Lesona 5: Ny trosa

    Hodinihana mandritry ny herinandro : Deo. 28:1,2, 12; Mat.6:24; 1 Jao: 2:15; Ohab. 22:7; Ohab.6:1-5; Deo. 15:1-5.

    Tsianjery: "Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra." - Ohab. 22:7. 

     

    Iray amin'ireo famaritana ny trosa ny hoe "mivelona sahady amin'izay heverinao ho azo amin'ny hoavy." Toa fomba fiaina mahazatra ny fitrosana amin'izao andro izao kanefa tsy tokony ho fenitra ho an'ny Kristianina izany. Tsy mampirisika ny fanaovana trosa ny Baiboly. Ao amin'ny Soratra Masina dia misy andininy 26 farafahakeliny momba ny trosa ary miiba avokoa ireo rehetra ireo. Izany akory tsy milaza fa fahotana ny findramam-bola saingy resahiny ny vokatra aterak'izany izay matetika no ratsy. Nanoro hevitra i Paoly momba ny adidy mahakasika ny vola: "Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola, hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana, tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina. Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany."- Rôm. 13:7, 8.

    Nahoana ny trosa no loza saika maneran-tany amin'ny ambaratonga rehetra - ho an'ny isam-batan'olona sy ny orinasa ary ny fitondram-panjakana? Ny fiarahamonina tsirairay dia nahitana olona nanan-trosa amin'ny isan-jato ambany farafahakeliny. Saingy ankehitriny dia ampahany betsaka amin'ny olona no manan-trosa, ary tsy ho tombontsoany na oviana na oviana izany amin'ny ankapobeny.

    Amin'ity herinandro ity isika dia hianatra ireo antony mahatonga ny trosa sy izay tokony hatao eo anatrehan'izany. Mety tsy hanana trosa ianao saingy azonao atao ny mizara izany fampahalalana sarobidy izany amin'ny fianakavianao sy ireo namanao izay mety hahazo tombontsoa amin'izany. 

    Vakio ny Deo. 28:1, 2, 12. Inona ny idealin'Andriamanitra ho an'ireo zanany momba ny trosa? Ahoana no hahatrarana izany idealy izany? Ary na dia samy hafa tanteraka amin'ny antsika aza izany tontolon-kevitra izany dia inona ireo fitsipika azontsika sintonina sy ampiharina amin'izao fotoana izao? 

    Fandinihana maro no maneho fa misy antony lehibe telo, mahatonga ny olona hanana olana ara-bola. Tanisaina eto araka ny laharan'ny fisehoany matetika izany:

    Ny voalohany dia ny tsy fahalalana. Olona maro, eny fa na ireo izay nandalim-pianarana aza no tsy mahalala na inona na inona momba ny fandraharaham-bola. Tsotra fotsiny: tsy mbola fantany ny fitsipika ara-Baiboly na ny fitsipika tsy mifandraika amin'ny fivavahana mikasika ny fitantanana ny vola. Misy fanantenana anefa ny amin'izy ireo! Ity lesona ity dia haneho amin'ny fomba tsotra ireo fitsipika sy ny fomba hampiharana izany.

    Ny antony faharoa mahatonga ny olana ara-bola dia ny fitiiavam-bola tafahoatra amin'ny fitiavan-tena. Ho setrin'ny dokam-barotra samihafa sy ho fanomezana fahafaham-po ny fanirian'ny tenany manokana dia mivelona mihoatra noho izay ananany ny olona. Tsy vonona ny hipetraka ao amin'ny trano, hitondra ny fiara ary hanao ny fitafiana mifandraika amin'izay takatry ny volany izy ireo. Betsaka amin'ireo olona ireo koa no mihevitra fa mahantra loatra izy ka tsy araka ny handoa ny ampahafolony. Vokatr'izany dia miaina ny fiainany tsy misy ny fahendrena sy ny fitahiana nampanantenain'Andriamanitra izy ireo (jereo ny Mal. 3:10, 11; Mat. 6:33). Misy fanantenana ho an'ireo olona ireo koa saingy mitaky fiovam-po izany - ary mitaky toe-tsain'ny fahalalana onony.

