Lesona 7: Amin’ireto kely indrindra ireto

    Hodinihana mandritry ny herinandro : Lio. 4: 16-19, Isa. 62:1,2; Deo. 15:11; Mat. 19: 16-22; Lio. 19: 1-10; Joba 29: 12-16.
    Tsianjery: "
    Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao. - Mat. 25:34.

    Ny Baiboly dia miresaka matetika momba ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Azo heverina fa io sokajy io no nantsoin'i Jesôsy hoe "rahalahiko kely indrindra" (Mat. 25:40).

    Ahoana no ahazoantsika mamantatra ireo olona ireo ankehitriny? Ny vahiny tamin'ny andron'ny Baiboly dia ireo izay tsy maintsy nandao ny taniny, mety vokatry ny ady na ny mosary. Ny mitovy amin'izany ankehitriny dia ireo mpitsoa-ponenana an-tapitrisany izay tonga mahantra noho ny toe-javatra miseho izay tsy nofidiny.

    Ny kamboty dia ireo ankizy izay namoy ny rainy noho ny ady, ny loza na ny aretina. Azo atao koa ny mampiditra ao anatin'izany sokajy izany ireo izay manan-dray any am-ponja na tsy eo noho ny antony hafa. Sahan'ny fanompoana midadasika manao ahoana no aseho eto!

    Ny mpitondratena dia ireo izay namoy ny vadiny noho ny antony mitovy amin'ireo kamboty. Betsaka no lohan'ny fianakaviana izay tsy ahitana afa-tsy ray na reny fotsiny ihany ary mila ny fanampiana izay azon'ny fiangonana entina ho azy.

    Ho hitantsika amin'ity herinandro ity fa noho ny maha-mpitantam-pananan'Andriamanitra antsika, dia tsy safidy azontsika avela ny fanampiana ireo mahantra. Fanarahana ny ohatra nasehon'i Jesôsy sy fankatoavana ny didiny izany. 

    Tamin'ny fiandohan'ny asa fanompoana nataon'i Jesôsy ampahibemaso dia nankany Nazareta, ao amin'ny faritanin'i Galilia Izy. Tao no toerana nahaterahany ary efa nandre ny amin'ny asany sy ny fahagagana nataony ireo mponina teo an-toerana. Araka ny fanaony dia nanatrika ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny sinagoga i Jesôsy tamin'ny Sabata. Na dia tsy Izy aza no raby manao fanompoana dia nanolotra azy ny horonana nisy ny bokin'i Isaia ilay mpanao raharaha ka nangataka Azy mba hamaky ny Soratra Masina. Namaky ny Isa. 61:1,2 i Jesôsy.

    Vakio ny Lio. 4:16-19 ary ampitahao amin'ny Isa. 61:1,2 izany (jereo koa ny Lio. 7:19-23). Araka ny hevitrao, nahoana i Jesôsy no nifidy manokana io andinin-tSoratra Masina io? Nahoana ireo andininy ao amin'ny Isaia ireo no heverina ho momba ny Mesia? Inona no ambaran'izany momba ny asan'ny Mesia? 

    Hita tokoa fa nataon'ireo mpitari-pivavahana tsinontsinona ireo faminaniana milaza ny amin'ny Mesia nampijaliana ary nampihariny tamin'ny fomba diso ireo faminaniana miresaka ny amin'ny voninahitry ny fiaviany fanindroany (izay tokony hampahatsiahy antsika ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana ny faminaniana), izany no nahatonga ny ankamaroan'ny olona nino ny hevi-diso fa ny iraka nampanaovina ny Mesia dia ny hanafaka ny Isiraely amin'izay nifehy sy nampahory azy, dia ny Rômanina. Tena nanafintohina tokoa ny fiheverana fa avy ao amin'ny Isa. 61:1,2 ny fanambarana ny iraka ho an'ny Mesia.

    Ankapobeny dia nohamavoin'ireo manam-pahefana maty eritreritra toy ireo mpamory hetra, ireo mpandraharaha ary na ireo mpiara-monina aminy koa aza ny mahantra. Noheverina fa ozona avy amin'Andriamanitra ny fahantrana ary vokatry ny fahadisoana nataony ihany ny fahoriana mihatra amin'izy ireo. Noho izany toe-tsaina izany dia vitsy ny olona niahy ny mahantra sy ny fahoriany.

