Lesona 4: Fanatitra ho an’i Jesôsy

    Hodinihana mandritra  ny herinandro: 2 Kôr.9:6,7; Deo.16:17; Sal.116: 12-18; 1 Tant. 16:29; Mar.12:41-44; Mar.14:3-9.

    Tsianjery:  "Inona no havaliko an'i Jehôvah noho ny soa rehetra nataony tamiko? Handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny anaranao Jehôvah. Hanefa ny voadiko amin'i Jehôvah aho. Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra." - Sal. 116:12-14.  

    Ankoatra ny ampahafolony dia misy ny fanatitra izay avy amin'ny 90 isan-jato sisa eo am-pelatanantsika aorian'ny fanolorantsika ny ampahafolony ho an'Andriamanitra. Eo no manomboka ny fahalalahan-tanana. Fanatitra maro isankarazany no natolotry ny vahoakan'Andriamanitra, tahaka ny fanatitra noho ny ota, izay nomena ho setrin'ny fahasoavan'Andriamanitra; na koa ny fanati-pisaorana, izay nomena ho fankasitrahana ny fiarovan'Andriamanitra sy ny fitahiany ny fahasalamana, ny fanambinany, ary ny heriny manohana. Nisy koa ny fanatitra ho an'ny mahantra sy fanatitra ho an'ny fanorenana sy ny fikojakojana ny trano fivavahana.

    Rehefa hitantsika ny halehiben'ny fanomezana atolotr'Andriamanitra antsika dia manomboka tsapantsika fa mihoatra lavitra noho ny fanohanana ny fanamboarana ny rarivaton'ny tokontany na ny fividianana ny fanamian'ny antokom-pihira ny fanomezana atolotsika. Mitondra fanomezana isika ho setrin'izay efa nataon'Andriamanitra ho antsika, indrindra fa ny sorona nataon'i Jesôsy. "Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha." - I Jao. 4:19. Ny fiangonana, na ny eo an-toerana izany na ny an'ny federasiona na maneran-tany, dia mampiasa ny fanomezantsika ho fampandrosoana ny asan'Andriamanitra.

    Amin'ity herinandro ity isika dia hijery indray izay ambaran'ny Baiboly momba ny fanatitra, izay ao anatininy fitantanantsika ny raharahan'Andriamanitra eto an-tany.

    Tia an'Andriamanitra isika satria lzy efa tia antsika taloha. Manolotra isika ho valin'ny fanomezana mahatalanjona izay natolony antsika, dia i Jesôsy. Raha ny marina dia izao no lazaina amintsika: "Tsy mila ny fanatitsika ny Tompo. Tsy afaka mampanan-karena Azy amin'ny alalan'ny fanomezana atolotsika Azy isika. Hoy ny mpanao Salamo: fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no namomezanay anao.' - 1 Tant 29:14. " Avelan'Andriamanitra haneho ny fankasitrahantsika ny fahatsarany anefa isika, amin'ny alalan'ny ezaka feno fahafoizan-tena, ka hampita izany fahatsarany izany amin'ny hafa. Io no fomba tokana ahafahantsika maneho ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika an'Andriamanitra. Tsy nisy fomba hafa nomeny ankoatra io." — TFM, t. 18.

    Rehefa afointsika ho an'i Jesôsy ny "volantsika" dia manamafy ny fitiavantsika Azy sy ny hafa izany. Araka izany, ny vola dia mety ho hery lehibe ho amin'ny tsara. Fotoana maro kokoa no nolanian'i Jesôsy hiresahana momba ny vola sy ny harena raha oharina amin'ny fotoana niresahany momba ny zavatra hafa. Andininy iray amin'ny enina ao amin'ny Matio, Marka sy Lioka no miresaka momba ny vola. Ny vaovao mahafalin'ny Filazantsara dia ny hoe: hain'Andriamanitra ny manafaka antsika amin'ny fitiavam-bola sy ny tsy fampiasana izany araka ny tokony ho izy.

    Vakio ny Mat. 6:31-34 sy ny Deo. 28:1-14. Inona no ampanantenain'Andriamanitra fa hataony ho antsika raha mankatò Azy isika? Tia tena ve isika raha mitaky ny teny fikasan'Andriamanitra?

    Ny fanatitsika no porofo maneho ny fahavononantsika hahafoy tena ho an'Andriamanitra. Mety ho fanandramana ara-panahy lalina izany, fanehoana fa ny fiainantsika manontolo dia eo am-pelatanan'Andriamanitra amin'ny maha-Tompontsika Azy. Misy ohabolantsika manao hoe: "Ny toky fitaka fa ny atao no hita." Mety hilaza isika fa tia an'Andriamanitra saingy ny fanolorana fanatitra amim-pahalalahan-tanana no maneho (ary manamafy aza) izany fitiavana izany.

