Vaovao Madagasikara

    Ampamoaka

    Rehefa nanakaiky, ny fifaranan'ny ny asa fanompoany Jesôsy, dia nanatona azy mangingina ny mpianany ary nanontany hoe "Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao." - Mat. 24:3. Nahafeno toko anankiroa ny valin-tenin'i Jesôsy ho an'ny fanontanian'izy ireo. Milaza ny amin'ireo famantarana hita eo amin'ny tontolo manodidina antsika ny Mat. 24, toy ny ady, ireo loza isan-karazany, sns. Ary ny Mat. 25 dia milaza momba ny toetoetry ny fiangonana mialoha kely ny hiverenan'i Jesôsy. Tantara telo no entiny manazava izany, ka fanoharana ny amin'ny talenta ny anankiray, izay milaza ny fomba ampiasan'ny olony ireo fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra azy.

    Vakio ny Mat. 25:14-19. Iza ilay nandeha ho any an-tany hafa? Iza no nanankinany ny fananany? Inona ny hevitry ny hoe "nampilaza azy ny amin'ny volany' (jereo ny Mat. 25:19)?

    Indraindray heverintsika fa fanomezana voajanahary ny talenta, dia toy ny fihirana, ny fitenenana, sns, saingy ao amin'ny tantara mitovy amin'izany ao amin'ny Lio. 19:12-24, dia ny vola sy ny fitantanana azy no voalaza manokana ao. Izao koa no nolazain'i Ellen G. White: "Naseho ahy fa tsy azo amin'ny fahafenoany ny fanoharana ny amin'ny talenta. Io lesona manan-danja io dia nomena ny mpianatra mba ho tombontsoan'ireo Kristianina velona amin'ny andro farany. Ary ireo talenta ireo dia tsy maneho fotsiny ihany ny fahafahana mitory teny sy mampianatra amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra. Mihatra amin'ireo harena ara-nofo izay nankinin'Andriamanitra amin'ny vahoakany io fanoharana io." — TFC, b. 1, t. 197.

    Vakio ny Mat. 25:20-23. Inona no lazain'Andriamanitra amin'ireo izay nitantana tamim-pahatokiana ny volany mba hanohanana ny asany? Inona ny hevitry ny hoe "midira amin'ny fifalian'ny Tomponao" - Mat. 25:23?

    Mora amintsika ny mihevitra fa manana talenta betsaka kokoa noho isika ny hafa ary noho izany dia tompon'andraikitra bebe kokoa eo anatrehan'Andriamanitra. Amin'ity tantara ity anefa dia ilay olona izay tsy nanana afa-tsy talenta iray - ny vola kely indrindra - no hita ho tsy nahatoky ka tsy nahazo ny fanjakana. Andeha isika hifantoka amin'izay nankinin'Andriamanitra amintsika sy ny fomba azontsika ampiasana izany ho voninahiny fa tsy hieritreritra ny amin'ny andraikitry ny hafa. 

    Ahoana ny ho fihetsikao rehefa ho tonga Andriamanitra hanao "ampamoaka" momba anao? 

    Please publish modules in offcanvas position.