- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 2: Hafatra telo ho an'izao tontolo rehetra izao
- Lesona 2: Fotoana andraisan’ny tsirairay ny anjarany
Fampidirana
Niteny tamin'ny vahoakany mandrakariva Andriamanitra, nanome azy ireo ny fahamarinana miavaka izay nilainy henoina tamin'izany fotoana izany. Hatramin'ny fampitandremana momba ny safodrano (Gen. 6:7) ka hatramin'ny fiavian'i Jesôsy fanindroany (Dan. 9:24-27), ny fitsarana mialoha ny fiaviany (Dan. 7:9, 10; Dan. 8:14), ny toe-javatra farany hiseho mialoha ny hiverenan' i Kristy (Apôk. 12-14), dia niteny tamintsika mandrakariva Andriamanitra. Amin'izao andro farany eo amin'ny tantaran'ny olombelona izao dia nandefa hafatra manokana ho an'izao tontolo izao sy ho an'ny vahoakany Izy, hafatra izay nokendrena mba hamaly ny zavatra ilaina ao anatin'izany fotoana izany. Maneho izany hafatra izany an-tsary Izy amin'ny alalan'ny anjely telo manidina eny afovoan'ny lanitra, mitondra ny hafatra maikan'ny andro farany ho an'izao tontolo izao.
Ny hafatry ny anjely telo no hafa-pamindram-po farany avy amin'i Jesôsy, antso izay mitarika antsika hiala amin'ny fianteherana amin'ny fahamarinantsika ka hitokiantsika amin'ny fahamarinan' i Jesôsy mba hanamarina sy hanamasina antsika ary hanome voninahitra antsika amin'ny andro farany.
Toy ny mahazatra anefa dia tokony hisafidy an'i Kristy isika, ary hiantoraka Aminy sy hankatò Azy; ary ny safidy izay ataontsika ankehitriny dia hisy fiantraikany tokoa amin'ireo safidy izay hataontsika amin'ny fotoan-tsarotra farany izay miandry antsika. Araka izany, izao anio izao no fotoana tokony hiomanana.