    Antony fahatelo mahatonga ny olona ho sahirana ara-bola ny toe-javatra ratsy manokana manjo azy. Mety ho nandalo tsy fahasalamana izy kanefa tsy nanana fiantohana ara-pahasalamana sahaza. Mety ho nilaozan'ny vady mpandanilany foana izy ireo. Mety nisy loza voajanahary namotika ny fananany. Na mety ho teraka sy nitombo tao anatin'ny fahantrana lalina izy ireo. Misy fanantenana ho an'ireny olona ireny koa. Na dia sarotra aza ny lalan'izy ireo dia azo resena ny fahasahiranany. Mety ho avy amin'ny fanohanan'ny namana kristianina ny fiovana, na avy amin'ny torohevitra sy/na fanampian'ny mpanolo-tsaina manana toe-panahy araka an'Andriamanitra, na koa avy amin'ny asa mafy ampiarahina amin'ny fanabeazana tsara, ary avy amin'ny fitahiana sy ny fitondran'Andriamanitra. Na inona na inona antony, eny fa na dia avy amin'ny fahadisoan'ilay olona aza izany, dia azo hamaivanina ny trosa. Na izany aza, ireo olona manana trosa dia tokony hitondra fanovana eo amin'ny fiainany, eo amin'ny fandaniany ary eo amin'ireo laharam-pahamehana ara-bola. 

    Vakio ny 1 Tim. 6:6-9. Inona no lazain'i Paoly eto izay tokony hotandremantsika rehetra? Inona no hevitr'ireo teny ireo ho anao, ary amin'ny fomba ahoana no ahazoanao manaraka amin'ny fomba tsara kokoa izay ampianarin'ny tenin'Andriamanitra antsika eto? 

    Olona ara-nofo isika ary miaina amin'ny tontolo materialy, tontolo izay indraindray mety hahasarika tokoa. Azo ambara fa vita an'ireny vy sy ny solitany ianao fa tsy amin'ny nofo sy rà raha toa tsy mba mahatsapa indraindray ny fisarihan'ny fananana materialy sy ny faniriana harena. Amin'ny fotoana iray na amin'ny hafa, iza no tsy efa nanonofy ho mpanankarena na hahazo amin'ny lalao ankitsapaka? Na dia miatrika izany aza isika rehetra ary tsy misy maharatsy ny fiasana mafy mba hananana fiainana tsara na mba hananan-karena, dia tsy misy amintsika tokony ho latsaka amin'ny fandrika hanao ny vola sy ny harena ary ireo fananana materialy ho sampy. Nampanantenaina antsika ny hery avy any ambony mba hitoerana ho mahatoky amin'izay fantatsika fa marina. Zava-dehibe izany satria ny fakam-panahy amin'ny harena sy ny fananana materialy dia nitarika ho amin'ny fahasimban'ny fanahy maro.

    Vakio ny Mat 6:24 sy ny 1 Jao. 2:16. Inona ny lohahevitra iraisan'ireo andininy roa ireo na dia amin'ny fomba samy hafa aza no ilazana azy?

    Mampalahelo fa mety ho mafy tokoa izany fitiavana an'izao tontolo izao izany ka mahatonga ny olona hitrosa mba hanomezana fahafaham-po, araka izay antenainy, izany fitiavana izany. (Tsy hahomby na oviana na oviana izany; jereo ny Mpitt. 4:8.) Ary satria ny trosa no iray amin'ireo fandrika velarin'i Satana amin'ny fanahy dia mazava fa tian'Andriamanitra ho afaka amin'ny trosa ny zanany. Nanome antsika torohevitra avy ao amin'ny Baiboly sy ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana lzy, izay hitarika antsika ho amin'ny fahafahana ara-bola.

    Vakio ny Sal. 50:14,15. Inona ny toe-tsaina tokony hiveloman'ny vahoakan'Andriamanitra? Inona no hevitry ny hoe "manefa ny voady?" 

