- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 1: Mitantana ny fananan’i Tompo mandra-piaviny
- Lesona 2: Ny fanekena nataon'Andriamanitra tamintsika
Fampidirana
Mahagaga fa nanao fifanarahana (na fanekena} maro tamintsika Andriamanitra. Roa lafy ny ankamaroan'izy ireny, izany hoe ireo laniny roa (Andriamanitra sy ny olombelona) dia samy manana anjara hotanterahina ao anatin'ilay fifanarahana. Ohatra amin'ny fanekena roa lafy ny hoe "raha manao izao ianao dia hanao izao aho". Na "hanao izao aho raha manao izao ianao."
Karazana fanekena tsy fahita firy ny fanekena mandeha ila. "Hanao izao aho na misy zavatra ataonao na tsia." Misy fanekena vitsivitsy mandeha ila ataon'Andriamanitra amin'ny olombelona. Ohatra, "fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina." - Mat. 5:45. Na inona na inona ataontsika na tsy ataontsika dia azontsika atao ny mitoky amin'Andriamanitra ny amin'ny masoandro sy ny orana. Taorian'ny Safodrano dia nampanantena ny olombelona sy ny "zava-manan' aina rehetra (...) ambonin'ny tany" Andriamanitra fa tsy hisy Safodrano hanarona ny tany rehetra intsony (Gen. 9:9-16) na inona na inona ataontsika. Nampanantena koa Izy fa: "Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina." - Gen. 8:22. Mifandimby hatrany ireo tonon-taona na inona na inona ataontsika.
Amin'ity herinandro ity isika dia handinika ny sasany amin'ireo fanekena roa lafy tena manan-danja eo amin'Andriamanitra sy ny zanany. Andeha isika hivavaka, mba hahafahantsika manatanteraka ny anjarantsika ao anatin'ilay fifanarahana, noho ny fahasoavan'Andriamanitra.