    Ny fanatitra dia avy amin'ny fo matoky Ilay Andriamanitra mihevitra ny isam-batan'olona, izay manome mandrakariva ny ilaintsika araka izay hitany fa tsara indrindra ho antsika. Ny fanatitra atolotsika dia miankina amin'ny faharesen-dahatra ao anatintsika fa ao amin'i Kristy no ananantsika antoka ny amin'ny famonjena. Tsy natao hampitony an'Andriamanitra na hahazoana fankasitrahana avy Aminy izany fa ny fanatitsika kosa dia avy amin'ny fo izay manaiky an'i Kristy, amin'ny alalan'ny finoana, ho hany fomba ampy hahazoana fahasoavana sy fanavotana.

     Vakio ny 2 Kôr. 9:6,7. Inona no lazain'ny Tompo amintsika eto. Inona ny hevitry ny hoe manolotra "araka izay inian'ny fony avy? Ahoana no ahaizantsika manome amim-pifaliana? 

    Vakio ny Deo. 16:17. Tsy mamaritra isan-jato Andriamanitra eto, fa inona ny fepetra nomeny hanombanana ny fanatitra tokony ataontsika?

    Ny fanatitsika dia fankasitrahana sy fanehoana ny fisaorantsika an'Andriamanitra noho ireo fanomezana mitafotafo eo amin'ny fiainana, ny fanavotana, ny fahavelomana ary ny fitahiana samihafa tsy tapaka. Noho izany, araka ny hitantsika tao amin'ny andalanteny tetsy ambony, ny fanatitra izay atolotsika dia miankina amin'ny fitahiana azontsika. "Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy." - Lio. 12:48.

    Vakio ny Sal. 116:12-14. Ahoana no tokony hamaliantsika ny fanontaniana mipetraka ao amin'ny and. 12? inona no ifandraisan'ny vola amin'ilay valinteny?

    Hahavaly izay fitahiana rehetra omen'Andriarnanitra antsika ve isika? Tsotra ny valiny: tsy ho vitantsika mihitsy izany. Ny tsara indrindra azontsika atao dia ny ho malala-tanana amin'ny asan'Andriamanitra sy hanampy ireo mpiara-belona amintsika. Rehefa naniraka ny mpianany hanao dia misiônera i Jesôsy  dia nilaza tamin'izy ireo hoe: "efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana." - Mat. 10:8. Manampy amin'ny fitomboantsika amin'ny fanahafana an'i Kristy ny fanatitra atolotsika. Araka izany dia miova isika, miala amin'ny fitiavan-tena ho amin'ny fitiavana; natao hiahy ny hafa sy hihevitra ny asan'Andriamanitra toa an'i Kristy isika.

    Aoka hotadidintsika mandrakariva fa "toy izao no nitiavan'Andriamanitra nomeny" (jereo ny Jao. 3:16). Mifanohitra amin'izany - tahaka ny maha-azo antoka ny fifandimbiasan'ny andro sy ny alina, arakaraka ny anangonantsika ho an'ny tenantsika no mampitombo ny fitiavan-tena ao am-pontsika, ary miha-mahatsiaro ho fadiranovana isika.

    Isika ihany no mamaritra ny vola izay atolotsika sy ny sampan'asa izay handray ny fanomezantsika. Saingy ny fitondrana fanatitra ho an'i Jehôvah dia adidy amin'ny maha-Kristianina izay mahakasika ny ara-panahy sy ny ara-pitondrantena. Ny fanaovana tsinontsinona izany dia mitarika fahasimbana ara-panahy, izay mety hihoatra lavitra noho izay heverintsika aza. 

    lnona no ambaran'ny fanatitra atolotrao sy ny fomba fanoloranao izany mikasika ny fifandraisanao amin'Andriamanitra? 

    Tsy nanome baiko antsika ny amin'ny tokony hanaovana ny fanompoam-pivavahana ny Baiboly. Saingy misy zavatra efatra farafahakeliny hita ao amin'ny fanompoam-pivavahana. Ao amin'ny Testamenta Vaovao dia anisan'ny ao anatin'ny lisitra ireto: ny fianarana ny toriteny, ny vavaka, ny zava-maneno, ary ny ampahafolony sy ny fanatitra.