    Tonga mambran'ny fiangonana isika amin'ny fiderantsika sy ny fisaorantsika ilay Andriamanitsika izay namorona sy nanavotra antsika. Ao amin'ny teboka fahasivy (amin'ireo 13) ao amin'ny faneken'ny batisa dia nanontaniana isika hoe: “mino ny fandaminana ao amin'ny fiangonana ve ianao? Tanjonao ve ny hiankohoka amin'Andriamanitra sy ny hanohana ny fiangonana amin'ny alalan'ny ampahafolony sy ny fanatitra atolotrao ary avy amin'ny ezaka sy ny hery miasa mangina avy aminao?" Amin'ny maha-Advantista mitandrina ny andro fahafito antsika dia nanao "eny tompoko" avokoa isika rehetra. Noho izany, io andalanteny io (Sal. 50:14,15) dia teny fampanantenana ho an'izay manolotra fisaorana ho an'Andriamanitra sy manefa amim-pahatokiana ny voadiny. 

    Inona no asehon'ny safidinao momba ny fahafahanao miatrika ny fitaoman'izao tontolo izao? Nahoana no tsy voatery hitovy amin'ny fanaovana ny harena na ny vola ho sampy ny fiasana mafy mba hanana fiainana tsara? Ahoana no ahafahantsika mianatra manavaka ireo? 

    Vakio ny Ohab.22:7. Amin'ny fomba ahoana no mahatonga antsika ho eo ambanin'ny fanandevozan'ny mpampindram-bola? 

    Ahoana no hahafahantsika miala amin'io trangan-javatra mampalahelo io? Raha manan-trosa ianao, ity kisarisary manaraka ity dia hanampy anao hanomboka dingana hahafoana ny trosa. Tsotra ny drafitra. Ahitana fototra iaingana sy dingana telo izany.

    Ny fototra iaingana dia fanoloran-tena ho an'Andriamanitra mba ho mahatoky amin'ny famerenana ny ampahafolony masina hahazoana ny fahendreny sy ny fitahiany. Tsy andriny izay hitahiana ireo mankatò Azy.

    Ny dingana voalohany dia ny fanambarana fe-potoana aminireo trosa fanampiny: tsy manao fandaniam-bola intsony. Raha tsy mindram-bola ianao dia tsy hidiran-trosa mihitsy. Raha tsy mindram-bola bebe kokoa intsony ianao dia tsy hanana trosa mihitsy.

    Ny dingana faharoa dia ny fanaovana fanekena amin'Andriamanitra fa manomboka izao, araka ny fitahiana izay hataony aminao, dia handoa ny trosanao haingana araka izay azonao atao ianao. Rehefa mitahy anao ara-bola Andriamanitra dia ampiasao izany vola izany hampihenana ny trosanao fa tsy hividiana zavatra bebe kokoa. Io angamba no lehibe indrindra amin'ny dingana rehetra. Rehefa mahazo vola tsy nampoizina ny ankamaroan'ny olona dia mandany izany tsotra izao. Aza manao toy izany; ampiasao amin'ny drafitrao hampihenana ny trosa izany. 

    Ny dingana fahatelo dia ny fampiharana. Ataovy lisitra ny trosanao rehetra, avy amin'ny be indrindra ka hatramin'ny kely indrindra araka izany filaharana izany. Ho an'ny ankamaroan'ny fianakaviana dia ny antoka ho an'ny trano no lohalaharana , araka ny kara-pitrosana na ny trosan'ny tena manokana no any amin'ny faranny lisitra. Atombohy farafahakeliny amin'ny fandoavana ny kely indrindra arnin'ireo trosanao isam-bolana izany. Manaraka izany, ataovy avo roa heny na ampitomboy ny fandoavanao amin'ny fomba rehetra azonao atao ireo trosa voasoratra eo ambanin'ny lisitra. Ho talanjona ianao ny amin'ny hafainganan'ny fahafahanao manaisotra ireo trosa kely indrindra. Rehefa izay, ampiasao ny vola izay nandoavanao ny trosa farany mba hanampiana amin'ny fandoavana ny trosa manaraka arakaraka ny hiakaranao eo amin'ilay lisitra. Rehefa manala  ny trosa kely kokoa amin'ny tahan-jana-bola ambony ianao dia mahafaka vola be azo apetraka hanefana ny trosa ambonimbony kokoa amin'ny manaraka.

