Inty misy sarinteny momba ny fiangonana iray sy ny mambra ao anatiny izay mpitantana ara-bola mahatoky eo amin'ny raharahan'Andriamanitra eto an-tany.
Ny fitantanam-pananana araka ny fijerin'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito manerana izao tontolo izao.
Any amin'ny hoavy ny tantara no miseho: ary ireo pasitora sy ireo mpitarika ny fiangonana eo an-toerana dia nahavita nampita ny fahaiza-mitantana teo anivon'ny fiangonana. Nampianatra, nanofana, nanohana ary nampahery ny fianakavian'ny fiangonana izy ireo teo amin'ny lafiny fitantanam-bola ara-Baiboly.
Ampiharin'ny olona eo arnin'ny fiainany ireo fipitsika ara-Baiboly. Mitombo ny fahalalahan-tanan'izy ireo ary manokana vola tsy tapaka izy hiatrehana ireo zavatra tsy ampoizina ka tsy mba midi-trosa.
Fifehezan-tena, fanaraham-pitsipika, ary ny fahalalana onony no mampavaka ny fomba fiainan'izy ireo. Tsy natao hotompoina intsony ny vola ary mitombo ny fifandraisan'izy ireo amin'Ilay Andriamanitra Mpahary.
Sabata maraina ny andro, ary tonga hanao fanompoam-pivavahana ny olona. Misy fiadanana - tsy misy fiahiahiana momba ny ara-bola, mameno azy ireo ny fahatsapana feno fahafaha-po sy fankasitrana.
Tsy mba mifanditra momba ny resa-bola intsony ireo mpivady. Miditra amin'ny fanompoam-pivavahana izy ireo miaraka amin'ny fahatsapana sy fanantenana ny asa sy fanatrehan'Andriamanitra eo anivon'izy ireo. Mahazo fanohanana ara-bola amin'ny fahafenoany ny asa fanompoan'ny fiangonana, ary dia mahataka-davitra indrindra izany. Mampita ny fitiavan'i Kristy amin'ny fomba azo tsapain-tanana amin'ireo olona mila izany io fanohanana io.
Misy vola voatokana ho famatsiana fitaovana ny fiangonana izay manampy amim-pahombiazana tokoa ny asa fanompoana, sady voakolokolo tsara ireo fitaovana ireo.
Ny fanontaniana mipetraka amintsika rehetra dia ity: "Manoloana ireo fananana rehetra nankinin'Andriamanitra tamintsika, inona no iantsoany antsika amin'izany?"
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
1. Ao amin'ny kilasy, ifanakalozy hevitra ny amin'ny tokony ho fahatakarantsika ireto fampianarana roa ara-Baiboly mazava tsara ireto: ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana sy ny valisoa mifanaraka amin'ny asa. Ahoana no hampifandrindrana ireo hevitra roa ireo?
2. Nahoana ny fahaizana mianina amin'izay ananantsika ankehitriny no tsy midika hoe tsy azontsika atao ny manatsara ny toe-bolantsika? Izany hoe, nahoana no tsy voatery hifanohitra ireo hevitra ireo?
3. Tsy isalasalana fa miandry antsika ny mandrakizay. lnona avy ireo safidy ataontsika ankehitriny, eny fa na ireo safidy "madinika" aza, izay hanampy amin'ny famaritana hoe aiza no handaniantsika izany mandrakizay izany.