Ny famariparitan'ny Baiboly an'i Jerosalema vaovao dia araka izay hitan'i Abrahama tamin'ny alalan'ny finoana. "Fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany." - Heb. 11:10. I Jerosalema Vaovao dia sanganasan'Andriamanitra, namboarina ho an'ireo izay tia Azy sy mitandrina ny didiny. Ho fonenan'ireo zanak'Andriamanitra mahatoky mandritra ny arivo taona any an-danitra i Jerosalema Vaovao, ary aorian'izany dia eto an-tany mandritra ny mandrakizay. Misy vaovao tsara ho an'ny sasany amintsika izay tsy tia mangorona entana sy mifindra monina. Mikarakara ny zavatra rehetra Andriamanitra. Nilaza i Jaona fa nahita ilay tanana. "Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny ." - Apok. 21:2.
Vakio ny Apôk. 21. Inona avy ireo zavatra ampanantenaina antsika?
Maro tokoa ny voalaza eto izay zara raha takatry ny saintsika simban'ny fahotana, sy tsy mahalala afa-tsy tontolo lavo efa ravan'ny fahotana. Saingy izay takatry ny saintsika kosa dia feno fanantenana.
Voalohany, tahaka ny nonenan'i Jesôsy niaraka tamintsika teto amin'ity tontolo lavo ity, rehefa tonga Izy, no hitoerany miaraka amintsika ao amin'ilay tontolo vaovao. Tombontsoa lehibe tokoa re no nananan'ireo izay nahita maso an'i Jesôsy akaiky sy manokana! Hanana izany tombontsoa izany indray isika, saingy tsy miavaka amin'ny voalim-pahotana izay manakona sy manova ny fijerintsika.
Manaraka izany koa, ahoana no ahatakarantsika, isika izay tsy mahalala afa-tsy ranomaso, alahelo, fitarainana ary fanaintainana, ny iray amin'ireo teny fikasana lehibe indrindra ao amin'ny Baiboly manao hoe: "Ary hofafany ny ranornaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha." - Apôk. 21:4? Ireo "zavatra taloha" rehetra ireo dia ho "lasa", dia ireo zavatra izay tsy tokony ho nisy mihitsy hatrany am-piandohana.
Izao koa, mikoriana avy eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra ny ranon'aina madio, ary misy hazon'aina eo amin'ny andaniny roa amin'ilay onin'ny ranon'aina. Eo no hisy ny seza fiandrianan'Andriamanitra ary "hahita ny tavany" izy ireo (Apôk. 22:4). Averina indray fa ireo voavotra dia hiaina ao anatin'ny fifandraisana ety amin'Andriamanitra, izay tsy mbola ananan'ny ankamaroany amintsika ankehitriny.
Vakio ny Apôk, 21:8, izay miresaka momba ny anjaran'ireo izay hiatrika ny fahafatesana faharoa. Inona amin'ny fahotan'ireo olona vosoritsoritra ao ireo no tsy azon'i Jesôsy navela? Nahoana ary no very ireo olona ireo kanefa misy ireo izay nanao zavatra mitovy amin'izany fa voavonjy ihany? Inona ny fahasamihafana lehibe eo amin'ireo vondrona roa ireo?