Ny fiahian'Andriamanitra ny mahantra

    Nampidirin'ireo mpanoratra ny Baiboly tao amin'ny asasorany ireo fiahiana marobe nataon'Andriamanitra tamin'ny mahantra, ny vahiny, ny mpitondratena ary ny kamboty. Manana firaketana an-tsoratra momba izany isika hatreo amin'ny tendrombohitra Sinay. "Ary enin-taona no hamafazanao amin'ny taninao sy hanangonanao ny vokatra; fa amin'ity taona fahafito ity kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin'ny malahelo amin'ny firenenao; ary izay sisan'ireo dia mba hohanin'ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin'ny tanimboalobokao sy amin'ny tanin'olivanao."- Eks. 23:10,11.

    Vakio ny Lev. 23:22 sy ny Deo. 16:11. Na dia mety ho samy hafa amin'ny tontolon-kevitra misy eo amin'ny fiainantsika ankehitriny aza dia inona ireo fitsipika tokony hohazonintsika avy amin'ireo andininy ireo? 

    Fantatsika amin'ny ankapobeny fa ny teny hoe "rahalahy" eto dia manondro ireo Isiraelita namana na ireo mpino namana. Heverintsika ho toy ny mahantra mendrika, na ny "anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra" izy ireo. Manome torolalana ny amin'ny fomba tokony hitondrantsika ireo mila fanampiana ny Salamo: alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo; vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy. Sal. 82:3,4. Io andininy io dia milaza amintsika mba tsy hianina fotsiny amin'ny fanomezana sakafo fa hanao mihoatra izany.

    Manaraka izany dia misy ny teny fikasana ho an'ireo izay manampy ireo mila fanampiana. "Izay manome ny malahelo tsy hanan-javamahory."- Ohab. 28:27. "izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany."- Ohab. 29:14. Ary hoy i Davida mpanjaka: "Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehôvah hamonjy azy amin'ny andro fahoriana."- Sal. 41:1.

    Laharam-pahamehana mandrakariva izany teo amin'ny Isiraely fahiny na dia nisy fotoana aza nanadinoana izany. Mifanohitra amin'izany, eny fa na dia amin'ny vanim-potoana môderina aza, indrindra fa any Angletera, vokatr'izay antsoina hoe "Darwinisme social", dia betsaka no mihevitra fa tsy hoe tsy misy fotsiny ny fanerena ara-môraly hanampiana ny mahantra fa tsy mety koa aza ny hanaovana izany. Amin'ny fanarahana ny herin'ny natiora, izay iveloman'ny matanjaka amin'ny fanimbana ny osa, ireo mpivoy izany foto-kevitra izany dia nino fa manimba ny fiarahamonina ny fanampiana ireo mahantra sy ireo farofy ary ireo fadiranovana, satria raha mihamaro izy ireo dia hampahosa ny rafi-piarahamonina ao amin'ny firenena manontolo izany. Feno haratsiam-panahy tokoa izany, kanefa io fiheverana io no voltera ara-lôjikan'ny finoana ny fivoarana miandalana sy ny fitantarana diso ambaran'izany.

    Tokony hisy fiantraikany eo amin'ny fomba fitondrantsika ny tsirairay, tsy miankina amin'ny maha-izy azy ny Filazantsara izany hoe, ny fahafatesan'i Kristy ho an'ny rehetra. Amin'ny fomba ahoana? 

    Please publish modules in offcanvas position.