Lesona 8: Manao drafitra mba hahomby

    Hodinihana mandritry ny herinandro: Mpitt. 12:1; Gen. 2:15; 1Tim. 5:8; Kôl. 3:23,24; Gen.39:2-5; Ohab. 3:5-8.
    Tsianjery: "Ary na inona  na inona ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo hianareo." - Kôr. 3:23,24.

    Maniry hanana fiainana feno fahombiazana sy fahasambarana ny ankamaroan'ny olona. Mazava loatra fa mety tsy ho mora mandrakariva ny manatratra izany tanjona izany ao anatin'ny tontolo lavo izay misy loza sy antambo mety hamely amin'ny fotoana rehetra.

    Manaraka izany dia eo koa ny fomba famaritantsika ny atao hoe "fahombiazana". Raha raisintsika ny tantaran'i Josefa tao Egipta; tsy anisan'ny feno fahombiazana tokoa ve ny fiainany? Niainga tao am-ponja nankany an-dapa, karazan-javatra toy izany. Etsy andaniny, ahoana ny amin'i Jaona Mpanao balisa? Niala tao am-ponja ho any am-pasana izy. Nahomby ve ny fiainany? Averina indray fa miankina amin'ny famaritanao ny atao hoe "fahombiazana" izany.

    Hijery ny "fahombiazana" ao anatin'ny tontolon-kevitr'ireo fitsipika fototra iorenan'ny fitantanam-pananana sy ny fitantanam-bola isika amin'ity herinandro ity. Na iza isika na iza, na aiza no misy antsika na aiza, dia ampahany amin'ny fiainantsika ny vola sy ny fikirakirana azy, na tiantsika izany na tsia. Inona avy ary ireo dingana sasantsasany azo ampiharina eo amin'ny fiainana, izay na dia tsy mampanantena "fahombiazana" azo antoka aza dia afaka manampy antsika kosa hiala amin'ireo fandrika sy fahadisoana mpahazo ny olona izay mety hampananosarotra kokoa ny hisian'ny fahombiazana eo amin'ny fitantanam-bola? 

    Vakio ny Mpitt. 12:1. Inona ny hafatra ho antsika eto?

    Rehefa mitombo ho olon-dehibe nv tanora dia tonga ao an'eritreriny ny amin'ireo zavatra fototra ilainy eo amin'ny fiainana, sakafo, fitafiana ary trano ialofana. I Jesôsy mihitsy no nilaza tamintsika ny amin'izay ilaintsika hatao laharam-pahamehana, hoy Izy: "Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany" - Mat. 6:33. Mazava loatra fa ho an'ireo izay efa lehibe kokoa ka tsy nanao safidy araka ny sitrapon'i Jesôsy tamin'ny fahatanorany dia mbola manana fotoana hanaovany ireo safidy tsara mikasika ny fitantanam-bola.

    Araka ny hitantsika ao amin'ny Gen. 28:20-22 dia nanao safidy nanan-danja teo amin'ny fiainany i Jakôba, na ara-panahy izany na ara-bola. Naneho ny Tenany tamin'i Jakôba tao anaty fahitana Andriamanitra ka nanao hoe: "Izaho no Jehôvah, Andriamanitr'i Abrahama rainao sy Andriamanitr'Isaka." - Gen. 28:13. Rehefa izany dia tao anatin'ny voady nataon'i Jakôba tamin'Andriamanitra ny hoe: "Jehôvah no ho Andriamanitro" -Gen. 28:21. 

    Vakio ny Gen. 29:9-20. Inona no maha-zava-dehibe ny filaharan'ireo toe-javatra niseho teo amin'ny fiainan'i Jakôba?

    Rehefa avy nanapa-kevitra ny hanolo-tena ho an'Andriamanitra i Jakôba tamin'ny lafiny ara-panahy sy ara-bola, dia nitarika azy ho eo amin'i Rahely teo am-pantsakana ny Tompo (jereo ny Gen. 29:9-20). Tsara raha mandray fanapahan-kevitra ara-panahy sy momba ny fiainanao ianao mialoha  ny hidiranao amin'ny fanambadiana. Tokony ho fantatr'izay ho vadinao hoe "inona no miandry azy raha tafiditra izy". Kristianina manolo-tena ve ity olona ity? Karazana asa manao ahoana no mety hataony? Ho mpampianatra ve izy, sa ho mpitsabo mpanampy, sa ho mpisolovava, sa ho mpanao asan-tanana, sa ankoatra izany? Karazam-piainana manao ahoana no hidirako? Ireto misy fanontaniana hafa mila valiny mialoha ny hidirana amin'ny fanambadiana: Hatraiza ny fianarana vitany? Trosa manao ahoana no hobaben'izany tokantrano izany? Vonona ve aho hanaiky izany toe-javatra izany ho isan'ny andraikitro? 

