Lesona 10: Mamerina

    Hodinihana mandritry ny herinandro: Lio. 12:16-21; Mpitt. 2:18-22; Ohab.27:23-27; 2 Kôr. 4:18; Mpitt. 5:10; Kôl.1:15-17.

    Tsianjery: "Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy." - Apôk. 14:13.

    Inona ireo fitsipika azontsika raisina avy amin'ireto andalan-teny manaraka ireto mikasika ny fomba tokony hitantanantsika ny vola?

    1 Tim. 6:17.....................................................................................................................................................

    2 Kôr. 4:18 ....................................................................................................................................................

    Ohab. 30:8 ....................................................................................................................................................

    Mpitt. 5:10 ....................................................................................................................................................

    Mety hangeja mafy ny olombelona ny vola, fangejana izay nitarika olona maro ho amin'ny fandringanana. Iza no tsy mbola nandre ny amin'ireo izay nahavanon-doza noho ny vola, na dia efa nanana betsaka aza izy tany am-piandohana?

    Tsy voatery ho toy izany anefa. Amin'ny herin'Andriamanitra dia azontsika atao ny mandresy ny fikasan'ny fahavalo izay mamadika ny tokony ho fitahiana (ny harena sy ny fananana) ho ozona.

    Ao anatin'ilay tontolon-kevitry ny fahaiza-mitantana sy fanaovana drafitra hiatrehana ny fahafatesana, dia iray amin'ireo fakam-panahy mampidi-doza ny olona ny manangon-karena sy fananana ho an'ny tenany ankehitriny, ka ho fanamarinany izany dia hoy izy: "rehefa maty aho dia azoko atao ny manolotra izany rehetra izany." Na dia tsara noho ny fandaniana ny zava-drehetra avy hatrany aza izany (nilaza ny mpanefoefo iray fa tsy hiaina amim-pilaminana izy raha tsy efa tsy misy vola intsony ao amin'ny kaontiny, ka taratasim-bola tsy misy antoka no hikarakarana ny fandevenana azy), dia misy tsara lavitra noho izany, azontsika atao ary tokony hataontsika.

    Hitako fa maro no tsy manao izany raha mbola velona izy, mampangina ny feon'ny fieritreretany izy ireo fa amin'ny fahafatesany no hanaovany asa fiantrana; zara raha matoky sy mino an'Andriamanitra izy ireo ka tsy sahy manome na inona na inona mandritra ny fahavelomany. Saingy tsy izany asa soa diso aoriana loatra izany no takin'Andriamanitra amin'ny mpianany; tsy mahafa-tsiny ny fitiavan-tenan'ny velona izany. Ireo izay mifikitra amin'ny fananany hatramin'ny ora farany dia manolotra izany ho amin'ny fahafatesana fa tsy ho fampandrosoana ny asan'ny Tompo. Misy mandrakariva ny fatiantoka. Bankiropitra ny banky, ary lany amin'ny fomba maro samihafa ny harena. Maro no manam-pikasana tsara saingy mitaredretra izy amin'izany ka ataon'i Satana izay hanakanana azy tsy handrotsaka ao amin'ny firaketan'ny Tompo. Very mialoha ny hamerenana izany amin'Andriamanitra ny fananana, ary faly aoka izany i Satana rehefa izany no miseho." — TFC, b. 5, t. 154.

    Nahoana no tokony hitandrina fatratra isika ny amin'ny fomba hanamarinantsika ny fampiasantsika ireo fitahiana ara-nofo azontsika? 

    Rehefa manakaiky ny fiafaran'ny taom-piasantsika dia mifantoka amin'ny fitehirizam-pananana sy vola hitsinjovana izay iafaran'ny fiainantsika ny saintsika. Mety ho fanandramana sarotra sy miteraka alahelo tokoa ny fitsaharana amin'ny asa ho amin'ny fisotroan-dronono. Raha ny fitantanam-bola no resahina, inona ny hevitra mety indrindra iatrehana izany?

