I Zakaiosy dia Jiosy mpanankarena izay nahazo vola tamin'ny fanangonana hetra ho an'ireo Rômanina nankahalain'ny olona. Noho izany antony izany, ary satria nitaky hetra ambony noho izay tokony hatao izy sy ireo mpamory hetra hafa dia nankahalain'ny olona i Zakaiosy ary nantsoin'izy ireo hoe "mpanota". Nonina tao Jerikô, teo amin'ny lalana izay nisian'ny fifanakalozana ara-barotra maro i Zakaiosy. Tsy kisendrasendra ny fihaonan'i Zakaiosy sy i Jesôsy. Hita fa nanana faharesen-dahatra ara-panahy izy ka naniry hitondra fiovana teo amin'ny fiainany. Efa nandre ny amin'i Jesôsy izy ka naniry ny hahita Azy. Azo antoka fa niely ny resaka fa ho tonga ao Jerikô amin'io andro io i Jesôsy sy ireo olona niaraka taminy. Tsy maintsy nandalo tao Jerikô i Jesôsy raha avy any Galilia, nandritra ny dia farany nataony ho any Jerosalema. Ireo teny voalohany nataon'i Kristy tamin'i Zakaiosy dia manambara fa nialoha ny nidiran'i Jesôsy tao an-tanana aza dia efa fantany ny momba an'i Zakaiosy rehetra.
Vakio ny Lio. 19:1-10. Inona ny fahasamihafana nisy teo amin'ny fanandraman'io lehilahy mpanankarena io niaraka tamin'i Jesôsy sy ny an'ilay zatovolahy mpanankarena sady mpanapaka?
Nisy teboka vitsivitsy nampitovy an'i Zakaiosy sy ilay zatovolahy mpanankarena sady mpanapaka. Samy nanan-karena izy ireo, samy naniry ny hahita an'i Jesôsy, ary samy naniry ny fiainana mandrakizay. Saingy nijanona hatreo ny fitoviana.
Mariho fa rehefa nilaza i Zakaiosy fa hanome ny "antsasaky ny fananako" (Lio. 19:8) ho an'ny malahelo dia nandray izany fihetsika izany ho fanehoana ny fiovam-po marina niainany i Jesôsy. Tsy nilaza Izy hoe "Miala tsiny ry Zakaiosy , fa tahaka ny tamin'ilay tovolahy mpanankarena sady mpanapaka dia na ianao manolotra azy rehetra na tsy misy. Tsy ampy ny antsasaky ny fananana fotsiny." Nahoana? Azo inoana fa na dia tia ny hareny tokoa aza i Zakaiosy dia tsy nataony ho andriamanitra izany, tsy tahaka an'ilay zatovolahy mpanankarena. Raha ny marina, na dia tsy fantatsika aza izay nolazain'i Jesôsy taminy manokana dia i Zakaiosy no niteny voalohany fa hanome vola ho an'ny mahantra. Mifanohitra amin'izany, Jesôsy niteny manokana tamin'ilay tovolahy mpanankarena mba handao ny zava-drehetra, raha tsy izany dia hanimba azy izany. Na dia tokony hitandrina amin'ny loza ateraky ny. harena tahaka ny mpanankarena rehetra aza i Zakaiosy dia tsy nahay nitantana izany kokoa izy noho ilay tovolahy mpanankarena. 'Tsy nihodina niala tamin'i Jesôsy ilay tovolahy mpanankarena dia gaga ny mpianatra tamin'ny tenin'ny Tompony hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny matoky ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra' Dia niloa-bava tamin'izy samy izy ireo, hoe: Iza indray no hovonjena?' Ankehitriny dia nahita ny fanehoana ny fahamarinan'ny tenin'i Kristy manao hoe izy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra'. Nahita izy, fa noho ny fahasoavan'Andriamanitra dia azon'ny mpanan-karena atao ny miditra ao amin'ny fanjakan 'Andriamanitra " -IFM, tt. 589, 590.