    Vakio ny 2 Kôr. 6:14,15. Nahoana no tena zava-dehibe izany fitsipika izany rehefa hitady izay olona hiara-dalana aminao eo amin'ny fiainana ianao? Na dia tsy manome antoka aza izany fa tsy maintsy ho sambatra ilay tokantrano, ahoana kosa no mety hisian'ny tokantrano sambatra kokoa vokatr'izany? 

    RMila miasa ianao na ho ela na ho haingana mba hamelomanao ny tenanao, raha tsy hoe manana harem-be angaha ianao ka tsy miantehitra aman'olona, na koa mpandova ny fananana izay navelan'i Dada sy/na Neny ho anao ka tsy mila miasa na dia indray andro eo amin'ny fiainanao aza (raha mamaky ireo tantara maro momba ny ankizy toy izany ianao, dia matetika ny vola izay natao ho fitahiana ho azy no manjary mitondra fahoriana ho azy rehefa lehibe izy). Ny idealy, mazava loatra dia ny mahita zavatra atao izay tianao sady mety hahazoanao vola tsara, ny manaraka fanofanana momba izany, ny mahita asa mifanaraka aminizany, ary ny miasa ao anatin'izany sehatra izany mandritra ny fotoana rehetra hahafahanao miasa. Izany no idealy: tsy voatery ho toy izany mandrakariva anefa ny toe-javatra.

    Vakio ny Gen. 2:15 (jereo koa ny Mpitt. 9:10 sy ny 2 Tes. 3:8-10). Inona no maha-zava-dehibe ny fanomezana asa an'i Adama (ary azo antoka fa i Eva koa) na dia talohan'ny nidiran'ny ota aza? Mety hanazava ny anton'izany ve ny voalaza tetsy ambony hoe: ireo izay manan-karena ka tsy mila miasa intsony dia hahatsapa ozona eo amin'ny fiainany?

    Miharihary fa tsy sazy tsy akory ilay asa. Natao hahasoa azy ireo izany. Izany hoe, na tany am-paradisa aza, na dia tao amin'ny tontolo tsy misy ota, tsy misy fahafatesana ary tsy misy fahoriana aza, dia fantatr'Andriamanitra fa ilain'ny zanak'olombelona ny miasa.

    "Ary nomena asa i Adama, dia ny fitandremana ny saha. Fantatry ny Mpahary fa tsy ho sambatra Adama raha tsy miasa. Nifaly noho ny hakanton'ny saha izy, saingy tsy ampy izany. Tsy maintsy niasa izy mba hiasan'ireo taova mahagagan'ny vatany. Raha natao hahasambatra ny tsy fanaovana na inona na inona dia ho navela tsy nanana asa tao anatin'ny fahamasinany tsy misy tsiny ny olombelona. Saingy fantatr'llay namorona ny olombelona izay hitondra fahasambarana ho azy, ary vantany vao nahary azy lzy dia nanome azy ny asa tokony hataony. Seza fiandrianana iray ihany no nivoahan'ny teny fikasana momba ny voninahitra hoavy sy ny didy momba ny tsy maintsy hiasan'ny olona mba hahazoany ny haniny isan'andro." — OHC, t. 223.

    Kanefa na taorian'ny Fahalavoana aza, rehefa voapentin'ny fahotana ny asa (tahaka ny zavatra hafa rehetra) dia izao no nolazain'Andriamanitra tamin'i Adama: "voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao" - Gen. 3:17. Mariho fa nanozona ny tany "noho izay nataonao", noho ny nataon'i Adama Andriamanitra, ary toy ny milaza Izy fa tena hilainy, indrindra amin'ny maha-olona lavo azy, ny miasa. 

    lnona ao amin'ny asa (ilay araka ny idealy) no mahatonga izany ho fitahiana ho antsika?  

    Araka ny efa hitantsika dia nataon'Andriamanitra hiasa ny olona na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana. 40 taona eo ho eo ny faharetan'izany ampahany amin'ny fiainantsika izany (ireo taona iasana). Ho an'ny olona maro dia io no fotoana hanabeazana sy hampianarana ny zanaka, hananana trano sy hividianana ireo zava-manan-danja maro hafa. Mety ho mafy indrindra eo amin'ny lafiny ara-bola io vanim-potoana io. Manahirana tokoa io fotoana io satria mianatra miara-miasa ny ankohonana ary mamolavola fifamatorana maharitra mandritra ny fiainana ny mambra ao aminy. Mety handrava ny fanambadiana ny olana  ara-bola ao anatin'izany vanim-potoana izany, ary mateti-pitranga tokoa izany. Miorina mafy kokoa ireo tokantrano izay ahitana ny andaniny sy ny ankilany samy manana fanoloran-tena kristianina sy vonona hanaraka ireo fitsipika ara-Baiboly.