    Rehefa miha-antitra ny olona dia tonga ao aminy ny fanahiana ny hoavy. Ireto avy ireo tahotra mateti-pitranga: andrao maty aloha loatra (satria tsy mbola tanteraka ny fiahiana ny ankohonana); andrao maharitra ela loatra (lany ireo fananany na ireo tahiriny); andrao tratry ny aretina mampidi-doza (mety ho indray lany amin'izany avokoa ny fananana rehetra); ary andrao ho tonga amin'ny fahasembanana ara-tsaina sy/na ara-batana (iza no hikarakara ahy?).

    Rehefa niresaka momba ireo tahotra ireo Ellen G. White dia nanoratra hoe: "Avy amin'ny Satana ireo tahotra rehetra ireo. (...) Raha mametraka ny tenany eo amin'ny toerana izay tian'Andriamanitra hisy azy izy ireo dia ho tsara indrindra sy ho feno fifaliana ny androny sisa. (...) Tokony hariany ny fiahiahiana sy ny enta-mavesatra ary hofenoiny fifaliana araka izay azony atao ny androny, ka hiomana ho any an-danitra izy." — TFC, vol. 1, t. 424.

    Amin'ity herinandro ity isika dia hijery indray ireo torohevitr'Andriamanitra momba ireo taona farany hiainantsika. Inona ireo zavatra tokony hataontsika, ireo zavatra tsy tokony hataontsika, ary ireo fitsipika tokony harahintsika?

    Vakio ny Lio. 12:16-21. Inona ny hafatra natao ho antsika eto? Inona ny fananarana mafy nomen'ny Tompo ilay lehilahy adala ary Inona no tokony hambaran'izany amintsika mikasika ny toe-tsaintsika momba ireo fananantsika?

    Na dia mivelatra kokoa noho izany aza ny tantara dia azo lazaina fa tantarana nataoni Jesôsy momba izay tsy tokony atao mandritra ny fisotroan-dronono izany. Araka izany, raha misy olona iray miala amin'ny asany mba handany ireo fananana izay nangoniny ho an'ny tenany dia tokony hitandrina sy handray am-po izany tantara izany izy. Ny olana dia tsy ny fiasana mafy na ny fananana harena, indrindra rehefa mihaantitra isika ka mety ho tonga manan-karena kokoa. Ny toe-tsaina manoloana izany no olana. Ny tenin'ilay manan-karena hoe: "mitsahara, mihinana, misotroa, mifalia? - Lio. 12:19 no milaza ny tena olana eto.

    "Ny fanirian'ity lehilahy ity dia tsy ambony noho ny an'ny biby izay tsy maintsy ho faty. Mivelona tahaka ny tsy misy Andriamanitra, na tsy misy ny lanitra, na ny fiainana ho avy izy; mihevitra ho tompon'izay rehetra nananany ka tsy ananan'Andriamanitra na ny olona na inona na inona trosa izy." - HF (2004), t. 256.

    Raha tsy mihevitra afa-tsy ny tenantsika isika mandritra io ampahany amin'ny fiainantsika io ka manao tsinontsinona izay ilain'ny hafa sy ny asan'Andriamanitra, dia manao tahaka ilay mpanan-karena adala. Tsy misy milaza ao fanoharana nataon'i Jesôsy fa ilay mpanan-karena dia olona kamo na tsy mahatoky. Ny olana dia teo amin'ny fomba nandaniany ny fananana nankinin' Andriamanitra taminy. Satria tsy fantatsika ny andro hahafatesantsika dia tokony hiomana mandrakariva isika mandritra ny fahavelomantsika mba hanatontosana ny sitrapon'Andriamanitra fa tsy hikatsaka fiainana feno fitiavan-tena.

