Vakio ny Mar. 12:41-44. Na manan-karena isika na mahantra, inona ny hafatra azontsika raisina avy amin'io tantara io? Inona ny foto-kevitra ampianarin'izany antsika ary ahoana no ahazoantsika mampihatra izany amin'ny fanompoam-pivavahana ataontsika?
Teo an-kianjan'ny tempoly izay nisy ny vata fandatsahan-drakitra i Jesôsy sy ny mpianany ary nandinika ireo olona izay nitondra ny fanomezany avy. Tsy lavitra teo Izy ka afaka nahita mpitondratena iray izay nanolotra farantsakely anankiroa. Izay nananany rehetra no narotsany. "Fantatr'i Jesôsy anefa ny hery nanosika azy hanao izany. Nino izy fa notendren'Andriamanitra ny fanompoana tao amin'ilay tempoly, ary nahamay azy ny hanao izay farany azony atao mba hanohanana izany. Nanao izay vitany izy, ary tsangambato hotsarovany amin'ny fotoana rehetra ny fihetsika nataony sy ho fifaliany ho mandrakizay. Lasa niaraka tamin'ny fanomezany ny fony; tsy ny habetsahan'ny vola natolony fa ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny tombontsoa hitany eo amin'ny asan'Andriamanitra izay nanosika ny fihetsiny no nanombanana izany." — TFM, t. 191.
Teboka iray tena manan-danja koa ny hoe io no hany fanomezana noderain'i Jesôsy - fanomezana ho an'ny fiangonana izay efa handa Azy, fiangonana izay efa nivily lavitra ny fiantsoana sy ny asa nanirahana azy.
Vakio ny Asa. 10:1-4. Nahoana no novangian'ny anjely avy any an-danitra ny kapiteny rômanina iray? Inona ireo fihetsika roa nataony izay noraiketina any an-danitra?
Araka ny hita eto dia tsy ny vavaka ataontsika fotsiny no re any an-danitra fa voamarika koa ny antony manosika antsika hanorne. Voambara ao amin'io andalanteny io fa mpanome malala-tanana tokoa i Kôrnelio. "Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao." - Mat. 6:21. Nanaraka ny fanomezany ny fon'i Kôrnelio. Vonona ny hianatra bebe kokoa ny amin'i Jesôsy izy. Mifandray akaiky ny vavaka sy ny fiantrana ary maneho ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika - dia foto-kevitra roa lehibe ao amin'ny lalàn'Andriamanitra hoe: Tiava an'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao? - Lio. 10:27. Ao amin'ny vavaka no ahitana ny voalohany ary ao amin'ny fiantrana no ahitana ny faharoa.