    Intelo isan-taona, ny lehilahy isiraelita (sy ny ankohonany) rehetra dia nila niseho teo anatrehan'ny Tompo tany Jerosalema. Ary "aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan'i Jehôvah ." - Deo. 16:16. Izany hoe ao anatin'ny fanandraman'ny fanompoam-pivavahana ny famerenana ny ampahafolony sy ny fanatitra. Nandritra ny Paska, ny Pentekôsta ary ny fetin'ny Tabernakely no nitondran'ny zanak'Andriarnanitra ny ampahafolony sy ny fanatitra. Sarotra ny mahazo an-tsaina ny hahatongavan'ny olona amin'ireo fety ireo mitondra tanam-polo.

    Amin'ny teny hafa, ho an'ny Isiraely fahiny, ny fanolorana ny ampahafolony sy ny fanatitra dia singa fototra ao anatin'ny fanompoam-pivavahana ataony. Ny fanompoam-pivavahana, ny tena fanompoam-pivavahana marina dia tsy fanehoana ny fankasitrahantsika sy ny fisaorantsika an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny teny sy ny hira ary ny vavaka fotsiny fa fanehoana izany fankasitrahana sy fisaorana an'Andriamanitra izany koa amin'ny fitondrana ny fanatitsika ao an-tranon'i Jehôvah. Nitondra izany tao amin'ny tempoly izy ireo; isika kosa mitondra izany any am-piangonana rehefa Sabata (farafahakeliny io no fomba anaterantsika ny ampahafolony sy ny fanatitsika, satria misy amintsika koa ny mandefa izany amin'ny alalan'ny aterineto[banky], ho toy ny fiankohofantsika amin'Andriamanitra.

    Vakio ny 1 Tant. 16:29; Sal. 96:8,9; sy ny Sal. 116:16-18. Ahoana no ampiharantsika ireo fitsipika voalaza ao eo amin'ny fanatanterahantsika ny fanompoam-pivavahana?

    Amin'ny maha-zanak'Andriamanitra antsika, izay nomena andraikitra hitantana ny raharahan'ny Raintsika eto an-tany, dia voninahitra sy tombontsoa ary andraikitra ny fanolorantsika ny fanatitra. Raha nomen'ny Tompo zaza hotezaina ho Azy isika dia tokony hizara amin'izy ireo ny fifaliana ny amin'ny fitondrana ny ampahafolony sy ny fanatitra any amin'ny sekoly Sabata sy mandritra ny fanompoam-pivavahana. Any amin'ny toerana sasany dia amin'ny alalan'ny aterineto na fomba hafa no amerenan'ny olona ny ampahafolony. Na inona na inona fomba hanatanterahantsika izany, ny famerenana ny ampahafolony sy ny fanatitra dia ao anatin'ny fanompoam-pivavahana ataontsika miaraka amin'Andriamanitra. 

    Inona ny fanandramana niainanao manokana mikasika ny famerenana ny ampahafolony sy ny fanatitra amin'ny maha-ao anatin'ny fanompoam-pivavahana izany? Inona ny fiantraikan'ny fanaovanao izany eo amin'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra? 

    Vakio ny Mar. 12:41-44. Na manan-karena isika na mahantra, inona ny hafatra azontsika raisina avy amin'io tantara io? Inona ny foto-kevitra ampianarin'izany antsika ary ahoana no ahazoantsika mampihatra izany amin'ny fanompoam-pivavahana ataontsika?

    Teo an-kianjan'ny tempoly izay nisy ny vata fandatsahan-drakitra i Jesôsy sy ny mpianany ary nandinika ireo olona izay nitondra ny fanomezany avy. Tsy lavitra teo Izy ka afaka nahita mpitondratena iray izay nanolotra farantsakely anankiroa. Izay nananany rehetra no narotsany. "Fantatr'i Jesôsy  anefa ny hery nanosika azy hanao izany. Nino izy fa notendren'Andriamanitra ny fanompoana tao amin'ilay tempoly, ary nahamay azy ny hanao izay farany azony atao mba hanohanana izany. Nanao izay vitany izy, ary tsangambato hotsarovany amin'ny fotoana rehetra ny fihetsika nataony sy ho fifaliany ho mandrakizay. Lasa niaraka tamin'ny fanomezany ny fony; tsy ny habetsahan'ny vola natolony fa ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny tombontsoa hitany eo amin'ny asan'Andriamanitra izay nanosika ny fihetsiny no nanombanana izany." — TFM, t. 191.

