Vakio ny 2 Tant. 20:1-22. lnona ireo fitsipika lehibe azontsika raisina ho an'ny tenantsika avy amin'io tantara io na inona na inona tolona atrehintsika?
Voatafika ny Joda tamin'ny faramparan'ny fotoana nanjakan'i Josafata. Lehilahy be herim-po sy nanana tombambidy i Josafata. Nandritra ny taona maro dia nanatanjaka ny tafiny sy ireo tanànany mimanda izy. Niomana hifanatrika tamin'ny karazam-pahavalo izy; tao anatin'ity fotoan-tsarotra ity anefa dia tsy nametraka ny fitokiany tamin'ny heriny izy fa tamin'ny herin'Andriamanitra. Nitady an'i Jehôvah izy ary niantso fifadian-kanina nanerana ny tanin'ny Joda manontolo. Niangona teo an-kianjan'ny tempoly ny vahoaka, araka izay nangatahin'i Sôlômôna hataony rehefa misy loza mananontanona. Nitsangana teo anatrehan'i Jehôvah ny Joda rehetra mbamin'ny vady aman-janany. Nivavaka tamin'Andriamanitra izy ireo mba hanisy otrika hamelezana ireo fahavalony ka homem-boninahitra ny Anarany. Dia nivavaka ny mpanjaka nanao hoe: "Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain'ny masonay."- 2 Tant. 20:12.
Taorian'ny nanoloran'izy ireo tena ho an'Andriamanitra tamin'izany fomba izany dia tonga tamin'ny lehilahin'Andriamanitra iray ny Fanahin'ny Tompo ka nanao hoe: "Aza matahotra na mivadi-po ny amin'ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an'Andriamanitra. (...) Tsy hianareo anefa no hiady amin'ity; mijanona tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehôvah anareo."- 2 Tant. 20:15-17.
Araka izany dia nanangona ny vahoaka ny mpanjaka ny ampitso vao maraina, niaraka tamin'ny antoko mpihiran'ny Levita teo anoloana mba hanao hira fiderana ho an'Andriamanitra. Dia nananatra ny vahoaka izy ka nanao hoe: "Minoa an'i Jehôvah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra hianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina hianareo."- 2 Tant. 20:20. Rehefa izay dia nihira ny antoko mpihira ary nifamely ny fahavalon'izy ireo ka "tsy nisy afa-nandositra" - 2 Tant. 20:24. Telo andro no nanangonan'ireo lehilahy tao Joda ireo babo tamin'ny ady ary tamin'ny andro fahefatra dia niverina tany Jerosalema izy ireo sady nihira teny am-pandehanana.
Mazava loatra fa ilay Andriamanitra izay nanafaka azy ireo no Ilay Andriamanitra izay tiantsika sy iankohofantsika, ary ny heriny dia lehibe tahaka ny tamin'izany vanim-potoana izany koa ankehitriny. Ny fihaikana ho antsika dia ny hatoky Azy sy ny fitarihany.
Vakio ny 2 Tant. 20:20. Inona ny hevitra manokana tokony hananan'io andalan-teny ho an'ny Advantista mitandrina ny andro fahafito?