    Ny sary ankapobeny omen'ny Baiboly dia ity: miasa sy mamokatra hatrany olona iray raha mbola manana fahafahana manao izany. Raha ny marina dia mahaliana ny mahita fa teo amin'ny fahavalopolo taonany, araka ny inoan'ny maro, no nanoratan'ireo mpanoratra ny boky faminaniana lehiben'i Daniela sy ny Apôkalipsy, rehefa nahavita ny asany izy ireo. Ary tamin'izany andro izany dia naharitra 50 taona teo ho eo ny androm-piainan'ny olona ankapobeny. 70 taona teo ho eo i Ellen G. White no namoaka ny sasany tamin'ireo bokiny  fanta-daza sy tian'ny maro indrindra, toy ny 'Ilay Fitiavana Mandresy". Raha mbola salama koa, ny fitomboan'ny taona dia tsy midika ho fiatoana tsy hamokatra intsony na tsy hanao ny tsara araka izay azo atao intsony.

    Nanoro hevitra ireo izay miandry ny fiaviany fanindroany i Jesôsy  mba tsy hitazam-potsiny fa hanohy hiasa (Mat. 24:44-46). 

    Na firy taona iano na firy, ary na ohatrinona ny vola anananao na ohatrinona, dia ahoana no tsy hahalatsaka antsika amin'ny fandrika izay nahavoa ity lehilahy ity? Anontanio ny tenanao hoe "inona no anton'ny ahavelomako?"

    Indray andro dia nisy nanontany i Billy Graham, ilay evanjelisitra malaza hoe: amin'izao fahalehibiazanao izao (teo amin'ny faha-60 taonany i Graham tamin'izany), inona no tena mahagaga anao indrindra momba ny fiainana? "Ny hafohin'izany" hoy izy.

    Tsy isalasalana fa mandalo faingana tokoa ny fiainana.

    Inona no ampianarin'ireto andalan-teny manaraka ireto momba ny fiainan'ny oiombelona ety an-tany? Sal. 49:17; 1 Tim. 6:6,7; Sal. 39:11; Jak. 4:14; Mpitt. 2:18-22.

    Tsy hoe mihelina fotsiny ihany ny fiainana fa rehefa maty ny olona dia tsy mitondra na inona na inona miaraka aminy, na dia kely amin'ireo harena ara-nofo izay nangoniny aza. (Ny toetra? Resaka hafa indray izany.) "Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty" - Sal. 49:17, izany hoe, mamela ny fananany rehetra ho an'olon-kafa izy. Miankina amin'ny drafitra efa natao mialoha ny momba izay handray izany.

    Mazava loatra fa tsy ny rehetra no manana harena izay azy manokana, saingy ny ankamaroan'ny olona, indrindra fa raha niasa nandritra ny taona maro izy, dia nahangona harena. Amin'ny farany, izay hitranga amin'izany harena izany aorian'ny fahafatesana dia tena zava-dehibe tokony hoheverin'ny olona tokoa.

    Ho an'ireo izay manana harena ao anatin'ireo fotoana farany iainany, na manao ahoana na manao ahoana haben'izany, ny fanaovana drafitra ny amin'izay handimby antsika no mety ho fitantanam-pananana farany ataontsika, dia ny fitantanana amim-pitandremana izay nomen'Andriamanitra antsika tamin'ny nitahiany antsika. Raha tsy nanao drafitra ianao, amin'ny alalan'ny didim-pananana na fifanarahana hafa, momba izay handimby ianao, dia afaka mandray an-tanana izany ny fanjakana na ny governemanta sivily (miankina amin'ny toerana onenanao izany rehetra izany mazava loatra). Raha maty ianao kanefa tsy nanao didim-pananana. ny ankamaroan'ny fitsarana sivily dia hampita ny fanananao amin'ireo havanao, na ilain'izy ireo izany na tsia, na hampiasainy amin'ny fomba tsara izany vola izany na tsia, ary na safidinao na tsia ny hanolotra ny ampahany amin'izany ho an'izany olona izany. Tsy hisy na inona na inona ho an'ny fiangonana. Raha izany no fanirianao dia tsy misy ny olana; fa raha tsy izany kosa dia tokony hanao drafitra mialoha ianao. 

