Fianarana fanampiny

    "Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy. Toy izany no nanehoan'i Kristy an-tsary tamin'ny mpianany teo amin'ny Tendrombohitra Oliva, ny toe-javatra momba ny andro Fitsarana lehibe. Ary nasehony fa hifototra amin'ny zavatra iray loha ny fanapahan-keviny. Rehefa tafavory eo anatrehany ny firenena, dia hisy antokon'olona maka ny anjarany ho mandrakizay dia ho voafatotr'izay nataony na nataony antsirambina ho Azy eo amin'ny tenan'ny mahantra sy ny mijaly."- IFM, tt. 684, 685. 

    "Raha mamoha ny varavaranao amin'ireo olon'i Kristy sahirana sy mijaly ianao, dia mampiantrano anjely tsy hita maso. Miantso ny mponin'ny lanitra hiara-dia aminao ianao. Mitondra rivo-piainana masina feno fifaliana sy fiadanana izy. Mitondra fiderana eo amin'ny molony izy, ary misy setriny marnaly izany re any an-danitra. Mahatonga feon-java maneno any ny asam-pamindrampo rehetra. Avy eo amin'ny seza fiandrianany ny Ray dia manisa ny mpiasany tsy mihevitra ny tenany ho anisan'ny fananany sarobidy indrindra."- IFM, t. 687. 

    Fanontaniana hifanakalozan-kevitra: 

    1. "Fa ny tany tsy ilaozan'olo-malahelo"- Deo. 15:11. Ankoatra ny fisian'io fanambarana io, na dia efa an'arivo taona maro aza izany ary mampalahelo fa tanteraka tokoa. Ahoana no tokony hahatakarantsika izany ankehitriny? Nampiasa ireo teny ireo ny olona sasany mba hanamarinana ny tsy fanampiana ny mahantra amin'ny fisainana manao hoe: "Efa nilaza Andriamanitra fa ho eo amintsika mandrakariva ny mahantra ka tsy misy azo atao ny amin'izany." Inona no maha-diso izany fomba fisainana izany?

    2. Vakio ny 1 Tim. 6:17-19: "Anaro ny mpanan-karena amin'izao fiainan'izao mba tsy hiavonavona na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto hanome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana." Mariho ny zavatra mampidi-doza eto: ny mitoky amin'ny fananan'ny tena fa tsy amin'Ilay Andriamanitra velona. Nahoana no mora tokoa ho an'ny mpanankarena ny hanao izany, na dia fantany aza fa amin'ny farany dia tsy hihazona ny fahavelomany ny volany rehetra? Nahoana isika rehetra no tokony hitandrina mba tsy hitoky amin-javatra hafa fa amin'llay Andriamanitra velona ihany? 

    Please publish modules in offcanvas position.