- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 1: Mitantana ny fananan’i Tompo mandra-piaviny
- Lesona 11: Mahay mitantana ao anatin'ny fotoan-tsarotra
Fampidirana
Tsy voafehy intsony ity tontolo misy antsika ity indraindray: ady, fandatsahan-drà, heloka bevava, fahalotoam-pitondran-tena, loza eo amin'ny zavaboary, areti-mandringana, tsy fahazoana antoka ara-toe-karena, kolikoly ara-politika, sns. Ny hitohizan'ny fahaveloman'ny tenany aloha no tsy maintsy sainin'ny isam-batan'olona sy ny fianakaviana. Vokatr'izany dia mieritreritra mafy ny hitady fialofana azo antoka isika amin'ireny fotoana tsy azo antoka ireny, ary tsy mahagaga izany.
Ampahany betsaka amin'izay ampifantohantsika ny fijerintsika isan'andro ireo zava-tsarotra eo amin'ny fiainana. Mila fotoana sy fandinihana ny fanefana ny trosa, ny fanabeazana ny ankizy, ary ny fikarakarana ny fananana. Ary mazava loatra fa mila fitafiana sy sakafo ary fialofana isika. Niresaka ny amin'ireo filana fototra i Jesôsy tao anatin'ny Toriteny teo an-tendrombohitra, ka nilaza hoe: "Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany."- Mat. 6:32,33.
Amin'ireo fotoan-tsarotra ireo, fotoana izay ilantsika bebe kokoa ny hiantehitra amin'ny Tompo dia misy dingana mazava, miorina amin'ireo fitsipika ara-Baiboly, tokony harahintsika.