Vaovao Madagasikara

    Lesona 6: Mihary harena any an-danitra

    Hodinihana mandritra ny herinandro : Gen. 6: 5-14; Heb. 11: 8-14; 2 Kôr. 4:18; Gen.13: 10-12; Gen.32: 22-31; Heb. 11: 24-29.
    Tsianjery : "Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?" - Mar. 8:36,37.

     

    Nanome antsika ny paik'ady tsara indrindra amin'ny fampiasam-bola i Jesôsy raha nilaza hoe: "Aza mihary harena ho anareo ety an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra." - Mat. 6:19,20. Hoy i Jesôsy namarana ny teniny: "Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao." - Mat. 6:21. Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia hoy Izy: "asehoy ahy izay andanianao ny volanao dia hasehoko anao ny toerana misy ny fonao satria any amin'izay toerana ametrahanao ny volanao no azo antoka fa ironan'ny fonao, ary mety efa any aza izy."

    Tianao ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ve ny fonao? Raha izany no izy dia apetraho eo amin'ny toerana izay hahafahanao mijinja vokatra sy valisoa mandrakizay ny volanao. Atokany ho an'ny asan'Andriamanitra ny fotoanao sy ny volanao ary ny vavakao. Raha manao izany ianao, tsy ho ela dia ho liana kokoa amin'izany asa izany ka hanaraka koa ny fonao.

    Amin'ity herinandro ity isika dia handinika ireo andalanteny sy ireo fanoharana izay maneho amintsika ny fomba ihariana harena any an-danitra sy hahazoana valisoa mandrakizay amin'ny farany.

    Tsara homarihina fa ireo izay mikatsaka ny harena any an-danitra dia antsoin'Andriamanitra matetika mba hanao fanovana lehibe eo amin'ny fiainany eto an-tany. Mivonona hiatrika ny toy izany, raha ilaina.

    Vakio ny Gen. 6:5-14. Inona ny fanovana lehibe nitranga teo amin'i Noa noho ny fankatoavany an'Andriamanitra? Inona ireo foto-kevitra mety ho an'ny antsika eto, izay ao anatin'ny tontolo mila fampitandremana ny amin'ny loza mitatao?

    Azon'i Noa natao ny nanokana ny fotoany sy ny fananany hanamboarana trano saingy nifidy ny hanova tanteraka ny fiainany izy sy hanokana 120 taona amin'izany fiainany izany hankatoavana ny antson'Andriamanitra tamin'ny fanamboarana ny sambofiara.

    Maro ankehitriny ireo tsy mino sy mihevitra ny tantaran'ny Safodrano ho toy ny angano, ka matetika ny fanambaran'ny siansa momba ireo lalan'ny zavaboary izay efa fantatra, no entiny manohana izany. Tsy zava-baovao izany. "Ireo olona [...] dia nanizingizina fa tsy mety hiova na oviana na oviana ny lalan'ny zavaboary; ary porofon'izany, hoy izy ireo, dia taona ara-potoana ny fizaran-taona; ao koa ny ony izay mivarina mandrakariva any an-dranomasina.

    Tsy nisy orana tamin'izany fotoana izany, fa ando sy zavona no nampahavokatra ny tany." - PM, t. 74. Nialoha ny Safodrano, noho ny fahadisoan-keviny momba ny zava-nisy, dia naneho hevitra ny olona fa tsy hisy mihitsy izany Safodrano izany; taorian'ny safodrano kosa, noho ny fahadisoan-keviny momba ny zava-misy, dia milaza izy ireo fa tsy mbola nitranga velively izany. Ny Baiboly koa dia milaza fa tsy hino ireo tranga hiseho amin'ny andro farany ny olona, tahaka izay efa nataony momba ny Safodrano ihany (Jereo ny 2 Pet. 3:3-7). Ahoana ary no hiomanantsika amin'ny fandringanana ho avy? Misy ilay fanapahan-kevitra atao amim-pisainana antsoina hoe "fahafaham-po andrasana ela." Ny tena hevitr'izany dia izao: tokony hanam-paharetana isika eo am-panaovana ny asa niantsoan'Andriamanitra antsika sady manantena valisoa be voninahitra kokoa amin'ny hoavy. Tsy fantatsika ny fotoana hiavian'i Kristy. Tsy zava-dehibe izany amin'ny lafiny iray. Fa ny tena manan-danja dia ny manao izay asain'Andriamanitra ataontsika eo am-piandrasana, tahaka an'i Noa, na dia midika ho fiovarn-plainana tanteraka aza izany, toy izay nitranga tamin'i Noa. 

