sy haneho izany fitiavana izany, na ny mifanohitra amin’izany, hiaina amin’ny fomba feno fitiavan-tena. Na izany aza dia mora tokoa ny mety hahadiso fampiasa ny fahalalahana hisafidy; maneho izany ilay toe-javatra mampalahelo nitranga tamin’ny fikomian’i Losifera tany an-danitra.

    Na dia miaiky ny maha-zava-dehibe ny fahafaha-misafidy aza ny olona sasany, dia mbola manontany tena ihany hoe: Nahoana Andriamanitra no mbola namorona an'i Losifera raha efa fantany fa hikomy izy? Moa ve ny namoronana an’i Losifera tsy mahatonga an’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny niandohan’ny fahotana?

    Mety ho sarotra tokoa ny maneho hevitra momba izany satria miankina amin-javatra maro izany, anisan’izany ny hoe: inona marina moa no tena hevitry ny hoe «tompon’andraikitra»? Ny niandohan’ny ota sy ny toetry ny ota dia zava-miafina izay tsy hain’iza na iza hazavaina amin’ny fahafenoany.

    Na izany aza, dia tsy nandidy ny hisian’ny fahotana Andriamanitra; navelany hisy ihany izany, ary noraisiny tamin’ny tenany teo amin’ny hazo fijaliana ny sazy faratampony noho io fahotana io, mba hamongorana izany hatramin’ny farany. Na mampahory antsika toy inona aza ny misaintsaina momba ny ratsy, dia tsy azontsika hadinoina na oviana na oviana fa Andriamanitra mihitsy no nandoa ny onitra lafo indrindra noho ny fisian’ny fahotana sy ny faharatsiana (Jereo ny Mat. 5:43-48, Rôm. 5:6-11), ary nijaly noho izany Izy, mihoatra noho izay rehetra mety hiaretantsika tsirairay.

    Masina ny safidy, fanomezana avy amin’Andriamanitra, saingy mety hiteraka vokany mahatsiravina, tsy ho an’ny tenanao ihany fa ho an’ny hafa koa. Eo am-pampiasana io fanomezana io, inona no fanapahan-kevitra manan-danja horaisinao, ary inona no ho vokatry ny safidy ataonao?

    Vakio ny Ezek. 28:12-19. Inona no azontsika tsoahina avy amin’io andalan-teny io momba ny zava-miafin’ny niandohan’ny fahotana?

    Mampiasa sary an'ohatra momba ny andro farany ny ampahany betsaka amin’ny bokin’i Ezekiela. Amin'ny toe-javatra maro, ny olona na ny biby na ny «zavatra» ohatra, na koa ny zava-mitranga eo an-toerana, dia nampiasaina mba hanehoana sy hamaritana zava-misy ara-tantara mivelatra kokoa. Miresaka momba ny mpanjakan’ny Tyro ny Tompo ao amin’ny Ezek. 28:1-10 (Tyro dia tanàna nanankarena, misy ny seranan-tsambon’ny Fenesianina fahiny), ka mpanapaka manankarena sy miavonavona no amaritany azy, izay «olona» ihany kanefa mihambo ho andriamanitra mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ireo andriamanitra (araka ny filazany).

    Nanjary fanoharana ilazana ny niandohan’ny fahalavoan’i Losifera tany an-danitra io zava-misy ara-tantara ao amin’ny Ezek. 28:12-19 io. Koa ny mpanjakan’ny Tyro, izay olombelona nipetraka teo "ampovoan'ny ranomasina" – Ezek. 28:2,8, dia maneho ankehitriny ilay "kerobima voahosotra izay manaloka" – Ezek. 28:14, nipetraka tao "Edena, sahan'Andriamanitra" sy "tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra"(Ezek. 28:13,14).

    Hita ao amin'ny Ezek. 28:15 ny teny manan-danja ao amin’ny tantara manontolo, izay manao hoe "Tsy nanan-tsiny ianao tamin’ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao". Noho izany, ary zava-dehibe ity: tao anatin’ny fahatanterahan'i Losifera dia nisy fahafahana hanao ratsy, fahafahana hanao fahadisoana, ary izao no antony: amin’ny maha-voary manan-tsaina azy dia nanana safidy malalaka i Losifera, izay tafiditra ao anatin’ny famaritana ny atao hoe voary tonga lafatra.

