Ny fiainan'i Jesôsy sy ny fanompoany

    Tamin'ny fiandohan'ny asa fanompoana nataon'i Jesôsy ampahibemaso dia nankany Nazareta, ao amin'ny faritanin'i Galilia Izy. Tao no toerana nahaterahany ary efa nandre ny amin'ny asany sy ny fahagagana nataony ireo mponina teo an-toerana. Araka ny fanaony dia nanatrika ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny sinagoga i Jesôsy tamin'ny Sabata. Na dia tsy Izy aza no raby manao fanompoana dia nanolotra azy ny horonana nisy ny bokin'i Isaia ilay mpanao raharaha ka nangataka Azy mba hamaky ny Soratra Masina. Namaky ny Isa. 61:1,2 i Jesôsy.

    Vakio ny Lio. 4:16-19 ary ampitahao amin'ny Isa. 61:1,2 izany (jereo koa ny Lio. 7:19-23). Araka ny hevitrao, nahoana i Jesôsy no nifidy manokana io andinin-tSoratra Masina io? Nahoana ireo andininy ao amin'ny Isaia ireo no heverina ho momba ny Mesia? Inona no ambaran'izany momba ny asan'ny Mesia? 

    Hita tokoa fa nataon'ireo mpitari-pivavahana tsinontsinona ireo faminaniana milaza ny amin'ny Mesia nampijaliana ary nampihariny tamin'ny fomba diso ireo faminaniana miresaka ny amin'ny voninahitry ny fiaviany fanindroany (izay tokony hampahatsiahy antsika ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana ny faminaniana), izany no nahatonga ny ankamaroan'ny olona nino ny hevi-diso fa ny iraka nampanaovina ny Mesia dia ny hanafaka ny Isiraely amin'izay nifehy sy nampahory azy, dia ny Rômanina. Tena nanafintohina tokoa ny fiheverana fa avy ao amin'ny Isa. 61:1,2 ny fanambarana ny iraka ho an'ny Mesia.

    Ankapobeny dia nohamavoin'ireo manam-pahefana maty eritreritra toy ireo mpamory hetra, ireo mpandraharaha ary na ireo mpiara-monina aminy koa aza ny mahantra. Noheverina fa ozona avy amin'Andriamanitra ny fahantrana ary vokatry ny fahadisoana nataony ihany ny fahoriana mihatra amin'izy ireo. Noho izany toe-tsaina izany dia vitsy ny olona niahy ny mahantra sy ny fahoriany.

    Ny fitiavan'i Jesôsy ny mahantra anefa dia iray amin'ireo porofo lehibe indrindra maneho ny maha-Mesia Azy, hita tamin'ny fomba namaliany ny fanontanian'i Jaona Mpanao batisa raha toa ka Izy no Mesia izany (jereo ny Mat. 11:1-6). " Tahaka ireo mpianatry ny Mpamonjy dia tsy azon'i Jaona Mpanao batisa ny toetry ny fanjakan'Andriamanitra. Nanantena izy fa haka ny seza fiandrianan'i Davida Jesôsy; rehefa nandeha ny fotoana, nefa tsy nitaky ny fahefana amin'ny maha-mpanjaka Azy ny Mpamonjy, dia tonga tao amin'i Jaona ny fahaverezan-kevitra sy ny fahoriana."- PM, t. 218. 

    Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina amin'izao tontolo izao"- Jak. 1:27. Ahoana no hanampian'io andininy io antsika hamaritra ny laharam-pahamehantsika ara-pivavahana? 

    Please publish modules in offcanvas position.