    Mety ho vonona ve ianao hanao fanovana lehibe eo amin'ny fiainanao ho an'Andriamanitra raha antsoina hanao izany, tahaka an'i Noa? (Jereo ny Lio, 16:10.)

    Niantso an'i Abrama handao ny taniny sy ny fianakaviany Andriamanitra ho any amin'ny tany izay hasehony azy. Na tsy nomena aza ny tsipiriany dia nila nandao ilay tany nahaterahany sy nandaniany ireo taona voalohany niainany i Abrama. Azo antoka fa tsy mora ny nandray izany fanapahan-kevitra izany ary tsy isalasalana fa nafoiny ny fahafinaretan'ny tany sasany sy ny fiadanany mba hahavitana izany.

    Vakio ny Gen. 12:1-3. Tamin'ny fomba ahoana no nitahiana "ny firenena rehetra ambonin'ny tany' vokatr'io teny fikasana io sy ny fanekena izany? Toe-javatra lehibe izay nanova ny fiainan'i Abrama sy ny ankohonany izany.

    "'Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.' Ny fankatoavana feno sady dodona nasehon'i Abrama no anankiray amin'ny ohatra tsara indrindra ao amin'ny Baiboly maneho ny tena finoana marina." - PM, t. 106. Tsy hanam-paniriana handao ny tanintsika, na ny namantsika, na ny fianakaviantsika ny maro amintsika. Kanefa nataon'i Abrama izany. Nahafa-po an'i Abrama ny ho eo amin'ny toerana tian'Andriamanitra hisy azy. Tsy mba nahazo izany tany izany mihitsy na i Abrama, na i Isaka, na i Jakoba, fahavelon'izy ireo, saro-takarina tokoa izany na izany aza dia nitoetra ho mahatoky tamin'Andriamanitra hatrany izy ireo.

    Vakio ny Heb. 11:8-13. lnona ny hafatra ho antsika eto?

    Andriana no nahafantaran'ireo manodidina azy an'i Abrama. Fantatry ny olona ny fahalalahan-tanany, ny herim-pony, ny fahaizany mandray vahiny, ary ny fanompoany an'Andriamanitra Avo Indrindra. Faka tahaka ny fijoroany ho vavolombelona ho an'Andriamanitra. Mpandova an'i Abrahama isika noho ny fahasoavan'Andriamanitra. "Dia tahaka an'i Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany. Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama." - Gal. 3:6,7. "Fa raha an'i Kristy hianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana." - Gal. 3:29. Hitantsika eto fa i Abrahama, tahaka an'i Noa, dia olona nandray fanapahan-kevitra izay nanova tanteraka ny flainany noho ny fankatoavany an'Andriamanitra. 

    Vakio ny 2 Kôr. 4:18. Tsy tokony hisy akony eo amin'ny karazana fanapahan-kevitra ara-panahy raisintsika ve ny hafatra ao amin'io andininy io?Amin'ny fomba ahoana? Ahoana no naneken'i Mosesy sy i Abrahama io foto-kevitra io?

    Rehefa niala ny taniny ho valin'ny antson'Andriamanitra i Abrama dia nanapa-kevitra ny hiaraka aminy amin'ny fivahiniana ataony Lota zana-drahalahiny. Voalaza ao amin'ny Gen. 13 fa nitahy an'i Abrama Andriamanitra ka "nanana harena be, dia omby aman'ondry [izany no tena nanombanana ny haren'ny olona teo amin'izany kolontsaina izany] sy volafotsy ary volamena izy - Gen. 13:2. I Lota koa dia "nanana ondry sy omby sy lay." - Gen. 13:5. Nanjary nanan-karembe izy ireo niaraka tamin'ireo andiam-bibiny izay nitombo marobe ka tsy afaka niara-nonina intsony. Mba hisorohana ny ady teo amin'ireo mpiandry ondrin'izy ireo dia nanome safidy an' i Lota i Abrama ny amin'izay toerana tiany honenana. Mazava loatra fa tokony ho nandà ny tolotra nomen'i Abrama, izay zokiolona noho izy, i Lota, sady ny fifandraisany tamin'i Abrama no nahazoany ireo fananany ireo. Na izany aza dia tsy naneho fankasitrahana an'ilay mpanao soa azy izy fa nalainy tamim-pitiavan-tena izay noheveriny ho tany tsara indrindra.