     Mazava fa tsy tian'Andriamanitra ny hananantsika trosa. Rehefa vita ny fanekena dia fianakaviana maro no mahatsapa fa mitahy azy ireo amin'ny fomba tsy ampoizina Andriamanitra ary mihena haingana kokoa noho izay niheverana azy ny trosa. Fianakaviana maro no afaka tamin'ny trosa noho ny fanarahana ireo dingana trosa telo ireo. Azonao atao koa izany! Amin'ny fametrahana an'Andriamanitra ho lohalaharana dia handray ny fahendreny sy ny fitahiany ianao mba hitantanana izay nankininy taminao.

    "Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory."- Heb. 13:6. Hanampy ny olona hisoroka ny fitrosana ny fampiharana ireo teny ireo, amin'ny fomba ahoana? 

    Mazava ny ambaran'ny Baiboly: tsy tian'Andriamanitra ny hahatongavan'ny zanany ho tompon'andraikitra amin'ny trosan'ny hafa. Ao amin'ny bokin'ny Ohabolana dia mampitandrina antsika ny amin'ny fanaovana antoka ny Tompo, izany hoe ny fiarahana manao sonia na ny fiantohana ho tompon'andraikitra ho an'ny olona hafa.

    Vakio ny Ohab. 6:1-5, Ohab. 17:18 ary ny Ohab. 22:26. Inona ny hafatra eto? 

    Ny fiantohana dia mitranga matetika rehefa misy olona iray tsy manam-bola mitady hahazo fampindramam-bola any amin'ny toerana fanaovana izany kanefa tsy mahafeno ireo fepetra takina. Hilaza amin'ilay olona ny tompon'andraikitra amin'ny fampindramam-bola fa raha mampanao sonia namana iray manam-bola izy dia hampindramam-bola azy ny banky ary hitazona ilay mpiara-manao sonia ho tompon'andraikitra raha misy ny olana.

    Indraindray mety hisy mambran'ny fiangonana ho tonga ao aminao ary mangataka anao mba hiara-manao sonia aminy. lzao manaraka izao no tokony ho valinteninao: "Ny Baiboly dia milaza fa tsy tokony hanao izany na oviana na oviana aho. Aoka ho fantatrao fa ny Baiboly dia mampirisika antsika hanampy ireo olona mila fanampiana saingy tsy tokony ho tonga tompon'andraikitra amin'ny trosany isika.

    Indraindray ny tanora mangataka ny ray aman-dreny mba hanao sonia amin'ny fividianana ny fiarany voalohany. Na koa ireo zanaka efa lehibe kokoa dia mangataka amin'ireo ray aman-dreniny hanao findramam-bola hanaovany fandraharahana. Mitovy ny valinteny asetry izany. Mety ny manampy ny hafa raha tena ilainy izany, saingy aza miditra ho tompon'antoka amin'ny trosan'ny hafa Fanadihadiana maro no maneho fa ny 75% amin'ireo olona nanao fiantohana dia nandoa izany vola izany tamin'ny farany!

    Vakio ny Ohab. 28:20 sy ny 1 Tim. 6:9,10. Inona no fampitandremana eto? 

