Ny rakibolana dia mamaritra ny ampahafolony ho "ampahany fahafolo amin'ny zavatra iray" na «10 isan-jato." Azo heverina fa nalaina avy tamin'ny fitantaran'ny Baiboly io famaritana io. Ny ampahafolony dia famerenana amin'Andriamanitra ny 10 isan-jaton'ny vola miditra amintsika na ny tombony azontsika. Fantatsika fa izay rehetra ananantsika dia Azy aloha voalohany indrindra. Ny lalàna momba ny fahafolon-karena nomena ny Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay dia manasongadina fa masina ny ampahafolony ary an'Andriamanitra izany (jereo ny Lev. 27:30, 32). Ny 10 isan-jato izay Azy ihany no angatahin'Andriamanitra. Ankoatra ny ampahafolony ny fanati-pankasitrahantsika, ary manampy izany. Ny ampahafolony no vavolombelona kely indrindra maneho ny fanoloran-tena amin'ny maha-Kristianina antsika. Tsy misy mihitsy ao amin'ny Baiboly ny fanambarana fa latsaka noho ny ampahafolony ny anjaran'Andriamanitra.
Vakio ny Gen. 14:18-20 sy ny Heb. 7:1-9. Inona ny fihetsika nasehon'i Abrama rehefa nihaona tamin'i Melkizedeka? Inona no ampianarin'izany antsika momba ny fahelan'izany fomba fanao izany teo amin'ny tantara?
........................................................................................................................................................................................
........................................................................................................................................................................................
Ao amin'ny Gen. 14 no ilazana ny ampahafolony voalohany indrindra ao amin'ny Baiboly, izay itantarana ny fihaonan'i Abrama tamini Melkizedeka.
Mpisoronabe Mampahatsiahy izany fihaonana izany ny firesahana farany momba ny fahafolon-karena ao amin'ny Baiboly, saingy ampifandimbiasana ny fampiasana ny teny hoe "fahafolo" sy "ampahafolo" (jereo ny Heb, 7:1-9). Mariho ao amin'ny fitantaran'ny bokin'ny Hebreo fa na i Melkizedeka na i Kristy dia tsy fokon'i Levy, ka ny fahafolon-karena izany dia efa nisy taloha ary nisy taorian'ny fanokanana ny Levita. Tsy kolontsaina jiosy manokana ny fanaovana ny ampahafolony ary tsy ireo Hebreo tao Sinay no nanao izany voalohany.
Vakio ny Gen. 28:13,14,20-22. Inona no nampanantenain'Andriamanitra fa hataony ho an'i Jakôba ary inona no navalin'i Jakôba Azy?
.................................................................................................................................................................................
.................................................................................................................................................................................
Rehefa niala tao an-tranony i Jakôba mba handositra an'i Esao rahalahiny izay feno fahatezerana, dia nanonofy izy indray alina fa nisy tohatra nampitohy ny lanitra sy ny tany. Anjely marobe no niakatra sy nidina teo. Nijoro teny an-tamponizany tohatra izany Andriamanitra ary nampanantena ny homba an'i Jakôba sy hamerina azy indray any an-tranony indray andro any. Nandalo ny fanandraman'ny fiovam-po tena izy ilay tovolahy mpitovo ka niteny hoe: "Jehôvah no ho Andriamanitro, ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony."- Gen. 28:21, 22.
Nahoana no zava-dehibe ny fahatakarana fa ny ampahafolony, tahaka ny Sabata, dia tsy avy amin'ny rafi-dalàna isiraelita fahiny na koa ny rafitra ara-pivavahana? Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'io fahamarinana io, ho antsika izay velona taorian'ny hazo fijaliana?