    Raha lazaina amin'ny fomba tsotra indrindra dia izao: afaka milaza isika fa, satria Andriamanitra no tompon'ny zavatra rehetra (jereo  ny Sal. 24:1), dia mitombina ny hanaovana tsoa-kevitra, araka ny fomba fijery ara-Baiboly, fa rehefa mifarana hatreo ny fitantanantsika ny fananana nankinin'Andriamanitra tamintsika dia tokony hamerina Aminy, Izay tompony ara-dalàna, ny ambiny isika, rehefa afaka ny anjara ilain'ireo havan-tiantsika.

    Mety ho tonga amin'ny fotoana rehetra sy amin'ny fomba tsy ampoizina ny fahafatesana, na dia anio aza. Inona no hanjò ireo havanao raha maty ianao anio? Inona koa no hitranga amin'ny fanananao? Hozaraina araka izay irinao ve izany? 

    Tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha dia maro tamin'ireo zanak'Isiraely no mpamboly sy mpiompy. Noho izany dia natao araka ny fiteny fampiasa amin'izany sehatra izany ny sasany amin'ireo teny fikasana milaza fitahiana nataon'Andriamanitra. Ohatra, ao amin'ny Ohab. 3:9,10 dia milaza Andriamanitra fa raha mahatoky Aminy isika eo amin'ny fitantanam-bola dia "ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao".

    Mety ho maro ny kristianina tsy manana fitoeram-bary amin'izao fotoana izao. Mazava amintsika araka izany fa hitahy ny asantsika na ny orin'asantsika Andriamanitra raha vonona hanaraka sy hankatò Azy isika.

    Vakio ny Ohab. 27:23-27. Ahoana no hanazavanao ny hoe "Fantaro tsara ny tarehin'ny ondry aman'osinao" ho an'ireo Kristianina miaina amin'izao fotoana izao?

    Na dia mampitandrina ireo mpanankarena izay manitsakitsaka ny mahantra na fatra-pitia ny hareny aza ny Baiboly, ny Soratra Masina dia tsy manameloka velively ny harena na ny ezaka ataon'ny olona hahazoan-karena raha tsy hoe angaha, mazava loatra, tamin'ny fomba tsy marina na tamin'ny fampahoriana ny hafa no nahazoany izany. Raha ny marina, ny andalanteny natao hodinihina anio, ao amin'ny Ohabolana, dia milaza fa tokony hitandrina isika amin'ny fandraharahana ara-bola mba hananantsika ny ampy ho an'ny tenantsika sy ny ankohonantsika. "Ary ho ampy hosotroinao ny rononon'osy sy ho an'ny ankohonanao, ary hisy hiveloman'ny ankizivavinao." - Ohab. 27:27.

    Inona ny fomba hafa azontsika ilazana io andininy io amin'izao fotoana izao? Mety hanoso-kevitra isika hoe: "Diniho tsara ny fitantananao ny volanao ary fantaro ny toe-draharahanao." Na manaova jery todika dia fantaro ny tahan'ny trosanao raha oharina amin'ny vola rehetra eo an-tananao." Tsara ny manao fandinihana tsindraindray, mandritra ireo taona andraisanao karama, ny amin'ny didim-panananao, na taratasy hafa, mbamin'ireo fanananao amin'izao fotoana izao, ka mampifanaraka izany amin'ny zava-misy raha toa ka ilaina ireo antontan-taratasy toy ny didim-pananana sy ireo momba ny fitantanam-bola dia apetraka dieny eo am-piandohan'ny famolavolana drafitra ny amin'izay handimby, mba hiarovana anao amin'ny fahafatesana tampoka na ny tsy fahafahana manapa-kevitra, noho ny antony ara-pahasalamana, ny amin'izay tokony handray ny harenao. lzany hoe aleo manao drafitra mialoha ny amin'izay hitranga amin'ny harenao rehefa tsy ho anao intsony izany.

