Rehefa tsy hisy afaka hividy na hivarotra

    Sary mampivarahontsana no asehon'ny Baiboly momba izao tontolo izao mialoha ny hiavian'i Jesôsy fanindroany. Miresaka momba ny "andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany"- Dan. 12:1, i Daniela. Raha heverintsika ny amin'ireo androm-pahoriana sasany tamin'ny lasa dia azo heverina fa ho ratsy kokoa noho izany izay ambarany eto.

    Ny bokin'ny Apôkalipsy koa dia manondro ireo fotoan-tsarotra mialoha ny fiverenan'i Kristy.

    Vakio ny Apôk. 13:11-17. Ahoana no hifandraisan'ny ara-bola amin'ny fanenjehana amin'ny andro farany? 

    Tsy afaka ny hividy na hivarotra hoe? Ampahany manao ahoana amin'ny fiainantsika ankehitriny anefa no mihodinkodina amin'ny fividianana sy ny fivarotana? Ny asantsika aza, amin'ny lafiny iray, dia fivarotana ny fotoantsika sy ny fahaiza-manaontsika ary ny fananantsika amin'ireo izay maniry ny hividy izany. Ny tsy fahafaha-mividy na mivarotra dia midika ho tsy fahafahana miaina eo anivon'ny fiarahamonina. Ho lehibe tokoa, araka izany, ny fanerena miantefa amin'ireo izay mitoetra ho mahatoky. Ankoatra izany, arakaraka ny anananao vola no hitomboan'ny fahaliananao amin'ity tontolo ity, farafaharatsiny amin'ny fananana ara-materialy, noho izany dia azo antoka fa hihamafy kokoa ny fanerena hifanaraka amin'ny toe-javatra.

    Ahoana àry no hiomanantsika? Miomana isika ankehitriny mba hahazo antoka, noho ny fahasoavan'Andriamanitra, fa tsy andevon'ny volantsika sy ireo zavatry ny tany isika. Raha tsy mifamatotra amin'ireny isika ankehitriny dia tsy hifamatotra aminy rehefa ho avy ny fotoana tsy maintsy hamoizana izany mba hitoerantsika ho mahatoky.

    Vakio ny Deo. 14:22 sy ny tapany farany ao amin'ny and. 23. Inona no tokony hataon'ireo vahoakan'Andriamanitra amin'ireo tombony na vokatra azony isan-taona? Nahoana Andriamanitra no nampanao azy ireo izany? 

    Nohazavain'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Mosesy fa ny iray amin'ireo antony nanorenany ny rafitra momba ny ampahafolony dia ny "mba hianaranao hatahotra an'i Jehôvah Andriamanitrao mandrakariva." Deo. 14:23. Ao amin'ny famerimberenan-kevitra anaty tononkalo ao amin'ny Sal. 31:19 dia hitantsika fa ny fahatahorana dia mitovy hevitra amin'ny fitokiana.

    "Akory re ny haben'ny fahatsaranao voarakitrao ho an'ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona ho an'izay mitoky Aminao " - NKJV.

    Ireo andalana mifanitsy ireo dia maneho amintsika fa ny fahatahorana an'i Jehôvah dia ny fitokiana Aminy. Araka izany dia takatsika fa nanorina ny rafitry ny famerenana ny ampahafolony Andriamanitra mba hiarovana antsika amin'ny fitiavan-tena sy hampirisihana antsika hitoky Aminy fa hanome izay ilaintsika lzy. Na dia tsy manome antoka velively ny hitoeran'ny olona ho mahatoky amin'ny farany aza ny fahatokiana amin'ny ampahafolony, dia azo antoka kosa fa ireo izay tsy mahatoky amin'izany dia hisedra olana. 

    Please publish modules in offcanvas position.