    Vakio ny Gen. 13:10-12. Inona ireo antony mitombina mety ho nahatonga an'i Lota handray izany fanapahan-keviny izany?

    Na dia azon'i Lota nohamarinina mora foana aza ny fanapahan-keviny honina tao amin'ilay tanan-dehibe dia tsy nahatsara azy loatra ny fizotry ny toe-javatra tao, ary rehefa ren'i Abrama izay nanjo azy dia tsy niteny nandatsa azy izy ka nanao hoe "indrisy ry Lota fa mijinja izay nafafinao ianao." Mifanohitra amin'izany, tonga namonjy azy izy (jereo ny Gen. 14). 

    Indraindray, rehefa mitady zavatra be kokoa hatrany isika dia tsymandray tsara ny lesona omena antsika. Niverina tanteraka tany Sodôma i Lota! Saingy noho ny famindrampony lehibe dia naniraka mpitondra hafatra fampitandrernana ho an' i Lota sy ny ankohonany Andriamanitra mba hilaza amin'izy ireo ny amin'ny fandravana ny tanàna.

    Vakio ny Gen. 18:20-33. Inona no nolazain'Andriamanitra tamin'i Abrahama ho anton'ny famangiany teto an-tany? lnona no nasetrin'i Abrahama ilay vaovao ny amin'ny fikasan'Andriamanitra handrava ireo tanàna ratsy ireo?

    Noho ny ahiahin'i Abrahama momba an'i Lota sy ny ankohonany dia niady varotra tamin'Andriamanitra izy mba tsy handravana ny tanàna raha misy olona marina hita ao. Nanomboka tarnin'ny 50 izy ka nidina hatramin'ny 10. Araka ny maha-fitiavana an'Andriamanitra dia tsy nitsahatra ny famindrampony mandra-pitsahatr'i Abrahama tsy nangataka izany! Andriamanitra sy ireo anjely maro  no nanavotra mivantana an'i Lota sy ny vadiny ary ireo zanany mirahavavy. Saingy niherika ny vadin'i Lota ka tonga vongan-tsira. Niditra tao Sodoma niaraka tamin'ny fananana be i Lota ary nivoaka avy tao saika tsy nanana na inona na inona. Mila mitandrina tokoa isika amin'ny karazana fanapahan-kevitra raisintsika, indrindra andrao isika tsy mihevitra afa-tsy izay ho tombontsoantsika ao anatin'ny fotoana fohy ka tsy mitsinjo lavitra any amin'izay hiafarantsika. (jereo ny Mar. 8:36,37). 

    Tia sady natahotra an' Andriamanitra i Jakôba, kanefa dia niray tetika tamin'i Rebeka reniny mba hamitaka ny rainy hahazoany ny tsodranony. Vokatr'izany dia lalan-tsy izy no nanombohany ny fiainany tamin'ny maha-olon-dehibe azy; tsy maintsy nandositra izy, ary angamba ho faty mialoha ny fotoana. Hoy i Rebeka tamin'i Jakôba: " mandosira ho any amin'i Labana (...) Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao, (...) dia haniraka aho ka hampaka anao any." - Gen. 27:43-45. 20 taona no nandehanan'i Jakôba ary tsy nahita tava ny reniny intsony izy.

    Vakio ny Gen. 32:22-31. Inona no mitranga amin'i Jakôba eto, ary inona ny lesona ara-panahy azontsika raisina avy amin'io tantara io momba ny fahasoavan'Andriamanitra na dia ratsy aza ny fanapahan-kevitra raisintsika?

    "Tamin'ny alalan'ny fanetren-tena sy ny fanoloran-tena tanteraka dia nandresy ny Mpanjakan'ny lanitra ilay olona mety maty, mpanota mahantra sy mangozohozo. Tamin'ny tanany feno hovitra no nifikirany tamin'ny teny fikasan 'Andriamanitra; tsy afaka nandà ny antson'ilay nitaraina ny fon'llay Fitiavana tsy hita polopolorina. Niharihary teo anatrehan'i Jakôba izao ny haratsian'ny fitaka nataony mba hahazoany ny fizokiana. Tsy ampy ny fahatokiany an'Andriamanitra ka niezaka izy hanatratra samirery ny teny fikasana izay nokendren'ny Tompo hotanterahina amin'ny ora sy fomba mahamety azy. (...) Dia nahazo ny fitahiana niriny fatratra i Jakôba. Ny ota izay nilazana azy hoe mpamingana sy mpamitaka dia voavela." - PM, tt. 181,182.