    Ny fitiavan'i Jesôsy ny mahantra anefa dia iray amin'ireo porofo lehibe indrindra maneho ny maha-Mesia Azy, hita tamin'ny fomba namaliany ny fanontanian'i Jaona Mpanao batisa raha toa ka Izy no Mesia izany (jereo ny Mat. 11:1-6). " Tahaka ireo mpianatry ny Mpamonjy dia tsy azon'i Jaona Mpanao batisa ny toetry ny fanjakan'Andriamanitra. Nanantena izy fa haka ny seza fiandrianan'i Davida Jesôsy; rehefa nandeha ny fotoana, nefa tsy nitaky ny fahefana amin'ny maha-mpanjaka Azy ny Mpamonjy, dia tonga tao amin'i Jaona ny fahaverezan-kevitra sy ny fahoriana."- PM, t. 218. 

    Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina amin'izao tontolo izao"- Jak. 1:27. Ahoana no hanampian'io andininy io antsika hamaritra ny laharam-pahamehantsika ara-pivavahana? 

    Nampidirin'ireo mpanoratra ny Baiboly tao amin'ny asasorany ireo fiahiana marobe nataon'Andriamanitra tamin'ny mahantra, ny vahiny, ny mpitondratena ary ny kamboty. Manana firaketana an-tsoratra momba izany isika hatreo amin'ny tendrombohitra Sinay. "Ary enin-taona no hamafazanao amin'ny taninao sy hanangonanao ny vokatra; fa amin'ity taona fahafito ity kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin'ny malahelo amin'ny firenenao; ary izay sisan'ireo dia mba hohanin'ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin'ny tanimboalobokao sy amin'ny tanin'olivanao."- Eks. 23:10,11.

    Vakio ny Lev. 23:22 sy ny Deo. 16:11. Na dia mety ho samy hafa amin'ny tontolon-kevitra misy eo amin'ny fiainantsika ankehitriny aza dia inona ireo fitsipika tokony hohazonintsika avy amin'ireo andininy ireo? 

    Fantatsika amin'ny ankapobeny fa ny teny hoe "rahalahy" eto dia manondro ireo Isiraelita namana na ireo mpino namana. Heverintsika ho toy ny mahantra mendrika, na ny "anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra" izy ireo. Manome torolalana ny amin'ny fomba tokony hitondrantsika ireo mila fanampiana ny Salamo: alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo; vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy. Sal. 82:3,4. Io andininy io dia milaza amintsika mba tsy hianina fotsiny amin'ny fanomezana sakafo fa hanao mihoatra izany.

    Manaraka izany dia misy ny teny fikasana ho an'ireo izay manampy ireo mila fanampiana. "Izay manome ny malahelo tsy hanan-javamahory."- Ohab. 28:27. "izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany."- Ohab. 29:14. Ary hoy i Davida mpanjaka: "Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehôvah hamonjy azy amin'ny andro fahoriana."- Sal. 41:1.

    Laharam-pahamehana mandrakariva izany teo amin'ny Isiraely fahiny na dia nisy fotoana aza nanadinoana izany. Mifanohitra amin'izany, eny fa na dia amin'ny vanim-potoana môderina aza, indrindra fa any Angletera, vokatr'izay antsoina hoe "Darwinisme social", dia betsaka no mihevitra fa tsy hoe tsy misy fotsiny ny fanerena ara-môraly hanampiana ny mahantra fa tsy mety koa aza ny hanaovana izany. Amin'ny fanarahana ny herin'ny natiora, izay iveloman'ny matanjaka amin'ny fanimbana ny osa, ireo mpivoy izany foto-kevitra izany dia nino fa manimba ny fiarahamonina ny fanampiana ireo mahantra sy ireo farofy ary ireo fadiranovana, satria raha mihamaro izy ireo dia hampahosa ny rafi-piarahamonina ao amin'ny firenena manontolo izany. Feno haratsiam-panahy tokoa izany, kanefa io fiheverana io no voltera ara-lôjikan'ny finoana ny fivoarana miandalana sy ny fitantarana diso ambaran'izany.

    Tokony hisy fiantraikany eo amin'ny fomba fitondrantsika ny tsirairay, tsy miankina amin'ny maha-izy azy ny Filazantsara izany hoe, ny fahafatesan'i Kristy ho an'ny rehetra. Amin'ny fomba ahoana? 

