Fiainana mandrakizay

    Amin'ny maha-olombelona antsika dia misy mandrakizay miandry antsika (na tiantsika izany na tsia). Ary araka ny Baiboly, io mandrakizay io dia hiseho amin'ny iray amin'ireto endrika roa manaraka ireto, farafahakeliny ho an'ny tsirairay avy amintsika: na ny fiainana mandrakizay, na ny fahafatesana mandrakizay. Izay ihany. Tsy misy ny eo anelanelany. Tsy misy fifanitsahana amin'ireo roa ireo na ampahany kely monja aza. Izao ihany: na ny iray (ny fiainana) na ny iray (ny fahafatesana); tsy misy ankoatra izay.

    Vakio ny Rôm. 6:23 sy ny Jao. 3:16. Inona avy ireo safidy apetraka eo anoloantsika? Tsy misy safidy roa mazava sy miavaka kokoa noho izany! Sa ahoana ny hevitrao?

    Azo inoana fa raha namaky ireo andininy ireo ianao dia nifidy ny fiainana mandrakizay, na azo antoka fa misaintsaina ny amin'izany. Havanana manokana amin'ny fanatanterahana izay rehetra nolazainy Andriamanitra - dia ny fanatanterahana ny teny fikasana rehetra nataony. Ny anjarantsika dia ny mino Azy fotsiny, ny mitoky amin'ny fahamendrehan'i Jesôsy, ary ny mankatò ny Teniny amin'ny alalan'ny finoana. 

    Vakio ny Jao. 14:1-3. Inona ny torohevitra omen'ny Tompo antsika ao amin'ny and. 1, ary inona no ampanantenainy antsika ao amin'ny and. 2 sy 3?

    Nandritra ireo andro farany nanaovany asa fanompoana teto an-tany no nanaovan'i Jesôsy ireo teny mahagaga feno fanantenana sy fampaherezana ireo ho an'ireo mpianany. Natao hanandratra ny fisainany ao anatin'ny fotoana mahakivy sy feno fitsapana izany. Ary izany koa no tokony ho vokany eo amintsika. Tonga avy any an-danitra i Jesôsy, niverina ho any an-danitra Izy ary nampanantena antsika hoe: "Dia ho avy indray Aho ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. " Ary azo inoana fa ambonin'ny zava-drehetra, ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana tamin'ny fiaviany voalohany no antoka lehibe indrindra ananantsika ny amin'ny fiaviany fanindroany, satria raha tsy hisy ny fiaviany fanindroany dia inona moa no ilana ilay fiaviany voalohany? Tahaka ny ahazoantsika antoka ny nahafatesan'i Jesôsy ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana, ary, tahaka izany no ahazoantsika antoka ny teny fikasany hoe: "ho avy indray (Aho) ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa." - Jao. 14:3. 

    Saintsaino ny amin'ny hoe: ny fiavian'i Kristy voalohany no antoka ananantsika ny amin'ny fiaviany fanindroany. Inona no nitranga tamin'ny fiaviany voalohany izay mahatonga ny fiaviany fanindroany ho fampanantenana azontsika itokiana? 

    Please publish modules in offcanvas position.