Fotoana tokony hiainana fiainana tsotra?

    Inona no tokony hataon'ny Kristianina advantista mitandrina ny andro fahafito manoloana ny fotoan-tsarotra? Moa ve isika hianina amin'ny fanaovana izay fomba hahavelomana fotsiny? Tsy izany fa ny mifanohitra amin'izany no izy. Satria fantatsika fa efa akaiky ny fiafaran'izao tontolo izao sy ny fiavian'i Kristy fanindroany dia irintsika ny hampiasa izay ananantsika mba hilazana amin'ny hafa ny vaovao mahafalin'ny filazantsara sy izay nomanin'Andriamanitra ho an'ireo tia Azy. Fantatsika fa indray andro any, tsy ho ela intsony, dia hodorana ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany.

    Vakio ny 2 Pet. 3:3-12. Inona no ambaran'i Petera amintsika amin'ireo teny ireo?

    Takatsika avy amin'ny Tenin'Andriamanitra fa tsy handefa fiara mpitatitra entana Izy hitondra ny entantsika ho any an-danitra. Ho may avokoa izany rehetra izany amin'ny fandravana lehibe amin'ny afo, rehefa hofoanana mandrakizay ny mariky ny fahotana sy ny faharatsiana, afa-tsy ireo holatra eo amin'ny tanan'i Kristy. Inona àry no tokony hataontsika amin'ireo fananantsika? "Izao ankehitriny izao no tokony hampihenan'ny anadahintsika ny fananany fa tsy ampitomboana azy ireny. Eo an-dalam-pifindrana any amin'ny tanàna tsara isika, dia any an-danitra. Koa aoka isika tsy hanorim-ponenana eto an-tany, fa hametrapetraka mazava tsara amin'ny toerany ny zavatra rehetra, araka izay azo atao." — TFM, t. 63.

    Marina fa nanoratra ireo teny ireo izy, zato taona mahery izay! Saingy mbola mitoetra ny fitsipika: fohy mandrakariva ny fotoana, satria fohy mandrakariva ny fiainantsika. Inona moa izay 60 taona, na 80 taona na 100 taona (raha manana fototarazo tsara sy fanao ara-pahasalamana tsara ianao) raha oharina amin'ny mandrakizay? Mety ho tapitra ny fiainanao mialoha ny ahavitanao mamaky ny lesona amin'ity herinandro ity, ary ny zavatra ho hitanao manaraka dia ny fiavian'i Jesôsy fanindroany. (Moa ve tsy toy ny vetivety monja izany?) Amin'ny maha-Advantista antsika dia tokony hiaina amim-pisaintsainana mandrakariva ny mandrakizay isika. Eny tokoa, tokony hiasa mafy isika mba hahazoana izay ilaintsika sy ny ankohonantsika; ary raha notahina tamin'ny alalan'ny harena isika dia tsy misy maharatsy ny mifaly amin'izany ankehitriny, raha toa ka tsy mierina isika ary koa malala-tanana ka hanampy ireo sahirana. Na izany aza, tokony hotsaroantsika mandrakariva fa izay rehetra angonintsika eto dia mandalo sy mihelina ihany, ary raha tsy mitandrina isika dia mety hanimba ny fanahintsika izany.

    Raha fantatrao fa ho avy afaka folo taona i Jesôsy, dia ahoana no hanovanao ny fiainanao? Ary raha afaka dimy na telo taona?

    Please publish modules in offcanvas position.