    Tsy mahalala zavatra betsaka momba ilay tovolahy mpanankarena sady mpanapaka isika ankoatra ny maha-tanora sy mpanankarena azy. Ary nahaliana azy koa ny zava-panahy. Natanjaka izy ka nihazakazaka hankeo amin'i Jesôsy (Mar. 10:17). Liana fatratra ny hahalala ny amin'ny fiainana mandrakizay izy. Manan-danja tokoa io tantara io ka voarakitra ao amin'ny filazantsara telo: Mat. 19:16-22, Mar. 10:17-22, ary Lio. 18:18-23.

    Vakio ny Mat. 19:16-22. Inona no tian'i Jesôsy hambara raha nilaza tamin'ilay tovolahy izy hoe: "Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy."- (and. 21)? 

    Tsy ny ankamaroantsika no angatahini Jesôsy hivarotra izay rehetra ananany ka hanome ny vola ho an'ny mahantra. Azo antoka anefa fa nataon'io zatovolahy io ho andriamaniny ny vola, ary na dia toa masiaka aza ny valintenin' i Jesôsy dia fantany fa io no hany fanantenana hamonjena io lehilahy io. Ny Baiboly dia milaza fa niala tamin'alahelo izy satria nanana fananana be, nanaporofo ny fanompoany ny volany izany. Notolorana ny fiainana mandrakizay sy toerana teo akaikin'i Jesôsy izy ("Manaraha Ahy" - teny izay nampiasain'Andriamanitra koa niantsoana ireo mpianatra 12), kanefa tsy nandre ny amin'io tovolahy io intsony isika. Natakalony ireo fananany teto an-tany ny mandrakizay. Fanakalozana mahatsiravina tokoa izany, sa ahoana hoy ianao? Endrey izany ohatra mampalahelo maneho ny tsy fanarahana ny "fahafaham-po andrasana ela"! (Jereo ao amin'ny lesona tamin'ny herinandro lasa).

    Fitaka lehibe ny safidy tahaka izay nataon'io lehilahy io satria, na inona na inona azon'ny harena materialy atolotra antsika amin'izao andro izao, dia ho faty avokoa isika na ho ela na ho haingana ary hifanatrika amin'ny momba ny mandrakizay. Ary eo anatrehan'izany dia mpanankarena maro no nahatsapa fa tsy nitondra fiadanana sy fifaliana izay nantenainy ho azo ny hareny; raha ny marina aza dia ny mifanohitra amin'izany no toa miseho amin'ny toe-javatra maro. Tantaram-piainana maro no nosoratana momba ny fahorian'ireo mpanankarena. Amin'ny tantara rehetra voasoratra, dia iray amin'ireo fanoritsoritana mety indrindra momba ny tsy fahafaham-po amin'ny harena ananana no hita ao amin'ny bokin'ny Mpitoriteny. Na inona na inona lesona maro azontsika sintonina amin'izany dia misy teboka iray misongadina: tsy mahavidy ny fiadanana sy ny fahasambarana ny vola. 

    "Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy: ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany. Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?" Mar. 8:36-37. Inona no hevitry ny hoe mahavery ny ainy noho ny amin'ny Filazantsara?  

    I Zakaiosy dia Jiosy mpanankarena izay nahazo vola tamin'ny fanangonana hetra ho an'ireo Rômanina nankahalain'ny olona. Noho izany antony izany, ary satria nitaky hetra ambony noho izay tokony hatao izy sy ireo mpamory hetra hafa dia nankahalain'ny olona i Zakaiosy ary nantsoin'izy ireo hoe "mpanota". Nonina tao Jerikô, teo amin'ny lalana izay nisian'ny fifanakalozana ara-barotra maro i Zakaiosy. Tsy kisendrasendra ny fihaonan'i Zakaiosy sy i Jesôsy. Hita fa nanana faharesen-dahatra ara-panahy izy ka naniry hitondra fiovana teo amin'ny fiainany. Efa nandre ny amin'i Jesôsy izy ka naniry ny hahita Azy. Azo antoka fa niely ny resaka fa ho tonga ao Jerikô amin'io andro io i Jesôsy sy ireo olona niaraka taminy. Tsy maintsy nandalo tao Jerikô i Jesôsy raha avy any Galilia, nandritra ny dia farany nataony ho any Jerosalema. Ireo teny voalohany nataon'i Kristy tamin'i Zakaiosy dia manambara fa nialoha ny nidiran'i Jesôsy tao an-tanana aza dia efa fantany ny momba an'i Zakaiosy rehetra.