    Raha ny marina dia nohariana tonga lafatra i Losifera — ary tao anatin’izany ny fahafahany misafidy malalaka. Kanefa, noho ny fanararaotany izany fahatanterahany izany ka nampiasany ho amin’ny ratsy ny fahafahany misafidy, dia nanjary feno faharatsiana izy tamin’ny fiheverany ny tenany ho lehibe noho izay tokony ho izy marina.

    Tsy afa-po tamin’ny namoronan’Andriamanitra sy nanomezam-boninahitra azy intsony i Losifera, ka tsy nahay nisaotra an'Andriamanitra, ary naniry ny hahazo fankasitrahana mihoatra noho izay tena mendrika azy. Araka ny efa voalaza dia saro-pantarina ny fomba mety ho nitrangan’izany tamin’ny anjely tonga lafatra iray izay niaina tao amin’ny tontolo tonga lafatra.

    "Mifono zava-miafina ny fahotana, tsy hay hazavaina. Tsy nisy antony ny fisiany; ny fiezahana hanazava izany dia fiezahana hanome antom-pisiana ho azy, ka manjary manamarina azy. Nipoitra teo anivon’ny tontolo tonga lafatra ny ota, ary hita fa tsy azo noleferina izany." – The Truth About Angels, t. 30.

    Milaza i Paoly ao amin’ny 1 Tes. 5:18 fa tokony hisaotra "amin'ny zavatra rehetra" isika. Ahoana no hanampian'ireo teny ireo antsika handresy izay rehetra mety ho tsy fahaiza-mankasitraka na fltarainan-dava, indrindra amin’ny fotoam-pitsapana?

    Ahitana lohahevitra na fomba fijery roa lehibe mifanohitra ao amin'ny Soratra Masina. Ny voalohany dia ny lohahevitra momba an'i Salema, ny tendrombohitra Ziona, Jerosalema, sy Jerosalema vaovao, izay maneho ny fanjakan'Andriamanitra. Ny faharoa kosa dia ilay lohahevitra momba ny Babela sy Babilôna, izay maneho ny fisandohana rehetra ataon'i Satana. Imbetsaka Andriamanitra no niantso ny vahoakany handao an'i Babilôna mpanompo sampy mba hanompo Azy ao amin'ny tany nampanantenaina.

    I Abrama ohatra (Abrahama taty aoriana), dia nantsoina mba hiala tao Oran'ny Kaldeana ho any amin'ny tany Kanàna (Gen. 11:31-12:9). Niala tany Babilôna ny Jiosy ary nody tany Jerosalema taorian'ny fahababoana nandritra ny fotoana naharitra (Ezra. 2). Ary ao amin’ny bokin'ny Apôkalypsy, ny vahoakan’Andriamanitra dia antsoina hiala amin'ilay Babilônan'ny andro farany mba honina miaraka Aminy eo an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema Vaovao amin'ny farany (Apôk. 14:1: Apôk. 21:1-3,10).

    Vakio ny Isa. 14:12-15. Inona ny voka-dratsin'ny avonavon'i Losifera fony izy tany an-danitra ka nentiny teo amin’izao tontolo rehetra izao sy teto amin'ity tany ity?

    Ao amin’ny Baiboly, ny tananan’ny Babilôna dia maneho fahefana iray izay manohitra mivantana an’Andriamanitra sy ny fanjakany; ary ny mpanjakan’ny Babilôna (izay nolazaina manokana ho i Nebôkadnezara) dia nanjary tandindon’ny fireharehana sy ny avonavona. Nambaran’Andriamanitra tamin’i Nebôkadnezara mpanjaka fa ny loha volamenan’ilay sariolona lehibe, izay maneho ireo fanjakana nifandimby, ihany no maneho an’i Babilôna (Dan. 2:37,38). Notoherin’ny mpanjaka izany fanambaran’Andriamanitra izany, ka nanao sariolona volamena iray manontolo izy — tandindona manambara fa haharitra mandrakizay ny fanjakany — ka notakiny mihitsy aza ny hiankohofan’ny olona rehetra amin’izany (Dan. 3). Nanjary tandindon'i Losifera tahaka ny mpanjakan'ny Tyro koa (Ezek. 28:12-19) ny mpanjakan'ny Babilôna.