    Vakio ny 1 Tim. 5:8; Ohab. 14:23 ary ny Kôl. 3:23,24. Inona ireo teboka manan-danja azontsika raisina avy amin'ireo andininy ireo momba ny fitantanam-bola ao an-tokantrano? 

    Raha ny ankapobeny dia ny lehilahy no tena miasa mamelona ny ankohonana, na dia samy miasa aza ny mpivady matetika. Mazava loatra fa mety hisy tranga tsy ampoizina mipoitra - toy ny aretina, ny fitotonganan'ny toe-karena, ary izay mahatonga izany idealy izany ho sarotra tratrarina. Noho izany dia mila mahay miaina mifanaraka amin'izany ny olona. 

    Ireo zaza izay teraka mandritra io ampahany amin'ny fiainana io no antsoina hoe "lova avy amin'i Jehôvah" (Sal. 127:3). Aoka hotsaroantsika fa tonga miaraka amin'ny andraikitra lehibe ny zaza. Ny tanjon'ny ray aman-dreny kristianina dia ny hanofana ireo zanany ho tonga olon-dehibe mahaleo tena eto amin'ity fiainana ity sy ny hanomana azy ireo ho amin'ny fiainana ho avy. lreto misy teboka telo ho fanampiana ny ray aman-dreny:

    1. Aoka hisy rivopiainana kristianina ao an-tokantrano. Ao anatin'izany ny fanompoam-bavaky ny mpianakavy tsy tapaka sy mahaliana, ny fianarana ara-dalana ny lesona sekoly Sabata sy ny fankanesana any am-piangonana, ary ny fahatokiana amin'ny ampahafolony sy ny fanatitra. Ireo no fahazarana lehibe tokony hampianarina eo amin'ny fiandohan'ny fiainana.

    2. Ampianaro izy ireo ho vonona hiasa sy ho tia ny asa. Ho hitan'ny ankizy fa ny fahazotoana, ny fahamarinana amin'ny asa dia voamarika sy ankasitrahana ary valiana soa hatrany. Ho fantatr'izy ireo fa avy amin'ny fahafoizantsika fotoana ho an'ny hafa amin'ny fanatanterahantsika asa tsara ho azy ireo no ahazoantsika vola.

    3. Ataovy izay handraisany fanabeazana tsara. Lafo ny fampianarana amin'izao fotoana izao indrindra fa ny fampianarana eny amin'ny sekoly kristianina tsy miankina. Saingy ho an'ny ray aman-dreny izay manana drafitra ho an'ny zanany tsy ho amin'ity fiainana ity ihany fa ho amin'ny fiainana ho avy koa, dia mendrika atao tokoa izany fandaniana izany. 

    Marina fa na inona na inona ataon'ny ray aman-dreny dia tsy azon'izy ireo antoka ny amin'izay lalana hofidin'ny zanany hizorana. Nahoana no zava-dehibe ny tsy hanomezan'ny ray aman-dreny tsiny ny tenany ny amin'ireo safidy ratsy mety hataon'ny zanany efa lehibe? 

    Misy dingana iray hafa ho amin'ny fiainana "mahomby", ilay dingana farany, io no mety hahafinaritra indrindra raha feno fahendrena ireo fanapahan-kevitra noraisina hatramin'ny voalohany ka tsy rava noho ny toe-javatra tsy nampoizina. Izao no tsara indrindra: nanabe ireo zanany mba ho tonga olon-dehibe mahaleo tena ny ray aman-dreny, voavidy ny trano, milamina ny fitaterana, tsy misy trosa mitarazoka, ary ampy hanomezana izay ilain'ny ankohonana ao anatin'ny fahanterany ny fidiram-bola.

    Miantso ireo zanany ho amin'ny fenitra ambony lavitra eo amin'ny asa sy ny fiainana Andriamanitra. lo fenitra io dia ny lalàn'Andriamanitra voasoratra ao am-pontsika (jereo ny Jer. 31:33) izay hita taratra eo amin'ny toetrantsika. Rehefa miharatsy ny fiarahamonina ary lefy sy atao tsinontsinona ny fampianarana kristianina dia tonga zava-dehibe kokoa ho an'ny Kristianina isam-batan'olona aza ny miaina sy miasa amin'ny fomba tsy azo kianina. Hoy ny Baiboly: 'Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena." Ohab. 22:1.

