- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 2: Hafatra telo ho an'izao tontolo rehetra izao
- Lesona 1: Mandresy i Jesôsy - resy i Satana
Fampidirana
SABATA HARIVA 25 MARSA
Ao amin'ny "Outnumbered : Incredible Stories of History's Most Surprising attlefield Upsets" (na raha adika: "Vitsy an'isa: Tantara tsy mampino momba ny fitsimbadihana mahagaga indrindra teo amin'ny fizotry ny ady"), i Corme o'Brien dia mitantara momba ireo tafika izay na dia vitsy an'isa aza dia nandresy ihany. Voatantara ao ny amin'ny tafik'i Hannibal, izay nanana miaramila miisa 55 000, avy any Carthage, kanefa nandresy ny tafika maherin'ny Rômanina nalaza ho "tsy hay resena", izay nanana miaramila miisa 80.000. Resahiny ao ny tantara mahagaga momba ny fandresen'ny tafika grikan'i Alexandre lehibe ny fanjakana persianina.
Isika koa dia tafiditra ao anatin'ny ady mihatra aman'aina amin'ny fahavalo fetsy. Vitsy an'isa isika ary miatrika fanoherana tsy mampino. Toa tsy hay resena ny herin'ny ratsy. Toa fahaverezana azo antoka no miandry antsika. Toa tsy azo ihodivirana ny faharesena. Toa tsy azo antenaina ny fandresena. Amin'ny fomba fijery maha-olombelona dia toa handringana antsika ny tafik'i Satana.
Saingy, isaorana Andriamanitra, fa na dia vitsy an'isa aza isika, na dia toa ratsy vintana aza isika (araka ny fihevitr'olombelona), na dia masiaka aza ny fanafihan'i Satana, amin'ny farany dia handresy isika amin'ny alalan'i Jesôsy. Ny lohahevitry ny Apôkalipsy, boky farany ao amin'ny Baiboly, dia izao: mandresy i Jesôsy, resy i Satana. Voasoritsoritra ao amin'ny Apôkalipsy 12 ny votoatin'izany ady izany, izay hodinihintsika amin'ity herinandro ity. Hanampy antsika hahatakatra tsara izay voambara ao amin'ny Apôkalipsy 14 sy ny hafatry ny anjely telo ity fianarana ity.