    Vakio ny Gen. 49:29-33. Na dia tsy nisy fananan'i Jakôba intsony aza tany Kanana, dia inona ny toromarika nomeny ireo zanany momba ny fandevenana azy? Iza ihany koa no nalevina tao amin'io zohy io? Araka ny hevitrao, nahoana i Jakôba no nanao io fangatahana io?

    Mampahafantatra antsika ny Baiboly fa ireo patriarika anankitelo sy ny vadiny avy dia milevina ao amin'ny zohy iray ihany. Nahery ny fahatokian'i Jakôba an'Andriamanitra ary nihevitra ny tenany ho vahiny sy mpivahiny teto ambonin'ny tany izy (jereo ny Heb. 11:13). Na teo aza ny fahadisoany, tsy nanana na inona na inona izy raha niala ny taniny, fa niaraka tamin'ny harem-be kosa izy raha niverina tany Kanana.

    Na eo aza ny fahadisoantsika dia mbola afaka mitahy antsika ihany Andriamanitra. Saingy tsara kokoa ny misoroka ny fahadisoana dieny eo am-piandohana! Inona avy ireo safidy manoloana anao ankehitriny, ary ahoana no hahaizanao miala amin'ny safidy ratsy?

     

    Nisongadina tao amin'ireo taona voalohan'ny tantara masina ny toetran'i Mosesy. Voaro ny ainy noho ny fitondran'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny reniny be herim-po sy finiavana, ary ny anabaviny mpikarakara. Rehefa hitan'ny zanakavavin'i Farao tao anaty fiara zozoro i Mosesy zaza dia nangataka an'ilay reniny hebreo izy mba hitaiza an'i Mosesy ary nanome karama azy mba hanaovany izany. Fitahiana ao anatin'ny zava-tsarotra re izany ho an'ny renim-pianakaviana tanora izay natao sesitany sy andevo! Roambinifolo taona monja no nananan'i Jokebeda hampianarana ny zanany hivavaka, hatoky an'Andriamanitra sy hanome voninahitra Azy, ary hamolavolana ny toetrany ho amin'ny fiainam-panompoana. Nandritra ny taona maro no nanofanana an'i Mosesy tao an-dapan'i Egipta. "Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny Egyptiana, ary nahery tamin'ny teniny sy ny asany izy." - Asa. 7:22. Rehefa nihamatotra i Mosesy ka tonga lehilahy lehibe dia nandray fanapahan-kevitra tamim-pisainana tsara izy izay nanova ny fiainany sy ny fizotry ny tantara.

    Vakio ny Heb. 11:24-29. Saintsaino ny amin'izay nafoin'i Mosesy sy izay tsy maintsy natrehiny ho solon'izany. Meteza ho eo amin'ny toerany, dia talohan'ny nanaovany safidy. Inona no nilaozany ary inona no nofidiny hekena rehefa nandao izy? 

    Raha tsy izy angaha no natanjaka indrindra, dia anisan'ny fahefana natanjaka indrindra teto an-tany fahiny i Egipta tamin'ny androny. Nahalonaka an'i Egipta ny renirano Neily ka nahatonga azy ho tany nahavokatra be, ary firenena nanan-karena sy natanjaka; i Mosesy no tokony ho nanapaka izany fanjakana izany. Sarotra ny mahazo sary an-tsaina ny hamafin'ny fakampanahy mety ho nahazo azy nandritra ireo taona voalohany niainany teo anivon'ny tontolon'i Egipta sy ny hareny mahasarika. Inoana fa nanintona azy ny fanomezam-boninahitra, ny fahafinaretana ary ny harena tao. Tsy isalasalana fa mety ho mora taminy tokoa ny nanamarina ny fijanonany tao toy izay hidi-kizo ho any amin'ny andevo natao tsinontsinona.

    Na izany aza, inona no nataony? Araka ny ambaran'ny Soratra Masina dia nifidy "hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin'ny fahotana izy - Heb. 11:25. Dia fahoriana re izany! Ampahany lehibe amin'ny bokin'ny Eksôdôsy no mitantara ny tolona sy ny fitsapana nahazo an' i Mosesy, ary na teo aza ny zavatra rehetra niaretany dia tsy afaka niditra ny Tany nampanantenaina akory izy (jereo ny Nom. 20:12). Saingy fantatsika rehetra fa nony farany dia hita ho nanao ny safidy tsara i Mosesy, na dia inoana aza fa nanontany tena izy indraindray raha tena nanao izany marina. 

