- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 1: Mitantana ny fananan’i Tompo mandra-piaviny
- Lesona 1: Isan’ny ankohonan’Andriamanitra
Fampidirana
Teboka iray mahatalanjona eo amin'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra amin'ny maha-Kristianina antsika ny fametrahany ny raharahany eto ambonin'ny tany hotantanantsika. Tamin'ny fiandohan'ny tantaran'ny olombelona dia nampiandraiketin'Andriamanitra an'i Adama sy i Eva mazava ny fikarakarana manokana ny voary tsy nanan-tsiny. (Jereo ny Gen. 2:7-9,15). Hatramin'ny fanomezana anarana ny biby sy ny fitandremana ny saha ka hatramin'ny famenoana ny tany amin'ny zanaka maro dia nampahafantarin'Andriamanitra fa ho Azy no iasantsika ety.
Mitahy antsika koa Izy amin'ny fanomezana ny loharanon-karena, kanefa isika no nametrahany ny adidy hikarakara izany, ohatra amin'izany ny fanangonana ny vola, ny fanoratana ny taratasim-bola, ny famindrana ny vola amin'ny fomba elektronika, ny fananganana tetibola na koa ny fitondrantsika ny ampahafolony sy ny fanatitra any am-piangonana rehefa Sabata maraina. Mampirisika antsika Andriamanitra ny handaniantsika ireo harena izay nomeny antsika amin'ireo filan'ny tenantsika manokana, amin'ny filan'ny hafa ary amin'ny fampandrosoana ny asany. Na dia toa tsy mampino aza dia isika no nametrahan'Andriamanitra adidy hitaiza ireo zanany, hanorina ny tranony ary hanabe ireo taranaka ho avy.
Handinika ireo tombontsoa sy andraikitra mifandraika amin'ny maha-isan'ny ankohonan'Andriamanitra isika mandritra ny fianarantsika amin'ity herinandro ity.