    Raha fintinina, ny fahaiza-mitantanana ireo fananana nitahian'Andriamanitra antsika dia tsy mahakasika izay ananantsika amin'izao fahavelomantsika izao ihany fa ny amin'izay hitranga aorian'ny fahafatesantsika koa - satria indray andro any dia tsy maintsy handeha isika ka hilaozantsika ireo harentsika ara-nofo na betsaka izany na kely, raha tsy hoe tonga amin'ny andro-mpahavelomantsika angaha ny Tompo. Noho izany dia anjarantsika ny manomana mba ho fitahiana ho an'ny hafa sy ho fampandrosoana ny asan'Andriamanitra ny fananana izay nitahian'Andriamanitra antsika.

    Na dia sarotra aza ny mahazo an-tsaina izay mety ho fiainana teto an-tany raha tsy nanota ny olombelona, dia azo antoka ity zavatra iray loha ity: tsy ho nisy ny fanangonan-karena ho an'ny tena manokana, tsy ho nisy ny fitiavam-bola tafahoatra, tsy ho nisy ny fahantrana - izay efa mianjady tamin'ity tontolontsika ity araka ny voarakitry ny tantara. Rehefa miasa isika ka manao izany amim-pahatokiana, ary mahatsapa fa isika no tompon'ny vokatra avy amin'izany, ka antsika ara-dalàna izany, dia tsy inona fa fisehon'ny fiainana ao anatin'ny tontolo lavo izany. Amin'ny farany anefa, na toy inona na toy inona harena azontsika, dia misy zavatra iray manan-danja tsy azontsika hadinoina.

    Vakio ireto andininy manaraka ireto. Inona ny hevi-dehibe ikambanan'izy ireo ary inona no tokony ho fiantraikan'izany amin'ny fampiasantsika ireo harena ara-nofo rehetra nitahian'Andriamanitra antsika? (Sal. 24:1; Heb. 3:4; Sal. 50:10; Gen. 14:19; Kôr.1:15-17).

    Isika no mpitandrina sy mpitantana izay nankininy tamintsika; izany hoe, an'Andriamanitra ny zavatra rehetra raha ny marina, ary izy no manome antsika fiainana, fisiana, sy hery hahazoana na inona na inona ho antsika. Ara-dalàna tokoa raha averintsika amin'Andriamanitra ny ambiny rehefa avy nampiasa izay nomeny antsika isika, sy efa niahy ny ankohonantsika. "Mihary harena ho anao any amin'ny trano firaketan'ny lanitra ianao rehefa manolotra ho an'ny asan'Andriamanitra. Izay rehetra apetraka any ambony dia azo antoka sy voaro amin'ny loza sy ny fahaverezana, ary mitombo ho fananana mandrakizay" "ary ho voarakitra amin'ny anaranao any amin'ny fanjakan'ny lanitra izany." — TFM, t. 378.

    Misy tombontsoa maro ho azo,raha amin'izao fahavelomantsika izao isika no manome. Ohatra vitsivitsy amin'izany ireto:

    1. Afaka mahita marina ny vokatry ny fanomezany ilay mpanolotra - trano fiangonana vaovao, tanora iray tafiditra any amin'ny oniversité, asa fitoriana mahazo fanohanana ara-bola, sns.

    2. Dieny ankehitriny, amin'izao fotoana tena ilàna azy izao, dia afaka misitraka ny tombontsoan'izany ny asa fitoriana sy ny olona.

    3. Tsy misy fifandirana eo anivon'ny fianakaviana na ny namana aorian'ny fahafatesanao.

    4. Maneho ohatra tsara amin'ny hafa momba ny tombambidin'ny fahalalahan-tanana sy ny fitiavana eo anivon'ny ankohonana izany.

    5. Mampihena ny hetra aloa araka ny lalàn'ny fandovana.

    6. Azo antoka amin'izany fa tonga any amin'ilay sampan'asa irinao tohanana ilay fanomezana (tsy misy idiran'ny fitsarana na ny havana tsy faly).