    Manoritsoritra ny fianjeran'ilay mpanjakan'i Babilôna niavonavona sy nampahory ny Isaia 14:3-11. Avy eo ny Isaia 14:12-15 dia miala amin'ny tontolon’ny tantara eto an-tany ho any amin’ny tontolon’ny lanitra, ka manasongadina fa toe-tsaina feno fireharehana sy avonavona toy izany no nahatonga ny fahalavoan'i Losifera tany am-boalohany. Manazava io andalan-tSoratra masina io fa fikasan'i Losifera ny hanandratra ny seza fiandrianany ho ambonin'ny tafiky ny lanitra manontolo ary hanao ny tenany "ho tahaka ny Avo Indrindra" – Isa. 14:14. Toy izany no niandohan’ny toe-java-baovao feno fankahalana, izay anoheran'i Losifera sy ny fitiavan-tenany, an'Andriamanitra sy ny fitiavany feno fiheverana ny hafa (mifaninana amin'Andriamanitra izy). Tsy natahotra ilay fahavalo nanendrikendrika an'Andriamanitra ny amin'ireo ratsy izay ny tenany ihany no manao azy, ary tsy nisalasala izy nampiely ny laingany tamin'ireo anjely hafa.

    Nahoana no mora tokoa ny ho tonga mpirehareha sy mpanandra-tena noho ny toerana misy antsika na ny zava-bitantsika, na izy roa? Nahoana ny fahatsiarovantsika mandrakariva ny hazo fijaliana no miaro antsika tsy ho latsaka amin’ny fandrika toy izany?

    Vakio ny Apok. 12. Inona no ampianarin'ity toko ity momba ny nielezan'ny fikomiana, niainga avy tany an-danitra ka tonga teto an-tany ?

    Ny fahalavoan'i Losifera dia tsy resaka tsy fitovian-kevitra tsotra tsy akory. Ny Apôkalypsy 12 dia milaza amintsika fa nisy ady lehibe tany an-danitra, izay nifanaovan' i Losifera sy ny anjeliny tamin'i Kristy sy ny anjeliny. «Ilay dragona», menarana ela», «devoly sy Satana» ary «mpiampanga ny rahalahintsika» no iantsoana an'i Losifera ao amin'io andalana io (Apok. 12:9,10). "Mikaela " kosa no iantsoana an'i Kristy (Apok. 12:7), izay midika hoe "mitovy amin'Andriamanitra". 

    Ny sasany amin'ireo mpanazava ny Baiboly, izay mifototra amin'ilay hoe "Mikaela Arikanjely" ao amin'ny Joda. 9, dia mihevitra fa anjely iray ihany Izy. Ao amin'ny bokin'i Daniela anefa, ny fahitana lehibe tsirairay dia miafara amin'i Kristy sy ny fanjakany mandrakizay — toy ilay vato tsy nendahan-tànana (Dan. 2:34,45), ilay zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra (Dan. 7:13), ilay Komandin'ireo maro be sy Andrianan'ny andriana (Dan. 8:11,25), ary toa an'i Mikaela andrian-dehibe (Dan. 12:1). Ilay Anjelin'ny Jehôvah dia Jehôvah ihany (Eks. 3:1-6, Asa. 7:30-33, sns.), dia toa izany koa, inoana fa i Mikaela dia io Persona Andriamanitra io ihany, izany hoe i Kristy mihitsy.

    Manome topy maso ankapobeny momba io fifanandrinana mitohy io ny Apôkalipsy 12, izay (1) nanomboka tany an-danitra tamin'ny fikomian'i Losifera sy ny ampahatelon'hy anjely tany an-danitra, (2) miafara tamin'ny fandresen'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana, ary (3) mbola mitohy manohitra ny vahoakan'Andriamanitra sisa amin'ny andro farany.

    Raha nisaintsina momba ny fiandohan'ny io fifanandrinana io Ellen G. White dia nanazava fa "Noho ny famindrampony lehibe, dia nizaka ela ny fanatrehan'ny Losifera Andriamanitra. Tsy naetry avy hatrany hiala tamin'ny toerana ambony nisy azy izy raha vao nirona voalohany ho amin'ny toe-tsaina nitory tsy fahafaham-po, ary na dia fony izy nanomboka nampiseho fihamboana diso teo anatrehan'ny anjely mahatoky aza. Notazonina ela tany an-danitra izy. Naverimberina natolotra azy ny famelan-keloka raha mety mibebaka sy milefitra izy." - HM, t. 513.