    Teboka iray tena manan-danja koa ny hoe io no hany fanomezana noderain'i Jesôsy - fanomezana ho an'ny fiangonana izay efa handa Azy, fiangonana izay efa nivily lavitra ny fiantsoana sy ny asa nanirahana azy.

    Vakio ny Asa. 10:1-4. Nahoana no novangian'ny anjely avy any an-danitra ny kapiteny rômanina iray? Inona ireo fihetsika roa nataony izay noraiketina any an-danitra?

    Araka ny hita eto dia tsy ny vavaka ataontsika fotsiny no re any an-danitra fa voamarika koa ny antony manosika antsika hanorne. Voambara ao amin'io andalanteny io fa mpanome malala-tanana tokoa i Kôrnelio. "Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao." - Mat. 6:21. Nanaraka ny fanomezany ny fon'i Kôrnelio. Vonona ny hianatra bebe kokoa ny amin'i Jesôsy  izy. Mifandray akaiky ny vavaka sy ny fiantrana ary maneho ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika - dia foto-kevitra roa lehibe ao amin'ny lalàn'Andriamanitra hoe: Tiava an'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao? - Lio. 10:27. Ao amin'ny vavaka no ahitana ny voalohany ary ao amin'ny fiantrana no ahitana ny faharoa.

    Araka ny fanadihadiana natao dia eo amin'ny 9 isan-jaton'ny fananan'ny olona no lelavola ary azo entina amin'ny endrika fanatitra amin'ny fotoana rehetra. Ny lelavola, ny taratasim-bola, ny tahirim-bola, na ny vola atokantsika ho amin'ny toe-javatra manokana, sns „  dia heverina , ankapobeny ho toy ny vola an-tanana, farafahakeliny ho an'ireo izay manana ' harena toy izany. Ny ankabeazan'ny fananantsika, manodidina ny 91 isan-jato eo, dia "voatokana" ho amin'ny fananana hafa, toy ny tranontsika, ireo biby fiompintsika (raha any ambanivohitra isika), na zavatra hafa ankoatra ny lelavola.

    Azo oharina amin'ny fitsinjarana vola madinika miisa 1000 ao anatin'ny vata roa, kely sy lehibe, vita amin'ny fitaratra , ny fahasamihafana eo amin'ireo isan-jato maneho ny vola an-tanana sy ny tsy an-tanana ireo, ka ny 10 amin'izany vola madinika izany dia anehoana ny iray isan-jato. Araka izany dia manana vola madinika 90 isika ao anatin'ilay vata fitaratra kely izay maneho ireo vola an-tanana 9 isan-jato, ary vola madinika 910 kosa ao anatin'ilay vata fitaratra iray lehibe izay maneho ny vola tsy an-tanana 91 isan-jato.

    Ny ankamaroan'ny olona dia manolotra ny fanatiny na ny fanampiany avy amin'ilay vata kely - avy amin'ny vola an-tanana. Izany dia avy ao amin'ny kaontiny any amin'ny banky na avy ao anaty pôketrany. Saingy rehefa marisika sy feno fahazotoana ny olona iray amin'ny fanohanana zavatra iray, dia avy ao amin'ilay vata lehibe no anomezana. 

    Tantara maro tahaka izany no voaresaka ao amin'ny Baiboly.

    Vakio ny Mar, 14:3-9 sy ny Jao. 12:2-8. Iza ireo mpandray anjara fototra tao amin'ilay fanasana nataon'i Simôna? Manao ahoana ny tombambidin'ny fanomezana natolotr'i Maria? Nahoana izy no nanosotra menaka manitra an'i Jesôsy tamin'io fotoana io?

    Mitentina denaria 300 ny fanomezana natolotr'i Maria - karama mandritra ny herintaona izany. Azo inoana fa fanomezana avy amin'ilay "vata lehibe" izany. Taorian'io trangan-javatra io dia namadika an'i Jesôsy tamin'ny ampahatelon'izany vola izany mahery kely i Jodasy - avy tao amin'ilay "vata kely," dia sekely volafotsy 30 (Mat. 26:15). Mitaky fitiavana sy fanoloran-tena marina ny fanomezana avy ao anatin'ny vata lehibe - izany hoe avy amin'ny izay efa natokantsika ho antsika sy ny fikasantsika manokana. Saingy rehefa fatra-pitia vola toa an'i Jodasy isika dia mety hivarotra ny fanahintsika ho takalon'ny zavatra tsy misy vidiny.

