Iandrandrana Ny ho Avy
Il n'y a aucun article dans cette catégorie. Si des sous-catégories sont affichées sur cette page, elles peuvent contenir des articles.
Hodinihana mandritry ny herinandro : Apôk. 12; Efes.5:25-27,32; Fil.3:9; Dan.7:25; Isa.14:12-14; Apôk.13:14-17.
Tsianjery: Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesôsy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy. Apôk: 12:7.
Hodinihana mandritry ny herinandro : Mat. 24:14; Apôk. 14:14-20; Mat. 16:27; Asa. 1:9-11; Mar. 4:26-29; Apôk. 16:1.
Tsianjery: "Ary indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak'Olona nipetraka teo ambonin'ny rahona, Izay nisatroka satroboninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany. Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery ka nanao tamin'Ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany."– Apôk. 14:14,15.
Hodinihana mandritry ny herinandro : Apôk. 14:6-12; 1 Kôr. 15:1-4; Rôm. 3:24-26;1 Pet. 1:18-20; Mat. 28:19,20; Asa. 1:8.
Tsianjery: "Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin 'izay monina arnbonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra." -Apôk. 14:6.
Hodinihana mandritry ny herinandro : Apôk. 14; Gen. 22:12; Mpitt. 12:13, 14; Kôl. 3:1, 2; Heb. 12:1, 2; 1 Kôr. 3:16, 17.
Tsianjery: "Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an 'i Jesôsy." — Apôk. 14:12.
Hodinihana mandritra ny herinandro: Apôk. 14:7; Sal. 51:1-4; Apôk. 20:12; Dan. 7:9,14,26; Apôk. 4:2-4; Apôk. 5:1-12.
Tsianjery: "Nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'lzay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano." - Apôk. 14:7.
Hodinihana mandritry ny herinandro : Dan. 8; Dan. 9; Ezra 7; Mat. 3:13-17; Rôm. 5:6-9; Mar. 15:38; Lev. 16:16.
Tsianjery: "Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika. Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava." - Rôm. 13:11,12.
Hodinihana mandritry ny herinandro : Apôk. 1:9, Isa. 40:2, Kôr. 5:17, Kôl. 1:17, Apôk. 4:11, Jao. 19:16-30.
Tsianjery: "Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy." - Apôk. 4:11.
Hodinihana mandritry ny herinandro : Jak. 2:8-13; Deo. 5:12-15; Sal. 33:6, 9; Apok. 14; 2 Pet. 3:13; Apok. 21:1.
Tsianjery: "Ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra." - Efes. 3:9.
Hianarana mandritry ny herinandro : Apôk.17:1,2,15; Apôk .18:1-4; Apôk. 17:4-6; Mat.16:18; Jer. 50: 33-38; Sal. 115:4-8.
Tsianjery: "Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky." - Apok. 17:14.
Hianarana mandritry ny herinandro : Apôk. 12:9; Apôk. 16:13, 14, 1 Tes. 4:16, 17; Ezek. 8:16; Ezek. 20:1-20; Apôk. 18:4,5.
Tsianjery: "Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana." — Jao. 17:17.
Hianarana mandritry ny herinandro : Apôk. 14:12; Efes. 2:8-10; Mat. 27:45-50; Apôk.13:15-17; Apôk. 14:4; Lio. 5:18-26.
Tsianjery: "Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa, niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin'ny handrin'ny mpanompon Andriamanitsika." – Apôk. 7:2,3.
FHodinihina mandritra ny herinandro: Apôk. 12:6,14; Dan. 7:25; 2 Tes. 2:3, 4; Deo. 6:8; Deo. 11:18; Eks. 20:8-11.
Tsianjery: "Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa, niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin'ny handrin'ny mpanompon' Andriamanitsika." —Apôk . 7:2,3.