Tsy mahalala zavatra betsaka momba ilay tovolahy mpanankarena sady mpanapaka isika ankoatra ny maha-tanora sy mpanankarena azy. Ary nahaliana azy koa ny zava-panahy. Natanjaka izy ka nihazakazaka hankeo amin'i Jesôsy (Mar. 10:17). Liana fatratra ny hahalala ny amin'ny fiainana mandrakizay izy. Manan-danja tokoa io tantara io ka voarakitra ao amin'ny filazantsara telo: Mat. 19:16-22, Mar. 10:17-22, ary Lio. 18:18-23.
Vakio ny Mat. 19:16-22. Inona no tian'i Jesôsy hambara raha nilaza tamin'ilay tovolahy izy hoe: "Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy."- (and. 21)?
Tsy ny ankamaroantsika no angatahini Jesôsy hivarotra izay rehetra ananany ka hanome ny vola ho an'ny mahantra. Azo antoka anefa fa nataon'io zatovolahy io ho andriamaniny ny vola, ary na dia toa masiaka aza ny valintenin' i Jesôsy dia fantany fa io no hany fanantenana hamonjena io lehilahy io. Ny Baiboly dia milaza fa niala tamin'alahelo izy satria nanana fananana be, nanaporofo ny fanompoany ny volany izany. Notolorana ny fiainana mandrakizay sy toerana teo akaikin'i Jesôsy izy ("Manaraha Ahy" - teny izay nampiasain'Andriamanitra koa niantsoana ireo mpianatra 12), kanefa tsy nandre ny amin'io tovolahy io intsony isika. Natakalony ireo fananany teto an-tany ny mandrakizay. Fanakalozana mahatsiravina tokoa izany, sa ahoana hoy ianao? Endrey izany ohatra mampalahelo maneho ny tsy fanarahana ny "fahafaham-po andrasana ela"! (Jereo ao amin'ny lesona tamin'ny herinandro lasa).
Fitaka lehibe ny safidy tahaka izay nataon'io lehilahy io satria, na inona na inona azon'ny harena materialy atolotra antsika amin'izao andro izao, dia ho faty avokoa isika na ho ela na ho haingana ary hifanatrika amin'ny momba ny mandrakizay. Ary eo anatrehan'izany dia mpanankarena maro no nahatsapa fa tsy nitondra fiadanana sy fifaliana izay nantenainy ho azo ny hareny; raha ny marina aza dia ny mifanohitra amin'izany no toa miseho amin'ny toe-javatra maro. Tantaram-piainana maro no nosoratana momba ny fahorian'ireo mpanankarena. Amin'ny tantara rehetra voasoratra, dia iray amin'ireo fanoritsoritana mety indrindra momba ny tsy fahafaham-po amin'ny harena ananana no hita ao amin'ny bokin'ny Mpitoriteny. Na inona na inona lesona maro azontsika sintonina amin'izany dia misy teboka iray misongadina: tsy mahavidy ny fiadanana sy ny fahasambarana ny vola.
"Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy: ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany. Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?" Mar. 8:36-37. Inona no hevitry ny hoe mahavery ny ainy noho ny amin'ny Filazantsara?