- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 2: Hafatra telo ho an'izao tontolo rehetra izao
- Lesona 3: Filazantsara mandrakizay
Filazantsara mandrakizay
Mariho fa manomboka amin'ny filazantsara «mandrakizay» ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14:6. Raha tsy takatsika ny halalin'ny filazantsara dia tsy ho hitantsika ny hevitry ny hafatry ny anjely telo. Tsy ho takatsika amin'ny fahafenoany na oviana na oviana ireo lohahevitra ao anatin'ny hafatr'Andriamanitra momba ny andro fitsarana, na ny faharavan'i Babilôna, na ny mariky ny bibidia, raha tsy azontsika ny filazantsara.
Vakio ny 1 Kôr. 15:1-4, Rôm. 3:24-26, sy ny Rôm. 5:6-8. Manao ahoana lay "filazantsara mandrakizay" raha araka ny voalazan'ireo andininy ireo? Inona ny fanantenana lehibe aseho antsika eto?
Ny filazantsara dia vaovao mahafaly sy mahatalanjona momba ny fahafatesan'i Kristy noho ny fahotantsika, ny fitsanganany tamin'ny maty be voninahitra, ary ny fitiavany tsy miova sy ny fiahiany antsika mandrakariva. Afaka amin'ny sazin'ny fahotana sy ny heriny isika noho ny finoana ny rà nalatsany sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty. Nameno ny fisainan'ny apôstôly Paoly ny amin'i Kristy ary ivon'ny fampianarany sy ny toriteniny. Nanavotra azy tamin'ny fanamelohana sy ny fahatsiarovan-tena ho meloka noho ny fiainany lasa i Kristy voahombo. Nanome hery azy ho an'ny ankehitriny i Kristy nitsangana tamin'ny maty, ary nanome azy fanantenana ny amin'ny hoavy i Kristy ho avy indray. Mariho ireto hevitra efatra avy amin'ireo andalanteny ao amin'ny Rômana ireo:
1. Hamarinina maimaim-poana amin'ny alalan'ny fahasoavana isika.
2. Fanambarana ny fahamarinan'Andriamanitra ny fahasoavana.
3. Manamarina ireo izay manaiky an'i Jesôsy amin'ny finoana ny fahasoavana.
4. Fony mbola mpanota isika dia efa naseho antsika ny fitiavan'Andriamanitra.
Tsy mendrika antsika, tsy azo amin'ny alalan'ny asa tsara ataontsika, ary tsy azontsika vidina ny fahasoavan'i Kristy. Ny fahafatesana feno fijaliana sy mangirifiry indrindra izay tokony ho anjaran'ny mpanota very no nihatra tamin' i Kristy. Nianjady Taminy ny firehetan'ny fahatezeran'ny Ray sy ny fitsarany ny fahotana. Nolavina Izy mba ho azo ekena kosa isika. Maty teo amin'ny toerantsika Izy mba hananantsika fiainana, dia ny fiainany.
Tokony hahagaga àry ve raha tsy maintsy ho avy amin'ny finoana ny famonjena fa tsy avy amin'ny asan'ny lalàna? Inona no azontsika anatsarana izany, inona no azon'ny asantsika, eny fa na izay tsara indrindra sy feno ny Fanahy Masina aza, ampiana amin'izay efa nataon'i Kristy ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana?
Ary izany drafitra izany, ny drafi-pamonjena, dia efa napetraka hatry ny fony fahagola (2 Tim. 1:9; Tit. 1:2; Efes. 1:4), izay manampy antsika hahatakatra ny antony iantsoana ny filazantsara hoe "mandrakizay". Talohan'ny nahariana izao tontolo izao dia efa fantatr'Andriamanitra izay hitranga, ary izany no namolavolany ny drafi-pamonjena ho fiatrehana ny fotoan-tsarotra rehefa hiseho izany.