Fianarana fanampiny

    Na dia tsy misy fampitandremana momba ny harena aza ao amin'ny Baiboly dia tsy misy filazana koa ao fa mampitombo ny fanoloran-tena ara-panahin'ny olona iray ny harena. Ny loza mifanohitra amin'izany no misy. "Ny fitiavam-bola sy ny fitiavan-karena no gadra volamena mamatotra azy amin'i Satana."-- DHK, t. 52 (2018).

    Hatramin'ny nanorenana ny fivavahana kristianina dia tsy mbola nisy fiangonana nisitraka harena sy fiadanana tahaka izay azon'ny fiangonana any amin'ny firenana maro manerana izao tontolo izao ankehitriny. Izao no fanontaniana mipetraka: Ohatrinona ny sandan'izany? Azo antoka fa misy fiantraikany eo amin'ny ara-panahintsika ny fananan-karena toy izany ary tsy amin'ny lafiny tsara izany. Ahoana no nahatonga izany? Hatramin'ny oviana no nampiroboroboan'ny harena sy ny fananana ara-nofo ny toetra tsara kristianina, dia ny fahafoizan-tena sy ny fanaovana sorona ny tena? Ny fidirana ao an-trano izay misy vata fampangatsiahana, feno sakafo mihoatra noho izay azontsika hanina sy ny fananana fiara iray na maro, ny fandehanana miala sasatra isan-taona, ny fividianan-javatra amin'ny aterineto, ny fananana solosaina ao an-trano sy finday amin'ny hiaka farany ve manampy antsika kokoa tsy hitia izao tontolo izao na ireo zavatra eo amin'izao tontolo izao? Na dia maro amin'ireo mambran'ny fiangonantsika aza no tsy manana ireo rendrarendra ireo dia betsaka no manana izany - ary mety hampidi-doza ny fanahiny ny fananany izany. Tsy miresaka momba ny "mpanankarena" amin'izao fotoana izao isika, toy ireo mpanapitrisa sy izay manana ambonin'izany. Farafaharatsiny, dia fantany fa manan-karena izy ary azony atao ny mihaino (raha sitrany) ireo fampitandremana omen'ny Baiboly azy. Miresaka kokoa ny amin'ireo olona maro ao anatin'ny sokajy antonony isika, ireo eo anivon'ireo finday avo lenta, ny iMac, ny fitaovana mpanatsara rivotra ("climatiseur") sy ireo SUV (karazana fiara avo lenta), izay voafitaka satria mihevitra ny tenany ho ao anatin'ny "sokajy antonony" ka tsy tandindomin-doza ho voapoizina ara-panahy noho ny harenany. Izany no antony mahatonga ny ampahafolony ho fanefitra ara-panahy mahery vaika ho an'ny loza ateraky ny fananan-karena, eny fa na ho an'ireo tsy "mpanankarena" aza.

    Fanontaniana hifanakalozan-kevitra :

    1. Na dia tsy manan-karena araka ny fenitr'izao tontolo izao aza isika dia nahoana isika rehetra no tokony hitandrina ny amin'ny toe-tsaintsika manoloana ny vola sy ny harena?

    2. Inona avy ireo fampiharana azontsika atao, ankoatra ny ampahafolony, izay mety hanampy antsika hahazo antoka fa tsy ho variana loatra amin'ny zavatra eto amin'izao tontolo izao isika?

    3. Inona no hitranga aminao rahampitso raha tampoka eo dia tsy afaka mividy na mivarotra intsony ianao satria voasokajy ho isan'ireo izay "mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy"- Apôk. 14:12? Hanao ahoana ny finoanao? 

    Please publish modules in offcanvas position.