    Voarakitra ao amin'ny Baiboly ny tantaran'ireo mpampiasa izay niaiky fa voatahy izy ireo noho ny fananany mpiasa tia an'Andriamanitra. Rehefa naniry handao an'i Labana rafozan-dahiny i Jakoba mba hiverina any amin'ny taniny miaraka amin'ny ankohonany dia niangavy azy i Labana mba tsy handeha ka niteny hoe: "Masina hianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian'i Jehôvah ahy." - Gen. 30:27. Ary rehefa namidy ho andevo tany Egipta i Josefa dia nanao fanamarihana toy izany koa i Potifara tompony momba ny asan'i Josefa, ary nanome valisoa azy vokatr'izany.

    Vakio ny Gen. 39:2-5. Araka ny hevitrao, inona no mety nataon'i Josefa ka nahatonga ny tompony ho tia azy toy izao, na dia tsy voalaza manokana ao amin'ireo andininy ireo aza izany?

    "Koa amin'izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona no inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany." - 1 Kôr. 10:31. Araka izany, eo amin'ny asantsika sy ny fitantanantsika vola, ary na inona na inona ataontsika, dia tokony hanao ny zava-drehetra ho voninahitr'Andriamanitra isika. Izy no manome antsika ny fahalalana sy ny hery hahombiazana eo amin'ny fiainana.

    "Anao, Jehôvah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany; Anao ny fanjakana, Jehôvah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao." - 1 Tant. 29:11,12. 

    Inona avy ireo fitsipika arahinao, tsy any am-piasana ihany fa eo amin'ny fiainanao ankapobeny? Misy fanovana tokony hataonao ve? lnona izany? 

    Maro ireo mpampianatra to teny ("gourou") eo amin'izao tontolo izao momba ny fitantanam-bola saingy nampitandrina antsika Andriamanitra mba tsy hila torohevitra amin'izy ireny ny amin'ny fitantanana ireo fananana nankininy amintsika. "Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny làlana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira fa ny lalan'i Jehôvah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa." - Sal. 1:1-3. Araka izany, ny olona miravoravo amin'ny lalàn'i Jehôvah (ny lalàna eto, raha raisina amin'ny fomba mivelatra kokoa, dia ny Tenin'Andriamanitra) dia voatahy. Tsotra tokoa! Ary dia hambinina izy - hahomby.

    Vakio ny Ohab. 3:5-8. Ahoana no ampiharantsika io fitsipika io eo amin'ny raharahantsika ara-bola fototra?

    Manome antsika hevitra sarobidy maro tokony harahina ireo torohevitra ankapobeny ao amin'ny Baiboly momba ny fitantanam-bola. Andeha hojerentsika ny fito amin'ireo.

    1. Mametraha fandaminana. Manaova drafitra ho an'ny fandaniana (Ohab. 27:23,24). Fianakaviana maro no mivelona fotsiny amin'ny karama raisiny mandra-pahatonga ny karama manaraka indray. Miteraka rarintsaina bebe kokoa ny fiainana tsy misy drafitra tsotra mba hahazoam-bola sy handaniam-bola ary hanaovana tahiry.

    2. Ataovy latsaky ny vola azonao ny fandaniana ataonao. Mandraisa fanapahan-kevitra hentitra hiaina amin'izay fahafaha-manaonao (Ohab. 15:16). Fianakaviana maro any amin'ny firenena tandrefana no mandany vola mihoatra noho izay azony. Noho ny fahafahan'izy ireo mindram-bola sy mitrosa no ahazoany manao izany. Ianjadian'ny olana maro ireo izay manan-trosa.

    3. Manaova tahiry isaky ny fandraisam-bola (Ohab. 6:6-8). Manao tahiry isika mba hividianana zavatra lehibe kokoa amin'ny hoavy, ary koa hiatrehana ireo fandaniana tsy ampoizina toy ny loza na ny aretina. Ny ampahany amin'ny vola natao tahiry dia azo ampiasaina hanaovana drafitra amin'ny fotoana tsy ahafahantsika miasa intsony noho ny fandrosoan'ny taona.

    4. lalao toy ny fandosiranao ny COVID-19 ny trosa (Ohab. 22:7). Fandaniana azontsika ialana ny zanabola. Ny olona iray na ny fianakaviana iray izay miaina amin'ny trosa - izany hoe amin'ny vola indramina dia miaina anio amin'ny vola izay antenainy ho azo amin'ny hoavy. Raha misy fiovana mitranga eo amin'ny fiainana dia mety hisy fikorontanana lehibe ara-bola vokatr'izany.