    Vakio ny Lio. 19:1-10. Inona ny fahasamihafana nisy teo amin'ny fanandraman'io lehilahy mpanankarena io niaraka tamin'i Jesôsy sy ny an'ilay zatovolahy mpanankarena sady mpanapaka? 

    Nisy teboka vitsivitsy nampitovy an'i Zakaiosy sy ilay zatovolahy mpanankarena sady mpanapaka. Samy nanan-karena izy ireo, samy naniry ny hahita an'i Jesôsy, ary samy naniry ny fiainana mandrakizay. Saingy nijanona hatreo ny fitoviana.

    Mariho fa rehefa nilaza i Zakaiosy fa hanome ny "antsasaky ny fananako" (Lio. 19:8) ho an'ny malahelo dia nandray izany fihetsika izany ho fanehoana ny fiovam-po marina niainany i Jesôsy. Tsy nilaza Izy hoe "Miala tsiny ry Zakaiosy , fa tahaka ny tamin'ilay tovolahy mpanankarena sady mpanapaka dia na ianao manolotra azy rehetra na tsy misy. Tsy ampy ny antsasaky ny fananana fotsiny." Nahoana? Azo inoana fa na dia tia ny hareny tokoa aza i Zakaiosy dia tsy nataony ho andriamanitra izany, tsy tahaka an'ilay zatovolahy mpanankarena. Raha ny marina, na dia tsy fantatsika aza izay nolazain'i Jesôsy taminy manokana dia i Zakaiosy no niteny voalohany fa hanome vola ho an'ny mahantra. Mifanohitra amin'izany, Jesôsy niteny manokana tamin'ilay tovolahy mpanankarena mba handao ny zava-drehetra, raha tsy izany dia hanimba azy izany. Na dia tokony hitandrina amin'ny loza ateraky ny. harena tahaka ny mpanankarena rehetra aza i Zakaiosy dia tsy nahay nitantana izany kokoa izy noho ilay tovolahy mpanankarena. 'Tsy nihodina niala tamin'i Jesôsy ilay tovolahy mpanankarena dia gaga ny mpianatra tamin'ny tenin'ny Tompony hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny matoky ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra' Dia niloa-bava tamin'izy samy izy ireo, hoe: Iza indray no hovonjena?' Ankehitriny dia nahita ny fanehoana ny fahamarinan'ny tenin'i Kristy manao hoe izy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra'. Nahita izy, fa noho ny fahasoavan'Andriamanitra dia azon'ny mpanan-karena atao ny miditra ao amin'ny fanjakan 'Andriamanitra " -IFM, tt. 589, 590. 

    Vakio ny Jôba 1:8. Ahoana no nanoritsoritan'Andriamanitra an'i Jôba? 

    Tsara izany, satria Andriamanitra tenany mihitsy no milaza an'i Jôba ho "marina" sy "mahitsy" (Jôba 1:8), marina sy mahitsy tokoa ka tsy nisy tahaka azy teto ambonin'ny tany tamin'izany fotoana izany. Averina indray fa Andriamanitra mihitsy no nilaza ireo teny ireo momba an'i Jôba. Na dia taorian'ny niatrehan'i Jôba ireo fahoriana nifanesy azy dia naverin'Andriamanitra izay nolazainy tamin'ny voalohany momba an'i Jôba, fa tsy misy olona tahaka azy teto ambonin'ny tany, marina sy mahitsy, sns, saingy nisy zava-baovao nanampiana izany. Mbola izany rehetra izany ihany no toetran'i Jôba "na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza hianao"- Jôba 2:3. Nanao topy maso manan-danja isika ny amin'ny fahamarinana sy ny fahitsian'i Jôba tamin'ny fomba nandavany tsy hiala amin'Andriamanitra na dia teo aza izay rehetra nihatra taminy sy ny tenin'ny vadiny izay nanaraby azy noho ny fahoriany nanao hoe: "Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hianao? Mahafoiza an 'Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty"- Jôba 2:9, na izany aza dia maneho lafiny hafa amin'ny fiainan'i Jôba nialoha ny nitrangan'io loza io ny boky.

