Matokia an’Andriamanitra fa tsy ny harenao

    Tokony ho nahalala tsara i Davida mpanjaka. Tokony ho nahalala izy tamin'ny alalan'ny fanandraman'i Jônatana sakaizany, fa rehefa manao fanekena amin'Andriamanitra ianao dia tsy mampaninona na vitsy na maro ny olona miaraka aminao; afaka manome ny fandresena ho anao Andriamanitra. Raketin'ny Baiboly ao amin'ny 1 Sam. 14:1-23 ny fomba nandresen'i Jônatana, zanak'i Saoly, sy ny mpitondra fiadiany ny rniaramilan'ny Filistina iray toby - niaraka tamin'ny fanampian'Andriamanitra. Na dia teo aza anefa izany fanandramana izany sy ny maro hafa ao amin'ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra dia namela an'i Satana haka fanahy azy mba hametraka ny fitokiany amin'ny herin'ny tenany sy ny hakingan-tsainy i Davida mpanjaka.

    Vakio ny 1 Tant 21:1-14. Nahoana i Davida no nanapa-kevitra ny hanisa ny Isiraely na hanisa ireo miaramilany? Nahoana i Jôaba kômandiny no nanoro hevitra azy tsy hanao izany? 

    Mariho fa hevitra avy amin'i Satana ny hanisana ireo miaramila. Naka fanahy an'i Davida izy mba hiantehitra amin'ny herin'ny tenany fa tsy hiankina amin'ny fitondran'Andriamanitra hiaro azy. Niezaka ny nandresy lahatra an'i Davida i Jôaba, kômandin'ny tafik'lsiraely mba tsy hanisa ny Isiraely, satria hitany ny niasan'Andriamanitra ho an'ny Isiraely, saingy nitaky ny hanaovana ny fanisana i Davida. Nitondra loza ho an'ny firenena ny fihetsika nasehony araka izay hita ao amin'ny tantara.

    Tsy misy olona nitoky tamin'Andriamanitra ka very maina izany fitokiana izany. Omany ny tenanao isaky ny miady ho an'ny Tompo ianao. Ary miomana tsara ihany koa. Misy teny nalaina nataon'ny mpitondra britanika iray, Oliver Cromwell (1599-1658), izay fanaony tamin'ny tafiny mialoha ny ady, manao hoe: "Matokia an'Andriamanitra ianareo, ry zanako, ary tehirizo ho maina ny vovokareo (Ny vovoka dia ny vanjan-tafondro). Raha lazaina amin'ny teny hafa, ataovy izay rehetra azonao atao mba handresena saingy amin'ny farany dia Andriamanitra irery ihany no afaka manome fandresena anao.

    Eo amin'ny toe-javatra iainantsika ankehitriny dia alaim-panahy tokoa isika hametraka ny fitokiantsika amin'ny herin'ny fitondram-panjakana na amin'ny kaontintsika any amin'ny banky; kanefa tao anatin'ny zava-tsarotra tsirairay voalaza ao amin'ny Baiboly, rehefa nitoky tamin'Andriamanitra ny olona, dia nanome voninahitra ny fitokian'izy ireo Izy ka nanome izay nilainy.

    Tokony hampiasa ny fotoana ankehitriny isika mba hihavanana amin'Andriamanitra sy hialantsika amin'ireo trosantsilsa ary hanomezantsika amim-pahatalahan-tanana amin'ireo zavatra nomena antsika. Araka ny tonon'ny hira iray fahiny manao hoe: "Raha nila ny Tompo isika taloha dia azo antoka fa mila Azy ankehitriny". 

    Ahoana no ahitantsika ny fifandanjana marina eo amin'ny fanaovana izay azontsika atao, ohatra, mba hahazoana antoka ny ara-bola, ary miaraka amin'izay, hametraka ny fitokiana amin'ny Tompo ny amin'ny zavatra rehetra? 

    Please publish modules in offcanvas position.