    Raha araka ny fomba fijerin'izao tontolo izao dia tokony ho nitoetra tao Egipta i Mosesy. Kanefa, amin'ny maha-Kristianina antsika, dia naseho antsika ny zava-misy marina izay mitondra antsika lavitra any ankoatra ity tontolo ity. Rehefa maka fanahy antsika izao tontolo izao, ahoana hananantsika fomba fijery mahatsinjo lavitra mandrakariva? Nahoana no tena zava-dehibe ny hanaovantsika izany? 

    Nanefa ny anjarany tamin'ilay fanekena Andriamanitra tamin'ny nitahiany an'i Abrahama. Ary nanome voninahitra an'Andriamanitra i Abrahama tamin'ny tsy nihariany harena teto an-tany. "Ny valisoa nampanantenain'Andriamanitra ny vahoakany dia tsy eto amin'izao tontolo izao. Tsy mba nanana na inona na inona teto Abrahàma, na dia eram-paladia akory aza.' Nanan-karem-be izy ary nampiasa izany hareny izany ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy ho fanasoavana ny namany. Fa tsy mba noheveriny ho toy ny tanindrazany ity tany ity. Andriamanitra no efa niantso azy handao ireo mpiray tanàna taminy, izay samy mpanompo sampy, ary nampanantena azy ny tany Kanana ho lovany mandrakizay. Na ny tenany anefa, na ny zanany, na ny zafiny, dia samy tsy nisy nahita ny fahatanterahan 'izany teny fikasana izany. Rehefa nandevina ny vadiny izy, dia voatery nividy fasana tamin'ny Kananita tompon-tany. Lay zohy fandevenana tao Makpela no hany mba fananany teo amin'ilay tany nampanantenaina" - PM, t. 152. 

    Alaim-panahy hitady harena sy fahafinaretana isika indraindray eo amin'ny fiainantsika. Mitaky finoana matanjaka ny fahazoana ilay "fahafaham-po andrasana na." " voatolotra ho azy (an'i Mosesy) ny seza fiandrianana sy ny lapa soan'i Farao. Nahalala ny fahotana sy ny tsy fitiavam-bavaka izay nanjaka teo amin'izany toerana feno fakam-panahy izany anefa izy. Tazany manangasanga any ankoatry ny lapa tsara tarehy sy ny satroboninahi-panjakana ny voninahitra tsy rnanam-paharoa izay hasatroka ny olo-masin'ny Avo Indrindra any amin'ny fanjakana madio sy masina. Tsinjony ny satroboninahitra tsy mety lo izay hapetraky ny Mpanjakan'ny lanitra eo amin'ny handrin'ny mpandresy. Nohafanain'izany finoana izany ny fony, ka nilaozany ireo lehibe ireo teto an-tany fa lasa izy nikambana tamin'ilay vahoaka mahantra sy mavomavo ary natao tsinontsinona izay mankatò an'Andriamanitra fa tsy nandà Azy." - PM, t. 233. 

    Fanontaniana hifanakalozan-kevitra : 

    1. Inona no hitranga amin'ny fananantsika rehefa tonga i Jesôsy? (Jereo ny 2 Pet. 3:10.) Raha ny marina, inona no mety hitranga amin'ireny na dia mialoha ny fiavian'i Jesôsy aza? (Jereo ny Mat. 6:20.) Nahoana, araka izany, no zava-dehibe ny manana fijery marina araka ny tokony ho izy momba ireny zavatra ireny?

    2. Nampitandrina ny amin'ny "fitaky ny harena" i Jesôsy (Mar. 4:19). Inona no lazainy? Ahoana no ahafahan'ny harena mamitaka antsika?

    3. Resaho ao amin'ny kilasy ny mety ho nanamarinan'i Mosesy ny fijanonany ao Egipta, ka tsy ho nandaozany ny zavatra rehetra mba handosirany miaraka amin'ny andian'andevo any amin'ny tany efitra karankaina. Inona no azo antoka fa nanosika azy hanapa-kevitra tsy hanao izany? 

    Please publish modules in offcanvas position.