    Vakio ny Jôba 29:12-16. Inona no voalaza eto, izay ahafahantsika mahatakatra kokoa ny tsiambaratelon'ny toetran'i Jôba? 

    Azo heverina fa izao no tenin'i Jôba feno fahendrena indrindra eto: "Ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihako."- Jôba 29:16. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia tsy niandry fotsiny mpangataka malotoloto ho tonga ho eo aminy, ohatra, i Jôba hangataka fanampiana aminy. Tsy izany, fa nazoto nitady azy ireny i Jôba ary niasa ho azy ireo. Izao no nambaran'i Ellen White: "Aza miandry azy ireo [ireo mahantra] hisarika ny fahaliananao ho amin'izay ilainy. Miasà araka izay nataon'i Jôba. Ny zavatra izay tsy fantany dia notadiaviny. Mandehana ka jereo ny manodidina, fantaro izay ilainy sy ny hanomezana izany amin'ny fomba tsara indrindra."- TFC, b. 5, t. 151. Ambaratongam-pitantanam-bola sy fitantanana ny fananan'Andriamanitra mihoatra noho izay fanaon'ny ankamaroan'ny zanak'Andriamanitra amin'izao andro izao izany. 

    Vakio ny Isa. 58:6-8. Ahoana no ahazoantsika mandray ireo teny fahiny ireo ka hampihatra izany amin'ny tenantsika amin'izao fotoana izao? 

    "Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy. Toy izany no nanehoan'i Kristy an-tsary tamin'ny mpianany teo amin'ny Tendrombohitra Oliva, ny toe-javatra momba ny andro Fitsarana lehibe. Ary nasehony fa hifototra amin'ny zavatra iray loha ny fanapahan-keviny. Rehefa tafavory eo anatrehany ny firenena, dia hisy antokon'olona maka ny anjarany ho mandrakizay dia ho voafatotr'izay nataony na nataony antsirambina ho Azy eo amin'ny tenan'ny mahantra sy ny mijaly."- IFM, tt. 684, 685. 

    "Raha mamoha ny varavaranao amin'ireo olon'i Kristy sahirana sy mijaly ianao, dia mampiantrano anjely tsy hita maso. Miantso ny mponin'ny lanitra hiara-dia aminao ianao. Mitondra rivo-piainana masina feno fifaliana sy fiadanana izy. Mitondra fiderana eo amin'ny molony izy, ary misy setriny marnaly izany re any an-danitra. Mahatonga feon-java maneno any ny asam-pamindrampo rehetra. Avy eo amin'ny seza fiandrianany ny Ray dia manisa ny mpiasany tsy mihevitra ny tenany ho anisan'ny fananany sarobidy indrindra."- IFM, t. 687. 

    Fanontaniana hifanakalozan-kevitra: 

    1. "Fa ny tany tsy ilaozan'olo-malahelo"- Deo. 15:11. Ankoatra ny fisian'io fanambarana io, na dia efa an'arivo taona maro aza izany ary mampalahelo fa tanteraka tokoa. Ahoana no tokony hahatakarantsika izany ankehitriny? Nampiasa ireo teny ireo ny olona sasany mba hanamarinana ny tsy fanampiana ny mahantra amin'ny fisainana manao hoe: "Efa nilaza Andriamanitra fa ho eo amintsika mandrakariva ny mahantra ka tsy misy azo atao ny amin'izany." Inona no maha-diso izany fomba fisainana izany?

    2. Vakio ny 1 Tim. 6:17-19: "Anaro ny mpanan-karena amin'izao fiainan'izao mba tsy hiavonavona na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto hanome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana." Mariho ny zavatra mampidi-doza eto: ny mitoky amin'ny fananan'ny tena fa tsy amin'Ilay Andriamanitra velona. Nahoana no mora tokoa ho an'ny mpanankarena ny hanao izany, na dia fantany aza fa amin'ny farany dia tsy hihazona ny fahavelomany ny volany rehetra? Nahoana isika rehetra no tokony hitandrina mba tsy hitoky amin-javatra hafa fa amin'llay Andriamanitra velona ihany? 

    Please publish modules in offcanvas position.