Ireo fanoharana sy ny fampianaran'i Jesôsy, ny tantaran'ireo olo-malaza ao amin'ny Baiboly ary ireo torohevitra avy amin'i Ellen G. White dia manambara mazava tsara avokoa fa tsy misy fanoloran-tena tapatapany ho an'i Kristy. Na isika miandany amin'ny Tompo na tsy miandany Aminy. Rehefa nanontanian'ny mpanora-dalàna, ny amin'ilay lehibe indrindra amin'ny lalàna i Jesôsy dia izao no navaliny: " tiava an'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra"- Mar. 12:30. Rehefa rnanolotra ny zava-drehetra ho an'i Kristy isika dia tsy misy ho an'ny tompo hafa intsony. Izany no izy, ary tsy maintsy izany.
Vakio ny Mat. 6:24. Inona ny fanandraman'ny tenanao manokana momba ny fahamarinan'ireo teny ireo?
Mariho fa tsy niteny i Jesôsy hoe sarotra ny manompo an'Andriamanitra sy ny vola, na koa hoe ilana fitandremana ny fomba anompoana ireo roa ireo. Tsy izany fa nilaza Izy fa tsy azo tanterahina izany. Izay ihany. Izany fiheverana izany dia tokony hiteraka tahotra sy hovitra ao amin'ny fanahintsika (Fil. 2:12).
Vakio ny 1 Jao. 2:15-17. Ahoana ny fisehon'ireo zavatra telo ireo eo amin'ny tontolontsika ary nahoana no misoko mangina tsy araka izay iheverantsika azy indraindray ny loza aterak'izany?
Tsy mahagaga raha toa i Paoly nanoratra hoe: "Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany'."- Kôl. 3:2. Mazava loatra fa mora kokoa ny miteny noho ny manatanteraka izany satria eo anoloantsika isan'andro ireo zavatr'izao tontolo izao. Mahery ny fitaoman'ny "zavatra rehetra eto amin'izao tontolo izao"; eo mandrakariva ny fanintonan'ny fanomezana fahafaham-po eo no ho eo, mibitsibitsika eo an-tsofintsika na misarika antsika amin'ny tanan'akanjontsika, na izy roa. Na ireo Kristianina mahatoky indrindra aza ve tsy nahatsapa fitiavana "ireo zavatra eto amin'izao tontolo izao"? Na dia fantatsika aza fa ho foana izany rehetra izany indray andro any, dia mbola tsapantsika ihany ny fanintonany, sa tsy izany? Ny vaovao mahafaly anefa dia tsy ilaintsika ny hamela izany hampisaraka antsika amin'Andriamanitra.
Vakio ny 2 Pet. 3:10-14. Tokony hisy fiantraikany eo amin'ny fomba fiainantsika ao anatin'izany ny fomba ampiasantsika ny harena izay lazainy eto, amin'ny fomba ahoana?