- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 1: Mitantana ny fananan’i Tompo mandra-piaviny
- Lesona 12: Ireo valisoan’i fahatokiana
Fampidirana
Na tsy azontsika vidina (na amin'ny alalan'ny asa ataontsika na ny famendrehan'ny tenantsika) velively aza ny famonjena, ny Baiboly dia mampanantena valisoa ho fampirisihana antsika hanana fiainana mahatoky amin'ny maha-olona tsy mendrika nefa mpandray ny fahasoavan'Andriamanitra antsika, satria raha ny marina, izay rehetra ananantsika dia avy amin'ny fahasoavan'Andriamanitra mandrakariva, ary avy amin'izany irery ihany. Araka ny nosoratan'i Davida: "Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehôvah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehôvah, mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian'i Jehôvah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehôvah, mampahazava ny maso. Madio ny fahatahorana an'i Jehôvah , maharitra maridrakizay; marina ny fitsipiki Jehôvah , eny, mahitsy avokoa. Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra. Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe." - Sal. 19:7-11.
Andininy maro ao amin'ny Baiboly no miresaka momba ny valisoantsika, izay ampanantenaina antsika amin'ny alalan' i Kristy aorian'ny fiaviany fanindroany, ary hifarana sy ho tapitra hatreo ny fahotana sy ny vokany mahatsiravina. Inona no ampanantenaina antsika ary ahoana no ananantsika antoka fa ho azontsika tokoa izay nampanantenaina antsika?