    Fandrika ara-bola iray hafa koa ny tetikasa fahazoana harena haingana; saika azo antoka amin'ny fitondrana ho amin'ny fahapotehana ara-bola ho an'ireo izay manaiky izany izy ireny. Rehefa heverina ho filaza masaka izany dia azo antoka fa izany tokoa no izy. Olona maro no voaratra ara-pihetseham-po sy misetra olana ara-bola. Zava-doza iray hafa amin'ireo drafitra feno hafetsena ireo, amin'ny toe-javatra maro samihafa, ny findramanhy olona iray vola mba hidirany amin'izany. Fiainana sy fianakaviana maro no potika noho ny tetikasa ahazoan-karena haingana izay miafara amin'ny fampananan-karena fotsiny ilay mpanao hosoka izay mamolavola ny tetika, fatiantoka ho an'ireo latsaka ao anatin'ny fandriny izany. Raha misy namana na olon-tianao miezaka ny hampiditra anao amin'ireny tetikasa ireny dia mandositra. Aza mankany. Mandosira haingana araka izay azonao atao. 

    Vakio ny Deo. 15:1-5. Inona no notakin'ny Tompo tamin'ny vahoakany araka ny ambaran'ireo andininy ireo? 

    Mifaranaka amin'ireo lalana hafa momba ny fito taona (Eks. 21:2; Lev. 25:3,4), dia tsy ny andevo na ny mpanompo sy ny tany ihany no niharan'izany fitsipika izany fa ireo mpampindram-bola koa. Satria tsy te hamafa ireo trosa ny mpampindrana dia fito taona no fe-potoana lava indrindra ho an'ny trosa. Na inona na inona azontsika raisina avy amin'ireo andininy ireo, dia maneho amintsika izany fa ny Tompo dia nihevitra ny resaka ara-bola toy izany, indrindra raha nahakasika ireo samy lsiraelita izany. lreo andininy ireo koa dia maneho fa manaiky ny fisian'ny trosa ny Tompo na dia ratsy aza izany amin'ny ankapobeny. Notsipihiny koa fa tokony hosorohina araka izay azo atao izany.

    Ankehitriny anefa, any amin'ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao, ny fampindramam-bola ho amin'ny fividianana trano dia mivelatra ao anatin'ny 30 na 40 taona. Ny antony iray mahatonga ny trano ho lafo vidy dia ny fisian'ny vola azo indramina mba hanolorana fampindramam-bola hividianana izany.

    Mandritra izany fotoana izany, olona maro, sy ray aman-dreny ary mpianatra maro no manontany tena momba ny findramam-bola ho an'ny fianarana. Araka ny fitsipika ankapobeny, ny fahazoana diplaoma eny amin'ny anjerimanontolo no manatsara ny fahafahan'ny olona iray mahazo vola ho an'ny androm-piainany sisa. Mety tsy maintsy mindram-bola ny olona sasany mba handoavany ny saram-pianarany saingy hazony ao an-tsaina ireto toe-javatra manaraka ireto. Mila mamerina izany miaraka amin'ny zanabola ianao. Miezaha hahazo ny fanampiana sy ny vatsim-pianarana rehetra mety ho azonao. Miasà ary tehirizo izay azonao atao ho an'ny fianaranao. Aza manaraka fampianarana izay tsy hitarika ho amin'ny fahazoana asa. Mangataha fanampiana amin'ireo ray aman-dreny. Tamin'ny andron'ny Baiboly dia nanome tany azo ambolena ho an'ireo zanany ny ray aman-dreny mba hahazoan'izy ireo mamelona ny tenany. Ankehitriny, dia tokony ny fampianarana io "lova" io mba hahatongavany ho olon-dehibe mahaleo tena.

    Ao amin'ny tontolo tsara indrindra dia tsy hisy findramam-bola na trosa. Saingy satria tsy miaina ao amin'ny tontolo tsara indrindra isika dia mety ho tonga ny fotoana hilana findramam-bola. Ataovy azo antoka fotsiny ny hahazoana ny tolotra tsara indrindra araka izay azo atao miaraka amin'ny tahan-janabola tsara indrindra. Manaraka izany dia indramo ny vola kely indrindra ilainao ary avereno haingana indrindra araka izay azo atao izany mba hanaovana tahiry ny amin'ny vola aloa ho an'ny zanabola. Ankapobeny anefa, tokony hisoroka ny trosa araka izay tratry ny olombelona isika ary amin'ny fanarahana ireo fitsipika ara-bola ao amin'ny Baiboly eo amin'ny fiainantsika andavanandro dia betsaka no azontsika atao hisorohana ireo trosa tsy ilaina sy ny vesatra aterak'izany eo amintsika sy ny fianakaviantsika. 

