Vakio ny Jôba 1:8. Ahoana no nanoritsoritan'Andriamanitra an'i Jôba?
Tsara izany, satria Andriamanitra tenany mihitsy no milaza an'i Jôba ho "marina" sy "mahitsy" (Jôba 1:8), marina sy mahitsy tokoa ka tsy nisy tahaka azy teto ambonin'ny tany tamin'izany fotoana izany. Averina indray fa Andriamanitra mihitsy no nilaza ireo teny ireo momba an'i Jôba. Na dia taorian'ny niatrehan'i Jôba ireo fahoriana nifanesy azy dia naverin'Andriamanitra izay nolazainy tamin'ny voalohany momba an'i Jôba, fa tsy misy olona tahaka azy teto ambonin'ny tany, marina sy mahitsy, sns, saingy nisy zava-baovao nanampiana izany. Mbola izany rehetra izany ihany no toetran'i Jôba "na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza hianao"- Jôba 2:3. Nanao topy maso manan-danja isika ny amin'ny fahamarinana sy ny fahitsian'i Jôba tamin'ny fomba nandavany tsy hiala amin'Andriamanitra na dia teo aza izay rehetra nihatra taminy sy ny tenin'ny vadiny izay nanaraby azy noho ny fahoriany nanao hoe: "Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hianao? Mahafoiza an 'Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty"- Jôba 2:9, na izany aza dia maneho lafiny hafa amin'ny fiainan'i Jôba nialoha ny nitrangan'io loza io ny boky.
Vakio ny Jôba 29:12-16. Inona no voalaza eto, izay ahafahantsika mahatakatra kokoa ny tsiambaratelon'ny toetran'i Jôba?
Azo heverina fa izao no tenin'i Jôba feno fahendrena indrindra eto: "Ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihako."- Jôba 29:16. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia tsy niandry fotsiny mpangataka malotoloto ho tonga ho eo aminy, ohatra, i Jôba hangataka fanampiana aminy. Tsy izany, fa nazoto nitady azy ireny i Jôba ary niasa ho azy ireo. Izao no nambaran'i Ellen White: "Aza miandry azy ireo [ireo mahantra] hisarika ny fahaliananao ho amin'izay ilainy. Miasà araka izay nataon'i Jôba. Ny zavatra izay tsy fantany dia notadiaviny. Mandehana ka jereo ny manodidina, fantaro izay ilainy sy ny hanomezana izany amin'ny fomba tsara indrindra."- TFC, b. 5, t. 151. Ambaratongam-pitantanam-bola sy fitantanana ny fananan'Andriamanitra mihoatra noho izay fanaon'ny ankamaroan'ny zanak'Andriamanitra amin'izao andro izao izany.
Vakio ny Isa. 58:6-8. Ahoana no ahazoantsika mandray ireo teny fahiny ireo ka hampihatra izany amin'ny tenantsika amin'izao fotoana izao?