Taorian'ny fiovam-pony dia nirotsaka lalina tamin'ny asan'i Kristy i Paoly. Noho ny fanabeazana azony sy ny sainy maranitra dia ho nahita fahombiazana tokoa izy raha ny fomba fijerin'izao tontolo izao. Tahaka an i Mosesy dia nisafidy ny hitondra fahoriana miaraka amin'ireo zanak'Andriamanitra mahatoky sy noho ny fitiavana an'i Kristy i Paoly. Niaritra kapoka, tora-bato, fonja, fahavakisan-tsambo, hanoanana, hatsiaka ary zavatra maro hafa araka ny ambaran'ny 2 Kôr. 11:24-33 izy. Ahoana no nahafahany niaritra izany rehetra izany?
Vakio ny Rôm. 8:16-18. Anisan'ny nanampy azy hahatoky ny fahafantarany fa zanak'Andriamanitra izy, amin'ny fomba ahoana.
Manan-danja tokoa ho an'i Paoly ny valisoan'ireo izay mahatoky ka izany no nahatonga azy nafana fo tamin'ny fiaretana fahoriana ho an'i Kristy. Avy ao am-ponja no nanoratany hoe: "Ry rahalahy, tsy mbola ataoko efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesôsy ." - Fit. 3:13,14.
Vakio ny 1 Tim. 6:6-12 izay efa hitantsika saingy mendrika ny iverenantsika. Inona ny hafatra lehibe ao amin'ireo andininy ireo, indrindra ho antsika Kristianina?
Araka ny fomba fijery ara-Baiboly, ny fanambinana dia ny fananana izay ilainao amin'ny fotoana ilanao azy. Tsy ny fananana harena miavosa izany. Ny fanambinana koa dia ny fananana ny teny fikasana nataon'Andriamanitra ao amin'ny Fil. 4:19 manao hoe: "Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra ao amin'i Kristy Jesôsy ." Farany, ny fanambinana dia ny fahaiza-mankasitraka izay ananana ao amin'ny Tompo sy ny matoky Azy amin'ny zavatra rehetra.
Andriamanitra dia tsy nampanantena ny zanany fa hanana ireo harena eto an-tany avokoa izy ireo. Raha ny marina, dia nilaza Izy fa henjehina ireo izay te ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra. Tsara noho ny harena eto an-tany no atolony. Hoy Izy: "Hanome izay ilainareo Aho ary na aiza na aiza alehanareo dia homba anareo Aho." Ary amin'ny farany dia homeny ny olony mahatoky ny tena harena sy andraikitra ary ny fiainana mandrakizay. Valisoa lehibe tokoa izany!
Rehefa nanantomotra ny fiafaran'ny fiainany i Paoly dia mbola nahalaza hoe: "Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mby akaiky ny andro fialako. Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen'ny Tompo, Mpitsara marina, ho azy amin'izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa." - 2 Tim. 4:6-8. Enga anie isika rehetra mba ho afaka hiteny toy izany koa, noho ny fahasoavan'Andriamanitra, miaraka amin'ny fahazoana antoka toy izany.