    7. Manaporofo izany fa efa voaova fo, niala tamin'ny fitiavan-tena ho amin'ny fitsinjovana ny hafa, ilay mpanome.

    8. Mahangona harena any an-danitra izany. 

    Nanoratra toko anankiroa momba io lohahevitra manan-danja momba ny fizarana ny fananantsika io i Ellen G. White. Jereo ny "To (Aged and) Wealthy Parents," ao amin'ny TFC, b. 3, tt. 116-130, sy ny "Wills and Legacies," ao amin'ny TFC, b. 4, tt. 476-486.

    Misy fizarana miresaka ny amin'ny fanaovana drafitra momba ny fandovana koa ao amin'ny boky "Torolalana ho amin'ny fahaiza-mitantana, toko 62,63,64. Izao koa no nosoratan'i Ellen G. White: "Raha Kristianina ny olona dia tsy hangataka andro tahaka ny fanaon'ny maro ka hiandry ho efa ambavahoana vao hanapa-kevitra. Tokony hataony izany dieny mbola velona ao anatin'ny tanjaka sy ny hery izy. Tokony hanokana ny tenany sy ny fananany ho an'Andriamanitra izy, ary hahazo fahafaham-po tanteraka amin'ny famitana ny andraikiny amin'ny maha-mpitantam-pananan'ny Tompo azy. Ary satria izy ihany no mpanatanteraka dia azony atao ny manatanteraka ny fitakian'Andriamanitra fa tsy mamindra ny andraikiny amin'ny olon-kafa." - TFC, b. 4, t. 480.

    Inona no tiany hambara amin'ny hoe "izy ihany no mpanatanteraka"? Amin'ny didim-pananana mahazatra, ny mpanoratra ny didim-pananana dia manendry mpanatanteraka iray mba hizara ireo fananana aorian'ny fahafatesany, mifanaraka amin'ny faniriany voalaza ao amin'ny didim-pananana. Koa raha ianao ihany no mpanatanteraka, dia ianao no mizara ireo fanananao mandritra ny fahavelomanao. Amin'ny fanaovana izany dia ho afa-po ianao ka hahita ny vokatra sy hahalala fa notantananao araka ny tokony ho izy ireo talenta nankinin'Andriarnanitra taminao. Ho an'ny Kristianina, ny fiavian'i Kristy fanindroany dia fanantenana mahafinaritra". Isika rehetra dia efa samy naka sary an-tsaina avokoa hoe fahafinaretana manao ahoana ny hahita an'i Jesôsy tonga eny amin'ny rahon'ny lanitra. Tsy andrintsika ny handre lay teny manao hoe "tsara izany". Ary inona no hitranga raha mila miala sasatra ao am-pasana isika mialoha ny fiverenan'i Jesôsy? Raha nanaraka ny sitrapony voambara isika dia azontsika atao ny ho afa-po hahita ny fandrosoan'ny asa noho ny ezaka nataontsika, satria fantatsika fa noho ny drafitra momba ny fandovana nataontsika dia hitohy ny asa aorian'ny fandehanantsika. 

    Fanontaniana hifanakaozan-kevitra: 

    1. Na dia afaka mihary harena any an-danitra aza isika ankehitriny, nahoana izany no tsy mitovy amin'ny hoe miasa mba hahazo na "hividy" mihitsy ny famonjena? 

    2. Na dia tokony halala-tanana aza isika amin'ny fanomezana izay ananantsika amin'izao fotoana izao, dia mila manam-pahendrena koa. Impiry no efa nandrenesantsika olona, manao antso ho fanangonam-bola satria hisy toe-javatra toy izao na toy izao hitranga amin'ny daty toy izao na toy izao, ary satria tsy misy ilana  azy intsony ilay volanao aorian'izany daty izany dia tsy maintsy omena azy ankehitriny izany ho fanohanana ny asany? Ahoana no hahaizantsika manavaka ny fitaka sy ny fomba ara-dalana azontsika ampiasana ny volantsika dieny ankehitriny ho an'ny asan'Andriamanitra? 

    Please publish modules in offcanvas position.