    5. Aoka ho mpiasa mazoto. "Ny fanahin'ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; fa ny fanahin'ny mazoto hohatavezina." -Ohab. 13:4.

    6. Aoka ho mahatoky amin'Andriamanitra eo amin'ny fitantanam-bola (Deo. 28:1-14). Tsy misy ankohonana afaka mivelona tsy misy ny fitahian'Andriamanitra.

    7. Tsarovy fa tsy ity tany ity no tena fonenantsika. Ny fomba fitantanantsika ny fananantsika dia milaza betsaka ny amin'izay ataontsika laharam-pahamehana indrindra (Vakio ny Mat. 25:14-21). 

    "Tsy mety haharitra na ho tanteraka velively ny drafitr'asa na ny fikasana eo amin'ny fiainana raha toa ka mifantoka fotsiny amin'ny eto an-tany sy ny ankehitriny, izay mandalo ihany, ka tsy mitsinjo ny hoavy mandrakizay. (...) Izay rehetra manao izany dia tsara fiomanana indrindra ho amin'ny fiainana eto amin'ity izao tontolo izao ity. Tsy misy afaka mihary harena any an-danitra ka tsy mitombo fananana sy fahamendrehana amin'ny fiainany eto an-tany." - FK, tt. 157,158. "Ny fahatokiana eo amin'ny fandraharahana sy ny tena fahombiazana marina dia miorina amin'ny fanekena fa an'Andriamanitra ny zavatra rehetra. Ilay Mpamorona izao rehetra izao no tompon'izany voalohany indrindra ary isika kosa dia mpitantana ny fananany. Izay ananantsika rehetra dia nankininy tamintsika, mba hampiasaintsika araka ny tari-dalana omeny." - FK, t. 150.

    Satria mahatsiaro tsy maintsy mitady izay ilain'ny ankohonantsika isika, dia heverintsika matetika fa natao hahazoam-hola fotsiny ny asantsika. Saingy amin'ny maha-Kristianina antsika dia mila manao ny anjarantsika amin'ny iraka lehibe nankinin'i Jesôsy  tamin'ny mpianany rehetra isika. Rehefa avy nanambara io iraka io i Ellen G. White, araka izay voasoratra ao amin'ny Mar. 16:15, dia nanoratra hoe: "Tsy hoe antsoina ho mpitandrina na misionera avokoa araka ny fahafantaran'ny maro izany tsy akory ny olona rehetra; kanefa tokony ho mpiara-miasa Aminy kosa ny rehetra amin'ny fanambarana ny vaovao mahafaly' amin'ny mpiara-belona aminy. Natao ho an'ny rehetra, na kely na lehibe, na nandia fianarana na tsia, na antitra na tanora, izany baiko izany." FK, t. 300.

    "Ilaintsika ny manaraka akaiky kokoa ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny fiainantsika. Ny fanaovantsika izay tsara indrindra mety ho vitantsika amin'ny asa eo ambanin'ny masontsika, ny fanankinantsika ny lalantsika amin'Andriamanitra, ny fitandremantsika ireo torolalana omen'ny Tompo antsika - ireo no mitarika antsika amin'ny fomba azo antoka eo am-pisafidianantsika ny asa mety indrindra.» - FK, tt. 303,304.

    Fanontaniana hifanakalozan-kevitra: 

    1. Amin'ny maha-Kristianina antsika, ahoana no hamaritantsika ny atao hoe fiainana "feno fahombiazana"? Inona ny mety ho fahasamihafana eo amin'ny famaritan'izao tontolo izao ny atao hoe "fahombiazana" sy ny tokony ho famaritantsika izany (araka ny idealy)? Jereo ohatra i Jaona Mpanao batisa. Ahoana no amaritanao ny fiainany izay niafara tamin'ny fomba mahatsiravina tany am-ponja noho ny fanirian-dratsin'ny vehivavy iray nampiasain'ny devoly? Hiantso izany hoe fahombiazana ve ianao? Inona ireo antony azonao omena mba hanamarinana ny valinteninao?

    2. Ahoana no hanazavana ny amin'ireo olona maro izay tena "mahomby" tokoa kanefa tsy manaraka na dia iray aza amin'ireo fitsipika ara-Baiboly momba ny fitantanana ny fananana na ny fiainana ankapobeny? Na inona no azo ambara momba ireo izay miezaka ny hanaraka izany fitsipika izany kanefa tsy mahomby? Angamba tratry ny aretina izy ireo na tra-doza. Ahoana no tokony ho fahatakarantsika ireny toe-javatra ireny? 

    Please publish modules in offcanvas position.