    Tsy fantatsika ny fotoana naharetan'izany ady izany tany an-danitra. Na mafy sy naharitra toy inona aza izany, ny lafiny lehibe indrindra amin'ilay fifanandrinana manontolo dia ity: "tsy naharesy" i Satana sy ny anjeliny "sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra" - Apôk. 12:8; jereo koa ny Lio. 10:18. Mazava loatra fa ankehitriny ny olana dia ny nahatongavan'izany teto an-tany. 

    Amin'ny fomba ahoana no ahafahantsika mahita ny maha-zava-misy io ady mitranga eto an-tany io? Inona no hany fanantenantsika hahazoantsika mandresy ny fahavalo amin' izany ady izany? 

    Vakio ny "Niavian'ny fahotana", PM, tt. 6-17; "Ny niavian'ny ratsy", HM, tt. 509-521.

    "Tsy nisy azo nantenaina ho fanavotana ireo (Satana sy ny anjeliny) izay efa nahita maso sy nisitrakany voninahitry ny lanitra tsy hay lazaina, ary efa nahita ny fiandrianan'Andriamanitra mahatahotra, kanefa teo anatrehan'izany voninahitra rehetra izany dia nikomy tamin'ny tompo. Tsy nisy fampisehoana vaovao sy mahatalanjona ny herin'Andriamanitra avo indrindra intsony ka afaka hanetsika ny ati-fanahiny lalina toy izay efa niainany. Sahy nikomy izy ireo na dia teo anatrehan'ilay voninahitra tsy hay lazaina aza, koa tsy azo natao ny hametraka azy ireo ao anaty toe-javatra tsara kokoa noho izany mba hozahan-toetra. Tsy nisy tahirin-kery na voninahitra tsy manam-petra avo sy lehibe kokoa mba handresena ny fisalasalana sy ny fimonomononan'ireto mpikomy ireto noho ny fialonany. Tsy maintsy mifandanja amin'ny tombontsoa ambony nomena azy tany an-danitra ny fahamelohany sy ny famaizana azy ireo." - Confrontation, t. 21. "Hatramin'ny voalohany dia fantatr'Andriamanitra sy i Kristy ny fivadihan'i Satana sy ny fahalavoan'ny olona noho ny hery mamitak'ilay mpihemotra. Tsy nibaiko ny hisian'ny fahotana tsy akory Andriamanitra, fa tazany mialoha ny fisiany, ka nomaniny izay ilaina hoenti-misetra io zava-doza mahatsiravina io. Lehibe indrindra ny fitiavany an'izao tontolo izao, ka nanao fanekena Izy hanome ny zananilahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay". IFM, t. 12. 

    IFANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA : 

    1. Ao amin'ny kilasy, ifanakalozy hevitra ny hoe: Andriamanitra tokoa ve no tompon'andraikitra amin'ny niandohan'ny ratsy sy ny fisian'izany eto amin'izao tontolo izao? Inona no azontsika avaly izany fiampangana izany?

    2. Ahoana no anampian'ny hazo fijaliana antsika hahatakatra ny mombamomba ny faharatsiana rehetra? Nahoana ny hazo fijaliana sy ny zava-nitranga teo no tsy maintsy iankinan'ny fahatakarantsika ny niandohan'ny ratsy? 

    3. Tao anatin'izay taona an'arivony maro nisianiny fahotana sy ny fahoriana teto amin'izao tontolo izao izay, dia tokony ho tsapan'i Satana amin'ny fahafenoany ankehitriny ny voka-dratsin'ny fikomiany. Koa nahoana ary no mbola manohy mikomy amin'Andriamanitra ihany izy?

    4. Miresaka momba ny fitiavan'Andriamanitra tsy misy fepetra ho an'ny olombelona rehetra i Kristy ao amin'ny Mat. 5 : 43-48, mha ho ohatra faka tahaka eo amin'ny fifandraisantsika samy isika. Ahoana no ahafahanao maneho izany ohatra izany misimisy kokoa ao amin'ny ankohonanao sy ny fiangonanao?

    5. Nampitandrina antsika ny apostoly Petera fa  "ny devoly mandehandeha tahaka ny Liona mierona, mitady izay harapany." - 1 Pet. 5:8. Vakio koa ny Efes. 6:10-20. Ahoana no ahafahantsika mandresy ny "fanangolen'ny devoly" - Efes. 6:11? 

    Please publish modules in offcanvas position.