    Voalaza im-28 ao amin'ny Testamenta Vaovao ny amin'i Barnabasy sy ny asany. Mpiara-miasa amin'ny apôstôly Paoly sy misionera lehibe no tena ahafantarantsika azy. Saingy ny fototra iorenan'izany rehetra izany dia ao amin'ilay andalanteny voalohany milaza azy. Hita ao amin'ny Asa. 4:36,37 fa tena avy tao amin'ilay "vata lehibe" no nanaovany ny fanatiny. Izany dia ohatra maneho mazava tokoa ilay tenin'i Kristy manao hoe: "Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” Mat. 6:21. 

    Nahoana ny fanatitra feno fahafoizan-tena no zava-dehibe na ho an'ilay mpanome na ho an'izay mandray izany? 

    Voarakitra ao amin'ny boky fitadidiana any an-danitra koa ny fahatokian'ireo mambran'ny ankohonan'Andriamanitra eo amin'ny fitantanam-bola. "Ilay anjely mpandray an-tsoratra dia mirakitra amim-pahatokiana ny fanatitra tsirairay atokana ho an'Andriamanitra sy arotsaka ao amin'ny trano firaketany, ary ny vokatra faran'ny vola nomena tahaka izany. Mijery tsara ny farantsa tsirairay atokana ho Azy, sy ny fahavononana na ny fisalasalan'ny mpanolotra izany, ny mason'Andriamanitra. Voarakitra an-tsoratra koa ny antony manosika hanaovana ilay fanatitra. Hovaliana soa araka ny asany ireo izay feno fahafoizan-tena sy fanoloran-tena ka namerina tamin'Andriamanitra ny Azy, araka izay notakiny tamin'izy ireo. Na dia misy mandefa any amin'ny tsy tokony ho lalany aza ny vola voatokana tahaka izany, ka tsy mahatanteraka ny tanjona noeritreretin'ny mpanome azy - dia ny voninahitr'Andriamanitra sy ny famonjem-panahy izany dia tsy ho very ny valisoan'ireo izay nanao ilay fanatitra tamin'ny fahatsoram-panahy, sy nibanjina ny voninahitr'Andriamanitra irery ihany." — TFC, b. 2, t. 518.

    "Tian'Andriamanitra mba hivavaka sy hanao drafitra ho fampandrosoana ny asany ny olona. Kanefa toa an'i Kornelio dia mila mampiray ny vavaka amin'ny fanomezana isika. Ny vavaka sy ny fiantrana ataontsika dia natao hiakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan'Andriamanitra. Ny Finoana tsy misy asa dia maty; ary raha tsy misy finoana velona dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin'Andriamanitra. Rehefa mivavaka isika dia tokony hanome izay rehetra azontsika atolotra, na amin'ny asa na amin'ny fananana, ho fanatanterahana ny vavaka ataontsika. Raha iainantsika ny finoana ka asehontsika amin'ny asa dia tsy hohadinoin'Andriamanitra isika. Voamariny avokoa ny asa tsirairay natao tamim-pitiavana sy fandavan-tena. Hanokatra lalana lzy hahafahantsika maneho ny finoantsika amin'ny alalan'ny asantsika." — AUG, 17 Jona 1903. 

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA : 

    1. Miara-dalana amin'ny vavaka ny fanolorana, amin'ny fomba ahoana? Izany hoe, ahoana no mety hanampian'ny vavakao anao hahalala izay tokony hatolotra, ny fotoana tokony hanolorana izany, ary ny habetsak'izany?

    2. Gazetiboky fanta-daza any Etazonia no nitantara ny momba ireo zatovo matihanina avy ao Wall Street izay nahazo vola be kanefa fadiranovana, tsy manam-pahasambarana, ary feno fanahrana sy tebiteby. Hoy ny iray tamin'lzy ireo: "Na mahazo tombony iray isan-jato aza aho amin'ny fandraharahana ataoko, mampaninona moa izany aorian'ny fahafatesako?" Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'izany tantara izany? Ny fanomezana, eny, na natolotra tamim-pahafoizan-tena aza, dia mety hitondra tombontsoa ara-panahy lehibe tokoa ho an'ilay mpanome, satria manampy antsika ho afaka amin'ny "fitaky ny harena" (Mat. 13:22) izany.

    3.Ao amin'ilay lahatsoratr'i Ellen G. White tetsy ambony dia mariho manokana ny amin'ilay vola "misy mandefa any amin'ny tsy tokony ho lalany." Nahoana no zava-dehibe ho antsika izay manolotra ny mitadidy mandrakariva ny fanazavany momba izany? 

    Please publish modules in offcanvas position.