Vakio ny Heb. 11:6. Inona no tokony ho hevitr'io andininy io ho antsika? Inona no tokony hasetrintsika izay lazainy? Jereo koa ny Apôk. 22:12, Isa. 62:11. Inona no ampianarin'ireo andininy rehetra ireo antsika?
Ny valisoa omen'Andriamanitra ny zanany mahatoky dia manokana ary tahaka ny ankamaroan'ny zavatra ara-panahy, dia mety hihoatra ny fahatakarantsika voafetra izany. "Tsy ampy hahalaza ny momba ny valisoan'ny marina ny fitenin'olombelona. Izay hahita azy ihany no hahafantatra azy. Tsy misy saina voafetra afaka hahatakatra ny voninahitry ny Paradisan'Andriamanitra.” - HM (1983), t. 702.
Nofaranan'i Jesôsy tamin'ny alalan'ireto teny ireto ny toriteny nataony teo an-tendrombohitra momba ny fahasambarana: "Sambatra hianareo, raha haratsian'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo." - Mat. 5:11,12. Aorian 'ny fitanisana ireo olon'ny finoana ao amin'ny Heb. 11 dia fanazavana ny antony naneken' i Jesôsy ho faty teo amin'ny hazo fijaliana no anombohan'ny mpanoratra ny toko manaraka.
"Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an' i Jesôsy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy." - Heb. 12:1,2. Ny hoe valiana soa noho ny fahatokiana anefa dia tsy mitovy amin'ny hoe vonjena amin'ny alalan'ny asa. Iza amintsika, na amin'ireo olona maro ao amin'ny Baiboly, no nahavita asa tsara ka nahatonga azy ho mendrika teo anatrehan'Andriamanitra? Tsy misy, mazava loatra. Izany indrindra no anton'ny hazo fijaliana. Raha vitantsika ny mamonjy ny tenantsika amin'ny alalan'ny asa, dia tsy ho Jesôsy velively no ho faty teo amin'ny hazo fijaliana. Tsy maintsy amin'ny fahasoavana no amonjena antsika. "Ary raha avy amin'ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin'ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana." - Rôm. 11:6. Ny valisoa dia tsy inona fa vokatr'izay efa nataon'Andriamanitra ho antsika sy tao amintsika.
Ahoana no ahatakarantsika ny maha-samy hafa ny famonjena amin'ny alalan'ny fahasoavana sy ny valisoa mifanaraka amin'ny asa? Ento ao amin'ny kilasy ny valinteninao amin'ny Sabata.