    Raha nampindram-bola olona ianao, olona marina sy mahitsy ary tsara toetra manao ahoana ianao amin'ny fifandraisanao amin'izy ireo? Ahoana no haha-marina anao eo anatrehan'Andriamanitra rehefa tsy maintsy hamaly ny amin'ireo zavatra ireo ianao? (Jereo ny Mpitt. 12:14.)

    Ao amin'ny pejy nosoratan'i Ellen G. White no ahitana ireo dingana telo ho fanafoanana ny trosa. Nasongadina ireo teboka manan-danja amin'izany. "Aoka ho tapa-kevitra ny tsy hiditra trosa hafa intsony. Mandava tena an'arivony toy izay handeha hitrosa. Ozona eo amin'ny fiainanao ny fidiranao amin'ny trosa. Sorohy tahaka izay ataonao amin'ny aretina nendra izany." Manaova fanekena amin' Andriamanitra fa handoa ireo trosanao ianao noho ny fitahiany, ary aoka tsy hananan'olana na inona na inona intsony ianao, na dia tsy hihinana afa-tsy sakafo tsotra indrindra aza. (...) Mandrosoa, aza kivy na miverin-dalana. Mandava ny fitiavan-komana sy ny fanomezana fahafaham-po ny hatendan-kanina, tehirizo ny volanao madinika indrindra ary aloavy ny trosanao. "Ataovy izay hahafahana tanteraka amin'izany amin'ny fomba haingana araka izay azo atao. Rehefa azonao atao ny hiseho indray toy ny olona afaka, tsy ananan'olona na inona na inona, dia hahazo fandresena lehibe ianao."— CS, t. 257. 

    Raha mila fanampiana fanampiny ianao hialana amin'ny trosa dia andramo ireto teboka manaraka ireto: Manaova tetibola, manaova tetibola tsotra amin'ny fandraisanao an-tsoratra ny fidiram-bolanao sy ny fandanianao/zavatra vidinao rehetra mandritra ny telo volana. Betsaka no ho gaga ny amin'ny fahitana ireo vola izay laniny amin-javatra tsy ilaina. Poteho ireo kara-pitrosana. Ny kara-pitrosana no iray amin'ireo antony fototra mahatonga ny fianakaviana maro hiditra amin'ny trosa. Tsotra ny fampiasana azy ireny kanefa sarotra ny famerenana ny vola amin'izany. Raha hitanao fa tsy mahaloa ny fitambaran'ny karatrao ianao isam-bolana na mampiasa izany mba hividiana fitaovana izay tsy ho novidinao tamin'ny fomba hafa, dia tokony hamotika ireo kara-pitrosanao ianao mialoha ny hanimbany anao na hanimbany ny tokantranonao na izy roa. Manomboha mandray fepetra ara-bola. Tsy azontsika an-tsaina indraindray izay vola mety ho azontsika tehirizina eo amin'ny fandaniantsika isam-bolana raha toa mitandrina ireo zavatra kely vidintsika isika. Mitambatambatra amin'ny fomba haingana izany. 

    Fanontaniana hifanakalozan-kevitra : 

    1. Mahavariana ny habetsaky ny trosa ananan'ny firenena maro sy ny isam-batan'olona. lnona ny fanandramana niainanao ny amin'ny trosa sy ny olana naterak'izany ho anao na ho an'ny hafa?

    2. Inona no azon'ny fiangonana misy anao atao mba hanampiana ireo mambra hianatra hitantana ny trosa na ireo olana ara-bola ankapobeny?

    3. Inona avy ireo teny fikasana ao amin'ny Baiboly azonao angatahina mba hiaro anao amin'ny fanintonan'izao tontolo izao sy ireo loza ara-bola mety hateraky ny fitiavan-karena tafahoatra? 

    Please publish modules in offcanvas position.